< Juges 9 >

1 Et Abimélech, fils de Jérobaal, alla trouver à Sichem les frères de sa mère, et il parla à eux et à toute la famille du père de sa mère, disant:
Ary Abimeleka, zanak’ i Jerobala, dia nandeha nankany Sekema tany amin’ ny anadahin-dreniny ka niresaka taminy sy tamin’ izay rehetra isan’ ny fianakavian-dreniny nanao hoe:
2 Dites donc à tous les hommes de Sichem: Quel est le meilleur pour vous d'être gouvernés par soixante-dix hommes, tous fils de Jérobaal, ou de n'avoir qu'un seul chef? Et n'oubliez pas que je suis de vos os et de votre chair.
Mba mitenena ianareo eo anatrehan’ ny mponina rehetra eto Sekema hoe: Iza no tsara ho anareo: ny hiarahan’ izy fito-polo lahy zanak’ i Jerobala manjaka aminareo va, sa ny hanjakan’ ny lehilahy iray? Koa tsarovy fa taolanareo sy nofonareo aho.
3 Et les frères de sa mère parlèrent de lui à tous les hommes de Sichem, de sorte que leur cœur inclina pour Abimélech, parce que, dirent-ils, c'est notre frère.
Ary ny anadahin-dreniny nilaza azy teo anatrehan’ ny mponina rehetra tao Sekema ka nanao izany teny rehetra izany; koa ny fon’ ireo dia ta-hanaraka an’ i Abimeleka, fa hoy izy: Rahalahintsika izy.
4 Ils lui donnèrent donc soixante-dix sicles d'argent du temple du Baal- Berith. Et Abimélech prit à son service des mercenaires méchants et dénués de tout, qui le suivirent.
Dia nomeny sekely volafotsy fito-polo avy tao an-tranon’ i Bala-berita izy, ary nanambazan’ i Abimeleka olom-poana sy marivo salosana izany, ka dia nanaraka azy ireo.
5 Aussitôt, il entra dans la maison de son père, en Ephratha, et massacra, sur une même pierre, ses frères, les fils de Jérobaal, soixante-dix hommes. Il n'y eut d'épargné que Joatham, le plus jeune fils de Jérobaal, parce qu'il s'était caché.
Dia nankany an-tranon-drainy tany Ofra izy ka namono ny rahalahiny fito-polo lahy, zanak’ i Jerobala, teo ambonin’ ny vato iray; ary Jotama, faralahin’ i Jerobala, no sisa velona, satria niery izy.
6 Après cela, tous les hommes de Sichem, les juges, et toute la maison de Bethmaalo se réunirent, et ils marchèrent, et ils proclamèrent roi Abimélech, sous le chêne qui se trouva être le Chêne de la sédition, à Sichem.
Dia nivory ny mponina rehetra tao Sekema sy ny olona rehetra tao Milo ka nandeha nampanjaka an’ i Abimeleka teo anilan’ ny hazo terebinta, akaikin’ ny tsangambato any Sekema.
7 On l'apprit à Joatham, et il partit; il s'en fut sur la cime du mont Garizin; là, il éleva la voix, il pleura, et il leur dit: Ecoutez-moi, hommes de Sichem, et Dieu vous écoutera.
Ary nisy nilaza izany tamin’ i Jotama, dia nandeha izy ka nitsangana teo an-tampon’ ny tendrombohitra Gerizima, ary nanandratra ny feony ka niantso hoe: Mihainoa, ahy ianareo mponina ao Sekema mba hihainoan’ Andriamanitra anareo kosa.
8 Les arbres se mirent en mouvement, et ils se rassemblèrent pour oindre un roi qui régnât sur eux, et ils dirent à l'olivier: Règne sur nous.
Niainga, hono, ny hazo hanosotra mpanjaka hanjaka aminy; ka hoy izy tamin’ ny oliva: Manjaka aminay ianao.
9 Et l'olivier leur dit: Puis-je abandonner mon huile dont les hommes se servent pour honorer Dieu, et m'en aller pour être élevé à la tête des arbres?
Fa hoy ny oliva taminy: Ho foiko va ny diloiloko, izay ankalazan’ ireny andriamanitra sy ny olona ahy, ka handeha hitsingevingevina erỳ ambony hazo aho?
10 Et les arbres dirent au figuier: Viens, règne sur nous.
Ary hoy ny hazo tamin’ ny aviavy: Avia ianao ka manjakà aminay.
11 Et le figuier leur dit: Puis-je abandonner mon doux suc et mes excellents fruits, et m'en aller pour être élevé à la tête des autres arbres?
Dia hoy ny aviavy taminy: Ho foiko va ny fahamamiako sy ny vokatro tsara, ka handeha hitsingevingevina erỳ ambony hazo aho?
12 Et les arbres dirent à la vigne: Viens, règne sur nous.
Dia hoy ny hazo tamin’ ny voaloboka: Avia ianao, ka manjakà aminay.
13 Et la vigne leur dit: Puis-je abandonner mon vin qui réjouit Dieu et les hommes, et m'en aller pour être élevé à la tête des arbres?
Fa hoy ny voaloboka taminy: Ho foiko va ny ranoko, izay mahafaly an’ Andriamanitra sy ny olona, ka handeha hitsingevingevina erỳ ambony hazo aho?
14 Et tous les arbres dirent au nerprun: Viens, toi, et règne sur nous.
Ary hoy ny hazo rehetra tamin’ ny tsilo: Avia ianao, ka manjakà aminay.
15 Et le nerprun dit aux arbres: Si, en vérité, vous me donnez l'onction pour que je règne sur vous, venez, demeurez sous mon ombre; sinon, qu'une flamme sorte de moi et qu'elle dévore les cèdres du Liban.
Fa hoy ny tsilo tamin’ ny hazo: Raha hohosoranareo ho mpanjakanareo tokoa ary aho, dia avia ianareo ka mialofa ato amin’ ny alokaloko; fa raha tsy izany, aoka hisy afo hivoaka avy amin’ ny tsilo ka handevona ny sederan’ i Libanona.
16 Et vous, maintenant, si c'est en vérité et en toute perfection que vous avez agi, et que vous avez proclamé roi Abimélech, si vous avez traité avec bienveillance Jérobaal et sa maison, et si vous avez dignement récompensé mon père
Koa ankehitriny, raha marina sy mahitsy ny nataonareo tamin’ ny nampanjakanareo an’ i Abimeleka, ary raha soa no nataonareo tamin’ i Jerobala sy ny taranany, ka novalianareo araka izay nataon’ ny tànany izy
17 D'avoir commandé vos armées, jeté sa vie aux hasards des combats, et délivré Israël des mains de Madian;
(fa ny raiko niady ho anareo sady nanao ny ainy tsy ho zavatra ka namonjy anareo tamin’ ny tanan’ ny Midiana;
18 Vous qui vous êtes soulevés aujourd'hui contre la maison de mon père, et avez tué sur une même pierre ses fils, soixante-dix hommes, et avez proclamé roi Abimélech, fils de sa servante, pour qu'il règne sur Sichem, parce qu'il est votre frère;
nefa ianareo kosa niodina tamin’ ny taranaky ny raiko androany ka namono ny zanany fito-polo lahy teo ambonin’ ny vato iray, ary Abimeleka, zanaky ny ankizivaviny, no nampanjakainareo tamin’ ny mponina ao Sekema, satria rahalahinareo izy),
19 Si c'est en vérité et en toute perfection que vous avez agi envers Jérobaal et toute sa famille, faites votre joie d'Abimélech, et que lui aussi mette sa joie en vous.
koa raha marina sy mahitsy ny nataonareo androany tamin’ i Jerobala sy ny zanany, dia mifalia amin’ i Abimeleka ianareo, ary aoka izy kosa hifaly aminareo.
20 Sinon, qu'une flamme sorte d'Abimélech, qu'elle dévore les hommes de Sichem et la maison de Bethmaalo, et qu'une flamme sorte des hommes de Sichem et de la maison de Bethmaalo, et qu'elle dévore Abimélech.
Fa raha tsy izany kosa, dia aoka hisy afo hivoaka avy amin’ i Abimeleka ka handevona ny mponina ao Sekema sy ny olona ao Milo; ary aoka koa hisy afo hivoaka avy amin’ ny mponina ao Sekema sy ny olona ao Milo ka handevona an’ i Abimeleka.
21 Ensuite Joatham s'enfuit, il courut, et se rendit à Béor, où il demeura loin de son frère Abimélech.
Dia riatra nandositra Jotama ka nankany Bera ary nitoetra teo mba hiery an’ i Abimeleka rahalahiny.
22 Abimélech régna trois ans sur Israël.
Ary rehefa nanapaka telo taona tamin’ ny Isiraely Abimeleka,
23 Et Dieu envoya un mauvais esprit entre Abimélech et les hommes de Sichem; les hommes de Sichem méprisèrent la maison d'Abimélec, et rejetèrent sur lui
Andriamanitra dia naniraka fanahy ratsy tamin’ i Abimeleka sy ny mponina tao Sekema; ary ny mponina tao Sekema dia nivadika nahafoy an’ i Abimeleka,
24 L'iniquité exercée contre les soixante-dix fils de Jérobaal; ils firent retomber le sang de ses frères, qu'il avait tués, sur lui, et sur les hommes de Sichem qui avaient prêté appui à ses mains pour qu'il tuât ses frères.
mba hitsingerenan’ ny loza natao tamin’ ny namonoana ny zanak’ i Jerobala fito-polo lahy ka hanody an’ i Abimeleka rahalahiny izay namono azy, sy ny mponina tao Sekema, izay nampahery ny tànany hamono ny rahalahiny.
25 Alors, les hommes de Sichem lui dressèrent des embûches sur les cimes des monts; ils pillèrent tout ce qui passait près d'eux sur la route; et on vint l'annoncer au roi Abimélech.
Ary nanaovan’ ny mponina tao Sekema otrika tany an-tampon-tendrombohitra izy, dia nobaboin’ ny otrika izay rehetra nandalo tamin’ izany lalana izany; ary nolazaina tamin’ i Abimeleka izany.
26 Et Gaal, fils de Jobel, survint avec ses frères; ils passèrent à Sichem, et les hommes de Sichem espérèrent en lui.
Dia tonga tao Gala, zanak’ i Ebeda, sy ny rahalahiny ka nankany Sekema, ary ny mponina tao Sekema natoky azy.
27 Ils sortirent dans les champs, ils vendangèrent et ils pressurèrent le raisin, et ils formèrent des chœurs de danse. Ils firent des offrandes en la maison de leur dieu, ils mangèrent, ils burent, et ils maudirent Abimélech.
Dia nivoaka ho any an-tsaha izy ka nioty ny voalobony ary nanosihosy azy, dia nanao fanati-piderana ka niditra tao an-tranon’ ny andriamaniny izy, dia nihinana sy nisotro ary nanozona an’ i Abimeleka.
28 Et Gaal, fils de Jobel, dit: Qu'est donc Abimélech? quel est ce fils de Sichem pour que nous lui soyons asservis? N'est-il pas fils de Jérobaal? n'est-ce pas son serviteur Zébul qui vous surveille, vous et les fils d'Emmor, père de Sichem? Pourquoi donc leur serions-nous asservis?
Ary hoy Gala, zanak’ i Ebeda: Iza moa Abimeleka, ary iza moa Sekema, no hotompointsika? Tsy zanak’ i Jerobala va izy? ary tsy Zebola va no lefiny? Manompoa ny taranak’ i Hamora, rain’ i Sekema; fa nahoana no hanompo io isika?
29 Que l'on remette le peuple entre mes mains, et j'expulserai cet Abimélech, et je lui dirai: Complète ton armée et sors.
Ary enga anie ka ho eo ambanin’ ny tanako ireto olona ireto! dia hesoriko Abimeleka. Dia hoy izy tamin’ i Abimeleka: Hamaroy ny miaramilanao ka mivoaha.
30 Or, Zébul, chef de la ville, apprit les discours de Gaal, fils de Jobel, et il en fut courroucé.
Ary rehefa ren’ i Zebola, komandin’ ny tanàna, ny tenin’ i Gala, zanak’ i Ebeda, dia nirehitra ny fahatezerany.
31 Et il dépêcha secrètement des messagers à Abimélech, disant: Voilà que Gaal, fils de Jobel, et ses frères, sont venus à Sichem, et ils campent autour de la ville contre toi.
Dia naniraka olona mangingina tany amin’ i Abimeleka izy hanao hoe: Indro, Gala, zanak’ i Ebeda, sy ny rahalahiny dia tonga ato Sekema; ary, indro, mandrendrika ny ato an-tanàna hiodina aminao izy.
32 Maintenant, pars au milieu de la nuit, avec la partie du peuple qui est pour toi, et dresse-leur une embuscade dans les champs.
Koa ankehitriny, miaingà alina ianao sy ny vahoaka eo aminao, ka manotreha any an-tsaha.
33 Demain, au lever du soleil, tiens-toi prêt, étends-toi vers la ville; il marchera contre toi avec sa suite; alors tu lui feras tout le mal que tu pourras.
Ary raha maraina, raha vao miposaka ny masoandro, dia mifohaza maraina koa ianao, ka miroata hamely ny tanàna; ary, indro, raha mivoaka hiady aminao izy sy ny vahoaka eo aminy, dia ataovy aminy izay zakan’ ny tananao.
34 Abimélech et tous ses adhérents partirent donc au milieu de la nuit, et, formant quatre troupes, ils dressèrent une embuscade contre Sichem.
Dia niainga alina Abimeleka sy ny vahoaka rehetra teo aminy ka nanao otrika efa-toko tandrifin’ i Sekema,
35 De son côté, Gaal, fils de Jobel, se mit en mouvement et se rangea près de la porte de la ville; bientôt, Abimélech et sa troupe sortirent de leur embuscade.
Dia nivoaka Gala, zanak’ i Ebeda, ka nijanona teo anoloan’ ny vavahadin’ ny tanàna; dia niroatra avy tao am-panotrehana Abimeleka sy ny vahoaka teo aminy.
36 Quand Gaal, fils de Jobel, vit des hommes en armes, il dit à Zébul: Voilà que des hommes descendent du sommet des montagnes; et Zébul lui dit: Tu prends pour des hommes l'ombre des montagnes.
Ary rehefa hitan’ i Gala ny olona, dia hoy izy tamin’ i Zebola: Indreo, misy olona midìna avy eny an-tampon’ ny tendrombohitra. Fa hoy Zebola taminy: Ny aloky ny tendrombohitra no hitanao ka toa olona.
37 Et Gaal continua de parler, et il dit: Voilà que des hommes descendent du côté de la mer et ils sortent des entrailles de la terre, et une autre troupe s'avance par la route d'Hélon-Maonenim.
Dia niteny indray Gala ka nanao hoe: Indreo, misy olona eo amin’ ny havoana, ary, indreo misy, antokony hafa mandeha amin’ ny lalana eo amin’ ny hazo terebinta Meonenima.
38 Et Zébul lui dit: Qu'est devenue ta langue; ne disais-tu pas: Qu'est donc cet Abimélech, pour que nous lui soyons asservis? N'est-ce point là l'armée que tu comptais pour rien? Marche maintenant, et livre-lui bataille.
Dia hoy Zebola taminy: Aiza ny vavanao izay niteny hoe: Iza moa Abimeleka, no hotompointsika? Tsy ireo va no olona izay nohamavoinao? Mivoaha ankehitriny ka miadia aminy.
39 Et Gaal alla au-devant des hommes de Sichem, et il combattit Abimélech.
Dia nivoaka teo anoloan’ ny mponina tao Sekema Gala ka niady tamin’ i Abimeleka.
40 Mais Abimélech le poursuivit, et il s'enfuit devant Abimélech, et beaucoup de morts tombèrent jusqu'à la porte de la ville.
Dia nanenjika azy Abimeleka, ary nandositra teo anoloany izy, ka maro ny faty niampatrampatra hatreny anoloan’ ny vavahady aza.
41 Abimélech entra ensuite dans Arma, et Zébul chassa Gaal et ses frères, qui ne purent demeurer à Sichem.
Ary Abimeleka nonina tany Aroma; ary Zebola nandroaka an’ i Gala sy ny rahalahiny mba tsy honina any Sekema intsony.
42 Le lendemain, le peuple, à son tour, sortit dans les champs, et l'on en instruisit Abimélech.
Ary nony ampitson’ iny dia nivoaka ho ratsy any an-tsaha ny olona; ary nolazaina tamin’ i Abimeleka izany,
43 Il prit ses hommes, les divisa en trois troupes, et les mit en embuscade dans les champs; lorsqu'il vit le peuple sortir de la ville, il marcha contre lui, et il fut vainqueur.
Dia naka ny vahoaka izy ka nizara azy ho telo toko ary nanotrika tany an-tsaha; dia nijery izy, ka, indreo, ny olona nivoaka avy tao an-tanàna; dia nitsangana hiady aminy izy ka namely azy.
44 Abimélech et ses chefs poussèrent en avant, et ils s'arrêtèrent près des portes de la ville; en même temps les chefs des deux autres troupes se déployèrent contre tous ceux qui étaient dans les champs, et ils les vainquirent.
Ary Abimeleka sy ny antokony izay teo aminy dia niroatra ka nitsangana teo anoloan’ ny vavahadin-tanàna; ary ny roa toko kosa niroatra namely ny vahoaka rehetra tany an-tsaha ka namono azy.
45 Abimélech, tout ce jour-là, fut aux prises avec la ville; il s'en rendit maître, il massacra tout le peuple qu'elle renfermait; il la détruisit, et il y sema du sel.
Ary Abimeleka namely ny tanàna mandritra izany andro izany, dia nahafaka ny tanàna ka namono ny olona tao; ary noravany ny tanàna sady nofafazany sira.
46 Tous les hommes de la tour de Sichem l'ouïrent, et ils se rassemblèrent en Béthelbérith;
Ary nony nandre izany ny olona rehetra tao amin’ ny tilikambo tao Sekema, dia niditra tao amin’ ny efi-trano fierena tao an-tranon’ i Berita andriamaniny izy.
47 Et l'on vint dire à Abimélech que tous les hommes de la tour de Sichem étaient réunis.
Ary nolazaina tamin’ i Abimeleka fa tafangona tao amin’ ny tilikambo tao Sekema ny olona rehetra.
48 Aussitôt, Abimélech monta sur la montagne de Selmon, avec toutes ses forces, prit en sa main des haches, coupa un rameau, l'enleva, le mit sur ses épaules, et dit aux siens: Ce que vous me verrez faire, faites-le aussi à l'instant.
Ary Abimeleka sy ny vahoaka teo aminy dia niakatra tany an-tendrombohitra Zalmona; ary Abimeleka nitondra famaky teny an-tànany, dia nikapa sampan-kazo, ka nobetainy izany, dia nolanjainy teny an-tsorony, ary hoy izy tamin’ ny vahoaka teo aminy: Izay hitanareo ataoko, dia mba manaova faingana toy izany koa ianareo.
49 Chaque homme coupa un rameau; ils suivirent tous Abimélech, ils déposèrent les rameaux autour du lieu de rassemblement, et ils y mirent le feu, et ils brûlèrent tous les hommes du rassemblement. Ainsi tous ceux de la tour de Sichem périrent; environ mille hommes et femmes.
Koa samy nikapa sampan-kazo avy ny vahoaka rehetra ka nanaraka an’ i Abimeleka, dia nametraka izany teo an-trano fiarovana ka nandoro azy tamin’ ny afo, raha mbola tao ny olona, ka maty koa ny olona rehetra tao amin’ ny tilikambo tao Sekema, na lehilahy na vehivavy, tokony ho arivo no isany.
50 Abimélech partit de Béthelbérith, assiégea Thèbes et la prit.
Dia nandeha Abimeleka nankany Tebeza ary nitoby tandrifin’ i Tebeza ka nahafaka azy.
51 Il y avait au milieu de la ville une forte tour, ou tous les hommes et les femmes de la ville se réfugièrent; ils fermèrent les portes sur eux, et ils montèrent sur la plate-forme de la tour.
Fa nisy tilikambo mafy tao anatin’ ny tanàna, ka nandositra tao ny lehilahy rehetra sy ny vehivavy ary izay rehetra tao an-tanàna ka nihidy tao, dia niakatra teo an-tampon’ ny tilikambo izy.
52 Abimélech alla jusqu'à la tour, l'investit, et s'approcha de la porte de la tour, afin de la brûler.
Ary Abimeleka nankany amin’ ny tilikambo ka namely azy, dia nanatona ny varavaran’ ny tilikambo izy handoro azy amin’ ny afo.
53 Mais, une femme jeta un éclat de meule sur la tête d'Abimélech, et elle lui brisa le crâne.
Fa nisy vehivavy anankiray, nanjera vato fikosoham-bary tamin’ ny lohan’ i Abimeleka ka nahavaky ny karan-dohany.
54 Il cria aussitôt pour appeler le serviteur qui portait ses armes, et il lui dit: Tire mon épée et tue-moi, de peur que l'on ne dise: Une femme l'a tué. Et son serviteur le transperça, et il mourut.
Dia nantsoin’ i Abimeleka faingana ny zatovo, mpitondra ny fiadiany, ka hoy izy taminy: Tsoahy ny sabatrao, ka vonoy aho, mba tsy hanaovan’ ny olona ahy hoe: Vehivavy no nahafaty azy. Dia namely azy miboroaka ilay zatovo, ka maty izy.
55 Et les hommes d'Israël virent qu'Abimélech était mort, et chacun retourna en sa demeure.
Ary rehefa hitan’ ny lehilahy amin’ ny Isiraely fa maty Abimeleka, dia samy lasa nandeha ho any amin’ ny fonenany avy izy.
56 Ainsi, Dieu fit retomber sur Abimélech sa cruauté envers sa famille paternelle, et le meurtre de ses soixante-dix frères.
Izany no namalian’ Andriamanitra ny ratsy nataon’ i Abimeleka, izay efa nataony tamin’ ny rainy tamin’ ny namonoany ny rahalahiny fito-polo lahy.
57 Et Dieu fit retomber sur la tête des hommes de Sichem toute leur méchanceté, et il accomplit contre eux la malédiction de Joatham, fils de Jérobaal.
Ary ny ratsy rehetra nataon’ ny mponina tao Sekema dia natsingerin’ Andriamanitra tamin’ ny lohany avokoa, ka dia nihatra taminy ilay fanozonana nataon’ i Jotama, zanak’ i Jerobala.

< Juges 9 >