< Joshua 1 >

1 Now it came about after the death of Moses the servant of Yahweh, that Yahweh spoke to Joshua the son of Nun, Moses' chief assistant, saying,
Ary rehefa maty Mosesy, mpanompon’ i Jehovah, dia hoy Jehovah tamin’ i Josoa, zanak’ i Nona, mpanompon’ i Mosesy:
2 “Moses, my servant, is dead. Now therefore, arise, cross over this Jordan, you and all this people, into the land that I am giving to them—to the people of Israel.
Efa maty Mosesy mpanompoko; koa mitsangàna, mità ity Jordana ity ianao sy ireo olona rehetra ireo ho any amin’ ny tany izay omeko azy, dia ny Zanak’ Isiraely.
3 I have given you every place where the sole of your foot will walk. I have given it to you, just as I promised to Moses.
Ny tany rehetra izay hodiavin’ ny faladianareo dia efa nomeko anareo, araka izay voalazako tamin’ i Mosesy.
4 From the wilderness and Lebanon, as far as the great river, the Euphrates, all the land of the Hittites, and to the Great Sea, where the sun goes down, will be your land.
Hatramin’ ny efitra sy iry Libanona iry ary hatramin’ ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata, ny tany rehetra izay an’ ny Hetita, ka hatramin’ ny Ranomasina Lehibe any andrefana no ho taninareo.
5 No one will be able to stand before you all the days of your life. I will be with you as I was with Moses. I will not abandon you or leave you.
Tsy hisy olona hahajanona eo anoloanao amin’ ny andro rehetra hiainanao; tahaka ny nombako an’ i Mosesy no hombako anao koa; tsy handao anao na hahafoy anao Aho.
6 Be strong and courageous. You will cause this people to inherit the land that I promised their ancestors I would give to them.
Mahereza sy matanjaha; fa ianao no hampandova ity firenena ity ny tany izay nianianako tamin’ ny razany homena azy.
7 Be strong and very courageous. Be careful to obey all the law my servant Moses commanded you. Do not turn from it to the right or to the left, so that you may be successful wherever you go.
Koa mahereza sy matanjaha tsara ianao, hitandremanao hanao araka ny lalana rehetra, izay nandidian’ i Mosesy mpanompoko anao; aza miala aminy, na ho amin’ ny ankavanana, na ho amin’ ny ankavia, mba hambinina ianao amin’ izay rehetra alehanao.
8 You will always speak about this book of the law. You will meditate on it day and night so that you can obey all that is written in it. Then you will be prosperous and successful.
Aoka tsy hiala amin’ ny vavanao ity bokin’ ny lalàna ity, fa saintsaino andro aman’ alina, hitandremanao hanao araka izay rehetra voasoratra eo; ary amin’ izany dia hahalavorary ny lalanao ianao sady hambinina.
9 Have I not commanded you? Be strong and courageous! Do not be afraid. Do not be discouraged. Yahweh your God is with you wherever you go.”
Tsy efa nandidy anao va Aho? Koa mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po, fa momba anao Jehovah Andriamanitrao amin’ izay rehetra alehanao.
10 Then Joshua commanded the leaders of the people,
Ary Josoa nandidy ny mpifehy ka nanao hoe:
11 “Go through the camp and command the people, 'Prepare provisions for yourselves. In three days you will cross over this Jordan and go in and possess the land that Yahweh your God is giving you to possess.'”
Andeha mamaky ny toby, ka mandidia ny olona hoe: Manamboara vatsy ho anareo; fa raha afaka hateloana, dia hita ity Jordana ity ianareo ka hiditra sy handova ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitrareo ho lovanareo.
12 To the Reubenites, the Gadites and the half tribe of Manasseh, Joshua said,
Ary ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen’ i Manase dia nilazan’ i Josoa hoe:
13 “Call to mind the word that Moses the servant of Yahweh, commanded you when he said, 'Yahweh your God is giving you rest, and he is giving you this land.'
Tsarovy ny teny izay nandidian’ i Mosesy, mpanompon’ i Jehovah, anareo hoe: Jehovah Andriamanitrareo manome fitsaharana ho anareo, ary homeny ho anareo izao tany izao.
14 Your wives, your little ones, and your livestock will stay in the land that Moses gave you beyond the Jordan. But your fighting men will go over with your brothers and help them
Ny vadinareo sy ny zanakareo madinika ary ny biby fiompinareo dia hitoetra eo amin’ ny tany izay nomen’ i Mosesy anareo etỳ an-dafin’ i Jordana; fa ianareo lehilahy mahery rehetra dia samy ho voaomana hiady ka hita eo alohan’ ny rahalahinareo hanampy azy,
15 until Yahweh has given your brothers rest just as he has given it to you. Then they also will take possession of the land Yahweh your God gives them. Then you will return to your own land and possess it, the land that Moses the servant of Yahweh gave you beyond the Jordan, where the sun rises.”
mandra-panomen’ i Jehovah fitsaharana ny rahalahinareo tahaka anareo, ka mba holovany kosa ny tany izay nomen’ i Jehovah Andriamanitrareo azy; dia hiverina ho any amin’ ny taninareo ianareo ka handova azy, dia ilay nomen’ i Mosesy, mpanompon’ i Jehovah, anareo etỳ an-dafy atsinanan’ i Jordana.
16 Then they answered Joshua, saying, “All that you have commanded us we will do, and wherever you send us we will go.
Dia namaly an’ i Josoa izy ireo ka nanao hoe: Izay rehetra andidianao anay dia hataonay; ary izay rehetra anirahanao anay dia halehanay.
17 We will obey you just as we obeyed Moses. Only may Yahweh your God be with you, as he was with Moses.
Araka ny nihainoanay an’ i Mosesy tamin’ ny zavatra rehetra no hihainoanay anao koa; homba anao anie Jehovah Andriamanitrao tahaka ny nombany an’ i Mosesy.
18 Whoever rebels against your commands and disobeys your words will be put to death. Only be strong and courageous.”
Izay rehetra mandà ny didinao ka tsy mihaino ny teninao amin’ izay rehetra andidianao azy dia hatao maty; koa mahereza sy matanjaha ianao.

< Joshua 1 >