< 1 Qoronttosa 2 >
1 Ta ishato ta inteko Xoossa xuura qonccisana biday taas duuna qaratethi woykko era daroy diza gishshi gidena.
Ary izaho koa, ry rahalahy, raha tonga tany aminareo, dia tsy tonga tamin’ ny teny sy fahendrena marevaka, raha nitory taminareo ny zava-miafina izay an’ Andriamanitra.
2 Ta inte giddon diza wode kaqettida Yesus Kiristoosape attin hara erontta mala ta baggara muritadis.
Fa ninia tsy hahafantatra zavatra hafa teo aminareo aho, afa-tsy Jesosy Kristy, indrindra fa Izy voahombo tamin’ ny hazo fijaliana;
3 Ta inteko daro daaburan, yashatethanine qassekka daro kokorashe badis.
ary izaho, raha tany aminareo, dia azon’ ny fahalemena sy ny fahatahorana ary ny fangovitana be;
4 Ta qaalayne sabakoyka ayana wolqa qonccisethanpe attin cimonine era daron gidena.
ary ny teniko sy ny toriteniko dia tsy tamin’ ny teny fahendrena mahataona, fa tamin’ ny fanehoan’ ny Fanahy sy ny hery,
5 Hessika inte ammanoy Xoossa wolqanpe attin asa cinccatetha bolla xaphontta mala hanides.
mba tsy niorenan’ ny finoanareo amin’ ny fahendren’ ny olona, fa amin’ ny herin’ Andriamanitra ihany.
6 Nu kaha kunthida asata achchan era hasa7a hasa7osu. Gido attin hayssa ha alameza erateth gidena. Woyko dhayana diza ha alameza haarizayta erateth gidena. (aiōn )
Anefa milaza fahendrena amin’ ny efa matanjaka izahay, fa tsy ny fahendren’ izao tontolo izao, na ny an’ ny mpanapaka izao tontolo izao, izay olona mihalevona; (aiōn )
7 Gido attin nu hasa7izay kase qoteti diza Xoossa xuura eratethikko. He eratethay Xoossi daro wodepe kase nuna bonchos kasetid wursi wothidayssakko. (aiōn )
fa milaza ny fahendren’ Andriamanitra izahay ka maneho zava-niafina, dia fahendrena izay nafenina sady voatendrin’ Andriamanitra ho voninahitsika talohan’ ny nanaovana izao tontolo izao; (aiōn )
8 Ha alameza haarizaytape oonka ha eratetha eribeyna. Eridako istti boncho Goda kaqettena. (aiōn )
ary tsy nisy nahalala izany ny mpanapaka izao tontolo izao; fa raha nahalala izy, dia tsy nohomboany tamin’ ny hazo fijaliana ny Tompon’ ny voninahitra. (aiōn )
9 Gido attin geesha maxaafan “Asa ayfey beyonttazi, asa haythi siyonttazi, asa wozinayka qoponttazi Xoossi ba dosizaytas giigisides” gees.
Fa araka ny voasoratra hoe: Izay tsy mbola hitan’ ny maso ary tsy mbola ren’ ny sofina, na niditra tao am-pon’ ny olona, na inona na inona no efa namboarin’ Andriamanitra ho an’ izay tia Azy,
10 Xoossi gidiko hessa ba ayana baggara nuusu qonccisides. Ayanayka Xoossas ciima yoo ashontta wursi piligi xeeles.
dia isika no nanambaran’ Andriamanitra izany tamin’ ny Fanahy; fa ny Fanahy mamantatra ny zavatra rehetra, na dia ny saina lalina izay an’ Andriamanitra aza.
11 Asa garisan izades diza ayanape attin izade wozina erizay oonee? Hessaththoka Xoossa ayanape attin Xoossa qofa erizay oonka deena.
Fa iza no olona mahalala ny ao am-pon’ olona, afa-tsy ny fanahin’ ny olona izay ao anatiny ihany? Ary toy izany koa, tsy misy mahalala ny ao am-pon’ Andriamanitra afa-tsy ny Fanahin’ Andriamanitra ihany.
12 Xoossafe nuusu imettidayssa nuni erana mala Xoossa ayanay nuusu imettides attin nuni hayssa ha alameza ayana ekibeykko.
Fa isika tsy nandray ny fanahin’ izao tontolo izao, fa ny Fanahy Izay avy amin’ Andriamanitra, mba ho fantatsika izay zavatra nomen’ Andriamanitra antsika.
13 Nu yootizay hayssako. Nu asape tamarda qaala gidontta ayanape tamarda qaala hasa7osu. Ayana tumatethaka nu qonccisizay ayana qaalankko.
Izany koa no lazainay, tsy amin’ ny teny ampianarin’ ny fahendren’ olona fa amin’ ny teny ampianarin’ ny Fanahy, raha milaza zava-panahy amin’ izay olona araka ny Fanahy izahay.
14 Xoossa ayanay izan bayinda asi Xoossa ayanape gididazi ekkanas danda7ena. Gaasoyka hessa mala yooy izas eeyatethakko. Izi bess ayanan paacetizade gidida gishshi izi eranas danda7ena.
Fa ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an’ ny Fanahin’ Andriamanitra; fa fahadalana aminy izany sady tsy azony, satria araka ny Fanahy no amantarana izany.
15 Xoossa ayanay izan diza uray qass wursika paaces attin bess oonankka paacetena.
Fa ny olona araka ny Fanahy kosa dia mahafantatra ny zavatra rehetra, kanefa izy tsy fantarin’ olona.
16 Hessikka “Goda qofa eranas danda7izay oonee? Iza zoranas danda7izay oonee?” geeteti kase geesha maxaafan xaafettida malakko. Nuusu gidiko Kiristoosa wozinay dees.
Fa iza no nahafantatra ny sain’ ny Tompo mba hampianatra Azy? Fa izahay manana ny sain’ i Kristy.