< Yanisa Mishiracho 14 >
1 Kaalleththdka Yesussay hizzgdes “inte wozinay metotetoofo Xoossu ammanitee, tanaka ammanite.
Aza malahelo ny fonareo; minoa an’ Andriamanitra, ary minoa Ahy koa.
2 Ta aawa achchan daroo dusasooy des, hessa gidonttakko (intes danaso gigisanasa ta bana gana shin.
Ao an-tranon’ ny Raiko misy fitoerana maro; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho.
3 Bada ta intes soo gigisidape guyee inte ta dizason dana mala ta simma yada intena ekkana.
Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa.
4 Ta biza ogge inte errista.”
Ary fantatrareo koa ny lalana ho any amin’ izay halehako.
5 Tomassay “Godo! ne awa bizakoone nu errokoshin, oggezza nu wostt erranas danddaeizon?” gides.
Hoy Tomasy taminy: Tompoko, tsy fantatray izay alehanao; ka hataonay ahoana no fahafantatra ny lalana?
6 Yesussayka izas hizzgi zaarides “oggeyne, tummay, deyooyka tanakoo, ta baggara gidikofe attin oonnika awako bana urray dena.
Hoy Jesosy taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ ny Ray, afa-tsy amin’ ny alalako.
7 Inte tana errizako ta aawaka erranakooshin, hia hayssafe guyee inte iza errana iza beeyoka beydista.”
Raha nahafantatra Ahy ianareo, dia ho nahafantatra ny Raiko koa; ary hatramin’ izao dia mahafantatra Azy ianareo sady efa nahita Azy.
8 Pilphphosayka Godo! Ne nu aawa beesiiko nuss gidana” gides.
Hoy Filipo taminy: Tompoko, asehoy anay ny Ray, dia ampy ho anay izay.
9 Yesussayka izas hizzgides “Pilphphosa! hayssa wode gakanas ta intenara deynkka ne tana erriki? tana be7ida urray aawaka be7ides, histtin neni wanada “nuna aawa besa gazi?
Hoy Jesosy taminy: Izay ela izay no efa nitoerako teto aminareo, ka tsy mbola fantatrao ihany va Aho, ry Filipo? Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray; koa ahoana no anaovanareo hoe: Asehoy anay ny Ray?
10 Tani ta awan, ta aawayka tanan dizaysa ammaniki? ta intes yootza qaala yootzay ta sheene mala gidena, gido attin oosoza wuris ooththizay tana diza aawako.
Tsy mino va ianao fa Izaho ao amin’ ny Ray, ary ny Ray ato amiko? Ny teny izay lazaiko aminareo, dia tsy avy amiko izany lazaiko izany; fa ny Ray mitoetra ato amiko no manao ny asa.
11 Tan aawan diza mala aawayka tanan dizaysa inte ammanite, akaye gikoo ta ooththiza oththota gishika tana ammanite.
Minoa Ahy fa Izaho ao amin’ ny Ray, ary ny Ray ato amiko; fa raha tsy izany, dia minoa Ahy noho ny asa ihany aza.
12 Ta intes tummu gays, tana ammanizadey ta ooththiza ooso oththana, hessafeka aththana, gasooyka tani aawako bana.
Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria Izaho mankany amin’ ny Ray.
13 Aaway naza gaason bonchetana mala inte ta sunththan woosidaysa ta intes wursa ooththana.
Ary na inona na inona no hangatahinareo amin’ ny anarako, dia hataoko izany, mba hankalazana ny Ray eo amin’ ny Zanaka.
14 Inte ay mishsheka ta sunththan woosidaysa wursa ta oththana.
Raha mangataka zavatra amiko amin’ ny anarako ianareo, dia hataoko izany.
15 Inte tana doosiza gidiko ta azazoyo nagite.
Raha tia Ahy ianareo, dia hitandrina ny didiko.
16 Tani aawa woosana, izika intenara medhinasa dana mala hara intena menththeththanade intes immana. (aiōn )
Ary Izaho hangataka amin’ ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra hafa mba ho eo aminareo mandrakizay, (aiōn )
17 Haysi minththeththiza ayanay dere asay iza beey errontt gish allamey ekkanas danddaontta tummu ayana gido attin inte iza errata, gasooyka izi intenara diza gishine izi inte gaththan diza gishasa.
dia ny Fanahin’ ny fahamarinana, Izay tsy azon’ izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany; fa ianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo.
18 Aayane aaway bayndda naytta mala ta intena xalala agiike, ta simmada ha inteko yana.
Tsy hamela anareo ho kamboty Aho; hankatỳ aminareo Aho.
19 Guththa wodepe guye dere asay tana beeyena shin inte gidiko beeyanddista, tani deyoon diza gish inteka deyoon danddeista.
Vetivety foana dia tsy hahita Ahy intsony izao tontolo izao; fa ianareo no hahita Ahy; satria velona Aho, dia ho velona koa ianareo.
20 Tani ta aawan diza mala inteka tanan dizaysane taka intenan dizaysa inte he wode erranddista.
Amin’ izany andro izany dia ho fantatrareo fa Izaho ao amin’ ny Raiko, ary ianareo ato amiko, ary Izaho ao aminareo.
21 Ta azazoo ekkidi ooththiza urray tana dosees, tana dosiizadeka ta aaway dooses, taka iza dosana, tanaka izades qoonccisana.
Izay manana ny didiko ka mitandrina izany, dia izy no tia Ahy; ary izay tia Ahy no ho tian’ ny Raiko, ary Izaho ho tia azy ka hiseho aminy.
22 Asqqoroto Yudda gidontta hankko Yuday “Godo! neni dere asas gidontta nuss wostta qonccisane” gides.
Hoy Jodasy (tsy Iskariota) taminy: Tompoko, nahoana no aminay ihany no hisehoanao, fa tsy amin’ izao tontolo izao koa?
23 Yesussayka izas hizzgdes. “tana siqqizadey ta qaala nagana, ta aawayka iza dosana, nuni izako yana, yidika izadeera isipee deyana.
Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ary ny Raiko ho tia azy, ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy.
24 Tana dosonttadey ta qaala nagena, haysi inte siyza qaalay tana kittida ta aawa qaalape attin ta qaala gidena.
Izay tsy tia Ahy dia tsy mitandrina ny teniko; ary ny teny izay renareo dia tsy Ahy, fa an’ ny Ray izay naniraka Ahy.
25 Tani hai intenara dashe hayssa intes yootdes.
Izany teny izany dia efa voalazako taminareo raha mbola mitoetra eto aminareo Aho;
26 Aaway ta sunththan yedana minththethiza xiilo ayanay qass haniza wuris intena tammarssana, ta intes yootoysaka wuris inte wozinan woththana mala maadana
fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masìna, Izay hirahin’ ny Ray amin’ ny anarako. Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo.
27 Ta intes sarooteth aggada bays, ta sarootethika ta intes immana, ta intes immiza sarootethi derey immiza sarooteththa mala gidena, inte wozinay hirggofoone baboofo.
Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen’ izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza malahelo na matahotra ny fonareo.
28 Ta bana, badaka intekoo simma yana gada ta intes kase yootidaysa siydista, inte tana doszzako ta ta aawako bizays intena uhaaththaaysanakoshin gasooyka aaway tape adhdhes.
Efa renareo fa Izaho nilaza taminareo hoe: Handeha Aho, nefa ho avy aminareo indray. Raha tia Ahy ianareo, dia ho faly, satria mankany amin’ ny Ray Aho; fa ny Ray dia lehibe noho Izaho.
29 Haysi haniza wode inte ammanana mala hasysa intes kasista yootadays.
Ary ankehitriny efa nilaza taminareo Aho, dieny tsy mbola tonga izany, mba hinoanareo, rehefa tonga.
30 Hayssa allameza hariza xalaeey yizza wodey gakkiida gish hai ta intenara daroo hasaiike, izi ta bolla aykooka ooththanas izas wolqay deena.
Tsy hilaza zavatra maro aminareo intsony Aho; fa avy ny andrianan’ izao tontolo izao, nefa tsy manana na inona na inona ato amiko izy.
31 Gido attin tanii aawa dosizaysa derey errana mala aaway tana azazidaysa ta wursa polana anee hayssafe boos denddite.
Fa mba ho fantatr’ izao tontolo izao fa tiako ny Ray, ary araka izay nandidian’ ny Ray Ahy, dia izany no hataoko. Mitsangàna, andeha isika hiala eto.