< Judges 16 >
1 Then went Samson to Gaza, and saw there a harlot, and went in to her.
Ary Samsona nankany Gaza ka nahita vehivavy janga teo, dia niditra tao aminy.
2 [And it was told] the Gazites, saying, Samson is come hither. And they encompassed [him], and laid wait for him all night in the gate of the city, and were quiet all the night, saying, In the morning when it is day we shall kill him.
Ary nolazaina tamin’ ny Gazita hoe: Tonga atỳ Samsona. Dia nanemitra azy izy ary nanotrika mandritra ny alina teo am-bavahadin’ ny tanàna ka nangina mandritra ny alina; fa hoy izy: Raha maraina ny andro, dia hovonointsika izy.
3 And Samson lay till midnight, and arose at midnight, and took the doors of the gate of the city, and the two posts, and went away with them, bar and all, and put [them] upon his shoulders, and carried them up to the top of a hill that [is] before Hebron.
Ary nandry Samsona mandra-pamatonalina, dia nifoha izy nony namatonalina, ka noraisiny ny vavahadin’ ny tanàna mbamin’ ny tolana roa, dia nongotany izy mbamin’ ny hidiny ka nataony teny antsorony, dia nentiny ho any an-tampon’ ny tendrombohitra izay tandrifin’ i Hebrona.
4 And it came to pass afterward, that he loved a woman in the valley of Sorek, whose name [was] Delilah.
Ary rehefa afaka izany, dia tia vehivavy atao hoe Delila tany an-dohasaha Soreka izy.
5 And the lords of the Philistines came to her, and said to her, Entice him, and see in what his great strength [lieth], and by what [means] we may prevail against him, that we may bind him to afflict him: and we will give thee every one of us eleven hundred [pieces] of silver.
Ary ireo andrianan’ ny Filistina niakatra nankany amin-dravehivavy ka nanao taminy hoe: Kolikoleo izy, ka izahao izay itoeran’ ny heriny lehibe sy izay hahazoanay mamatotra azy mba hahafolaka azy; dia samy hanome anao sekely zato amby arivo avy izahay rehetra.
6 And Delilah said to Samson, Tell me, I pray thee, in what thy great strength [lieth], and with what thou mayest be bound to afflict thee.
Dia hoy Delila tamin’ i Samsona: Masìna ianao, lazao amiko izay itoeran’ ny herinao lehibe sy izay hahazoana mamatotra anao hahafolaka anao.
7 And Samson said to her, If they bind me with seven green withs, that were never dried, then shall I be weak, and be as another man.
Dia hoy Samsona taminy: Raha tady vaovao fito izay tsy mbola maina no amatorany ahy, dia ho osa aho ka ho tahaka ny olon-kafa.
8 Then the lords of the Philistines brought to her seven green withs, which had not been dried, and she bound him with them.
Dia niakatra nankany aminy ireo andrianan’ ny Filistina nitondra tady vaovao fito izay tsy mbola maina, dia namatotra azy tamin’ ireny ravehivavy.
9 (Now [there were] men lying in wait, abiding with her in the chamber.) And she said to him, The Philistines [are] upon thee, Samson. And he broke the withs as a thread of tow is broken when it toucheth the fire. So his strength was not known.
Ary nisy lehilahy nanotrika ka nitoetra taminy tao an’ efi-trano. Dia hoy ravehivavy tamin’ i Samsona: Hamely anao ny Filistina, ry Samsona! Dia notosany ny tady, tahaka ny fahamaiton’ ny taretra rongony, raha lelafin’ ny afo. Dia tsy fantatra ny heriny.
10 And Delilah said to Samson, Behold, thou hast mocked me, and told me lies: now tell me, I pray thee, with what thou mayest be bound.
Ary hoy Delila tamin’ i Samsona: Indro, efa namitaka ahy ianao ka nilaza lainga tamiko; ankehitriny, masìna ianao, lazao amiko izay hahazoana mamatotra anao.
11 And he said to her, If they bind me fast with new ropes that never were used, then shall I be weak, and be as another man.
Dia hoy kosa izy taminy: Raha mahazaka vaovao izay tsy mbola nanaovan-draharaha no amatorany ahy mafy, dia ho osa aho ka ho tahaka ny olon-kafa.
12 Delilah therefore took new ropes, and bound him with them, and said to him, The Philistines [are] upon thee, Samson. (And [there were] liers in wait abiding in the chamber.) And he broke them from off his arms like a thread.
Dia naka mahazaka vaovao Delila, ka namatorany azy, dia hoy izy taminy: Hamely anao ny Filistina, ry Samsona! Ary nisy mpanotrika nitoetra tao an’ efi-trano. Dia notosan’ i Samsona ho afaka amin’ ny sandriny ireny tahaka ny fahamaiton’ ny taretra.
13 And Delilah said to Samson, hitherto thou hast mocked me, and told me lies: tell me with what thou mayest be bound. And he said to her, If thou weavest the seven locks of my head with the web.
Dia hoy Delila tamin’ i Samsona: Mandraka ankehitriny dia mbola namitaka ahy ihany ianao ka nilaza lainga tamiko; lazao amiko izay hahazoana mamatotra anao. Dia hoy kosa izy taminy: Raha tenomina hikambana amin’ ny tenona ny foto-bolo fito amin’ ny lohako.
14 And she fastened [it] with the pin, and said to him, The Philistines [are] upon thee, Samson. And he awaked out of his sleep, and went away with the pin of the beam, and with the web.
Ary notsatohany ny fantaka izany, dia hoy izy taminy: Hamely anao ny Filistina, ry Samsona! Dia nifoha tamin’ ny torimasony izy, ka nangotany ny fantaka sy ny tenona.
15 And she said to him, How canst thou say, I love thee, when thy heart [is] not with me? Thou hast mocked me these three times, and hast not told me in what thy great strength [lieth].
Dia hoy ravehivavy taminy: Nahoana ianao no nanao hoe: Tiako ianao, nefa ny tonao tsy amiko tsinona? Efa namitaka ahy intelo ianao izay, ka tsy mbola nolazainao tamiko ihany izay itoeran’ ny herinao lehibe.
16 And it came to pass when she pressed him daily with her words, and urged him, [so] that his soul was vexed to death;
Ary rehefa nitorikisina taminy isan’ andro ravehivavy ka nahasosotsosotra azy, dia tsy nahafinaritra azy intsony ny miaina.
17 That he told her all his heart, and said to her, There hath not come a razor upon my head; for I [have been] a Nazarite to God from my birth: if I be shaved, then my strength will go from me, and I shall become weak, and be like any [other] man.
Ary dia nambarany azy ny tao am-pony rehetra, ka hoy izy taminy: Tsy mbola nokasihin-kareza ny lohako, fa Nazirita ho an’ Andriamanitra hatrany an-kibon-dreniko aho; koa raha haratana aho, dia hiala amiko ny heriko, ary ho osa aho ka ho tahaka ny olona rehetra,
18 And when Delilah saw that he had told her all his heart, she sent and called for the lords of the Philistines, saying, Come up this once, for he hath disclosed to me all his heart. Then the lords of the Philistines came up to her and brought money in their hand.
Ary rehefa hitan’ i Delila fa efa nambarany azy ny tao am-pony rehetra, dia naniraka izy nampaka ireo andrianan’ ny Filistina nanao hoe: Miakara amin’ izao indray mandeha izao, fa efa nambarany ahy ny tao am-pony rehetra. Ary ireo andrianan’ ny Filistina niakatra ho any aminy nitondra ny vola teny an-tànany.
19 And she made him sleep upon her knees; and she called for a man, and she caused him to shave off the seven locks of his head; and she began to afflict him, and his strength went from him.
Ary ravehivavy nanondana an’ i Samsona hatory teo an-dohaliny, dia niantso lehilahy ka nanaratra ny foto-bolo fito amin’ ny lohany; dia vao izay no nampietry azy izy, satria niala taminy ny heriny.
20 And she said, the Philistines [are] upon thee, Samson. And he awoke out of his sleep, and said, I will go out as at other times before, and shake myself. And he knew not that the LORD had departed from him.
Dia hoy ravehivavy: Hamely anao ny Filistina, ry Samsona! Dia nifoha tamin’ ny torimasony izy ka nanao hoe: Hivoaka tahaka ny teo aloha aho ka hanetsika ny tenako. Kanjo tsy fantany fa Jehovah efa niala taminy.
21 But the Philistines took him and put out his eyes, and brought him down to Gaza, and bound him with fetters of brass; and he did grind in the prison-house.
Dia nisambotra azy ny Filistina ka namotsitra ny masony, dia nitondra azy nidina nankany Gaza ary namatotra azy tamin’ ny gadra varahina; ary nitoto vary tao an-trano famatorana izy.
22 However the hair of his head began to grow again after he was shaved.
Ary dia naniry indray ny volon-dohany, rehefa voaharatra.
23 Then the lords of the Philistines assembled to offer a great sacrifice to Dagon their god, and to rejoice: for they said, Our god hath delivered Samson our enemy into our hand.
Ary nivory ireo andrianan’ ny Filistina hamono zavatra betsaka hatao fanatitra ho an’ i Dagona andriamaniny sy hifaly; fa hoy izy: Efa natolotry ny andriamanitsika eto an-tanantsika Samsona fahavalontsika.
24 And when the people saw him, they praised their god: for they said, Our god hath delivered into our hands our enemy, and the destroyer of our country; who slew many of us.
Ary rehefa nahita azy ny vahoaka, dia nidera ny andriamaniny ka nanao hoe: Efa natolotry ny andriamanitsika eto an-tanantsika ilay fahavalontsika, mpanimba ny tanintsika, izay nahabe maty antsika.
25 And it came to pass, when their hearts were merry, that they said, Call for Samson that he may make us sport. And they called for Samson out of the prison-house; and he made them sport: and they set him between the pillars.
Ary rehefa faly ny fony, dia hoy izy: Alao Samsona mba hanao laolao ho antsika. Dia nampaka an’ i Samsona avy tao an-trano famatorana izy, ka nanao laolao teo anatrehan’ ireo Samsona; ary nampitsanganiny teo anelanelan’ ny andry izy.
26 And Samson said to the lad that held him by the hand, Suffer me that I may feel the pillars upon which the house standeth, that I may lean upon them.
Ary hoy Samsona tamin’ ny zatovo izay nitantana azy: Avelao kely aho hitsapa ny andry izay manohana ny trano, hiankinako aminy.
27 Now the house was full of men and women: and all the lords of the Philistines [were] there: and [there were] upon the roof about three thousand men and women, that beheld while Samson made sport.
Ary feno lehilahy sy vehivavy ny trano, ary tao ireo andrianan’ ny Filistina rehetra, ary teo an-tampon-trano koa nisy lehilahy sy vehivavy tokony ho telo arivo, izay finaritra nijery an’ i Samsona nanao laolao.
28 And Samson called to the LORD, and said, O Lord GOD, remember me, I pray thee, and strengthen me, I pray thee, only this once, O God, that I may be at once avenged of the Philistines for my two eyes.
Ary Samsona niantso an’ i Jehovah ka nanao hoe: Jehovah Tompo ô, mifona aminao aho, tsarovy aho, ka ampaherezo izao indray mandeha izao monja, ry Andriamanitra ô, hamaliako ny Filistina noho ny anankiray amin’ ny masoko roa.
29 And Samson took hold of the two middle pillars upon which the house stood, and on which it was supported, of the one with his right hand, and of the other with his left.
Dia notanan’ i Samsona ny andry roa teo afovoany izay nanohana ny trano, ny anankiray tamin’ ny tanany ankavanana, ary ny anankiray tamin’ ny tànany ankavia, ka niankina teo izy.
30 And Samson said, Let me die with the Philistines. And he bowed himself with [all his] might; and the house fell upon the lords, and upon all the people that [were] in it. So the dead which he slew at his death were more than [they] which he slew in his life.
Dia hoy Samsona: Aoka hiara-maty amin’ ny Filistina aho. Dia nezahiny mafy, ka dia nianjera tamin’ ireo andriana sy ny vahoaka rehetra izay teo ny trano. Ary ny maty izay novonoiny teo amin’ ny nahafatesany no be lavitra noho izay novonoiny tamin’ ny andro niainany.
31 Then his brethren and all the house of his father came down, and took him, and brought [him] up, and buried him between Zorah and Eshtaol in the burying-place of Manoah his father. And he judged Israel twenty years.
Ary nidina ny rahalahiny sy ny mpianakavin-drainy rehetra, dia naka ny fatiny ka nitondra azy niakatra, dia nandevina azy teo anelanelan’ i Zora sy Estaola tao amin’ ny fasan’ i Manoa rainy. Ary izy efa nitsara ny Isiraely roa-polo taona.