< Psaumes 82 >

1 Psaume d'Asaph. Dieu s'est tenu debout dans l'assemblée des dieux, et Dieu jugera au milieu.
Salamo nataon’ i Asafa.
2 Jusques à quand jugerez-vous selon l'iniquité, et aurez-vous égard à la face des pécheurs?
Mandra-pahoviana no hitsarànareo tsy marina ka ihenaranareo maso ny ratsy fanahy? (Sela)
3 Jugez l'orphelin et le pauvre; justifiez l'humble et l'indigent.
Alaharo ny tenin’ ny mahantra sy ny kamboty; omeo rariny ny ory sy ny malahelo;
4 Délivrez l'indigent, et retirez le pauvre de la main du pécheur.
Vonjeo ny mahantra sy ny malahelo; afaho amin’ ny tanan’ ny ratsy fanahy izy.
5 Ils ne savent pas, ils n'ont point compris; ils cheminent dans les ténèbres; tous les fondements de la terre seront ébranlés.
Tsy mahalala na mahazo an-tsaina ireny; ao amin’ ny maizina no andehanany; mihorohoro ny fanambanin’ ny tany rehetra.
6 Et moi j'ai dit: vous êtes des dieux, et tous fils du Très-Haut.
Hoy izaho: Andriamanitra ianareo, ary zanaky ny Avo Indrindra ianareo rehetra;
7 Cependant vous mourrez comme des hommes et vous tomberez comme l'un des princes.
Kanjo ho faty tahaka ny olona ihany ianareo, ary samy ho lavo tahaka ny anankiray amin’ ny lehibe.
8 Lève-toi, ô Dieu, juge la terre; car toutes les nations seront ton héritage.
Mitsangàna, Andriamanitra ô, tsarao ny tany; fa Hianao no handova ny firenena rehetra.

< Psaumes 82 >