< Marqqossa 2 >
1 Gutha galasafe guye “Yesusay guye Qifirnahome simidi soon dees” giza wore asay siyidees.
Ary nony niditra tao Kapernaomy indray Izy, rehefa afaka andro vitsivitsy, dia re fa tao an-trano Izy,
2 Hessa gish kethara karera utizasoy dhayana gakanas daro derey shiqidees. Izikka Xoossa qaala asas sabakidees.
ka dia tafangona ny maro, ka tsy nisy hitoerana intsony, na dia teny anoloan’ ny varavarana aza; ary Izy nitory ny teny taminy.
3 Oydu ass dayti issi toy silida ass tokidi izakko ehida.
Ary nisy nanatona nitondra ny anankiray mararin’ ny paralysisa ho eo aminy, izay nolanjain’ efa-dahy.
4 Assa darotethafe dendidaysan Yesusay dizaso gathanas danda7onta gish Yesusay diza ginara kaara lukidi harganchaza izi zin7ida zaphara Yesusa sinth duge wothida.
Ary satria tsy afaka nanakaiky Azy izy noho ny habetsahan’ ny vahoaka, dia nanesorany ny tafon’ ny trano nitoeran’ i Jesosy, ka nony efa voasokatra, dia nampidininy teo ny fandriana izay nandrian’ ilay nararin’ ny paralysisa.
5 Yesusay asata amano beydi toy silida adeza “hayso ne nagaray maretidees” gides.
Ary Jesosy, nony nahita ny finoan’ ireo, dia nanao tamin’ ilay mararin’ ny paralysisa hoe: Anaka, voavela ny helokao.
6 Hen gadan utida issi issi Musse woga Xahaaththaeti ba wozinara haysi addezi wosti hayssatho gizee? Xoossa bolla casha qaala hasa7eskko! issi Xoossafe atin nagara marana danda7izay onne gidi qopida.
Ary nisy mpanora-dalàna sasany nipetraka teo ka nieritreritra tao am-pony hoe:
Nahoana Ilehity no miteny toy izany? Miteny ratsy Izy. Iza no mahavela heloka afa-tsy Iray ihany, dia Andriamanitra?
8 Yesusay herakka isti ba wozinan qopidaysa ba ayanan eridi “inte wositi hayssatho qoppetii?
Ary niaraka tamin’ izay Jesosy dia nahalala tao am-panahiny fa nieritreritra izany tao am-pony ireo, dia hoy Izy taminy: Nahoana ianareo no mieritreritra izany zavatra izany ao am-ponareo?
9 Toy silidadeza ne nagaray maretidees gusafenne dendada ne zapha tokkada ba gusafe aways kawushee?
Iza moa no moramora kokoa, ny manao amin’ ilay mararin’ ny paralysisa hoe: Voavela ny helokao, sa ny manao hoe: Mitsangàna, betao ny fandrianao, ka mandehana?
10 Gido atin asa nass bitta bollan agara marana godatethi dizaysa inte erana mala” gidi to silla addeza
Fa mba ho fantatrareo fa ny Zanak’ olona manana fahefana etỳ ambonin’ ny tany hamela heloka, dia lazaiko aminao (hoy Izy tamin’ ilay mararin’ ny paralysisa):
11 “dendada ne tokkista yida zaphe tokkada ne soo ba” gidees.
Mitsangàna, betao ny fandrianao, ka modia any an-tranonao.
12 Izikka dendidi asay wuri beyshin zapha tokidi bidees. Hen gadan diza asay wurii hanozan malaletidi “Haysa malay hanini beybekko” gidi Xooss galatidees.
Dia nitsangana izy ka nambeta ny fandriany niaraka tamin’ izay ary niala teo anatrehan’ ny olona rehetra; dia talanjona izy rehetra ka nankalaza an’ Andriamanitra nanao hoe: Tsy mbola nahita izay toy izao izahay.
13 Qasekka Yesusay Galila abba lanqe yides. Daro dereykka izakko yin izikka yida asa tamarsides.
Ary lasa nandeha teny amoron-dranomasina indray Jesosy; ary ny vahoaka rehetra nanatona Azy, ka dia nampianatra azy Izy.
14 Izi oogera adhi bishin Elifiyosa na Leewy qaraxa shishizason utidaysa beydine “haya tana kaalla” gidees, izkka dendidi Yesusa kalidees.
Ary nony nandalo Izy, dia nahita an’ i Levy, zanak’ i Alfeo, nipetraka teo am-pamorian-ketra; ka hoy Izy taminy: Manaraha Ahy. Dia nitsangana izy ka nanaraka Azy.
15 Hesafe guye leewe son kaththa madan uti dishin qaraxa shishiza daro asatinne nagaranchati izara kali yida gish issti Yesusaranne iza kalizaytara issife kaththa madan utida.
Ary raha nipetraka nihinana tao an-tranony Izy, dia maro ny mpamory hetra sy ny mpanota no niara-nipetraka nihinana tamin’ i Jesosy mbamin’ ny mpianany; fa nisy maro tao, dia nanaraka Azy izy.
16 Parsawista bagafe gidida Musse woga tamarsizayti Yesusay nagaranchataranne qaraxa shishizaytara mishin beydi iza kalizayta “Qaraxxa shishizaytaranne nagaranchatara aazas mizee?” giidi oychida.
Ary ny mpanora-dalàna, izay isan’ ny Fariseo, raha nahita fa niara-nipetraka nihinana tamin’ ny mpanota sy ny mpamory hetra Izy, dia niteny tamin’ ny mpianatra hoe: Miara-mihinana sy misotro amin’ ny mpamory hetra sy ny mpanota Izy!
17 Yesusaykka isti gizaysa siyidi “Akimmey harganchatas koshes atin hargontaytas gidena. Takka nagaranchata xeyganas yadis attin xillota xeyganas yabeykke gides.
Ary raha nahare izany Jesosy, dia nanao taminy hoe: Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary; tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota
18 Yanisa kalizatinne Parsaweti xomma xommetes. Issi issi asati Yesusakko yidi Yanisa kalizaytinne Parsawista kalizayti xommetees. Nena kalizayti azass xommetene gi oychida.
Ary ny mpianatr’ i Jaona sy ny Fariseo nifady hanina tamin’ izany; dia avy izy ka nanao tamin’ i Jesosy hoe: Nahoana ny mpianatr’ i Jaona sy ny mpianatry ny Fariseo no mifady hanina, fa ny mpianatrao kosa tsy mba mifady?
19 Yesusaykka istas mishiray istara dishin mishira lageti xommi erizo? Mishiray istara dishin xommi eretena.
Ary Jesosy niteny taminy hoe: Mahay mifady va ny havan’ ny mpampakatra raha mbola ao aminy ihany ny mpampakatra? Raha mbola ao aminy ihany ny mpampakatra dia tsy mahay mifady izy.
20 Mishiray isstappe ekistana wodey yana he wode issti xommana.
Fa ho avy andro izay hanalana ny mpampakatra hiala ao aminy, ka amin’ izany andro izany hifady izy.
21 Gal7a mayo bolla oratha curqa wothi sikizadey onnikka deenna, hessaththo othikko orathazi gal7a dakki dakki yeges; dakethaykka kassefe gede adhi ites.
Tsy misy olona manjaitra tapa-damba tsy mbola voalòna amin’ ny lamba tonta; fa raha izany, ny vaovao izay natampina dia handrompitra ny tonta, ka hitatra ny triatra.
22 Hessathokka oratha woyne caje gal7a ogoron wothizadey denna. Wothiza gidikko woynne cajezi gal7a ogoroza dhuses, woynne cajezine ogorazi namm7ay moretetes. Hessa gish oratha woynne cajey danas besizay oratha oogorana” gidees.
Ary tsy misy olona manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra tonta; fa raha izany, ny divay dia hahatriatra ny siny hoditra, ka dia samy ho very foana ny divay sy ny siny hoditra; fa divay vaovao no ho ao anaty siny hoditra vaovao.
23 Yesusay Ayhudata sanbata galas gistte tiya gidora adhishin iza kalizayti izara issippe bishe tiya xupho oykkida.
Ary nandeha namaky ny tanim-bary tamin’ ny Sabata Jesosy; ary ny mpianatra dia nanoty ny salohim-bary teny am-pandehanana.
24 Parsaweti “Nena kalizayti sanbata galas digetida miish aazas othizo? gidi Yesusa oychida.
Ary ny Fariseo nanao taminy hoe: Indro, nahoana ireo no manao izay tsy mety amin’ ny Sabata?
25 Izikka istas “Dawitey gafidi mizaz koyda wode izara issippe dizaytara izi othidaysa nababibeyketii? gidees.
Fa hoy Izy taminy: Tsy mbola novakinareo va ny teny milaza ilay nataon’ i Davida, raha reraky ny hanoanana izy mbamin’ izay nanaraka azy,
26 Abiyatarey qessista halaqatethan dishin izi Xoossa keth gelidi qeseti xalala manas besiza dumma kaththa bess midine benara dizaytas immidees.
fa niditra tao an-tranon’ Andriamanitra tamin’ ny andron’ i Abiatara mpisoronabe izy ka nihinana ny mofo aseho, izay mahadiso raha misy homana izany, afa-tsy ny mpisorona ihany, ary nomeny koa izay nanaraka azy?
27 Qassekka sambaytas asas medhetidees atin assi sanbatas medhetibeyna.
Ary hoy Izy taminy: Ny Sabata no natao ho ny olona, fa tsy ny olona ho an’ ny Sabata.
28 Hessa gish ta asa nay sambata goda. gides.
ka dia Tompon’ ny Sabata aza ny Zanak’ olona.