< Psaumes 39 >

1 Pour la fin, à Idithun lui-même, cantique de David. J’ai dit: Je garderai mes voies, afin que je ne pèche point par ma langue.
Ho an’ ny mpiventy hira. Ho an’ i Jedotona Salamo nataon’ i Davida. Hoy izaho: hitandrina ny lalako aho ka tsy hanota amin’ ny lelako; hasiako fehim-bava ny vavako, raha mbola eo anatrehako ny ratsy fanahy.
2 Je me suis tu, et je me suis humilié, et j’ai passé sous silence des bonnes choses; et ma douleur a été renouvelée.
Nangina mihitsy aho, namihim-bava ka tsy nilaza na dia ny tsara aza, dia nihetsika mafy ny fanaintainan’ ny aretiko.
3 Mon cœur s’est échauffé au dedans de moi: et dans ma méditation un feu s’est embrasé.
Nafana ny foko tato anatiko; raha nieritreritra aho, dia nisy afo nirehitra, ka niteny tamin’ ny lelako aho.
4 J’ai dit par ma langue: Seigneur, faites-moi connaître ma fin,
Jehovah ô, ampahafantaro ny farako aho sy izay ohatry ny androko; aoka ho fantatro fa olon-kandalo aho.
5 Voilà que vous avez fait mes jours mesurables: mon être est comme rien devant vous.
Indro efa nataonao vodivoam-pelatanana ny androko, ary ny fiainako toy ny tsinontsinona eo anatrehanao. Zava-poana ihany tokoa ny olon-drehetra, na dia matanjaka aza. (Sela)
6 En vérité, comme une ombre passe un homme; et c’est bien en vain qu’il se trouble.
Aloka tokoa no fandehandehan’ ny olona; zava-poana tokoa no itabatabàny; mihary harena izy nefa tsy fantany izay ho tompon’ izany.
7 Et maintenant quelle est mon attente? N’est-ce pas le Seigneur? Oui, mon Dieu, tout mon bien est en vous.
Ary ankehitriny, inona no andrasako Tompo ô? Hianao no antenaiko.
8 Arrachez-moi à toutes mes iniquités: vous m’avez rendu un objet d’opprobre pour l’insensé.
Manafaha ahy amin’ ny fahadisoako rehetra; aza manao ahy ho fanakoran’ ny adala.
9 Je suis resté muet, et je n’ai pas ouvert ma bouche: parce que c’est vous qui l’avez fait.
Mangìna aho ka tsy miloa-bava fa ianao no nanao izao.
10 Détournez de moi vos coups.
Aoka hitsahatra ny fikapohanao ahy; reraka aho azon’ ny famelin’ ny tananao.
11 Par la force de votre main, moi j’ai défailli au milieu de vos réprimandes: à cause de son iniquité, vous avez puni un homme.
Anatra noho ny fahadisoany no ananaranao ny olona, ka manimba ny hatsaran-tarehiny tahaka ny kalalao ianao; zava-poana tokoa ny olona rehetra. (Sela)
12 Exaucez ma prière, Seigneur, et ma supplication: prêtez l’oreille à mes larmes.
Mandrenesa ny fivavako Jehovah ô, ary mihainoa ny fitarainako; aza mangìna amin’ ny ranomasoko fa vahiny aminao aho sy mpivahiny tahaka ny razako rehetra.
13 Donnez-moi quelque relâche, afin que je reprenne des forces, avant que je m’en aille et que je ne sois plus.
Aza atrehinao aho aloha, dia ho miramirana indray, dieny aho tsy mbola lasa ka tsy ho eto intsony.

< Psaumes 39 >