< Proverbes 15 >

1 Une réponse douce détourne la fureur, mais la parole blessante excite la colère.
Ny famaliana mora dia mampianina ny fahatezerana mafy; Fa ny teny maharary mahatonga fahasosorana.
2 La langue des sages fait valoir la connaissance, mais la bouche des sots fait jaillir la folie.
Ny lelan’ ny hendry mampiseho fahalalana tsara; Fa ny vavan’ ny adala miboiboika fahadalana.
3 Les yeux de l’Éternel sont en tout lieu, regardant les méchants et les bons.
Ny mason’ i Jehovah amin’ izao rehetra izao, Mijery ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy.
4 La bénignité de la langue est un arbre de vie, mais la perversité en elle est un brisement d’esprit.
Ny teny malemy dia hazon’ aina; Fa ny vava ratsy mandratra ny fanahy.
5 Le fou méprise l’instruction de son père, mais celui qui a égard à la répréhension devient avisé.
Ny adala maniratsira ny famaizan-drainy; Fa izay mitandrina ny fananarana no hita ho hendry.
6 Dans la maison du juste il y a un grand trésor, mais dans le revenu du méchant il y a du trouble.
Ao an-tranon’ ny marina misy harena be; Fa ny fitomboan’ ny haren’ ny ratsy fanahy dia misy loza.
7 Les lèvres des sages répandent la connaissance, mais le cœur des sots ne fait pas ainsi.
Ny molotry ny hendry mampiely fahendrena; Fa tsy mba toy izany ny fon’ ny adala.
8 Le sacrifice des méchants est en abomination à l’Éternel, mais la prière des hommes droits lui est agréable.
Ny fanatitry ny ratsy fanahy dia fahavetavetana eo imason’ i Jehovah; Fa ny fivavaky ny marina no sitrany.
9 La voie du méchant est en abomination à l’Éternel, mais il aime celui qui poursuit la justice.
Fahavetavetana eo imason’ i Jehovah ny lalan’ ny ratsy fanahy; Fa izay fatra-panaraka ny fahamarinana no tiany.
10 Une discipline fâcheuse attend celui qui abandonne le [droit] sentier; celui qui hait la correction mourra.
Famaizana mafy no hihatra amin’ izay mivily lalana. Eny, izay mankahala anatra dia ho faty.
11 Le shéol et l’abîme sont devant l’Éternel, combien plus les cœurs des fils des hommes! (Sheol h7585)
Ny fiainan-tsi-hita sy ny fandringanana aza dia miharihary eo anatrehan’ i Jehovah, Koa mainka ny fon’ ny zanak’ olombelona! (Sheol h7585)
12 Le moqueur n’aime pas celui qui le reprend; il ne va pas vers les sages.
Tsy tian’ ny mpaniratsira izay mananatra azy, Ary tsy mety manatona ny hendry izy.
13 Le cœur joyeux égaie le visage, mais par le chagrin du cœur l’esprit est abattu.
Ny fo ravoravo mahamiramirana ny tarehy; Fa ny alahelon’ ny fo mahareraka ny fanahy.
14 Le cœur de l’homme intelligent cherche la connaissance, mais la bouche des sots se repaît de folie.
Ny fon’ ny manan-tsaina mitady fahendrena; Fa ny vavan’ ny adala mankamamy ny fahadalana.
15 Tous les jours du malheureux sont mauvais, mais le cœur heureux est un festin continuel.
Ratsy avokoa ny andron’ ny ory; Fa ny faharavoravoam-po dia fanasana mandrakariva.
16 Mieux vaut peu, avec la crainte de l’Éternel, qu’un grand trésor avec du trouble.
Aleo ny kely misy ny fahatahorana an’ i Jehovah Toy izay harena be misy ahiahy.
17 Mieux vaut un repas d’herbes, et de l’amour, qu’un bœuf engraissé, et de la haine.
Aleo sakafo anana ampian-tsetsetra Toy izay omby mifahy asian-dromoromo.
18 L’homme violent excite la querelle, mais celui qui est lent à la colère apaise la dispute.
Izay malaky tezitra manetsika ady; Fa izay mahatsindry fo mampitsahatra fifandirana.
19 La voie du paresseux est comme une haie d’épines, mais le sentier des hommes droits est aplani.
Ny lalan’ ny malaina dia toy ny fefy tsilo Fa ny lalamben’ ny marina dia voalamina tsara.
20 Un fils sage réjouit son père, mais l’homme insensé méprise sa mère.
Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy; Fa ny adala manao tsinontsinona an-dreniny.
21 La folie est la joie de celui qui est dépourvu de sens, mais l’homme intelligent règle ses pas.
Ny fahadalana dia fifalian’ ny tsy ampy saina; Fa ny manan-tsaina kosa mizotra mahitsy
22 Les projets échouent là où il n’y a point de conseil, mais, par la multitude des conseillers, ils réussissent.
Ho foana ny fikasana, raha tsy misy mpisaina; Fa raha maro ny mpanolo-tsaina, dia tanteraka izany.
23 Il y a de la joie pour un homme dans la réponse de sa bouche; et une parole [dite] en son temps, combien elle est bonne!
Faly ny olona, raha mahavaly tsara ny vavany, Ary endrey ny hatsaran’ ny teny atao amin’ izay andro mahamety azy!
24 Le sentier de la vie est en haut pour les intelligents, afin qu’ils se détournent du shéol, en bas. (Sheol h7585)
Làlan’ aina ho any ambony no alehan’ ny hendry, Hanalavirany ny fiainan-tsi-hita any ambany, (Sheol h7585)
25 L’Éternel démolit la maison des orgueilleux, mais il rend ferme la borne de la veuve.
Ravan’ i Jehovah ny tranon’ ny mpiavonavona; Fa ny fari-tanin’ ny mpitondra-tena aoriny mafy.
26 Les machinations de l’inique sont en abomination à l’Éternel, mais les paroles pures [lui] sont agréables.
Fahavetavetana eo imason’ i Jehovah ny hevi-dratsy; Fa madio ny teny mahafinaritra.
27 Celui qui cherche le gain déshonnête trouble sa maison, mais celui qui hait les dons vivra.
Izay fatra-pila harena dia mampidi-doza amin’ ny ankohonany; Fa izay mankahala kolikoly no ho velona.
28 Le cœur du juste réfléchit pour répondre, mais la bouche des méchants fait jaillir les choses mauvaises.
Ny fon’ ny marina mihevitra vao mamaly; Fa ny vavan’ ny ratsy fanahy kosa miboiboika faharatsiana.
29 L’Éternel est loin des méchants, mais il écoute la prière des justes.
Jehovah dia lavitra ny ratsy fanahy; Fa ny fivavaky ny marina no henoiny.
30 Ce qui éclaire les yeux réjouit le cœur; une bonne nouvelle engraisse les os.
Ny tarehy miramirana mahafaly ny fo; Ary ny filazan-tsoa mamelombelona ny taolana.
31 L’oreille qui écoute la répréhension de vie logera au milieu des sages.
Ny sofina izay mihaino anatra mahavelona Dia miara-mitoetra amin’ ny hendry.
32 Celui qui rejette l’instruction méprise sa vie; mais celui qui écoute la répréhension acquiert du sens.
Izay mandà anatra dia manary tena; Fa izay mihaino ny fananarana no mahazo fahalalana.
33 La crainte de l’Éternel est la discipline de la sagesse, et l’abaissement va devant la gloire.
Ny fahatahorana an’ i Jehovah dia fananarana mampahahendry; Ary ny fanetren-tena mialoha ny fisandratana.

< Proverbes 15 >