< Isaïe 9 >

1 Mais les ténèbres ne régneront pas toujours Sur la terre où il y a maintenant des angoisses: Si les temps passés ont couvert d’opprobre Le pays de Zabulon et le pays de Nephthali, Les temps à venir couvriront de gloire La contrée voisine de la mer, au-delà du Jourdain, Le territoire des Gentils.
Fa tsy hanjombona mandrakariva ilay efa nozoim-pahoriana. Tamin’ ny taloha dia nataony tsinontsinona ny tany Zebolona sy ny tany Naftaly; Fa amin’ ny aoriana kosa dia homeny voninahitra ny lalana eo amoron-dranomasina, any an-dafin’ i Jordana, Dia Galilia, tanin’ ny jentilisa.
2 Le peuple qui marchait dans les ténèbres Voit une grande lumière; Sur ceux qui habitaient le pays de l’ombre de la mort Une lumière resplendit.
Ny olona izay mandeha amin’ ny maizina dia mahita mazava lehibe; Izay mitoetra amin’ ny tany aloky ny fahafatesana no iposahan’ ny mazava.
3 Tu rends le peuple nombreux, Tu lui accordes de grandes joies; Il se réjouit devant toi, comme on se réjouit à la moisson, Comme on pousse des cris d’allégresse au partage du butin.
Hamaroinao ity firenena ity, Ary ampitomboinao ny hafaliany; Mifaly eo anatrehanao izy tahaka ny hafaliana amin’ ny fararano, ary tahaka ny fifalin’ ny olona, raha mizara babo.
4 Car le joug qui pesait sur lui, Le bâton qui frappait son dos, La verge de celui qui l’opprimait, Tu les brises, comme à la journée de Madian.
Fa ny bao fitondran-entany sy ny tsorakazo nikapohana ny lamosiny; Izay tsorakazon’ ny mpampiasa azy, Dia tapahinao tahaka ny tamin’ ny andro namelezana ny Midiana.
5 Car toute chaussure qu’on porte dans la mêlée, Et tout vêtement guerrier roulé dans le sang, Seront livrés aux flammes, Pour être dévorés par le feu.
Fa ny kiraron’ izay mitrevatreva fandeha eo amin’ ny fihorakorahan’ ny ady sy ny fitafiana mihosindra dia samy hodoroana, eny, ho kitay hatohoka amin’ ny afo izany.
6 Car un enfant nous est né, un fils nous est donné, Et la domination reposera sur son épaule; On l’appellera Admirable, Conseiller, Dieu puissant, Père éternel, Prince de la paix.
Fa Zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena antsika; Ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina, Andriamanitra Mahery, Rain’ ny mandrakizay Andrian’ ny fiadanana.
7 Donner à l’empire de l’accroissement, Et une paix sans fin au trône de David et à son royaume, L’affermir et le soutenir par le droit et par la justice, Dès maintenant et à toujours: Voilà ce que fera le zèle de l’Éternel des armées.
Ny handrosoan’ ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana Eo amin’ ny seza fiandrianan’ i Davida sy ny fanjakany, mba hampiorenana sy hampitoerana azy amin’ ny rariny sy ny hitsiny hatramin’ izao ka ho mandrakizay; ny fahasaro-piaron’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, no hahatanteraka izany.
8 Le Seigneur envoie une parole à Jacob: Elle tombe sur Israël.
Ny Tompo mandefa teny ho an’ i Jakoba, ka mihatra amin’ ny Isiraely izany.
9 Tout le peuple en aura connaissance, Éphraïm et les habitants de Samarie, Qui disent avec orgueil et fierté:
Ary ho fantatr’ izy iray firenena izany, dia Efraima sy ny mponina any Samaria, izay miteny amin’ ny fiavonavonany sy ny fireharehan’ ny fony manao hoe:
10 Des briques sont tombées, Nous bâtirons en pierres de taille; Des sycomores ont été coupés, Nous les remplacerons par des cèdres.
Biriky no efa nirodana, fa vato voapaika kosa no harafitsika; Aviavy no voakapa, fa sedera kosa no hasolontsika azy.
11 L’Éternel élèvera contre eux les ennemis de Retsin, Et il armera leurs ennemis,
Ary Jehovah manandratra ny rafilahin-dRezina hihoatra azy Ary mamporisika ny fahavalony,
12 Les Syriens à l’orient, les Philistins à l’occident; Et ils dévoreront Israël à pleine bouche. Malgré tout cela, sa colère ne s’apaise point, Et sa main est encore étendue.
Dia ny Syriana avy any atsinanana sy ny Filistina avy any andrefana; Ary misanasana vava mandrapaka ny Isiraely ireo. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, Fa mbola mihinjitra ihany ny tanany.
13 Le peuple ne revient pas à celui qui le frappe, Et il ne cherche pas l’Éternel des armées.
Fa ny olona tsy miverina amin’ Izay mamely azy, Eny, Jehovah, Tompon’ ny maro, tsy mba tadiaviny.
14 Aussi l’Éternel arrachera d’Israël la tête et la queue, La branche de palmier et le roseau, En un seul jour.
Ka dia nofongoran’ i Jehovah amin’ ny Isiraely indray andro monja Ny loha sy ny rambo, ny sampan-drofia sy ny zozoro
15 (L’ancien et le magistrat, c’est la tête, Et le prophète qui enseigne le mensonge, c’est la queue).
(Ny loholona sy ny manan-kaja no loha, ary ny mpaminany izay mampianatra lainga no rambo);
16 Ceux qui conduisent ce peuple l’égarent, Et ceux qui se laissent conduire se perdent.
Fa ny mpitarika ity firenena ity no tonga mpampivily azy, Ary izay tarihiny dia voatelina.
17 C’est pourquoi le Seigneur ne saurait se réjouir de leurs jeunes hommes, Ni avoir pitié de leurs orphelins et de leurs veuves; Car tous sont des impies et des méchants, Et toutes les bouches profèrent des infamies. Malgré tout cela, sa colère ne s’apaise point, Et sa main est encore étendue.
Ary noho izany dia tsy mahafaly an’ i Jehovah ny zatovony, ary ny kamboty sy ny mpitondratena ao aminy dia tsy iantrany; Fa samy mpihatsaravelatsihy sy mpanao ratsy izy, ary ny vava rehetra mamoaka teny fahadalana. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, Fa mbola mihinjitra ihany ny tànany.
18 Car la méchanceté consume comme un feu, Qui dévore ronces et épines; Il embrase l’épaisseur de la forêt, D’où s’élèvent des colonnes de fumée.
Fa ny faharatsiana mandoro tahaka ny afo, Mandevona ny tsilo sy ny hery ary mampirehitra ny ala mikirindro ka mitambolimbolina tahaka ny setroka misavoana.
19 Par la colère de l’Éternel des armées le pays est embrasé, Et le peuple est comme la proie du feu; Nul n’épargne son frère.
Noho ny fahatezeran’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, dia efa maintin’ ny afo ny tany, ary ny olona dia tahaka ny kitay atohoka amin’ ny afo; Tsy misy olona miantra ny rahalahiny
20 On pille à droite, et l’on a faim; On dévore à gauche, et l’on n’est pas rassasié; Chacun dévore la chair de son bras.
Ary mandripaka eny ankavanana izy nefa noana ihany; Ary mandany eny an-kavia izy, nefa tsy voky ihany; Samy mihinana ny nofon-tsandriny avy izy rehetra,
21 Manassé dévore Éphraïm, Éphraïm Manassé, Et ensemble ils fondent sur Juda. Malgré tout cela, sa colère ne s’apaise point, Et sa main est encore étendue.
Eny, Manase mihinana an’ i Efraima, ary Efraima kosa mihinana an’ i Manase, Ary izy roa tonta dia miara-mamely an’ i Joda. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, Fa mbola mihinjitra ihany ny tànany.

< Isaïe 9 >