< 1 Chroniques 17 >

1 Et il arriva, comme David habitait dans sa maison, que David dit à Nathan, le prophète: Voici, moi j’habite dans une maison de cèdres, et l’arche de l’alliance de l’Éternel est sous des tapis.
Ary Davida, raha nipetraka tao an-tranony, dia nanao tamin’ i Natana mpaminany hoe: Akory izato izaho mitoetra amin’ ny trano sedera, nefa ny fiaran’ ny neken’ i Jehovah kosa mitoetra ao anaty lay!
2 Et Nathan dit à David: Fais tout ce qui est dans ton cœur, car Dieu est avec toi.
Ary hoy Natana tamin’ i Davida: Ataovy izay rehetra ao am-ponao, fa Andriamanitra no momba anao.
3 Et il arriva, cette nuit-là, que la parole de Dieu vint à Nathan, disant:
Nefa tamin’ ny alin’ iny ihany dia tonga tamin’ i Natana ny tenin’ Andriamanitra nanao hoe:
4 Va, et dis à David, mon serviteur: Ainsi dit l’Éternel: Tu ne me bâtiras pas de maison pour y habiter;
Andeha, lazao amin’ i Davida mpanompoko hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Tsy ianao no hanao trano hitoerako;
5 car je n’ai pas habité dans une maison, depuis le jour où j’ai fait monter Israël, jusqu’à ce jour; mais j’ai été de tente en tente, et de demeure [en demeure].
fa tsy mbola nitoetra an-trano Aho hatramin’ ny nitondrako ny Isiraely niakatra ka mandraka androany, fa nifindrafindra toby sy nifindrafindra toerana.
6 Partout où j’ai marché au milieu de tout Israël, ai-je dit un mot à l’un des juges d’Israël, à qui j’ai commandé de paître mon peuple, en disant: Pourquoi ne me bâtissez-vous pas une maison de cèdres?
Ary tamin’ izay rehetra nifindrafindrako niaraka tamin’ ny Isiraely moa nisy nitenenako akory va ny mpitsaran’ ny Isiraely, izay notendreko ho mpiandry ny oloko, ka nanaovako hoe: Nahoana no tsy nanao trano sedera ho Ahy ianareo?
7 Et maintenant, tu diras ainsi à mon serviteur, à David: Ainsi dit l’Éternel des armées: Je t’ai pris des parcs, d’auprès du menu bétail, pour que tu sois prince sur mon peuple Israël;
Koa lazao amin’ i Davida mpanompoko hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Izaho no naka anao tany an-tsaha, dia avy tamin’ ny niandrasanao ondry, mba ho mpanapaka ny Isiraely oloko.
8 et j’ai été avec toi partout où tu as marché; et j’ai retranché tous tes ennemis de devant toi, et je t’ai fait un nom, comme le nom des grands qui sont sur la terre.
Ary nomba anao tamin’ izay rehetra nalehanao Aho, ka naringako tsy ho eo anoloanao ny fahavalonao rehetra, ary homeko anarana tahaka ny anaran’ izay lehibe ambonin’ ny tany ianao.
9 Et j’ai établi un lieu à mon peuple Israël, et je le planterai, et il habitera chez lui, et ne sera plus agité; et les fils d’iniquité ne le consumeront plus comme au commencement,
Ary hifidy tany ho an’ ny Isiraely oloko Aho sady hamponina azy, ka dia handry fahizay amin’ ny fonenany izy ka tsy hanana ahiahy intsony, ary ny zanaky ny faharatsiana tsy hampahory azy intsony tahaka ny tany aloha
10 et depuis les jours où j’ai établi des juges sur mon peuple Israël. Et je subjuguerai tous tes ennemis; et je t’annonce que l’Éternel te bâtira une maison.
sy tahaka ny hatramin’ ny andro nanendreko mpitsara ho mpifehy ny Isiraely oloko. Ary haetriko avokoa ny fahavalonao rehetra. Ary ambarako aminao koa fa Jehovah hanome taranaka anao.
11 Et il arrivera, quand tes jours seront accomplis pour t’en aller vers tes pères, que je susciterai après toi ta semence, qui sera un de tes fils, et j’affermirai son royaume.
Ary rehefa tapitra ny andronao, ka lasa any amin’ ny razanao ianao, dia hatsangako ny zanakao anankiray mandimby anao, izay isan’ ny terakao; ary hampitoeriko ny fanjakany;
12 Lui, me bâtira une maison; et j’affermirai son trône pour toujours.
dia io no hanao trano ho Ahy, ary Izaho kosa hampitoetra ny seza fiandrianany ho mandrakizay.
13 Moi, je lui serai pour père, et lui me sera pour fils; et je ne retirerai pas d’avec lui ma bonté, comme je l’ai retirée de celui qui a été avant toi;
Izaho ho rainy, ary izy ho zanako; ary tsy hanaisotra ny famindram-poko aminy Aho, tahaka ny nanesorako izany tamin’ ilay nodiasanao;
14 et je l’établirai dans ma maison et dans mon royaume à toujours, et son trône sera affermi pour toujours.
fa hampitoeriko ao an-tranoko sy ao amin’ ny fanjakako mandrakizay izy; ary hampitoerina mandrakizay ny seza fiandrianany.
15 Nathan parla ainsi à David, selon toutes ces paroles et selon toute cette vision.
Araka izany teny rehetra izany sy araka izao fahitana izao no nolazain’ i Natana tamin’ i Davida.
16 Et le roi David entra et s’assit devant l’Éternel, et dit: Qui suis-je, Éternel Dieu! et quelle est ma maison, que tu m’aies amené jusqu’ici?
Ary Davida mpanjaka niditra ka nipetraka teo anatrehan’ i Jehovah, dia nanao hoe: Zinona moa aho, Jehovah Andriamanitra ô? Ary zinona moa ny mpianakaviko, no nentinao ambaraka ankehitriny aho?
17 Et cela a été peu de chose à tes yeux, ô Dieu! et tu as parlé de la maison de ton serviteur pour un long avenir, et tu m’as regardé selon le rang d’un homme haut élevé, ô Éternel Dieu!
Ary mbola nataonao ho zavatra kely ihany aza izany, Andriamanitra ô; fa, indro, efa voalazanao koa ny amin’ ny taranaky ny mpanomponao hatramin’ ny mbola any aoriana lavitra aza, ary nitsinjo ahy araka ny fanaon’ ny olona Hianao, Jehovah Andriamanitra ô, ka nanandratra ahy.
18 Que pourrait te [dire] encore David pour la gloire de ton serviteur? Et toi, tu connais ton serviteur.
Inona intsony no holazain’ i Davida aminao ny amin’ ny voninahitra omena ny mpanomponao? fa Hianao no mahalala ny mpanomponao.
19 Ô Éternel! tu as fait toute cette grande chose à cause de ton serviteur, et selon ton cœur, pour faire connaître toutes ces grandes choses.
Jehovah ô, noho ny amin’ ny mpanomponao sy araka ny sitraponao no nanaovanao io zavatra lehibe io, mba hampiharihariana ireo zavatra lehibe rehetra ireo.
20 Ô Éternel! il n’y en a point comme toi, et il n’y a point de Dieu si ce n’est toi, selon tout ce que nous avons entendu de nos oreilles.
Jehovah ô, tsy misy tahaka Anao, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Hianao, araka izay rehetra ren’ ny sofinay.
21 Et qui est comme ton peuple Israël, seule nation sur la terre que Dieu soit allé racheter, afin qu’elle lui soit un peuple, … pour te faire un nom, par de grands et terribles [actes], en chassant les nations de devant ton peuple, que tu as racheté d’Égypte?
Ary aiza moa no misy firenena etỳ an-tany tahaka ny Isiraely olonao, izay nalehan’ Andriamanitra havotana ho olony, hanaovanao anarana lehibe sy mahatahotra ho Anao, dia tamin’ ny nandroahanao firenena tsy ho eo anoloan’ ny olonao, izay navotanao avy tany Egypta?
22 Et tu t’es fait de ton peuple Israël un peuple, à toujours; et toi, Éternel, tu es devenu leur Dieu.
Fa ny Isiraely olonao nofidinao ho olonao mandrakizay, ary Hianao, Jehovah ô, no efa tonga Andriamaniny.
23 Et maintenant, ô Éternel, que la parole que tu as prononcée touchant ton serviteur et touchant sa maison soit ferme à toujours, et fais comme tu as dit;
Ary ankehitriny, Jehovah ô, ilay teny nolazainao ny amin’ ny mpanomponao sy ny taranany dia ampitoero ho mandrakizay, ary ataovy araka izay nolazainao.
24 et que cela soit ferme, et que ton nom soit magnifié à toujours, de sorte qu’on dise: L’Éternel des armées, le Dieu d’Israël, est Dieu à Israël. Et que la maison de David, ton serviteur, soit affermie devant toi!
Eny, aoka hampitoerina izany, ary aoka hohalehibiazina mandrakizay ny anaranao ka hatao hoe: Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, no Andriamanitry ny Isiraely; ka dia hampitoerina eo anatrehanao ny taranak’ i Davida mpanomponao.
25 Car toi, ô mon Dieu, tu as révélé à ton serviteur que tu lui bâtiras une maison; c’est pourquoi ton serviteur a trouvé [dans son cœur] de te présenter [cette] prière.
Fa Hianao, Andriamanitro ô, efa nanambara tamin’ ny mpanomponao fa homenao taranaka izy; koa Izany no nampahasahy ny mpanomponao hivavaka eto anatrehanao.
26 Et maintenant, ô Éternel, toi, tu es Dieu, et tu as dit ce bien à ton serviteur.
Ary noho izany, Jehovah ô, satria Hianao no Andriamanitra, ary Hianao efa nilaza izany zava-tsoa izany ny amin’ ny mpanomponao,
27 Et maintenant, qu’il te plaise de bénir la maison de ton serviteur, afin qu’elle soit à toujours devant toi; car toi, ô Éternel, tu l’as bénie, et elle sera bénie pour toujours.
dia ho sitrakao ny hitahy ny taranaky ny mpanomponao haharitra mandrakizay eo anatrehanao; fa izay tahinao, Jehovah ô, dia voatahy mandrakizay.

< 1 Chroniques 17 >