< Osée 10 >

1 Israël était une vigne couverte de feuilles, le fruit les égalait; selon l’abondance de son fruit elle a multiplié ses autels; suivant la fertilité de sa terre, elle a été féconde en simulacres.
Voaloboka misandrahaka Isiraely, mamoa ho azy izy; Araka ny habetsahan’ ny voany no nanaovany alitara betsaka, araka ny hatsaran’ ny taniny no nanaovany tsangam-baton-tsampy tsara tarehy.
2 Leur cœur s’est partagé, maintenant ils périront; lui-même brisera leurs simulacres, il renversera leurs autels.
Mamitaka ny fony, koa dia hovaliana izy izao noho ny helony; Jehovah no hanimba ny alitarany sy handrava ny tsangam-baton-tsampiny
3 Parce qu’alors ils diront: Nous n’avons pas de roi; car nous ne craignons pas le Seigneur; et le roi, que nous fera-t-il?
Amin’ izany dia hiteny izy hoe: Tsy mana-mpanjaka isika; Fa tsy natahorantsika Jehovah, koa hahavita inona ho antsika moa izay mpanjaka?
4 Vous prononcez les paroles d’une vision inutile, et vous ferez une alliance; et le jugement du Seigneur germera comme l’herbe amère sur les sillons d’un champ.
Niteniteny foana izy tamin’ ny nianianany tsy tò sy ny nanaovany fanekena; Ka nitrebona toy ny zava-mangidy eny am-bavasa eny an-tsaha ny rariny.
5 Les habitants de Samarie ont adoré les vaches de Bethaven; parce que le peuple a pleuré sur lui, et les gardiens de son temple se sont réjouis de sa gloire, parce qu’elle s’est éloignée de lui.
Ny mponina any Samaria matahotra noho ny amin’ ny ombivavy kely ao Betavena; Fa ny olony mitomany azy,
6 Puisque lui-même a été porté en Assyrie, en présent à un roi vengeur; la confusion couvrira Ephraïm, et Israël sera confondu dans ses desseins.
Iny koa ho entina any Asyria ho fanomezana ho an’ i Jareba mpanjaka; Ho afa-baraka Efraima, eny, hangaihay Isiraely noho ny saina nataony.
7 Samarie a fait disparaître son roi comme l’écume sur la surface de l’eau.
Ho rava Samaria, ny mpanjakany dia ho tonga toy ny sombin-javatra eny ambonin’ ny rano.
8 Les hauteurs de l’idole, péché d’Israël, seront dévastées; la bardane et le chardon monteront sur leurs autels; et eux diront aux montagnes: Couvrez-nous; et aux collines: Tombez sur nous.
Ary ho rava koa ny fitoerana avo ho Avena, izay anotan’ Isiraely; Ho rakotry ny tsilo sy ny ahitra ratsy ny alitarany; Ary izy hanao amin’ ny tendrombohitra hoe: sarony izahay, ary amin’ ny havoana hoe: Mianjerà aminay.
9 Depuis les jours de Gabaa, Israël a péché; là ils se sont arrêtés; ce ne sera pas une guerre comme à Gabaa contre des enfants d’iniquité, qui les atteindra.
Hatramin’ ny andro fony tany Gibea no efa nanotanao, ry Isiraely; Nikikitra tany izy; Tsy nahatratra azy tany Gibea ny ady namelezana ny zanaky ny faharatsiana.
10 Selon mon désir, je les châtierai; les peuples s’assembleront contre eux, lorsqu’ils seront châtiés pour leur double iniquité.
Araka ny sitrako no hamaizako azy; Ary hovorina hamely azy ny firenena, amin’ ny hamatorana azy noho ny helony roa loha.
11 Ephraïm est une génisse qu’on a apprise à aimer le battage, et moi j’ai passé sur son beau cou; je monterai sur Ephraïm; Juda labourera et Jacob tracera par lui-même des sillons.
Ary Efraima dia tahaka ny ombivavy kely efa voafolaka ka faly hively vary; Ary hasiako zioga ny vozony tsara tarehy; Hampandehaniko Efraima; Joda hiasa tany, ary Jakoba handravona.
12 Semez pour vous dans la justice, et vous moissonnerez en proportion de votre miséricorde, mettez votre terre en novale; mais il sera temps de rechercher le Seigneur, lorsque sera venu celui qui vous enseignera la justice.
Mamafaza ho anareo araka ny fahamarinana, mijinjà araka ny fitiavana, hevoy ny tombam-borakareo; Fa izao no andro hitadiavana an’ i Jehovah ambara-pihaviny sy handatsahany fahamarinana aminareo.
13 Vous avez cultivé l’impiété, vous avez moissonné l’iniquité, vous avez mangé un fruit de mensonge, parce que tu t’es confié en tes voies, en la multitude de tes braves.
Niasa faharatsiana ianareo, ka fahadisoana no nojinjanareo; Nihinana ny vokatry ny lainga ianareo fa nitoky tamin’ ny alehanareo sy ny habetsahan’ ny lehilahy maherinareo ianareo.
14 Le tumulte s’élèvera parmi ton peuple, et toutes les fortifications seront dévastées, comme fut dévasté Salmana au jour du combat par la maison de celui qui jugea Baal, la mère ayant été écrasée sur les enfants,
Dia hisy tabataba hamelezana ny olonareo, ka horavana ny tanànareo mimanda rehetra, toy ny nandravan’ i Salamana an’ i Bet-arbela tamin’ ny andro niadiana, ka torotoro avokoa ny reniny mbamin’ ny zanany.
15 Ainsi vous a fait Béthel, à cause de la malice de vos méchancetés.
Toy izany no hataon’ i Betela aminareo, noho ny haben’ ny faharatsianareo; Raha maraina ny andro, dia ho levona mihitsy ny mpanjakan’ ny Isiraely.

< Osée 10 >