< Job 9 >

1 Et Job répondit et dit:
Dia namaly Joba ka nanao hoe:
2 En vérité, je sais qu’il en est ainsi. Mais comment l’homme sera-t-il juste devant Dieu?
Fantatro tokoa fa izany no izy; Fa aiza no hahamarina ny zanak’ olombelona eo anatrehan’ Andriamanitra?
3 S’il se plaît à contester avec lui, il ne lui répondra pas sur un point entre mille.
Raha te-hifandahatra aminy izy, dia tsy mahavaly teny Azy na dia iray amin’ ny arivo aza.
4 Il est sage de cœur et puissant en force: qui s’est endurci contre lui et a prospéré?
Hendry am-po Izy sady matanjaka amin’ ny hery; iza no nikiry nanohitra Azy ka tsy naninona?
5 Il transporte les montagnes, et elles ne savent pas qu’il les renverse dans sa colère;
Izay mamindra tendrombohitra, nefa ireny tsy mahalala akory, izay mamadika azy amin’ ny fahatezerany,
6 Il remue la terre de sa place, et ses colonnes tremblent;
Ary mampihorohoro ny tany ho afaka amin’ ny fitoerany, ka mihozongozona ny andriny;
7 Il parle au soleil, et [le soleil] ne se lève pas; et sur les étoiles il met son sceau;
Mandidy ny masoandro Izy, ka tsy miposaka iny, ary manisy tombo-kase manafina ny kintana;
8 Seul il étend les cieux et marche sur les hauteurs de la mer;
Sady Izy irery ihany no mamelatra ny lanitra sy mandia ny onjan-dranomasina;
9 Il fait la grande Ourse, Orion, et les Pléiades, et les chambres du midi;
Manao ireo kintana lehibe Izy, dia ny Bera sy ny Telonohorefy ary ny Ikotokelimiadilaona sy ireo kintana maro any atsimo,
10 Il fait de grandes choses qu’on ne saurait sonder, et des merveilles à ne pouvoir les compter.
Ary manao zava-dehibe tsy takatry ny saina, eny, fahagagana tsy hita isa.
11 Voici, il passe près de moi, et je ne [le] vois pas; et il passe à côté [de moi], et je ne l’aperçois pas.
Indro, mandalo ahy Izy, nefa tsy hitako; Ary mihelina Izy, nefa tsy fantatro.
12 Voici, il ravit; qui l’en détournera? Qui lui dira: Que fais-tu?
Indro, mipaoka Izy, ka iza no mahasakana Azy? Iza no hanao aminy hoe: Inona no ataonao?
13 Dieu ne retire pas sa colère; sous lui fléchissent les orgueilleux qui prêtent secours.
Andriamanitra tsy mampitony ny fahatezerany; Ny mpanampy an-dRahaba aza dia mitanondrika eo ambaniny.
14 Combien moins lui répondrais-je, moi, [et] choisirais-je mes paroles avec lui!
Mainka fa izaho tsy mahavaly Azy, na mahafidy teny hifandaharako aminy;
15 Si j’étais juste, je ne lui répondrais pas, je demanderais grâce à mon juge.
Fa na dia marina aza aho, dia tsy hahavaly tsy akory; Hifona amin’ Ilay manana ady amiko no hany heriko.
16 Si je criais, et qu’il me réponde, je ne croirais pas qu’il ait prêté l’oreille à ma voix, –
Raha mba niantso aho, ka namaly ahy aza Izy, dia tsy ho nino aho fa hanaiky ny fitarainako Izy.
17 Lui qui m’écrase dans une tempête, et qui multiplie mes blessures sans cause.
Fa manorotoro ahy amin’ ny tafio-drivotra Izy ka manamaro ny feriko tsy ahoan-tsy ahoana.
18 Il ne me permet pas de reprendre haleine; car il me rassasie d’amertumes.
Sady tsy avelany haka aina akory aho, fa vokisany zava-mangidy.
19 S’agit-il de force, voici, il est fort; s’agit-il de jugement: Qui m’assignera?
Raha ny amin’ ny herin’ ny mahery, dia: Indro ary! Ary ny amin’ ny fitsarana: Iza no hifandahatra amiko?
20 Si je me justifiais, ma bouche me condamnerait; si j’étais parfait, il me montrerait pervers.
Na dia marina aza aho, dia hanameloka ahy ihany ny vavako; Ary na dia tsy manan-tsiny aza aho, dia hanao ahy ho meloka Izy.
21 Si j’étais parfait, je méconnaîtrais mon âme, je mépriserais ma vie.
Marina aho, ataoko tsinontsinona ny aiko; Tsy ahoako izay ho velona.
22 Tout revient au même; c’est pourquoi j’ai dit: Il consume le parfait et le méchant.
Tsy misy hafa aminy, ka izany no nanaovako hoe: Ny marina sy ny meloka dia samy aringany avokoa.
23 Si le fléau donne subitement la mort, il se rit de l’épreuve de l’innocent.
Raha misy loza mahafaty tampoka, dia mihomehy ny fizahan-toetra ny marina Izy.
24 La terre est livrée en la main du méchant: il couvre la face de ses juges. S’il n’en est pas ainsi, qui est-ce donc?
Ny tany efa voatolotra ho eo an-tànan’ ny ratsy fanahy; Manarona ny tavan’ ny mpitsara eo Izy; Raha tsy Izy no manao izany, dia iza, kosa ary?
25 Mes jours s’en vont plus vite qu’un coureur; ils fuient, ils ne voient pas ce qui est bon;
Ny androko dia faingana noho ny tsimandoa; Lasa ireny ka tsy nahita soa akory.
26 Ils passent rapides comme les barques de jonc, comme un aigle qui fond sur sa proie.
Mihelina tahaka ny lakana faingam-pandeha izy, tahaka ny voromahery mipaoka hanina.
27 Si je dis: J’oublierai ma plainte, je renoncerai à mon visage [morne] et je serai joyeux,
Raha hoy izaho: Hanadino ny alaheloko aho, hitsahatra tsy hanjonitra aho ka ho miramirana,
28 Je suis épouvanté de tous mes tourments; je sais que tu ne me tiendras pas pour innocent.
Dia mahatsiravina ahy ny fahoriako rehetra; Fantatro fa tsy hataonao ho tsy manan-tsiny aho.
29 Soit, je suis méchant: pourquoi me fatigué-je ainsi en vain?
Tsy maintsy hatao ho meloka ihany aho, koa nahoana aho no hanasa-tena foana?
30 Si je me lave avec de l’eau de neige, et que je nettoie mes mains dans la pureté,
Na dia mandro amin’ ny oram-panala aza aho ka manadio ny tanako amin’ ny ranon-davenona,
31 Alors tu me plongeras dans un fossé, et mes vêtements m’auront en horreur.
Dia hanitrika ahy any am-pahitra miaraka amin’ izay Hianao, ka hataon’ ny fitafiako ho zava-betaveta aho.
32 Car il n’est pas homme, comme moi, pour que je lui réponde, pour que nous allions ensemble en jugement.
Fa tsy olona tahaka ahy Izy ka ho azoko valiana hifanatrehanay amin’ ny fitsarana.
33 Il n’y a pas entre nous un arbitre qui mettrait sa main sur nous deux.
Tsy misy mpanelanelana anay Hametraka ny tànany aminay roa tonta.
34 Qu’il retire sa verge de dessus moi, et que sa terreur ne me trouble pas;
Aoka hanaisotra ny tsorakazony amiko Izy, ary aoka tsy hampahatsiravina ahy ny fampitahorany,
35 Alors je parlerai et je ne le craindrai pas; mais il n’en est pas ainsi de moi.
Dia hiteny aho ka tsy hatahotra Azy; Fa fantatro fa tsy hatahotra foana aho.

< Job 9 >