< Genesis 22 >
1 And it cometh to pass after these things that God hath tried Abraham, and saith unto him, 'Abraham;' and he saith, 'Here [am] I.'
Ary rehefa afaka izany zavatra izany, dia nizahan’ Andriamanitra toetra Abrahama, ka hoy Izy taminy: Ry Abrahama ô! ary hoy izy; Inty aho.
2 And He saith, 'Take, I pray thee, thy son, thine only one, whom thou hast loved, even Isaac, and go for thyself unto the land of Moriah, and cause him to ascend there for a burnt-offering on one of the mountains of which I speak unto thee.'
Ary hoy Izy: Ento ny zanakao, ny lahitokanao izay tianao, dia Isaka ka mankanesa any amin’ ny tany Moria; ary atero any izy ho fanatitra dorana ao amin’ ny tendrombohitra anankiray izay holazaiko aminao.
3 And Abraham riseth early in the morning, and saddleth his ass, and taketh two of his young men with him, and Isaac his son, and he cleaveth the wood of the burnt-offering, and riseth and goeth unto the place of which God hath spoken to him.
Ary nifoha maraina koa Abrahama dia nanisy lasely ny borikiny ka nitondra zatovony roa lahy koa niaraka taminy sy Isaka zanany ary namaky ny hazo hataina amin’ ny fanatitra dorana izy dia niainga ka nankany amin’ ny tany izay efa nolazain’ Andriamanitra taminy,
4 On the third day — Abraham lifteth up his eyes, and seeth the place from afar;
Nony tamin’ ny andro fahatelo Abrahama dia nanopy ny masony ka nahatazana ny tany terỳ lavitra erỳ.
5 and Abraham saith unto his young men, 'Remain by yourselves here with the ass, and I and the youth go yonder and worship, and turn back unto you.'
Ary hoy Abrahama tamin’ ny zatovony: Mijanòna eto amin’ ny boriky ianareo, fa izaho sy ny zazalahy handeha hankerỳ; ary hivavaka izahay dia hiverina eto aminareo indray.
6 And Abraham taketh the wood of the burnt-offering, and placeth on Isaac his son, and he taketh in his hand the fire, and the knife; and they go on both of them together.
Dia nalain’ i Abrahama ny hazo hataina amin’ ny fanatitra dorana ka natataony an’ Isaka zanany; fa izy kosa nitondra ny afo sy ny antsy teny an-tànany; ary dia niara-nandeha izy mianaka.
7 And Isaac speaketh unto Abraham his father, and saith, 'My father,' and he saith, 'Here [am] I, my son.' And he saith, 'Lo, the fire and the wood, and where the lamb for a burnt-offering?'
Ary Isaka niteny tamin’ i Abrahama rainy ka nanao hoe: Ry ikaky ô! dia hoy izy: Inty aho, anaka. Ary hoy izy: Indreto ny afo sy ny kitay; fa aiza kosa izay ondry hatao fanatitra dorana?
8 and Abraham saith, 'God doth provide for Himself the lamb for a burnt-offering, my son;' and they go on both of them together.
Fa hoy Abrahama: Anaka. Andriamanitra no hahita izay ondry hatao fanatitra dorana; dia niara-nandeha izy mianaka.
9 And they come in unto the place of which God hath spoken to him, and there Abraham buildeth the altar, and arrangeth the wood, and bindeth Isaac his son, and placeth him upon the altar above the wood;
Ary rehefa tonga teo amin’ ny tany izay efa nolazain’ Andriamanitra taminy izy, dia nanorina ny alitara teo Abrahama ka nandahatra ny kitay; dia namatotra an’ i Isaka zanany izy ka nametraka azy tambonin’ ny alitara teo ambonin’ ny kitay.
10 and Abraham putteth forth his hand, and taketh the knife — to slaughter his son.
Ary Abrahama naninjitra ny tànany ka nandray ny antsy mba hamonoany ny zanany.
11 And the messenger of Jehovah calleth unto him from the heavens, and saith, 'Abraham, Abraham;' and he saith, 'Here [am] I;'
Fa niantso azy Ilay Anjelin’ i Jehovah tany an-danitra ka nanao hoe: Ry Abrahama, ry Abrahama ô! ary hoy kosa izy: Inty aho.
12 and He saith, 'Put not forth thine hand unto the youth, nor do anything to him, for now I have known that thou art fearing God, and hast not withheld thy son, thine only one, from Me.'
Dia hoy Izy: Aza maninjitra ny tananao amin’ ny zazalahy, ary aza maninona azy akory ianao; fa hitako izao fa matahotra an’ Andriamanitra ianao, ka tsy narovanao tamiko ny zanakao, dia ny lahitokanao.
13 And Abraham lifteth up his eyes, and looketh, and lo, a ram behind, seized in a thicket by its horns; and Abraham goeth, and taketh the ram, and causeth it to ascend for a burnt-offering instead of his son;
Ary Abrahama niherika nijery ka, indro, nisy ondrilahy teo ivohony, voasangazotry ny kirihitrala ny tandrony; dia lasa Abrahama ka naka ny ondrilahy ary nanatitra azy ho fanatitra dorana ho solon’ ny zanany.
14 and Abraham calleth the name of that place 'Jehovah-Jireh,' because it is said this day in the mount, 'Jehovah doth provide.'
Ary ny anaran’ izany tany izany dia nataon’ i Abrahama hoe Jehovah-jire; dia izany no anaovana mandraka ankehitriny ny hoe: Any an-tendrombohitra no hisehoan’ i Jehovah.
15 And the messenger of Jehovah calleth unto Abraham a second time from the heavens,
Dia niantso an’ i Abrahama fanindroany tany an-danitra Ilay Anjelin’ i Jehovah
16 and saith, 'By Myself I have sworn — the affirmation of Jehovah — that because thou hast done this thing, and hast not withheld thy son, thine only one —
ka nanao hoe: Ny tenako no nianianako, hoy Jehovah: Satria nanao izany zavatra izany ianao ka tsy niaro ny zanakao, ilay lahitokanao,
17 that blessing I bless thee, and multiplying I multiply thy seed as stars of the heavens, and as sand which [is] on the sea-shore; and thy seed doth possess the gate of his enemies;
dia hitahy anao tokoa Aho ary hahamaro dia hahamaro ny taranakao, ho tahaka ny kintana eny amin’ ny lanitra sy ho tahaka ny fasika izay any amoron-dranomasina; ary ny taranakao hahazo ny vavahadin’ ny fahavalony;
18 and blessed themselves in thy seed have all nations of the earth, because that thou hast hearkened to My voice.'
ary amin’ ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ ny tany, satria nanaiky ny teniko ianao.
19 And Abraham turneth back unto his young men, and they rise and go together unto Beer-Sheba; and Abraham dwelleth in Beer-Sheba.
Ary Abrahama dia niverina nankeny amin’ ny zatovony; dia niainga izy ka niaraka nankany Beri-sheba; ary Abrahama dia nonina tany Beri-sheba.
20 And it cometh to pass after these things that it is declared to Abraham, saying, 'Lo, Milcah hath borne, even she, sons to Nahor thy brother:
Ary rehefa afaka izany, dia nisy nanambara tamin’ i Abrahama hoe: Indro, efa niteraka zazalahy koa Milka tamin’ i Nahora rahalahinao,
21 Huz his first-born, and Buz his brother; and Kemuel father of Aram,
dia Oza lahimatoany sy Boza lahiaivo ary Kemoela, rain’ i Arama,
22 and Chesed, and Hazo, and Pildash, and Jidlaph, and Bethuel;
ary Kaseda sy Hazo sy Pildasy sy Jidiafa ary Betoela.
23 and Bethuel hath begotten Rebekah;' these eight hath Milcah borne to Nahor, Abraham's brother;
Ary Betoela niteraka an-dRebeka. Ireo valo ireo no naterak’ i Milka tamin’ i Nahora, rahalahin’ i Abrahama.
24 and his concubine, whose name [is] Reumah, she also hath borne Tebah, and Gaham, and Tahash, and Maachah.
Ary ny vaditsindranony, izay atao hoe Reoma, izy koa dia niteraka an’ i Teba sy Gahama sy Tahasy ary Meaka.