< Proverbes 23 >

1 Quand tu seras assis pour manger avec quelque Seigneur, considère attentivement ce qui sera devant toi.
Raha mipetraka hiara-komana amin’ ny mpanapaka ianao, Dia hevero tsara izay eo anatrehanao,
2 Autrement tu te mettras le couteau à la gorge, si ton appétit te domine.
Ka andraso antsy ny tendanao, Raha dia liana loatra ianao.
3 Ne désire point ses friandises, car c'est une viande trompeuse.
Aza mitsiriritra ny hanim-piny, Fa hani-mamitaka izany.
4 Ne travaille point à t'enrichir; et désiste-toi de la résolution que tu en as prise.
Aza manasa-tena hanan-karena, Aza entina amin’ izany ny fahendrenao.
5 Jetteras-tu tes yeux sur ce qui [bientôt] n'est plus? car certainement il se fera des ailes; il s'envolera, comme un aigle dans les cieux.
Moa hampanarahinao azy va ny masonao, nefa tsy ao intsony izy? Fa maniry elatra tokoa izy Ka manidina toy ny voromahery ho eny amin’ ny lanitra.
6 Ne mange point la viande de celui qui a l'œil malin, et ne désire point ses friandises.
Aza homana ny mofon’ izay ratsy fijery, Ary aza mitsiriritra ny hanim-piny;
7 Car selon qu'il a pensé en son âme, tel est-il. Il te dira bien: mange et bois, mais son cœur n'est point avec toi.
Fa tahaka ny heviny ao am-pony ihany no toetrany: Hoy izy aminao: Mihinàna, misotroa; Kanjo tsy sitrany ianao.
8 Ton morceau, que tu auras mangé, tu le voudrais rendre, et tu auras perdu tes paroles agréables.
Izay sombiny kely voatelinao aza dia mbola haloanao, Ka ho very foana ny teny mahafinaritra nataonao.
9 Ne parle point, le fou t'écoutant; car il méprisera la prudence de ton discours.
Aza miteny amin’ny adala; Fa hohamavoiny foana ny fahendren’ ny teninao.
10 Ne recule point la borne ancienne, et n'entre point dans les champs des orphelins:
Aza manakisaka ny fari-tany ela, Ary aza manitatra mankamin’ ny sahan’ ny kamboty;
11 Car leur garant est puissant; il défendra leur cause contre toi.
Fa mahery ny Mpanavotra azy, Izy no hisolo vava azy amin’ ny adiny aminao.
12 Applique ton cœur à l'instruction, et tes oreilles aux paroles de science.
Ampiekeo famaizana ny fonao, Sy tenim-pahalalana ny sofinao.
13 N'écarte point du jeune enfant la correction; quand tu l'auras frappé de la verge, il n'en mourra point.
Aza tsy manafay zanaka, Fa tsy dia ho faty izy tsy akory na dia asianao ny hazo aza;
14 Tu le frapperas avec la verge, mais tu délivreras son âme du sépulcre. (Sheol h7585)
Raha mamely azy amin’ ny hazo ianao, Dia ho voavonjinao tsy ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita ny fanahiny. (Sheol h7585)
15 Mon fils, si ton cœur est sage, mon cœur s'en réjouira, oui, moi-même.
Anaka, raha hendry ny fonao, Dia ho faly koa ny foko, dia ny foko;
16 Certes mes reins tressailliront de joie, quand tes lèvres proféreront des choses droites.
Eny, ho ravoravo ny fanahiko, Raha miteny marina ny molotrao.
17 Que ton cœur ne porte point d'envie aux pécheurs; mais [adonne-toi] à la crainte de l'Eternel tout le jour.
Aoka tsy hialona ny mpanota ny fonao; Fa matahora an’ i Jehovah mandritra ny andro;
18 Car véritablement il y aura [bonne] issue, et ton attente ne sera point retranchée.
Fa raha mbola hisy koa ny farany, Dia tsy ho foana ny fanantenanao.
19 Toi, mon fils, écoute, et sois sage; et fais marcher ton cœur dans cette voie.
Mihainoa ianao, anaka, ka hendre, Ary ampizory amin’ ny lalana ny fonao.
20 Ne fréquente point les ivrognes, ni les gourmands.
Aza misakaiza amin’ izay mpiboboka divay Sy izay fatra-pitia hena;
21 Car l'ivrogne et le gourmand seront appauvris; et le long dormir fait vêtir des robes déchirées.
Fa halahelo izay mpiboboka sy izay fatra-pitia hena; Ary ny fitiavan-torimaso mampitafy voro-damba.
22 Ecoute ton père, [comme] étant celui qui t'a engendré; et ne méprise point ta mère, quand elle sera devenue vieille.
Maneke ny rainao izay niteraka anao. Ary aza manamavo ny reninao, saingy efa antitra izy.
23 Achète la vérité, et ne la vends point; achète la sagesse, l'instruction et la prudence.
Vidio ny marina, ka aza amidy, Dia ny fahendrena sy ny fananarana ary ny fahazavan-tsaina.
24 Le père du juste s'égayera extrêmement; et celui qui aura engendré le sage, en aura de la joie.
Hifaly dia hifaly ny rain’ ny marina, Ary izay miteraka zaza hendry hanampifaliana aminy.
25 Que ton père et ta mère se réjouissent, et que celle qui t'a enfanté s'égaye.
Aoka ho faly ny rainao sy ny reninao, Eny, aoka ho ravoravo ny reninao izay niteraka anao.
26 Mon fils, donne-moi ton cœur, et que tes yeux prennent garde à mes voies.
Anaka, atolory ahy ny fonao, Ary aoka ny masonao ho faly mijery ny lalako;
27 Car la femme débauchée est une fosse profonde, et l'étrangère est un puits de détresse;
Fa ny vehivavy jejo dia hady lalina, Ary ny vahiny janga lavaka etỳ;
28 Aussi se tient-elle en embûche, comme après la proie: et elle multipliera les transgresseurs entre les hommes.
Eny, manotrika toy ny jiolahy ireny Ary mahamaro ny olona mpivadika.
29 A qui est: malheur à moi? à qui est: hélas? à qui les débats? à qui le bruit? à qui les blessures sans cause? à qui la rougeur des yeux?
An’ iza ny Indrisy? An’ iza ny Endrey? An’ iza ny fifandirana? An’ iza ny fitolokoana? An’ iza ny ratra tsy ahoan-tsy ahoana? An’ iza ny maso mivoara-mena?
30 A ceux qui s'arrêtent auprès du vin, et qui vont chercher le vin mixtionné.
An’ izay mikikitra amin’ ny divay, Eny, an’ izay mandeha hanandrana divay voaharoharo zavatra.
31 Ne regarde point le vin quand il se montre rouge, et quand il donne sa couleur dans la coupe, et qu'il coule droit.
Aza mijery ny divay noho ny hamenany Sy ny fanganohanony eo anaty gilasy Ary ny fikoriany mahafinaritra;
32 Il mord par derrière comme un serpent, et il pique comme un basilic.
Fa amin’ ny farany dia hanaikitra toy ny bibilava izy Ary hanindrona toy ny menarana.
33 Puis tes yeux regarderont les femmes étrangères, et ton cœur parlera en insensé.
Koa ny masonao dia hijery vehivavy jejo, Ary ny fonao hieritreri-dratsy.
34 Et tu seras comme celui qui dort au cœur de la mer, et comme celui qui dort au sommet du mât.
Eny, ho sahala amin’ izay mandry ao amin’ ny ranomasina ianao Sady ho tahaka izay mandry eo an-tendron’ ny andrin-tsambo.
35 On m'a battu, [diras-tu], et je n'en ai point été malade; on m'a moulu de coups, et je ne l'ai point senti; quand me réveillerai-je? Je me remettrai encore à le chercher.
Nokapohiny aho, hoy ianao, fa tsy reko naharary ahy, Nandalasiny aho, fa tsy tsaroako; Rahoviana ange aho no hifoha mba hitadiavako azy indray?

< Proverbes 23 >