< Deutéronome 30 >

1 Et lorsque toutes ces choses que j’ai mises devant toi seront venues sur toi, la bénédiction et la malédiction, et lorsque tu les auras rappelées dans ton cœur, parmi toutes les nations où l’Éternel, ton Dieu, t’aura chassé,
Ary rehefa tonga aminao izany zavatra rehetra izany, dia ny fitahiana sy ny fanozonana izay nataoko teo anoloanao, ary mahatsiaro izany ao am-ponao any amin’ ny firenena rehetra izay androahan’ i Jehovah Andriamanitrao anao ianao,
2 et que tu seras retourné à l’Éternel, ton Dieu, et que tu auras écouté sa voix, selon tout ce que je te commande aujourd’hui, toi et tes fils, de tout ton cœur et de toute ton âme,
ka miverina amin’ i Jehovah Andriamanitrao sy mihaino ny feony amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra, araka izay rehetra andidiako anao sy ny zanakao anio,
3 il arrivera que l’Éternel, ton Dieu, rétablira tes captifs, et aura pitié de toi; et il te rassemblera de nouveau d’entre tous les peuples, où l’Éternel, ton Dieu, t’avait dispersé.
dia hampodin’ i Jehovah Andriamanitrao avy amin’ ny fahababoanao ianao, ary hamindra fo aminao Izy ka hanangona anao indray avy any amin’ ny firenena rehetra izay nampielezan’ i Jehovah Andriamanitrao anao.
4 Quand tes dispersés seraient au bout des cieux, l’Éternel, ton Dieu, te rassemblera de là, et te prendra de là;
Raha misy aminao voaroaka any amin’ ny faravodilanitra, dia avy any no hanangonan’ i Jehovah Andriamanitrao anao, ary avy any indray no hanalany anao.
5 et l’Éternel, ton Dieu, te ramènera dans le pays que tes pères ont possédé, et tu le posséderas; et il te fera du bien, et il te rendra plus nombreux que tes pères;
Dia hampidirin’ i Jehovah Andriamanitrao ao amin’ ny tany izay nolovan’ ny razanao ianao, ka holovanao izany; ary hanisy soa anao Izy sy hahamaro anao mihoatra noho ny razanao.
6 et l’Éternel, ton Dieu, circoncira ton cœur et le cœur de ta semence, pour que tu aimes l’Éternel, ton Dieu, de tout ton cœur et de toute ton âme, afin que tu vives;
Dia hoforan’ i Jehovah Andriamanitrao ny fonao sy ny fon’ ny taranakao hitiavanao an’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra, mba ho velona ianao.
7 et l’Éternel, ton Dieu, mettra toutes ces malédictions sur tes ennemis et sur ceux qui te haïssent, qui t’ont persécuté.
Ary hataon’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny fahavalonao sy ny mankahala anao izay nanenjika anao ireny fanozonana rehetra ireny.
8 Et toi, tu reviendras, et tu écouteras la voix de l’Éternel, et tu pratiqueras tous ses commandements que je te commande aujourd’hui.
Dia hihaino ny feon’ i Jehovah indray ianao ka hanaraka ny didiny rehetra, izay andidiako anao anio.
9 Et l’Éternel, ton Dieu, te fera surabonder en prospérité dans toute l’œuvre de ta main, dans le fruit de ton ventre, et dans le fruit de tes bêtes, et dans le fruit de ta terre; car l’Éternel prendra de nouveau plaisir en toi, pour [ton] bien, comme il a pris plaisir en tes pères;
Ary hataon’ i Jehovah Andriamanitrao manana amby ampy ianao amin’ izay hahasoa anao, dia amin’ ny asan’ ny tananao sy ny ateraky ny kibonao sy ny ateraky ny biby fiompinao ary ny vokatry ny taninao; fa ho faly aminao indray Jehovah ka hahasoa anao, araka izay nahafaliany tamin’ ny razanao,
10 car tu écouteras la voix de l’Éternel, ton Dieu, pour garder ses commandements et ses statuts, ce qui est écrit dans ce livre de la loi, quand tu retourneras à l’Éternel, ton Dieu, de tout ton cœur et de toute ton âme.
raha mihaino ny feon’ i Jehovah Andriamanitrao ianao, hitandremanao ny didiny sy ny lalàny, izay voasoratra amin’ ity bokin’ ny lalàna ity, ka miverina amin’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra.
11 Car ce commandement que je te commande aujourd’hui, n’est pas trop merveilleux pour toi, et il n’est pas éloigné.
Fa izao lalàna izao, izay andidiako anao anio, tsy dia saro-pantarina aminao, ary tsy lavitra.
12 Il n’est pas dans les cieux, pour que tu dises: Qui montera pour nous dans les cieux, et le prendra pour nous, et nous le fera entendre, afin que nous le pratiquions?
Tsy any an-danitra izany ka hanaovanao hoe: Iza no hiakatra any an-danitra haka azy ho antsika, mba hohenointsika ka harahintsika?
13 Et il n’est pas au-delà de la mer, pour que tu dises: Qui passera pour nous au-delà de la mer, et le prendra pour nous, et nous le fera entendre, afin que nous le pratiquions?
Ary tsy any an-dafin’ ny ranomasina izany ka hanaovanao hoe: Iza no hankany an-dafin’ ny ranomasina haka azy ho antsika mba hohenointsika ka harahintsika?
14 Car la parole est très près de toi, dans ta bouche et dans ton cœur, pour la pratiquer.
Fa eo akaikinao indrindra ny teny, dia eo am-bavanao sy ao am-ponao, mba harahinao.
15 Regarde, j’ai mis aujourd’hui devant toi la vie et le bonheur, et la mort et le malheur,
Indro efa nataoko teo anoloanao androany ny fiainana sy ny soa ary ny fahafatesana sy ny loza,
16 en ce que je te commande aujourd’hui d’aimer l’Éternel, ton Dieu, de marcher dans ses voies, de garder ses commandements et ses statuts et ses ordonnances, afin que tu vives et que tu multiplies, et que l’Éternel, ton Dieu, te bénisse dans le pays où tu entres pour le posséder.
tamin’ ny nandidiako anao androany ho tia an’ i Jehovah Andriamanitrao ka handeha amin’ ny lalany ary hitandrina ny didiny sy ny lalàny ary ny fitsipiny, mba ho velona ianao ka hihamaro, ary mba hitahian’ i Jehovah Andriamanitrao anao any amin’ ny tany izay efa hidiranao holovana.
17 Mais si ton cœur se détourne, et que tu n’écoutes pas, et que tu te laisses séduire, et que tu te prosternes devant d’autres dieux et que tu les serves:
Fa raha mivily kosa ny fonao, ka tsy mihaino ianao, fa voataona hiankokoha eo anatrehan’ izay andriamani-kafa sy hanompo azy,
18 je vous déclare aujourd’hui que vous périrez certainement, et que vous ne prolongerez pas vos jours sur la terre où, en passant le Jourdain, vous entrez afin de la posséder.
dia lazaiko aminareo anio fa ho ringana tokoa ianareo, ary tsy ho maro andro eo amin’ ny tany izay efa hidiranao holovana, rehefa tafita an’ i Jordana ianareo.
19 J’appelle aujourd’hui à témoin contre vous les cieux et la terre: j’ai mis devant toi la vie et la mort, la bénédiction et la malédiction. Choisis la vie, afin que tu vives, toi et ta semence,
Miantso ny lanitra sy ny tany aho anio ho vavolombelona aminareo fa efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fitahiana sy ny fanozonana; koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona ianao sy ny taranakao,
20 en aimant l’Éternel, ton Dieu, en écoutant sa voix, et en t’attachant à lui; car c’est là ta vie et la longueur de tes jours, afin que tu habites sur la terre que l’Éternel a juré à tes pères, à Abraham, à Isaac, et à Jacob, de leur donner.
dia ny ho tia an’ i Jehovah Andriamanitrao ianao ka hihaino ny feony sy hifikitra aminy; fa izany no fiainanao sy fahamaroan’ ny andronao, mba honenanao eo amin’ ny tany izay nianianan’ i Jehovah tamin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba razanao, homena azy.

< Deutéronome 30 >