< Josué 18 >
1 Et toute l’assemblée des fils d’Israël se réunit à Silo, et ils y dressèrent la tente d’assignation; et le pays leur fut assujetti.
Dia nivory tao Silo ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, ka nanangana ny trano-lay fihaonana tao. Ary ny tany dia resy teo anoloany.
2 Et il restait parmi les fils d’Israël sept tribus auxquelles on n’avait pas encore distribué leur héritage.
Ary nisy firenena fito tamin’ ny Zanak’ Isiraely tsy mbola nahazo ny lovany.
3 Et Josué dit aux fils d’Israël: Jusques à quand vous porterez-vous lâchement à aller prendre possession du pays que l’Éternel, le Dieu de vos pères, vous a donné?
Dia hoy Josoa tamin’ ny Zanak’ Isiraely: Mandra-pahoviana no hiahotrahoranareo tsy hiditra handova ny tany, izay omen’ i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, anareo?
4 Choisissez-vous trois hommes par tribu, et je les enverrai; et ils se lèveront, et ils parcourront le pays, et ils en feront le relevé selon la proportion de leur héritage, puis ils viendront vers moi.
Mandoava telo lahy avy isam-pirenena, dia haniraka azy aho, ary hiainga izy ka handeha hitety ny tany ka hanoratra azy araka ny ho lovany, dia hiverina atỳ amiko.
5 Ils le diviseront en sept parts; Juda se tiendra dans ses limites au midi, et la maison de Joseph se tiendra dans ses limites au nord;
Ary hizafa azy ho fito toko izy; ny Joda hitoetra any amin’ ny taniny ao atsimo, ary ny taranak’ i Josefa hitoetra any amin’ ny taniny ao avaratra.
6 et vous ferez le relevé du pays en sept parts, et vous me l’apporterez ici; et je jetterai ici le sort pour vous devant l’Éternel, notre Dieu.
Ary soratinareo ny tany ka ataovy fito toko; ary ento atỳ amiko ny soratra, dia hanao filokana ho anareo eto anatrehan’ i Jehovah Andriamanitsika aho.
7 Mais il n’y a point de part pour les Lévites au milieu de vous, car la sacrificature de l’Éternel est leur héritage. Et Gad, et Ruben, et la demi-tribu de Manassé, ont reçu au-delà du Jourdain, vers le levant, leur héritage, que Moïse, serviteur de l’Éternel, leur a donné.
Fa tsy mba manana anjara eo aminareo ny Levita; fa ny fisoronana amin’ i Jehovah no lovany; ary Gada sy Robena sy ny antsasaky ny firenen’ i Manase efa nahazo ny lovany any an-dafy atsinanan’ i Jordana, izay nomen’ i Mosesy, mpanompon’ i Jehovah, azy.
8 Et les hommes se levèrent et s’en allèrent; et Josué commanda à ceux qui s’en allaient faire le relevé du pays, disant: Allez et parcourez le pays, et faites-en le relevé, et revenez auprès de moi, et je jetterai ici le sort pour vous devant l’Éternel, à Silo.
Dia niainga ireo lehilahy ireo ka nandeha; ary Josoa nandidy izay nandeha hanoratra ny tany ka nanao hoe: Mandehana nitety ny tany, ka soraty izy, dia miverena atỳ amiko, ka eto Silo no hanaovako filokana ho anareo eo anatrehan’ i Jehovah.
9 Et les hommes s’en allèrent, et traversèrent le pays, et en firent le relevé dans un livre, en sept parts, selon les villes; puis ils vinrent vers Josué, au camp, à Silo.
Dia lasa ireo lehilahy ireo ka nandeha nitety ny tany, dia nanoratra azy tamin’ ny taratasy, ka nataony fito toko, araka ny tanàna, ary dia tafaverina tany amin’ i Josoa tao an-toby tao Silo izy.
10 Et Josué jeta le sort pour eux, à Silo, devant l’Éternel, et Josué répartit là le pays aux fils d’Israël, selon leurs distributions.
Ary Josoa dia nanao filokana ho azy tao Silo teo anatrehan’ i Jehovah; ary tao no nizaran’ i Josoa ny tany ho an’ ny Zanak’ Isiraely araka ny fizarany.
11 Et le sort tomba pour la tribu des fils de Benjamin, selon leurs familles. Et le territoire de leur lot leur échut entre les fils de Juda et les fils de Joseph.
Dia nahazo ny loka ny firenena taranak’ i Benjamina isam-pokony; ary ny faritry ny tany azony dia teo anelanelan’ ny taranak’ i Joda sy ny taranak’ i Josefa.
12 Et leur frontière, du côté du nord, partait du Jourdain; et la frontière montait à côté de Jéricho, vers le nord, et montait dans la montagne vers l’occident, et aboutissait au désert de Beth-Aven;
Ary ny fari-taniny amin’ ny lafiny avaratra dia hatrany Jordana ka niakatra hatramin’ ny ilan’ i Jeriko amin’ ny avaratra, dia niakatra niankandrefana nahazo ny tany havoana, ka dia nihatra tamin’ ny efitr’ i Betavena,
13 et la frontière passait de là à Luz, au côté méridional de Luz, qui est Béthel; et la frontière descendait à Ataroth-Addar, près de la montagne qui est au midi de Beth-Horon la basse.
hatreo dia nandroso hatrany Lozy, hatramin’ ny ilany atsimon’ i Lozy (Betela izany), dia nidina hatrany Atarot-adara ao amin’ ny tendrombohitra atsimon’ i Beti-horona ambany,
14 – Et la frontière fut tracée, et elle faisait un détour du côté occidental vers le midi, depuis la montagne qui est en face de Beth-Horon, vers le midi, et aboutissait à Kiriath-Baal, qui est Kiriath-Jéarim, ville des fils de Juda. C’est là le côté de l’occident.
dia niolaka tamin’ ny lafiny andrefana ka nianatsimo hatramin’ ny tendrombohitra izay eo anoloan’ i Beti-horona eo atsimo, ka dia nihatra any Kiriata-bala (Kiriata-jearima izany), tanànan’ ny taranak’ i Joda; izany no lafiny andrefana.
15 – Et le côté méridional partait de l’extrémité de Kiriath-Jéarim; et la frontière sortait vers l’occident, et elle sortait vers la source des eaux de Nephtoah.
Ary ny lafiny atsimo dia hatramin’ ny faran’ i Kiriata-jearima; ary ny fari-tany dia nandroso niankandrefana ka nihatra tamin’ ny loharanon’ i Neftoa,
16 Et la frontière descendait jusqu’au bout de la montagne qui est en face de la vallée de Ben-Hinnom, qui est dans la vallée des Rephaïm, vers le nord, et elle descendait la vallée de Hinnom à côté de Jébus, au midi, et descendait à En-Roguel.
dia nidina hatramin’ ny faran’ ny tendrombohitra, izay tandrifin’ ny lohasahan’ ny taranak’ i Hinoma, eo amin’ ny Lohasahan’ ny Refaïta eo avaratra, ka nidina hatramin’ ny lohasahan’ i Hinoma, hatramin’ ny ilany atsimon’ ny Jebosita, ka nidina hatrany En-rogela,
17 Et elle était tracée vers le nord, et sortait par En-Shémesh, et sortait à Gueliloth, qui est vis-à-vis de la montée d’Adummim, et descendait à la pierre de Bohan, fils de Ruben,
dia nizotra avy any avaratra ka nandroso hatrany En-semesy sy Gelilota, izay tandrifin’ ny fiakarana Adomima, ka nidina hatramin’ ny vaton’ i Bohana, zanak’ i Robena,
18 et passait au côté nord, qui est vis-à-vis d’Araba, et descendait à Araba.
dia nandroso hatramin’ ny ilany avaratra tandrifin’ ny tani-hay ka nidina hatrany amin’ ny tani-hay.
19 Et la frontière passait à côté de Beth-Hogla, au nord; et la frontière aboutissait à la pointe de la mer Salée, vers le nord, à l’extrémité méridionale du Jourdain. C’est là la frontière du midi.
dia nandroso hatramin’ ny ilany avaratr’ i Beti-hogla, ka dia nihatra tamin’ ny helo-drano avaratra amin’ ny Ranomasin-tsira, eo amin’ ny farany atsimo amin’ i Jordana; izany no lafiny atsimo.
20 – Et le Jourdain formait la limite du côté de l’orient. Tel fut l’héritage des fils de Benjamin, selon ses frontières, à l’entour, selon leurs familles.
Ary Jordana no fari-taniny atsinanana. Izany no lovan’ ny taranak’ i Benjamina amin’ ny fari-taniny manodidina araka ny fokony.
21 Et les villes de la tribu des fils de Benjamin, selon leurs familles, étaient: Jéricho, et Beth-Hogla, et Émek-Ketsits,
Ary ny tanànan’ ny firenena taranak’ i Benjamina araka ny fokony dia Jeriko sy Beti-hogla ary ny lohasahan’ i Keziza
22 et Beth-Araba, et Tsemaraïm, et Béthel,
sy Bet-arabà sy Zemaraima sy Betela
23 et Avvim, et Para, et Ophra,
sy Avima sy Para sy Ofra
24 et Kephar-Ammonaï, et Ophni, et Guéba: douze villes et leurs hameaux;
sy Kefara-hamony sy Ofny sy Geba: tanàna roa ambin’ ny folo sy ny zana-bohiny;
25 – Gabaon, et Rama, et Beéroth,
sy Gibeona sy Rama sy Berota
26 et Mitspé, et Kephira, et Motsa,
sy Mizpa sy Kefira sy Moza
27 et Rékem, et Jirpeël, et Thareala,
sy Rekema sy Iripela sy Tarala
28 et Tséla, Éleph, et Jébus, qui est Jérusalem, Guibha, Kiriath: 14 villes et leurs hameaux. Tel fut l’héritage des fils de Benjamin, selon leurs familles.
sy Zela sy Elefa sy ny Jebosita (Jerosalema izany) sy Gibea sy Kiriata: tanàna efatra ambin’ ny folo sy ny zana-bohiny. Izany no lovan’ ny taranak’ i Benjamina araka ny fokony.