< Leviticus 6 >

1 And the LORD spoke to Moses, saying,
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
2 If a soul shall sin, and commit a trespass against the LORD, and lie to his neighbour in that which was delivered him to keep, or in fellowship, or in a thing taken away by violence, or hath deceived his neighbour;
Raha misy olona manota, satria manao izay mahadiso amin’ i Jehovah, fa mandainga amin’ ny namany ny amin’ izay nampitehirizina azy, na amin’ ny zavatra notanany ho tsatòka, na amin’ izay nalainy an-keriny, na ota nampahory ny namany,
3 Or hath found that which was lost, and lieth concerning it, and sweareth falsely; in any of all these that a man doeth, sinning in it:
na nahita izay zavatra very ka mandainga amin’ izany sady mianian-tsy tò ny amin’ izay mety ho fahotan’ ny olona,
4 Then it shall be, because he hath sinned, and is guilty, that he shall restore that which he took by force, or the thing which he obtained by deceit, or that which was delivered him to keep, or the lost thing which he found,
satria nanota izy ka meloka, dia hanonitra izay nalainy an-keriny, na izay tamin’ ny fampahoriana, na izay nampitehirizina azy, na izay zavatra very hitany,
5 Or all that about which he hath sworn falsely; he shall even restore it in the principal, and shall add to it the fifth part more, and give it to him to whom it appertaineth, in the day of his trespass offering.
na izay rehetra nianianany tsy tò; dia hanonitra toraka izany izy sady hanampy azy koa ho tonga avy fahenina, ka homeny ilay tompon-javatra amin’ ny andro anaterany ny fanati-panonerany izany.
6 And he shall bring his trespass offering to the LORD, a ram without blemish out of the flock, with thy estimation, for a trespass offering, to the priest:
Ary ny fanati-panonerana ho entiny ho an’ i Jehovah dia ondrilahy tsy misy kilema, araka ny anombananao azy, ho fanati-panonerana ho any amin’ ny mpisorona.
7 And the priest shall make an atonement for him before the LORD: and it shall be forgiven him for any thing of all that he hath done in trespassing in it.
Ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy eo anatrehan’ i Jehovah, dia havela ny helony na inona na inona no fahadisoana nataony.
8 And the LORD spoke to Moses, saying,
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
9 Command Aaron and his sons, saying, This is the law of the burnt offering: It is the burnt offering, because of the burning upon the altar all night until the morning, and the fire of the altar shall be burning in it.
Mandidia an’ i Arona sy ireo zanany hoe: Izao no lalàna ny amin’ ny fanatitra dorana: Ny fanatitra dorana dia ho eo amin’ ny fatana eo an-tampon’ ny alitara mandritra ny alina mandra-pahamaraina, ary ny afon’ ny alitara hirehitra eo.
10 And the priest shall put on his linen garment, and his linen breeches shall he put upon his flesh, and take up the ashes which the fire hath consumed with the burnt offering on the altar, and he shall put them beside the altar.
Any hiakanjoan’ ny mpisorona ny akanjony rongony fotsy, ary ny kalisaoniny rongony fotsy dia hataony manolo-koditra, dia handraoka ny lavenona avy amin’ ny fanatitra dorana izay nolevonin’ ny afo teo ambonin’ ny alitara izy ka hametraka azy eo anilan’ ny alitara.
11 And he shall put off his garments, and put on other garments, and carry forth the ashes outside the camp to a clean place.
Ary hanala ny fitafiany izy ka hitafy fitafiana hafa, dia hamoaka ny lavenona ho eny ivelan’ ny toby amin’ izay fitoerana madio.
12 And the fire upon the altar shall be burning on it; it shall not be put out: and the priest shall burn wood on it every morning, and lay the burnt offering in order upon it; and he shall burn on it the fat of the peace offerings.
Ary ny afo eo ambonin’ ny alitara hirehitra eo ka tsy havela ho faty, fa hotohofan’ ny mpisorona kitay hazo isa-maraina; ary ny fanatitra dorana halahany eo amboniny ka hodorany ho fofona eo ambonin’ ny saboran’ ny fanati-pihavanana.
13 The fire shall ever be burning upon the altar; it shall never go out.
Dia hisy afo mirehitra mandrakariva eo ambonin’ ny alitara ka tsy havela ho faty.
14 And this is the law of the meat offering: the sons of Aaron shall offer it before the LORD, before the altar.
Ary izao no lalàna ny amin’ ny fanatitra hohanina: Ireo zanak’ i Arona no hanatitra azy eo anatrehan’ i Jehovah eo anoloan’ ny alitara.
15 And he shall take of it his handful, of the flour of the meat offering, and of its oil, and all the frankincense which is upon the meat offering, and shall burn it upon the altar for a sweet savour, even the memorial of it, to the LORD.
Ary hangalany eran-tànan-ila ny koba tsara toto amin’ ny fanatitra hohanina sy ny diloilony mbamin’ ny ditin-kazo manipofona rehetra izay eo ambonin’ ny fanatitra hohanina, dia hodorany ho fofona eo ambonin’ ny alitara izany fanati-pahatsiarovana izany ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah.
16 And the remainder of it shall Aaron and his sons eat: with unleavened bread shall it be eaten in the holy place; in the court of the tabernacle of the congregation they shall eat it.
Ary izay sisa amin’ ireny dia hohanin’ i Arona sy ireo zanany, koa hataony mofo tsy misy masirasira, ary eo amin’ izay fitoerana masìna anankiray no hihinanany azy, dia eo anatin’ ny kianjan’ ny trano-lay fihaonana.
17 It shall not be baked with leaven. I have given it to them for their portion of my offerings made by fire; it is most holy, as is the sin offering, and as the trespass offering.
Tsy hasiana masirasira izany raha hendasina; fa efa nomeko ho anjarany avy amin’ ny fanatitra atao amin’ ny afo ho Ahy izany; masìna dia masìna izany tahaka ny fanatitra noho ny ota sy tahaka ny fanati-panonerana.
18 All the males among the children of Aaron shall eat of it. It shall be a statute for ever in your generations concerning the offerings of the LORD made by fire: every one that toucheth them shall be holy.
Ny lehilahy rehetra amin’ ny zanak’ i Arona no mahazo mihinana izany. Ho anjara mandrakizay ho an’ ny taranakareo hatramin’ ny fara mandimby avy amin’ ny fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah izany; ho masìna izay rehetra manendry izany.
19 And the LORD spoke to Moses, saying,
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
20 This is the offering of Aaron and of his sons, which they shall offer to the LORD in the day when he is anointed; the tenth part of an ephah of fine flour for a meat offering perpetual, half of it in the morning, and half of it at night.
Izao no fanatitr’ i Arona sy ireo zanany, izay hateriny ho an’ i Jehovah amin’ izay andro anosorana azy: Koba tsara toto ampahafolon’ ny efaha no hatao fanatitra hohanina isan’ andro, ny antsasany maraina, ary ny antsasany hariva.
21 In a pan it shall be made with oil; and when it is baked, thou shalt bring it in: and the baked pieces of the meat offering shalt thou offer for a sweet savour to the LORD.
Amin’ ny lapoely no hanaovana azy ka hasiana diloilo; ary rehefa voaendy izy, dia ento; voaendy sady voavakivaky toy ny fanatitra hohanina no hanateranao azy ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah.
22 And the priest of his sons that is anointed in his stead shall offer it: it is a statute for ever to the LORD; it shall be wholly burnt.
Ary ilay mpisorona avy amin’ ny zanany, izay voahosotra handimby azy, no hanao izany; anjara mandrakizay ho an’ i Jehovah izany ka hodorana ho fofona avokoa;
23 For every meat offering for the priest shall be wholly burnt: it shall not be eaten.
fa ny fanatitra hohanina rehetra izay aterin’ ny mpisorona dia hodorana avokoa, fa tsy hohanina.
24 And the LORD spoke to Moses, saying,
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
25 Speak to Aaron and to his sons, saying, This is the law of the sin offering: In the place where the burnt offering is killed shall the sin offering be killed before the LORD: it is most holy.
Mitenena amin’ i Arona sy ireo zanany hoe: Izao no Lalàna ny amin’ ny fanatitra noho ny ota: Eo amin’ ny famonoana ny fanatitra dorana no hamonoana ny fanatitra noho ny ota eo anatrehan’ i Jehovah; ho masìna dia masìna izany.
26 The priest that offereth it for sin shall eat it: in the holy place shall it be eaten, in the court of the tabernacle of the congregation.
ilay mpisorona manatitra azy noho ny ota no hihinana azy; eo amin’ izay fitoerana masìna no hihinanany azy, dia eo amin’ ny kianjan’ ny trano-lay fihaonana.
27 Whatever shall touch the flesh of it shall be holy: and when there is sprinkled of its blood upon any garment, thou shalt wash that on which it was sprinkled in the holy place.
Ho masìna izay rehetra manendry ny henany; ary raha misy fitafiana ipitihan’ ny ràny, dia hosasanao eo amin’ izay fitoerana masìna izay ipitihany.
28 But the earthen vessel in which it is boiled shall be broken: and if it shall be boiled in a brasen pot, it shall be both scoured, and rinsed in water.
Ary ny vilany tany izay nandrahoana azy dia hovakivakina; fa raha vilany varahina kosa no nandrahoana azy, dia hofotsiana sy hosasan-drano izany.
29 All the males among the priests shall eat of it: it is most holy.
Ny lehilahy rehetra amin’ ny mpisorona no mahazo mihinana azy; masìna dia masìna izany.
30 And no sin offering, of which any of the blood is brought into the tabernacle of the congregation to make atonement in the holy place, shall be eaten: it shall be burnt in the fire.
Fa ny fanatitra noho ny ota izay angalan-drà ho entina ao amin’ ny trano-lay fihaonana, hanaovana fanavotana ao amin’ ny fitoerana masìna, dia tsy hohanina; hodorana amin’ ny afo izany.

< Leviticus 6 >