< Psalmaro 74 >
1 Instruo de Asaf. Kial, ho Dio, Vi forpuŝis nin por ĉiam? Kial fumas Via kolero kontraŭ la ŝafoj de Via paŝtejo?
Maskila nataon’ i Asafa.
2 Rememoru Vian komunumon, kiun Vi aĉetis en la tempo antikva, La genton de Via heredo, kiun Vi liberigis, Ĉi tiun monton Cion, sur kiu Vi loĝiĝis.
Tsarovy ny fiangonanao izay efa azonao fahiny, ilay navotanao ho firenena lovanao, dia ny tendrom-bohitra Ziona izay nonenanao.
3 Direktu Viajn paŝojn al la eternaj ruinoj, Al ĉio, kion detruis malamiko en la sanktejo.
Aingao ny tongotrao, ka miakara ho amin’ ny voarava mandrakizay; ny zavatra rehetra tao amin’ ny fitoerana masìna dia simban’ ny fahavalo avokoa.
4 Krias Viaj malamikoj en Via domo, Metis tie siajn signojn.
Nierona tao anatin’ ny fiangonanao ny mpandrafy anao; nanangana ny sainany ho famantarana izy.
5 Oni vidas, kiel ili levas la hakilojn Kontraŭ la lignajn plektaĵojn.
Ny fijery azy dia tahaka ny olona manainga famaky hijinja ny ala mikitroka;
6 Kaj nun ĉiujn ĝiajn skulptaĵojn Ili dishakas per hakilo kaj marteloj.
Ary amin’ izao ny rafitra misoratra rehetra ao dia asiany ny famaky sy ny kanonta.
7 Ili bruligis per fajro Vian sanktejon, Malhonore alterigis la loĝejon de Via nomo.
Efa nandoro ny fitoeranao masìna tamin’ ny afo izy; nolotoiny sy nazerany tamin’ ny tany ny fonenan’ ny anaranao.
8 Ili diris en sia koro: Ni ruinigos ilin tute; Ili forbruligis ĉiujn domojn de Dio en la lando.
Hoy izy tam-pony: aoka hampahorintsika avokoa izy. Efa nandoro ny tranon’ Andriamanitra eran’ ny tany rehetra izy.
9 Niajn signojn ni ne vidis; Jam ne ekzistas profeto, Kaj neniu ĉe ni scias, kiel longe tio daŭros.
Tsy hitanay ny famantaranay tsy misy mpaminany intsony ary tsy misy aminay mahalala izay mbola haharetan’ izao.
10 Kiel longe, ho Dio, mokos la premanto? Ĉu eterne la malamiko insultos Vian nomon?
Mandra-pahoviana, Andriamanitra ô, no hanaratsian’ ny mpandrafy? Hanamavo ny anaranao mandrakizay va ny fahavalo?
11 Kial Vi retenas Vian brakon kaj Vian dekstran manon? Ekstermu ilin el Via basko.
Nahoana no mampihemotra ny tananao, dia ny tananao ankavanana, Hianao? mampialà azy amin’ ny tratranao, ka mandringàna.
12 Dio estas ja mia Reĝo de antikve, Li faras savon sur la tero.
Fa Andriamanitra no Mpanjakako hatrizay hatrizay; manao famonjena eny amin’ ny tany Izy.
13 Vi disŝiris per Via forto la maron, Vi rompis la kapojn de balenoj en la akvo;
Nampisaraka ny ranomasina tamin’ ny herinao Hianao; efa namakivaky ny lohan’ ny dragona tao anaty rano Hianao.
14 Vi disbatis la kapojn de la levjatano, Vi donis ĝin por manĝo al la bestoj de la dezerto;
Hianao nanorotoro ny lohan’ ny mamba ka nanome azy hohanin’ izay firenena any an-efitra.
15 Vi elfendis fonton kaj torenton, Vi elsekigis potencajn riverojn.
Hianao namaky ny vatolampy hamoaka loharano sy ony; Hianao nahatankina ny ony tsy mety ritra.
16 Al Vi apartenas la tago, kaj al Vi apartenas la nokto; Vi aranĝis lumon kaj sunon;
Anao ny andro, Anao koa ny alina; Hianao namboatra ny fanazavana, indrindra fa ny masoandro.
17 Vi difinis ĉiujn limojn de la tero; La someron kaj la vintron Vi aranĝis.
Hianao nametra ny faritry ny tany rehetra; ny fahavaratra sy ny ririnina, dia Hianao no nanao azy.
18 Rememoru tion, ke malamiko insultas la Eternulon Kaj popolo malsaĝa malhonoras Vian nomon.
Tsarovy izao: Manaratsy an’ i Jehovah ny fahavalo, ary ny olona adala manamavo ny anaranao.
19 Ne fordonu al sovaĝa besto la animon de Via turto; La anaron de Viaj mizeruloj ne forgesu por ĉiam.
Aza manolotra ny ain’ ny voromailalanao ho an’ ny bibi-dia; ary aza manadino mandrakizay ny ain’ ny olo-mahantranao.
20 Rememoru la interligon, Ĉar ĉiuj mallumaj lokoj de la tero estas plenaj de rabejoj.
Hevero ny fanekena; fa feno fonenan’ ny fandozana ny fitoera-maizina amin’ ny tany.
21 La suferanto ne reiru hontigita; Malriĉulo kaj mizerulo gloru Vian nomon.
Aoka tsy hiverina amin-kenatra ny mahantra; aoka ny ory sy ny malahelo hidera ny anaranao.
22 Leviĝu, ho Dio, defendu Vian aferon; Rememoru la malhonoron, kiun malsaĝulo faras al Vi ĉiutage.
Mitsangàna, Andriamanitra ô, efao ny adinao; tsarovy ny fanaratsian’ ny adala Anao isan’ andro.
23 Ne forgesu la krion de Viaj malamikoj; La bruo de tiuj, kiuj leviĝis kontraŭ Vi, konstante kreskas.
Aza manadino ny feon’ ny rafinao, dia ny fitabataban’ ny mpanohitra Anao, izay miakatra mandrakariva.