< Psaumes 98 >

1 Psaume à David (de David) lui-même.
Fihirana.
2 Le Seigneur a fait connaître son salut: en présence des nations, il a révélé sa justice.
Jehovah efa nampahafantatra ny famonjeny; Teo imason’ ny jentilisa no nanehoany ny fahamarinany.
3 Il s’est souvenu de sa miséricorde et de sa vérité en faveur de la maison d’Israël.
Efa nahatsiaro ny famindram-pony sy ny fahamarinany tamin’ ny taranak’ i Isiraely Izy; Efa nahita ny famonjen’ Andriamanitsika ny vazan-tany rehetra.
4 Poussez des cris de joie vers Dieu, ô terre toute entière, chantez, et exultez, et jouez du psaltérion.
Mihobia ho an’ i Jehovah, ry tany rehetra, Velomy ny hoby, ka mihirà.
5 Chantez le Seigneur sur une harpe; sur une harpe, en y mêlant un chant de psaume;
Mankalazà an’ i Jehovah amin’ ny lokanga, Dia amin’ ny lokanga sy ny feo fihirana,
6 Sur des trompettes battues au marteau, et au son d’une trompette de corne.
Amin’ ny trompetra sy ny fitsofana ny anjomara, Ka mihobia eo anatrehan’ i Jehovah Mpanjaka.
7 Que la mer soit agitée et sa plénitude, de même que le globe des terres et ceux qui y habitent.
Aoka hirohondrohona ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy, Izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy.
8 Les fleuves applaudiront de la main, comme aussi les montagnes exulteront
Aoka hiteha-tanana ny riaka; Aoka hiara-mihoby aminy koa ny tendrombohitra
9 À la présence du Seigneur, parce qu’il vient juger la terre.
Eo anatrehan’ i Jehovah, fa avy hitsara ny tany Izy; Hitsara izao rehetra izao amin’ ny fahamarinana Izy Ary ny firenena amin’ ny fahitsiana.

< Psaumes 98 >