< Psalms 93 >

1 The LORD reigns! He is clothed with majesty! The LORD is armed with strength. The world also is established. It can’t be moved.
Jehovah no Mpanjaka mitafy voninahitra Izy; Jehovah mitafy, eny, misikìna hery Izy; Ary izao rehetra izao nampitoerina ka tsy hihetsika.
2 Your throne is established from long ago. You are from everlasting.
Ny seza fiandriananao nampitoerina hatramin’ ny fahagola; Hatrizay hatrizay Hianao.
3 The floods have lifted up, LORD, the floods have lifted up their voice. The floods lift up their waves.
Mamandra-peo ny riaka, Jehovah ô, Eny, manandra-peo ny riaka; Mampirohondrohona ny feony ny riaka.
4 Above the voices of many waters, the mighty breakers of the sea, the LORD on high is mighty.
Mihoatra noho ny rano sady be no mahery, Eny, mihoatra noho ny onjan-dranomasina lehibe, Ny voninahitr’ i Jehovah any amin’ ny avo.
5 Your statutes stand firm. Holiness adorns your house, LORD, forever more.
Ny teni-vavolombelonao dia marina indrindra; Fahamasinana no mendrika ny tranonao mandritra ny andro maro, Jehovah ô.

< Psalms 93 >