< Exode 28 >

1 Et toi, fais approcher de toi Aaron, ton frère, et ses fils avec lui, du milieu des fils d’Israël, pour exercer la sacrificature devant moi: Aaron, Nadab et Abihu, Éléazar et Ithamar, fils d’Aaron.
Ary asaovy manatona anao Arona rahalahinao mbamin’ ny zanany, avy amin’ ny Zanak’ Isiraely, mba ho mpisorona ho Ahy izy, dia Arona mbamin’ i Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara, zanak’ i Arona.
2 Et tu feras de saints vêtements à Aaron, ton frère, pour gloire et pour ornement.
Ary manaova fitafiana masìna ho an’ i Arona rahalahinao ho voninahitra sy ho fahatsaran-tarehy.
3 Et toi, tu parleras à tous les hommes intelligents que j’ai remplis de l’esprit de sagesse, et ils feront les vêtements d’Aaron pour le sanctifier, afin qu’il exerce la sacrificature devant moi.
Ary mitenena amin’ izay hendry fo, izay nofenoiko fanahim-pahendrena, mba hanao ny fitafian’ i Arona hanamasinana azy ho mpisorona ho Ahy.
4 Et ce sont ici les vêtements qu’ils feront: un pectoral, et un éphod, et une robe, et une tunique brodée, une tiare, et une ceinture; et ils feront les saints vêtements pour Aaron, ton frère, et pour ses fils, afin qu’ils exercent la sacrificature devant moi.
Ary izao no fitafiana izay hataony: saron-tratra sy efoda sy akanjo ivelany sy akanjo lava tenom-boaroy sy hamama ary fehin-kibo; dia hanao fitafiana masìna ho an’ i Arona rahalahinao izy, sy ho an’ ny zanany, mba ho mpisorona ho Ahy izy.
5 Et ils prendront de l’or, et du bleu, et de la pourpre, et de l’écarlate, et du fin coton;
Ary aoka haka ny volamena sy ny manga sy ny volomparasy sy ny mena ary ny rongony fotsy madinika izy.
6 et ils feront l’éphod, d’or, de bleu, et de pourpre, d’écarlate, et de fin coton retors, en ouvrage d’art.
Dia aoka izy hanao ny efoda amin’ ny volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, asan’ ny mpanenona mahay.
7 Il aura, à ses deux bouts, deux épaulières pour l’assembler; il sera ainsi joint.
Aoka hisy soroka roa avy amin’ ny sisiny roa hampikambana azy.
8 Et la ceinture de son éphod, qui sera par-dessus, sera du même travail, de la même matière, d’or, de bleu, et de pourpre, et d’écarlate, et de fin coton retors.
Ary ny fehin-kibo momba ny efoda, izay eo amboniny ka hiray aminy sady hitovy tarehy aminy, dia hatao volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina.
9 – Et tu prendras deux pierres d’onyx, et tu graveras sur elles les noms des fils d’Israël:
Ary makà vato beryla roa, ka soraty eo aminy ny anaran’ ny Zanak’ Isiraely:
10 six de leurs noms sur une pierre, et les six noms restants sur la seconde pierre, selon leur naissance.
ny anarany enina amin’ ny vato iray, ary ny anarany enina kosa amin’ ny vato iray, araka ny fizokiany;
11 Tu graveras, en ouvrage de lapidaire, en gravure de cachet, les deux pierres, d’après les noms des fils d’Israël; tu les feras enchâsser dans des chatons d’or.
amin’ ny asan’ ny mpanora-bato, tahaka ny fanoratana fanombohan-kase, no hanoratanao ny vato roa, araka ny anaran’ ny Zanak’ Isiraely; ary asio randram-bolamena manodidina izy,
12 Et tu mettras les deux pierres sur les épaulières de l’éphod, comme pierres de mémorial pour les fils d’Israël; et Aaron portera leurs noms devant l’Éternel, sur ses deux épaules, en mémorial.
Ary ataovy eo amin’ ny soroky ny efoda ny vato roa, ho vato fahatsiarovana ho an’ ny Zanak’ Isiraely; ary Arona hitondra ireo anarany ireo eo anatrehan’ i Jehovah amin’ ny sorony roa ho fahatsiarovana.
13 Et tu feras des chatons d’or,
Ary manaova randram-bolamena
14 et deux chaînettes d’or pur, à bouts; tu les feras en ouvrage de torsade; et tu attacheras les chaînettes en torsade aux chatons.
sy olam-bolamena tsara roa; mifanolana toy ny tady no hanaovanao ireo, ary hataonao eo amin’ ny randram-bolamena ireo alom-bolamena toy ny tady ireo.
15 Et tu feras le pectoral de jugement; tu le feras en ouvrage d’art, comme l’ouvrage de l’éphod; tu le feras d’or, de bleu, et de pourpre, et d’écarlate, et de fin coton retors.
Ary manaova saron-tratra fitsarana, ka asan’ ny mpanenona mahay, toy ny nanaovana ny efoda, no hanaovanao azy; volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina no hanaovanao azy.
16 Il sera carré, double; sa longueur sera d’un empan, et sa largeur d’un empan.
Ho efa-joro miforitra roa izy, ary ho irain-jehy avy ny lafiny efatra.
17 Et tu le garniras de pierres enchâssées, de quatre rangées de pierres: la première rangée, une sardoine, une topaze, et une émeraude;
Ary asio vato alatsaka an-tranontranony izy, dia vato efatra an-dalana: ny an-dalana voalohany dia karnelia sy topaza ary emeralda;
18 et la seconde rangée, une escarboucle, un saphir, et un diamant;
ary ny an-dalana faharoa dia robina sy safira ary onyksa;
19 et la troisième rangée, une opale, une agate, et une améthyste;
ary ny an-dalana fahatelo dia opala sy agata ary ametysta;
20 et la quatrième rangée, une chrysolithe, un onyx, et un jaspe; elles seront enchâssées dans de l’or, dans leurs montures.
ary ny an-dalana fahefatra dia krysolita sy beryla ary jaspy; ary asio randram-bolamena ny fitoerany avy.
21 Et les pierres seront selon les noms des fils d’Israël, douze, selon leurs noms, en gravure de cachet, chacune selon son nom; elles seront pour les douze tribus.
Ary ny vato dia alaharo araka ny anaran’ ny Zanak’ Isiraely, dia roa ambin’ ny folo araka ny anarany; ary hisy soratra toy ny amin’ ny fanombohan-kase, ho amin’ ny firenena roa ambin’ ny folo araka ny anarany avy.
22 – Et tu feras sur le pectoral des chaînettes à bouts, en ouvrage de torsade, d’or pur;
Ary eo amin’ ny saron-tratra asio olam-bolamena tsara mifanolana toy ny tady.
23 et tu feras sur le pectoral deux anneaux d’or; et tu mettras les deux anneaux aux deux bouts du pectoral;
Ary manaova vava volamena roa ho eo amin’ ny saron-tratra; ary ny vava vola roa dia ataovy eo amin’ ny zorony roa ambony amin’ ny saron-tratra.
24 et tu mettras les deux torsades d’or dans les deux anneaux, aux bouts du pectoral;
Ary ny tady volamena roa dia ataovy eo amin’ ny vava vola roa, izay amin’ ny zorony roa ambony amin’ ny saron-tratra.
25 et tu mettras les deux bouts des deux torsades dans les deux chatons, et tu les mettras sur les épaulières de l’éphod, sur le devant.
Ary ny lanin’ ny tady roa dia ataovy eo amin’ ny soroky ny efoda anoloana.
26 Et tu feras deux anneaux d’or, et tu les placeras aux deux bouts du pectoral, sur son bord qui est contre l’éphod, en dedans.
Ary manaova vava volamena roa, ka ataovy amin’ ny zorony roa ambany amin’ ny saron-tratra, dia amin’ ny sisiny anatiny, izay manolotra ny efoda.
27 Et tu feras deux anneaux d’or, et tu les mettras aux deux épaulières de l’éphod par en bas, sur le devant, juste à sa jointure au-dessus de la ceinture de l’éphod.
Ary manaova vava volamena roa koa, ka ataovy eo amin’ ny soroko roa amin’ ny efoda, dia ao ambaniny, eo anoloany, akaikin’ ny fikambanany, eo ambonin’ ny fehin-kibo momba ny efoda.
28 Et on attachera le pectoral par ses anneaux aux anneaux de l’éphod avec un cordon de bleu, afin qu’il soit au-dessus de la ceinture de l’éphod, et que le pectoral ne bouge pas de dessus l’éphod.
Ary kofehy manga no hamehezana ny vava volan’ ny saron-tratra amin’ ny vava volan’ ny efoda, mba ho eo ambonin’ ny fehin-kibo momba ny efoda ny saron-tratra, ka tsy ho afaka eo.
29 Et Aaron portera les noms des fils d’Israël au pectoral de jugement sur son cœur, lorsqu’il entrera dans le lieu saint, comme mémorial devant l’Éternel, continuellement.
Ary Arona hitondra ny anaran’ ny Zanak’ Isiraely eo amin’ ny saron-tratra fitsarana manolotra ny fony, raha miditra amin’ ny fitoerana masìna izy, mba ho fahatsiarovana mandrakariva eo anatrehan’ i Jehovah.
30 – Et tu mettras sur le pectoral de jugement les urim et les thummim, et ils seront sur le cœur d’Aaron, quand il entrera devant l’Éternel; et Aaron portera le jugement des fils d’Israël sur son cœur, devant l’Éternel, continuellement.
Ary ataovy eo amin’ ny saron-tratra fitsarana ny Orima sy Tomima; ary hanolotra ny fon’ i Arona izany, raha miditra eo anatrehan’ i Jehovah izy; ka dia ho entin’ i Arona manolotra ny fony mandrakariva eo anatrehan’ i Jehovah ny fitsarana ny Zanak’ Isiraely.
31 Et tu feras la robe de l’éphod entièrement de bleu;
Ary ny akanjo ivelany misy ny efoda dia ataovy manga avokoa.
32 et son ouverture pour la tête sera au milieu; il y aura une bordure à son ouverture, tout autour, en ouvrage de tisserand; elle l’aura comme l’ouverture d’une cotte de mailles: elle ne se déchirera pas.
Ary asio vozony eo afovoany, ary aoka hisy sisiny voatenona manodidina ny vozony, tahaka ny vozon’ ny akanjo fiarovan-tratra, mba tsy hahatriatra azy.
33 – Et tu feras sur ses bords des grenades de bleu, et de pourpre, et d’écarlate, sur ses bords, tout autour, et des clochettes d’or entre elles, tout autour:
Ary asio sarin’ ampongabendanitra manga sy volomparasy sy mena manodidina eny amin’ ny moron-tongony, ary famohamandry volamena kosa eo anelanelany manodidina:
34 une clochette d’or et une grenade, une clochette d’or et une grenade, sur les bords de la robe, tout autour.
dia famohamandry sy sarin’ ampongabendanitra mifanelanelana manodidina eny amin’ ny moron-tongotry ny akanjo ivelany.
35 Et Aaron en sera revêtu quand il fera le service; et on en entendra le son quand il entrera dans le lieu saint, devant l’Éternel, et quand il en sortira, afin qu’il ne meure pas.
Ary hiakanjoan’ i Arona izany, raha manao ny fanompoam-pivavahany izy, mba ho re ny fanenony, raha miditra amin’ ny fitoerana masìna eo anatrehan’ i Jehovah sy raha mivoaka izy, mba tsy hahafaty azy.
36 Et tu feras une lame d’or pur, et tu graveras sur elle, en gravure de cachet: Sainteté à l’Éternel;
Ary manaova takela-bolamena tsara, ka asio soratra eo aminy, araka ny fanoratana fanombohan-kase, hoe: HAMASININA HO AN’ I JEHOVAH.
37 et tu la poseras sur un cordon de bleu, et elle sera sur la tiare; elle sera sur le devant de la tiare:
Ary asio kofehy manga izy, ka ataovy eo amin’ ny hamama: dia eo anoloan’ ny hamama no hasiana azy.
38 et elle sera sur le front d’Aaron; et Aaron portera l’iniquité des choses saintes que les fils d’Israël auront sanctifiées, dans tous les dons de leurs choses saintes; et elle sera sur son front continuellement, pour être agréée pour eux devant l’Éternel.
Ary ho eo ambonin’ ny handrin’ i Arona izy, mba ho entin’ i Arona ny heloky ny zava-masìna, izay hohamasinin’ ny Zanak’ Isiraely amin’ ny fanomezany masìna rehetra; ary ho eo amin’ ny handriny mandrakariva izany, mba hankasitrahana eo anatrehan’ i Jehovah ny olona.
39 Et tu broderas la tunique de fin coton; et tu feras la tiare de fin coton; et tu feras la ceinture en ouvrage de brodeur.
Ary ny akanjo lava dia ataovy hariry madinika tenom-boaroy; ary manaova hamama rongony fotsy madinika sy fehin-kibo, asan’ ny mahay tenona samy hafa soratra.
40 Et pour les fils d’Aaron tu feras des tuniques, et tu leur feras des ceintures, et tu leur feras des bonnets, pour gloire et pour ornement.
Ary manaova akanjo lava ho an’ ny zanak’ i Arona, ary manaova fehin-kibo ho azy; ary manaova satroka boribory ho azy ho voninahitra sy ho fahatsaran-tarehy.
41 Et tu en revêtiras Aaron, ton frère, et ses fils avec lui; et tu les oindras, et tu les consacreras, et tu les sanctifieras, afin qu’ils exercent la sacrificature devant moi.
Ary ataovy amin’ i Arona rahalahinao sy ny zanany koa ireo; dia manosora azy sy manokana azy ary manamasìna azy, mba ho mpisorona ho Ahy izy.
42 Et tu leur feras des caleçons de lin pour couvrir la nudité de leur chair; ils iront des reins jusqu’aux cuisses.
Ary manaova kalisaona fohy rongony fotsy ho azy hanarona ny fitanjahany; hatramin’ ny valahany ka hatramin’ ny feny no hisy azy.
43 Et ils seront sur Aaron et sur ses fils lorsqu’ils entreront dans la tente d’assignation ou lorsqu’ils s’approcheront de l’autel pour faire le service dans le lieu saint, afin qu’ils ne portent pas d’iniquité et ne meurent pas. [C’est] un statut perpétuel, pour lui et pour sa semence après lui.
Ary hiakanjoan’ i Arona sy ny zanany ireo, raha miditra amin’ ny trano-lay fihaonana izy, na manakaiky ny alitara hanao fanompoam-pivavahana ao amin’ ny fitoerana masìna, mba tsy hahazoany heloka hahafaty azy; ho lalàna mandrakizay aminy sy amin’ ny taranany mandimby azy izany.

< Exode 28 >