< 1 Jean 4 >

1 Bien-aimés, ne croyez pas à tout esprit, mais éprouvez les esprits, pour voir s'ils sont de Dieu; car plusieurs faux prophètes sont venus dans le monde.
Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa izahao toetra ny fanahy, na avy amin’ Andriamanitra ireny, na tsia, satria maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin’ izao tontolo izao.
2 Reconnaissez l'Esprit de Dieu à ceci: tout esprit qui confesse Jésus-Christ venu en chair, est de Dieu;
Izao no ahafantaranareo ny Fanahin’ Andriamanitra: Ny fanahy rehetra izay manaiky fa efa tonga tamin’ ny nofo Jesosy Kristy no avy amin’ Andriamanitra;
3 Et tout esprit qui ne confesse pas Jésus-Christ venu en chair, n'est point de Dieu. Or, c'est là celui de l'antichrist, dont vous avez entendu dire qu'il vient, et qui est déjà à présent dans le monde.
ary ny fanahy rehetra izay tsy manaiky an’ i Jesosy dia tsy mba avy amin’ Andriamanitra; ary izany no fanahin’ ny antikristy, izay efa renareo fa ho avy, sady efa eo amin’ izao tontolo izao sahady izy.
4 Vous, petits enfants, vous êtes de Dieu, et vous les avez vaincus, parce que celui qui est en vous, est plus grand que celui qui est dans le monde.
Anaka, ianareo dia avy amin’ Andriamanitra ary efa naharesy ireny, satria lehibe Izay ao aminareo noho izay ao amin’ izao tontolo izao.
5 Eux, ils sont du monde, c'est pourquoi ils parlent suivant le monde, et le monde les écoute.
Isan’ izao tontolo izao ireny, ka dia miteny araka ny an’ izao tontolo izao izy, ary mihaino azy izao tontolo izao.
6 Nous, nous sommes de Dieu; celui qui connaît Dieu, nous écoute; celui qui n'est point de Dieu, ne nous écoute point: à cela nous connaissons l'esprit de vérité et l'esprit d'erreur.
Avy amin’ Andriamanitra izahay; izay mahalala an’ Andriamanitra no mihaino anay; Izay tsy avy amin’ Andriamanitra tsy mba mihaino anay. Izany no ahafantarantsika ny fanahin’ ny fahamarinana sy ny fanahin’ ny fampiviliana.
7 Bien-aimés, aimons-nous les uns les autres; car la charité vient de Dieu, et quiconque aime, est né de Dieu, et connaît Dieu.
Ry malala, aoka hifankatia isika; fa avy amin’ Andriamanitra ny fitiavana, ary Izay rehetra tia no naterak’ Andriamanitra sady mahalala an’ Andriamanitra.
8 Celui qui n'aime point, n'a point connu Dieu, car Dieu est amour.
Izay tsy tia dia tsy mba mahalala an’ Andriamanitra; fa Andriamanitra dia fitiavana.
9 L'amour de Dieu envers nous a paru en ce que Dieu a envoyé son Fils unique dans le monde, afin que nous vivions par lui.
Izao no nanehoana ny fitiavan’ Andriamanitra antsika: Andriamanitra naniraka ny Zanani-lahy Tokana tamin’ izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin’ ny alalany.
10 En ceci est l'amour, c'est que ce n'est pas nous qui avons aimé Dieu, mais que c'est lui qui nous a aimés et a envoyé son Fils en propitiation pour nos péchés.
Izao no fitiavana: tsy ny nitiavantsika an’ Andriamanitra fa ny nitiavany antsika, ka nirahiny ny Zanany ho avotra’ noho ny fahotantsika.
11 Bien-aimés, si Dieu nous a ainsi aimés, nous devons aussi nous aimer les uns les autres.
Ry malala, raha izany no nitiavan’ Andriamanitra antsika, dia mba tokony hifankatia kosa isika.
12 Personne n'a jamais vu Dieu: si nous nous aimons les uns les autres, Dieu demeure en nous, et son amour est accompli en nous.
Tsy mbola nisy olona nahita an’ Andriamanitra na oviana na oviana. Raha mifankatia isika, dia mitoetra ato amintsika Andriamanitra, ary tanteraka ato amintsika ny fitiavany.
13 En ceci nous connaissons que nous demeurons en lui et lui en nous, c'est qu'il nous a donné de son Esprit.
Izao no ahafantarantsika fa mitoetra ao aminy isika, ary Izy ato amintsika, dia ny nanomezany antsika ny Fanahiny.
14 Et nous avons vu, et nous rendons témoignage que le Père a envoyé le Fils, le Sauveur du monde.
Ary izahay efa nahita ka manambara fa ny Ray efa naniraka ny Zanaka ho Mpamonjy izao tontolo izao.
15 Quiconque confessera que Jésus est le Fils de Dieu, Dieu demeure en lui, et lui en Dieu.
Na iza na iza manaiky fa Zanak’ Andriamanitra Jesosy, dia mitoetra ao aminy Andriamanitra, ary izy kosa ao amin’ Andriamanitra.
16 Pour nous, nous avons connu et cru l'amour que Dieu a pour nous: Dieu est charité; et celui qui demeure dans la charité, demeure en Dieu et Dieu en lui.
Ary isika efa mahalala sy mino ny fitiavan’ Andriamanitra antsika. Andriamanitra dia fitiavana; ary izay mitoetra amin’ ny fitiavana no mitoetra ao amin’ Andriamanitra, ary Andriamanitra ao aminy.
17 En ceci la charité est accomplie en nous, afin que nous ayons confiance au jour du jugement, c'est que nous sommes dans ce monde tels qu'il est lui-même.
Izany no ahatanterahana ny fitiavana amintsika, mba hananantsika fahasahiana amin’ ny andro fitsarana; fa tahaka Azy isika eo amin’ izao tontolo izao.
18 Il n'y a point de crainte dans la charité, mais la parfaite charité bannit la crainte; car la crainte renferme une punition, et celui qui craint n'est pas parfait dans la charité.
Tsy manan-tahotra ny fitiavana; fa ny fitiavana tanteraka mandroaka ny tahotra; fa mampahory ny tahotra. Fa izay matahotra dia tsy mbola tanteraka amin’ ny fitiavana.
19 Pour nous, nous l'aimons, parce qu'il nous a aimés le premier.
Isika tia, satria Izy efa dia antsika taloha.
20 Si quelqu'un dit: J'aime Dieu, et qu'il haïsse son frère, c'est un menteur; car celui qui n'aime point son frère qu'il voit, comment peut-il aimer Dieu qu'il ne voit pas?
Raha misy manao hoe: Tia an’ Andriamanitra aho, nefa mankahala ny rahalahiny, dia mpandainga izy; fa izay tsy tia ny rahalahiny izay hitany, hataony ahoana no fitia an’ Andriamanitra Izay tsy hitany?
21 Et nous tenons ce commandement de lui: Que celui qui aime Dieu, aime aussi son frère.
Ary izao no didy efa azontsika taminy: Izay tia an’ Andriamanitra dia tsy maintsy tia ny rahalahiny koa.

< 1 Jean 4 >