< Mose 4 33 >

1 Esiawoe nye Israelviwo ƒe toƒewo tso esime Mose kple Aron wokplɔ wo dzoe le Egiptenyigba dzi.
Ary izao no nandehan’ ny Zanak’ Isiraely, izay nentin’ i Mosesy sy Arona nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta araka ny antokony.
2 Mose ŋlɔ nu tso woƒe toƒewo ŋu abe ale si Yehowa ɖo nɛ ene.
Dia nosoratan’ i Mosesy ny nialany araka ny nandehanany, araka ny didin’ i Jehovah; ary izao no nandehanany araka ny nialany:
3 Israelviwo dze mɔ le Rameses le ɣleti atɔ̃lia ƒe ŋkeke wuiatɔ̃lia gbe si nye Ŋutitotoŋkekenyui la ƒe ŋkeke evelia. Wozɔ dzideƒotɔe dzo le Egiptetɔwo ƒe nukpɔkpɔ nu,
Niala tao Ramesesa Izy tamin’ ny volana voalohany, dia tamin’ ny andro fahadimy ambin’ ny folo tamin’ ny volana voalohany; nony ampitson’ ny Paska no nivoahan’ ny Zanak’ Isiraely tamin’ ny tanana avo teo imason’ ny Egyptiana rehetra.
4 le esime Egiptetɔwo nɔ woƒe ŋgɔgbeviwo katã, ame siwo Yehowa ƒo ƒu anyi le wo dome la ɖim, elabena Yehowa he ʋɔnudɔdrɔ̃ va woƒe mawuwo dzi.
Fa ny Egyptiana mbola nandevina izay efa novonoin’ i Jehovah teo aminy, dia ny lahimatoa rehetra; ary ny andriamaniny dia notsarain’ i Jehovah.
5 Israelviwo dzo le Rameses, eye woƒu asaɖa anyi ɖe Sukɔt.
Ary nony niala tao Ramesesa ny Zanak’ Isiraely, dia nitoby tao Sokota.
6 Wodzo le Sukɔt, eye woƒu asaɖa anyi ɖe Etam, le gbegbe la to.
Ary nony niala tao Sokota izy, dia nitoby ao Etama, izay teo an-tsisin’ ny efitra.
7 Esi wodzo le Etam la, wogbugbɔ yi Pi Hahirɔt, le Baal Zefon ƒe ɣedzeƒe, eye woƒu asaɖa anyi ɖe Migdol gbɔ.
Ary nony niala tao Etama izy, dia nivily nankao Pi-hahirota, izay tandrifin’ i Balazefona, ka nitoby tandrifin’ i Migdola.
8 Tso afi sia la, woto Ƒu Dzĩ la titina. Le ŋkeke etɔ̃ megbe la, woɖo Etam gbedzi, eye woƒu asaɖa anyi ɖe Mara.
Ary nony niala tandrifin’ i Hahirota izy, dia nandeha nita teo afovoan’ ny ranomasina ho any an-efitra, dia nandeha lalan-kateloana tany an-efitra Etama izy ka nitoby tao Mara.
9 Tso Mara la, wova Elim, afi si vudo wuieve kple deti blaadre le. Wonɔ afi sia eteƒe didi vie.
Ary nony niala tao Mara izy, dia nankany Elima; ary tao Elima dia nisy loharano roa ambin’ ny folo sy hazo rofia fito-polo, dia nitoby teo izy.
10 Esi wodzo le Elim la, woƒu asaɖa anyi ɖe Ƒu Dzĩ la to,
Ary nony niala tao Elima izy, dia nitoby tao amoron’ ny Ranomasina Mena.
11 eye woho yi Sin gbedzi.
Ary nony niala tao amoron’ ny Ranomasina Mena izy, dia nitoby tany an-efitra Sina.
12 Emegbe la, woyi Dofka.
Ary nony niala tany an-efitra Sina izy, dia nitoby tao Dopka.
13 Esi wodzo le Dofka la, woyi Alus,
Ary nony niala tao Dopka izy, dia nitoby tao Alosy.
14 hetso eme yi Refidim, afi si tsi menɔ na ameawo woano o.
Ary nony niala tao Alosy izy, dia nitoby tao Refidima; ary tsy nisy rano tao hosotroin’ ny olona.
15 Tso Refidim la, woyi Sinai gbedzi,
Ary nony niala tao Refidima izy, dia nitoby tany an-efitr’ i Sinay.
16 eye tso afi ma la, woyi Kibrot Hatava.
Ary nony niala tany an-efitr’ i Sinay izy, dia nitoby tao Kibrota-hatava.
17 Tso Kibrot Hatava la, woyi Hazerot.
Ary nony niala tao Kibrota-hatava izy, dia nitoby tao Hazerota.
18 Tso Hazerot la, woyi Ritmax.
Ary nony niala tao Hazerota izy, dia nitoby tao Ritma.
19 Tso Ritmax la, woyi Rimonparez.
Ary nony niala tao Ritma izy, dia nitoby tao Rimona-pareza.
20 Tso Rimonparez la, woyi Libna.
Ary nony niala tao Rimona-pareza izy, dia nitoby tao Libna.
21 Tso Libna la, woyi Risa.
Ary nony niala tao Libna izy, dia nitoby tao Risa.
22 Tso Risa la, woyi Kehelata.
Ary nony niala tao Risa izy, dia nitoby tao Kehelata.
23 Tso Kehelata la, woyi Sefer to la gbɔ.
Ary nony niala tao Kehelata izy, dia nitoby tao an-tendrombohitra Sapera.
24 Tso Sefer to la gbɔ la, woyi Harada.
Ary nony niala tao an-tendrombohitra Sapera izy, dia nitoby tao Harada.
25 Tso Harada la, woyi Makhelot.
Ary nony niala tao Harada izy, dia nitoby tao Makelota.
26 Tso Makhelot la, woyi Tahat.
Ary nony niala tao Makelota izy, dia nitoby tao Tahata.
27 Tso Tahat la, woyi Tera.
Ary nony niala tao Tahata izy, dia nitoby tao Tera.
28 Tso Tera la, woyi Mitka.
Ary nony niala tao Tera izy, dia nitoby tao Mitka.
29 Tso Mitka la, woyi Hasmona.
Ary nony niala tao Mitka izy, dia nitoby tao Hasmona.
30 Tso Hasmona la, woyi Moserɔt.
Ary nony niala tao Hasmona izy, dia nitoby tao Moserota.
31 Tso Moserɔt la, woyi Bene Yakan.
Ary nony niala tao Moserota izy, dia nitoby tao Bene-jakana.
32 Tso Bene Yakan la, woyi Hor Hagidgad.
Ary nony niala tao Bene-jakana izy, dia nitoby tao Hora-hagidgada.
33 Tso Hor Hagidgad la, woyi Yotbata.
Ary nony niala tao Hora-hagidgada izy, dia nitoby tao Jotbata.
34 Tso Yotbata la, woyi Abrona.
Ary nony niala tao Jotbata izy, dia nitoby tao Abrona.
35 Tso Abrona la, woyi Ezion Geber.
Ary nony niala tao Abrona izy, dia nitoby tao Ezion-gebera.
36 Tso Ezion Geber la, woyi Kades le Zin gbedzi.
Ary nony niala tao Ezion-gebera izy, dia nitoby tany an-efitra Zina (Kadesy izany).
37 Tso Kades la, woyi Hor to la gbɔ le Edomnyigba la to.
Ary nony niala tao Kadesy izy, dia nitoby tao an-tendrombohitra Hora, tao an-tsisin’ ny tany Edoma.
38 Le Yehowa ƒe gbeɖeɖe nu la, Nunɔla Aron yi Hor to la dzi, afi si wòku ɖo le ɣleti atɔ̃lia ƒe ŋkeke gbãtɔa gbe le ƒe blaenelia, esi Israelviwo ʋu tso Egipte la me.
Ary Arona mpisorona niakatra tao an-tendrombohitra Hora, araka ny didin’ i Jehovah, dia maty tao izy tamin’ ny fahefa-polo taona taorian’ ny nivoahan’ ny Zanak’ Isiraely avy tany amin’ ny tany Egypta, tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana fahadimy.
39 Aron xɔ ƒe alafa ɖeka, blaeve-vɔ-etɔ̃ esi wòku ɖe Hor to la dzi.
Ary efa telo amby roa-polo amby zato taona Arona, raha maty tao an-tendrombohitra Hora izy.
40 Ɣe ma ɣie Kanaantɔwo ƒe fia, Arad fia, ame si nɔ Negeb, le Kanaanyigba dzi la se be Israelviwo gbɔna yeƒe anyigba dzi.
Ary ren’ ilay Kananita, mpanjakan’ i Arada, izay nonina teo amin’ ny tany atsimo amin’ ny tany Kanana, fa avy ny Zanak’ Isiraely.
41 Wowɔ aʋa kplii, eye wotso Hor to la gbɔ heƒu asaɖa anyi ɖe Zalmona.
Ary nony niala tao an-tendrombohitra Hora izy, dia nitoby tao Zalmona.
42 Tso Zalmona la, woyi Punon.
Ary nony niala tao Zalmona izy, dia nitoby tao Ponona.
43 Woho tso Punon heva ƒu asaɖa anyi ɖe Obot,
Ary nony niala tao Ponona izy, dia nitoby tao Obota.
44 eye woho tso Obot heva ƒu asaɖa anyi ɖe Iye Abarim le Moabtɔwo ƒe liƒo dzi.
Ary nony niala tao Obota izy, dia nitoby tao Ie-abarima tao amin’ ny faritanin’ i Moaba.
45 Tso afi sia la, woƒo asaɖa ɖe Dibon Gad
Ary nony niala tao Ie-abarima izy, dia nitoby tao Dibon-gada.
46 woyi Dibon Gad heyi Almɔn Diblataim,
Ary nony niala tao Dibon-gada izy, dia nitoby tao Almon-diblataima.
47 Abarim towo gbɔ le Nebo to la gbɔ.
Ary nony niala tao Almon-diblataima izy, dia nitoby tao amin’ ny tendrombohitra Abarima, tandrifin’ i Nebo.
48 Wotso le Abarim towo gbɔ, eye mlɔeba la, wova ɖo Moab gbegbe la le Yɔdan tɔsisi la to le Yeriko kasa.
Ary nony niala tamin’ ny tendrombohitra Abarima izy, dia nitoby tao Arbota-moaba, teo amoron’ i Jordana tandrifin’ i Jeriko.
49 Woƒu asaɖa anyi ɖe teƒe vovovowo le Yɔdan tɔsisi la to tso Bet Yesimot va se ɖe Abel Sitim le Moab tagba.
Ary nitoby teo amoron’ i Jordana izy hatrany Betijesimota ka hatrany Abela-sitima, tao Arbota-moaba.
50 Le Moab tagba, le Yɔdan nu le Yeriko kasa la, Yehowa gblɔ na Mose be,
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy teo Arbota-moaba, teo amoron’ i Jordana tandrifin’ i Jeriko, ka nanao hoe:
51 “Gblɔ na Israelviwo be, ‘Ne mietso Yɔdan, eye miege ɖe Kanaanyigba dzi la,
Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Rehefa tafita an’ i Jordana ka tonga any amin’ ny tany Kanana ianareo,
52 ele be mianya ame siwo katã le anyigba ma dzi, eye miagbã woƒe legbawo; esiawoe nye woƒe kpe kpakpawo, legba siwo wololo ga tsɔ wɔe kple woƒe mawusubɔƒe siwo wotu ɖe toawo dzi, afi si wosubɔa woƒe legbawo le.
dia horoahinareo eo alohanareo ny mponina rehetra amin’ ny tany, ary horavanareo ny vato soratany rehetra, ary hosimbanareo ny sarin-javany an-idina rehetra, ary horavanareo ny fitoerana avony rehetra;
53 Metsɔ anyigba la na mi. Mixɔe eye mianɔ edzi.
dia halainareo ny tany, ka hitoetra eo ianareo; fa ianareo no nomeko ny tany ho zara-taninareo.
54 Mima anyigba la ɖe miaƒe towo dome ɖe toawo ƒe lolome nu. Midzidze nu ɖe afi si anyigba la lolo le la dzi, amae ɖe to siwo me amewo sɔ gbɔ le la dome, eye miatsɔ teƒe siwo melolo o la ana to suewo.
Ary filokana no hizaranareo ny tany araka ny fokonareo avy: ny maro isa homenareo zara-tany bebe kokoa, ary ny vitsy isa homenareo kelikely kokoa; samy ao amin’ izay ivoahan’ ny filokana ho azy no ho anjarany; araka ny firenen’ ny razanareo no hahazoanareo zara-tany.
55 “‘Ke ne mienya ame siwo le afi ma o la, wo dometɔ siwo asusɔ ɖe afi ma la, azu dzowɔ aɖo ŋkume na mi kple ŋu anɔ miaƒe axadame.
Fa raha tsy roahinareo eo alohanareo ny mponina amin’ ny tany, dia ho lay amin’ ny masonareo sy ho tsilo amin’ ny tehezanareo izay avelanareo hitoetra eo, ka handrafy anareo eo amin’ ny tany izay onenanareo izy;
56 Ekema matsrɔ̃ mi abe ale si meɖo be matsrɔ̃ woe la ene.’”
ary hataoko aminareo izay nokasaiko hatao aminy.

< Mose 4 33 >