< Jérémie 48 >
1 Sur Moab. Ainsi dit l’Éternel des armées, le Dieu d’Israël: Malheur à Nebo! car elle est dévastée. Kiriathaïm est honteuse, elle est prise. Misgab est honteuse et terrifiée.
Ny amin’ i Moaba. Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Nidiran-doza Nebo, fa rava! Mangaihay Kiriataima, fa afaka; Mangaihay Misgaba sady raiki-tahotra.
2 C’en est fait de la louange de Moab. À Hesbon, ils ont machiné contre lui du mal: Venez, et retranchons-le, qu’il ne soit plus une nation! Toi aussi, Madmen, tu seras détruite; l’épée ira après toi.
Tsy misy ho reharehan’ i Moaba intsony; Tao Hesbona no niheverany hampididoza aminy hoe: Andeha horavantsika tsy ho firenena izy. Ho ringana koa ianao, ry Madmena, Hanenjika anao ny sabatra.
3 La voix d’un cri [qui vient] de Horonaïm! Dévastation et grande ruine!
Injay! misy feo fitarainana ao Horonaima hoe: Fandravana sy fandringanana be!
4 Moab est ruiné, ses petits enfants ont fait entendre un cri; …
Rava Moaba, ny madinika ao dia mamoaka fitarainana.
5 car de la montée de Lukhith montent pleurs sur pleurs; car à la descente de Horonaïm on a entendu un cri d’angoisse de ruine.
Fa miakatra mitomany lalandava eny amin’ ny fiakarana Lohita izy; Ary amin’ ny fidinana mankany Horonaima no andrenesana fitarainana mafy noho ny fandringanana.
6 Fuyez, sauvez vos vies; et vous serez comme la bruyère dans le désert!
Mandosira, vonjeo ny ainareo. Ary aoka ho tahaka ny olona mahantra any an-efitra ianareo.
7 Car, parce que tu as eu confiance en tes ouvrages et en tes trésors, toi aussi tu seras pris; et Kemosh s’en ira en captivité, ses sacrificateurs et ses princes ensemble.
Fa noho ny nitokianao tamin’ ny asanao sy ny rakitrao dia ho voasambotra koa ianao; Ary Kemosy ho lasan-ko babo, dia ny mpisorony sy ny mpanapaka rehetra.
8 Et le dévastateur viendra contre chaque ville, et pas une ville n’échappera; et la vallée périra, et le plateau sera dévasté, comme l’Éternel l’a dit.
Ary ny mpandringana ho tonga ao amin’ ny tanàna rehetra, ka tsy hisy tanàna tsy ho afaka; Ny lohasaha koa ho simba, ary ny tany lemaka ho rava, araka izay nolazain’ i Jehovah.
9 Donnez des ailes à Moab! car il partira au vol, et ses villes seront désolées, sans qu’il y ait personne qui y habite.
Omeo elatra Moaba, fa hanidina izy ka ho lasa; Ary ho lao ny tanànanay, ka tsy hisy mponina.
10 Maudit celui qui fera l’œuvre de l’Éternel frauduleusement! Maudit celui qui retiendra son épée loin du sang!
Ho voaozona anie Izay manao tsirambina foana ny asa asain’ i Jehovah atao! Eny, ho voaozona anie izay mihazona ny sabany tsy handatsa-drà!
11 Moab a été à son aise dès sa jeunesse, et tranquille sur sa lie; il n’a pas été versé de vase en vase, et il n’est pas allé en captivité: c’est pourquoi son goût lui est demeuré, et son parfum ne s’est point changé.
Moaba nandry fahizay hatry ny fony izy mbola kely ka niotrika tao amin’ ny faikany, fa tsy naidina nafindrafindra siny, ary tsy mbola lasan-ko babo izy; koa izany no aharetan’ ny tsirony ao aminy sy tsy iovan’ ny fofony.
12 C’est pourquoi, voici, des jours viennent, dit l’Éternel, où je lui enverrai des transvaseurs qui le transvaseront, et qui videront ses vases, et qui briseront ses cruches.
Koa, indro, avy ny andro hanirahako mpanohoka ho any aminy, hoy Jehovah, Izay hanohoka azy ka hahafoana ny fitoeran-divainy sady hanorotoro ny sininy.
13 Et Moab sera honteux de Kemosh, comme la maison d’Israël a été honteuse de Béthel, sa confiance.
Ary Moaba ho menatra noho ny amin’ i Kemosy toy ny nahamenaran’ ny taranak’ Isiraely noho ny amin’ i Betela tokiny.
14 Comment dites-vous: Nous sommes des hommes forts, des hommes vaillants pour la guerre?
Ahoana no anaovanareo hoe: Lehilahy matanjaka sady mahery an’ ady izahay?
15 Moab est dévasté, et ses villes montent [en fumée], et l’élite de ses jeunes gens descend à la tuerie, dit le Roi; l’Éternel des armées est son nom.
Rava Moaba, fa ny tanànany dia efa nanihina. Ary ny zatovony voafantina efa nidina ho any amin’ ny famonoana. Hoy ny Mpanjaka, Jehovah, Tompon’ ny maro, no anarany.
16 La calamité de Moab est près d’arriver, et son malheur se hâte beaucoup.
Efa antomotra ny loza hanjo an’ i Moaba, ary mimaona ny fahoriany.
17 Lamentez-vous sur lui, vous tous qui êtes autour de lui; et vous tous qui connaissez son nom, dites: Comment a été brisée la verge de force, le bâton de magnificence!
Mitomania azy, ianareo rehetra izay manodidina azy sy ianareo rehetra izay mahalala ny anarany! Eny, manaova hoe: Indrisy! tapaka ny tehina mafy sy ny tsorakazo tsara tarehy!
18 Descends de la gloire, et assieds-toi dans la soif, habitante, fille de Dibon! car le dévastateur de Moab est monté contre toi, il a détruit tes forteresses.
Ry Dibona, zanakavavy mponina, midìna miala amin’ ny voninahitrao, ka mitoera ao amin’ ny tany mangentana, fa ilay mandringana an’ i Moaba dia miakatra mamely anao sady mandrava ny fiarovanao.
19 Tiens-toi sur le chemin, et veille, habitante d’Aroër; interroge celui qui fuit et celle qui est échappée; dis: Qu’est-il arrivé?
Ry mponina any Aroera, mijanòna eny an-dalambe, ka mitazàna, ary izay mandositra, na lehilahy na vehivavy, dia anontanio hoe: Nozoin’ inona ianareo?
20 Moab est honteux, car il est brisé. Hurlez et criez, annoncez dans Arnon que Moab est dévasté.
Afa-baraka Moaba, eny, raiki-tahotra izy; Midradradradra sy mitaraina, ka ambaraonareo ao Arnona fa rava Moaba.
21 Et le jugement est venu sur le pays du plateau, sur Holon, et sur Jahtsa, et sur Méphaath,
Ary ny fitsarana dia miakatra ao amin’ ny tany lemaka, dia ao Holona sy Jahaza sy Mefata
22 et sur Dibon, et sur Nebo, et sur Beth-Diblathaïm,
Sy Dibona sy Nebo sy Beti-diblataima
23 et sur Kiriathaïm, et sur Beth-Gamul, et sur Beth-Méon,
Sy Kiriataima sy Beti-gamola sy Beti-meona
24 et sur Kerijoth, et sur Botsra, et sur toutes les villes du pays de Moab, éloignées et proches.
Sy Keriota ary Bozra, eny, ny tanànan’ i Moaba rehetra, na ny lavitra na ny akaiky.
25 La corne de Moab est coupée, et son bras est cassé, dit l’Éternel.
Voakapa ny tandrok’ i Moaba, ary tapaka koa ny sandriny, hoy Jehovah.
26 Enivrez-le, car il s’est exalté contre l’Éternel; et Moab se roulera dans son vomissement, et il sera, lui aussi, un objet de dérision.
Ataovy leony izy, fa niavonavona tamin’ i Jehovah; Moaba hihosinkosina amin’ ny loany sady mba ho tonga fihomehezana kosa.
27 Et Israël n’a-t-il pas été un objet de dérision pour toi? A-t-il été pris parmi les voleurs? Car chaque fois que tu as parlé de lui, tu as secoué [la tête].
Fa tsy efa nataonao ho fihomehezana va ny Isiraely? Moa hita fa naman’ ny mpangalatra va izy, no dia mihifikifika ianao isaky ny milaza azy?
28 Abandonnez les villes, et demeurez dans les rochers, habitants de Moab, et soyez comme une colombe qui fait son nid aux côtés de l’entrée d’une caverne.
Ry mponina any Moaba! ilaozy ny tanàna, ka mitoera ao amin’ ny harambato, ary aoka ho tahaka ny voromailala izay manao ny akaniny erỳ am-pitan’ ny hantsana ianao.
29 Nous avons entendu l’orgueil de Moab, le très hautain, son arrogance, et son orgueil, et sa fierté, et son cœur altier!
Ffa renay ny fiavonavonan’ i Moaba fatra-piavonavona loatra izy dia ny fireharehany sy ny fiavonavonany sy ny fiaingitrainginy ary ny avonavon’ ny fony.
30 Je connais, dit l’Éternel, sa rage: ses vanteries ne sont que vanité, ils ne font pas ce [qu’ils disent].
Izaho mahalala ny fihoa-bavany sy ny fibedibediny foana, hoy Jehovah; Tsinontsinona ny ataony.
31 C’est pourquoi je hurlerai sur Moab; au sujet de tout Moab je crierai; on gémira sur les hommes de Kir-Hérès.
Koa hidradradradra noho ny amin’ i Moaba aho; Eny, hitomany noho ny amin’ i Moaba rehetra aho, ary hitsetra noho ny amin’ ny mponina ao Kira-haresa ny olona.
32 Plus que des pleurs de Jahzer, je pleurerai sur toi, ô vigne de Sibma; tes sarments ont passé au-delà de la mer, ils ont atteint jusqu’à la mer de Jahzer; le dévastateur est tombé sur tes fruits d’été et sur ta vendange.
Mihoatra noho ny fitomanian’ i Jazera no hitomaniako anao, ry voalobok’ i Sibma, tafita ny ranomasina ny rantsanao ary tonga hatrany amin’ ny ranomasin’ i Jazera; Ny mpandripaka dia tonga handripaka ny voankazonao masaka fahavaratra sy ny voalobokao.
33 Et la joie et l’allégresse ont disparu des champs fertiles, et du pays de Moab, et j’ai fait cesser le vin des cuves: on ne foulera plus avec des cris de joie, le cri de joie ne sera plus un cri de joie.
Ary ny hafaliana sy ny faharavoravoana nesorina tamin’ ny saha nahavokatra sy tamin’ ny tany Moaba, ary nataoko tankina ny divay tamin’ ny vata fanantazana ranom-boaloboka, tsy hisy hihoby amin’ ny fanitsakitsahana; Ny fihobiana dia tsy fihobiana akory.
34 À cause du cri de Hesbon, ils ont fait retentir leurs voix jusqu’à Elhalé, jusqu’à Jahats, de Tsoar jusqu’à Horonaïm, [jusqu’à] Églath-Shelishija; car aussi les eaux de Nimrim sont devenues des désolations.
Ny fitarainan’ i Hesbona dia re hatrany Elale sy Jahaza. Hatrany Zoara ka hatrany Horonaima sy Eglata-selisia; Fa na dia ny ranon’ i Nimrima aza dia ho ritra koa.
35 Et je ferai cesser en Moab, dit l’Éternel, celui qui offre sur le haut lieu et qui brûle de l’encens à ses dieux.
Ary hatsahatro ao Moaba koa Izay miakatra hanatitra amin’ ny fitoerana avo sy izay mandoro ditin-kazo manitra ho an’ ny andriamaniny, hoy Jehovah.
36 C’est pourquoi mon cœur bruira sur Moab comme des flûtes, et mon cœur bruira comme des flûtes sur les hommes de Kir-Hérès, parce que les biens qu’ils avaient acquis ont péri.
Ary noho izany ny foko dia mitomany manao feon-tsodina noho ny amin’ i Moaba, ary ny foko mitomany manao feon-tsodina noho ny amin’ ny mponina ao Kira-haresa. Eny, noho izany dia levona ny harena be izay nohariny.
37 Car toute tête sera chauve, et toute barbe sera coupée; sur toutes les mains il y aura des incisions, et le sac sera sur les reins;
Fa mibory ny loha rehetra. Ary voaharatra ny somotra rehetra, misy tetika amin’ ny tanana rehetra sy lamba fisaonana amin’ ny valahana.
38 sur tous les toits de Moab et dans ses places, tout est lamentation, car j’ai brisé Moab comme un vase auquel on ne prend pas plaisir, dit l’Éternel.
Eny, amin’ ny tampon-trano rehetra any Moaba sy eny an-kalalahana dia misy fisaonana avokoa; Satria torotoroiko toy ny fanaka tsy mahafinaritra intsony Moaba, hoy Jehovah.
39 Ils hurleront: Comment a-t-il été brisé! Comment Moab a-t-il tourné le dos, [tout] honteux! Et Moab sera un objet de dérision et d’effroi à tous ceux qui l’entourent.
Indrisy! raiki-tahotra izy! Midradradradrà! Indrisy! efa miamboho Moaba, mangaihay Izy, ka dia tonga fihomehezana sy fampitahorana ho an’ izay rehetra manodidina azy.
40 Car ainsi dit l’Éternel: Voici, il volera comme un aigle, et il étendra ses ailes sur Moab.
Fa izao no lazain’ i Jehovah: Indro, hanidina toy ny voromahery izy ka hamelatra ny elany hipaoka an’ i Moaba.
41 Kerijoth est prise et on s’est emparé des lieux forts; et le cœur des hommes forts de Moab sera en ce jour-là comme le cœur d’une femme en travail.
Afaka ny tanàna, ka azo ny batery fiarovana, ary amin’ izany andro izany ny fon’ ny lehilahy maherin’ i Moaba dia ho tahaka ny fon’ ny vehivavy mihetsi-jaza.
42 Et Moab sera détruit de manière à n’être plus un peuple, car il s’est exalté contre l’Éternel.
Ary horavana tsy ho firenena intsony Moaba. Satria niavonavona tamin’ i Jehovah izy.
43 La frayeur, et la fosse, et le piège sont sur toi, habitant de Moab! dit l’Éternel.
Tahotra sy lavaka ary fandrika no mahazo anao, ry mponina any Moaba, hoy Jehovah.
44 Celui qui s’ enfuit à cause de la frayeur tombera dans la fosse; et celui qui monte de la fosse sera pris dans le piège; car je ferai venir sur lui, sur Moab, l’année de leur visitation, dit l’Éternel.
Izay mandositra ny tahotra dia ho latsaka any an-davaka; Ary izay miakatra avy any an-davaka dia ho voan’ ny fandrika; Fa hataoko tonga amin’ i Moaba ny taona hamaliana azy, hoy Jehovah.
45 À l’ombre de Hesbon se sont tenus ceux qui fuyaient devant la force; car un feu est sorti de Hesbon, et une flamme du milieu de Sihon, et elle a dévoré le coin de Moab et le sommet de la tête des fils du tumulte.
Ao amin’ ny alokalok’ i Hesbona no ijanonan’ ny mpandositra, satria lany hery ireny; Kanjo misy afo mivoaka avy any Hesbona, ary lelafo avy any Sihona, ka mandevona ny sisin’ i Moaba sy ny tampon-dohan’ ny mpitabataba.
46 Malheur à toi, Moab! le peuple de Kemosh est perdu; car tes fils ont été pris captifs, et tes filles, captives.
Idiran-doza ianao, ry Moaba! Ringana ny olon’ i Kemosy! Fa ho babo ny zanakao-lahy, ary ho sambotra ny zanakao-vavy.
47 Et je rétablirai les captifs de Moab à la fin des jours, dit l’Éternel. Jusqu’ici est le jugement de Moab.
Nefa mbola hampodiko avy amin’ ny fahababoana ihany Moaba any am-parany, hoy Jehovah. Hatreto ny amin’ ny fitsarana an’ i Moaba.