< 1 Chronicles 29 >

1 Furthermore David the king said to all the congregation, Solomon my son, whom alone God hath chosen, [is yet] young and tender, and the work [is] great: for the palace [is] not for man, but for the LORD God.
Ary hoy Davida mpanjaka tamin’ ny fiangonana rehetra: Solomona zanako, ilay nofidin’ Andriamanitra, dia mbola zaza sy tanora fanahy; nefa lehibe ny asa, fa tsy lapa ho an’ olona, fa ho an’ i Jehovah Andriamanitra.
2 Now I have prepared with all my might for the house of my God the gold for [things to be made] of gold, and the silver for [things] of silver, and the brass for [things] of brass, the iron for [things] of iron, and wood for [things] of wood; onyx-stones, and [stones] to be set, glittering stones, and of divers colors, and all manner of precious stones, and marble stones in abundance.
Ary tamin’ ny heriko rehetra no namoriako izay hanaovana ny tranon’ Andriamanitra, dia ny volamena hanaovana ny fanaka volamena, ary ny volafotsy hanaovana ny fanaka volafotsy, ary ny varahina hanaovana ny fanaka varahina, ary ny vy hanaovana ny fanaka vy, ary ny hazo hanaovana ny fanaka hazo, ary ny vato beryla sy ny vato halatsaka an-tranontranony ary ny vato alatsaka asiana antimony sy ny vato misoratsoratra ary ny vato soa samy hafa rehetra ary ny vatosanga betsaka.
3 Moreover, because I have set my affection to the house of my God, I have of my own possessions, of gold and silver, [which] I have given to the house of my God, over and above all that I have prepared for the holy house,
Ary koa, noho ny fitiavako ny tranon’ Andriamanitro dia omeko ho an’ ny tranon’ Andriamanitra, ho fanampin’ ny zavatra rehetra novoriko hanaovana ny tempoly masìna, izay volamena sy volafotsy ananako,
4 [Even] three thousand talents of gold, of the gold of Ophir, and seven thousand talents of refined silver, to overlay the walls of the houses:
dia talenta volamena telo arivo, volamena avy any Ofira, ary talenta volafotsy voadio fito arivo hapetaka amin’ ny rindrin’ ny isan-efi-trano,
5 The gold for [things] of gold, and the silver for [things] of silver, and for all manner of work [to be made] by the hands of artificers. And who [then] is willing to consecrate his service this day to the LORD?
ny volamena hanaovana ny fanaka volamena ary ny volafotsy hanaovana ny fanaka volafotsy sy hanaovana ny fanaka volafotsy sy hanaovana ny asa samy hafa rehetra izay hataon’ ny tanan’ ny mpiasa mahay tao-zavatra. Iza ary no mazoto hitondra fanatitra ho an’ i Jehovah anio?
6 Then the chief of the fathers and princes of the tribes of Israel, and the captains of thousands and of hundreds, with the rulers over the king's work, offered willingly,
Dia samy nazoto nanatitra zavatra ny lohan’ ny fianakaviana sy ny lehiben’ ny firenen’ Isiraely ary ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato mbamin’ ny mpitandrina ny raharahan’ ny mpanjaka
7 And gave for the service of the house of God of gold five thousand talents and ten thousand drams, and of silver ten thousand talents, and of brass eighteen thousand talents, and one hundred thousand talents of iron.
ka nanome izay hanaovana ny fanompoana amin’ ny tranon’ Andriamanitra, dia talenta volamena dimy arivo sy darika iray alina sy talenta volafotsy iray alina sy talenta varahina valo arivo amby iray alina ary talenta vy iray hetsy.
8 And they with whom [precious] stones were found gave [them] to the treasure of the house of the LORD, by the hand of Jehiel the Gershonite.
Ary izay nanana vato soa dia nanome azy no amin’ ny rakitry ny tranon’ i Jehovah, hotehirizin’ i Jehiela Gersonita.
9 Then the people rejoiced, for that they offered willingly, because with perfect heart they offered willingly to the LORD: and David the king also rejoiced with great joy.
Dia faly ny vahoaka noho ny fahazotoan’ ireo, fa tamin’ ny fony rehetra no nahazotoany nanatitra ho an’ i Jehovah; ary Davida mpanjaka koa faly dia faly.
10 Wherefore David blessed the LORD before all the congregation: and David said, Blessed [be] thou, LORD God of Israel our father, for ever and ever.
Koa dia nisaotra an’ i Jehovah teo anatrehan’ ny fiangonana rehetra Davida ka nanao hoe: Isaorana anie Hianao, Jehovah ô, Andriamanitr’ Isiraely razanay, hatramin’ ny taloha indrindra ka ho mandrakizay.
11 Thine, O LORD, [is] the greatness, and the power, and the glory, and the victory, and the majesty: for all [that is] in the heaven and on the earth [is thine]; thine [is] the kingdom, O LORD, and thou art exalted as head above all.
Anao, Jehovah ô, ny fahalehibiazana sy ny hery sy ny voninahitra sy ny famirapiratana ary ny fiandrianana, dia izay rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany; Anao ny fanjakana, Jehovah ô, ary Anao ny fisandratana ho Lohany ambonin’ izy rehetra.
12 Both riches and honor [come] from thee, and thou reignest over all; and in thy hand [is] power and might; and in thy hand [it is] to make great, and to give strength to all.
Avy aminao ny harena sy ny voninahitra, ary Hianao no manjaka amin’ izao rehetra izao; eo an-tananao ny hery sy ny tanjaka, ka eo an-tananao koa ny mampahalehibe sy ny mampahatanjaka izao rehetra izao.
13 Now therefore, our God, we thank thee, and praise thy glorious name.
Koa ankehitriny misaotra Anao izahay, ry Andriamanitray ô, sy midera ny anaranao be voninahitra.
14 But who [am] I, and what [is] my people, that we should be able to offer so willingly after this sort? for all things [come] from thee, and of thy own have we given thee.
Fa zinona moa aho, ary zinona moa ny oloko, no ahazoanay hery hanatitra toy izao? Fa avy aminao ny zavatra rehetra, ary avy tamin’ ny Anao ihany no nanomezanay Anao.
15 For we [are] strangers before thee, and sojourners, as [were] all our fathers: our days on the earth [are] as a shadow, and [there is] no abiding.
Fa vahiny sy mpivahiny eo anatrehanao izahay tahaka ny razanay rehetra; tahaka ny aloka ny andronay etỳ an-tany, ka tsy misy fanantenana.
16 O LORD our God, all this store that we have prepared to build thee a house for thy holy name [cometh] from thy hand, and [is] all thy own.
Ry Jehovah Andriamanitray ô, ireto zavatra rehetra novorinay hanaovana ny trano ho an’ ny anaranao masìna ireto dia avy tamin’ ny tananao, ary Anao rahateo izy rehetra.
17 I know also, my God, that thou triest the heart, and hast pleasure in uprightness. As for me, in the uprightness of my heart I have willingly offered all these things: and now have I seen with joy thy people, who are present here, to offer willingly to thee.
Ary fantatro, ry Andriamanitro ô, fa Hianao no mamantatra ny fo ary mankasitraka izay mahitsy. Ary ny amiko, dia amin’ ny hitsim-poko no nahazotoako nanatitra ireto zavatra rehetra ireto; ary ankehitriny efa hitako tamin’ ny fifaliana ny olonao, izay vory eto, mazoto mitondra fanatitra ho Anao.
18 O LORD God of Abraham, Isaac, and of Israel, our fathers, keep this for ever in the imagination of the thoughts of the heart of thy people, and prepare their heart to thee:
Jehovah ô, Andriamanitry ny razanay, dia Abrahama sy Isaka ary Isiraely, mba ampahareto ao am-pon’ ny olonao mandrakizay izany fikasan’ ny sainy izany, ka ampiomany ho Anao ny fony;
19 And give to Solomon my son a perfect heart, to keep thy commandments, thy testimonies, and thy statutes, and to do all [these things], and to build the palace, [for] which I have made provision.
ary omeo fo marina Solomona zanako hitandrina ny didinao sy ny teni-vavolombelonao sy ny lalànao ka hanao izany rehetra izany sady hahavita ny lapa izay efa namoriako ny hanaovana azy.
20 And David said to all the congregation, Now bless the LORD your God. And all the congregation blessed the LORD God of their fathers, and bowed their heads, and worshiped the LORD, and the king.
Ary hoy Davida tamin’ ny fiangonana rehetra: Masìna ianareo, misaora an’ i Jehovah Andriamanitrareo. Ary ny fiangonana rehetra dia nisaotra an’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany, sady niondrika ka niankohoka teo anatrehan’ i Jehovah sy ny mpanjaka.
21 And they sacrificed sacrifices to the LORD, and offered burnt-offerings to the LORD, on the morrow after that day, [even] a thousand bullocks, a thousand rams, [and] a thousand lambs, with their drink-offerings, and sacrifices in abundance for all Israel:
Ary namono zavatra hatao fanatitra ho an’ i Jehovah izy sady nanatitra fanatitra dorana ho an’ i Jehovah nony ampitson’ iny, dia vantotr’ ombilahy arivo sy ondrilahy arivo ary zanak’ ondry arivo mbamin’ ny fanatitra aidina momba ireo ary fanatitra hafa be dia be ho an’ ny Isiraely rehetra.
22 And ate and drank before the LORD on that day with great gladness. And they made Solomon the son of David king the second time, and anointed [him] to the LORD [to be] the chief governor, and Zadok [to be] priest.
Ary nihinana sy nisotro tamin’ ny fifaliana be teo anatrehan’ i Jehovah ny olona tamin’ izany andro izany. Ary nampanjakainy fanindroany Solomona, zanak’ i Davida, sady nohosorany ho an’ i Jehovah ho mpanapaka, ary Zadoka ho mpisorona.
23 Then Solomon sat on the throne of the LORD as king instead of David his father, and prospered; and all Israel obeyed him.
Ary Solomona dia nipetraka tamin’ ny seza fiandrianan’ i Jehovah ho mpanjaka handimby an’ i Davida rainy, sady nambinina izy, ka nanaiky azy ny Isiraely rehetra.
24 And all the princes, and the mighty men, and all the sons likewise of king David, submitted themselves to Solomon the king.
Ary ny mpifehy rehetra sy ny lehilahy mahery ary ny zanak’ i Davida rehetra koa dia samy nanaiky an’ i Solomona mpanjaka.
25 And the LORD magnified Solomon exceedingly in the sight of all Israel, and bestowed upon him [such] royal majesty as had not been on any king before him in Israel.
Ary Jehovah nanandratra an’ i Solomona indrindra teo imason’ ny Isiraely rehetra sady nanome azy voninahitry ny fiandrianana mihoatra noho ny mpanjaka rehetra talohany teo amin’ ny Isiraely.
26 Thus David the son of Jesse reigned over all Israel.
Toy izany no nanjakan’ i Davida, zanak’ i Jese, tamin’ ny Isiraely rehetra.
27 And the time that he reigned over Israel [was] forty years; seven years he reigned in Hebron, and thirty and three [years] he reigned in Jerusalem.
Ary ny andro nanjakany tamin’ ny Isiraely dia efa-polo taona; tao Hebrona no nanjakany fito taona, ary tany Jerosalema no nanjakany telo amby telo-polo taona.
28 And he died in a good old age, full of days, riches, and honor: and Solomon his son reigned in his stead.
Ary maty izy rehefa tratrantitra tsara sady lava andro ary be harena sy voninahitra; ary Solomona zanany no nanjaka nandimby azy.
29 Now the acts of David the king, first and last, behold, they [are] written in the book of Samuel the seer, and in the book of Nathan the prophet, and in the book of Gad the seer,
Ary ny tantaran’ i Davida mpanjaka, na ny voalohany na ny farany, indro fa efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ i Samoela mpahita sy ao amin’ ny bokin’ i Natana mpaminany ary ao amin’ ny bokin’ i Gada mpahita izany,
30 With all his reign and his might, and the times that went over him, and over Israel, and over all the kingdoms of the countries.
mbamin’ ny nanjakany rehetra sy ny heriny, ary izay niseho tamin’ ny ary tamin’ ny Isiraely sy tamin’ ny fanjakana rehetra tamin’ ny tany.

< 1 Chronicles 29 >