< Job 11 >

1 Then Zophar the Naamathite answered and said,
Dia namaly Zofara Namatita ka nanao hoe:
2 “Should not such a multitude of words be answered? Should this man, so full of talk, be believed?
Moa tsy hovaliana va ny teny be toy izany? Ary moa raha maro vava, dia ho marina va?
3 Should your boasting make others remain silent? When you mock, will no one make you feel ashamed?
Ny bedibedinao va no hampangina ny olona? Ka dia haniratsira ianao, ka tsy hisy handresy lahatra,
4 For you say to God, 'My beliefs are pure, I am blameless in your eyes.'
Ary dia hiteny hoe: Madio ny teny nalahatro, ary tsy nanan-tsiny teo imasonao aho.
5 But, oh, that God would speak and open his lips against you;
Enga anie ka hiteny Andriamanitra ka hiloa-bava hamaly anao!
6 that he would show you the secrets of wisdom! For he is great in understanding. Know then that God demands from you less than your iniquity deserves.
Dia hasehony aminao ny fahendrena miafina, fa tsy hita lany izany, ka dia ho fantatrao fa tsy dia novalian’ Andriamanitra avokoa ny helokao.
7 Can you understand God by searching for him? Can you comprehend the Almighty perfectly?
Takatry ny sainao va ny fomban’ Andriamanitra? Ary tanteraka va ny fahitanao ny Tsitoha
8 The matter is as high as heaven; what can you do? It is deeper than Sheol; what can you know? (Sheol h7585)
Avo tahaka ny lanitra izany! ka inona no hainao atao? Lalina noho ny fiainan-tsi-hita! ka inona no fantatrao? (Sheol h7585)
9 Its measure is longer than the earth, and wider than the sea.
Lava noho ny tany ny ohany ary lehibe noho ny ranomasina.
10 If he passes through and shuts anyone up, if he calls anyone to judgment, then who can stop him?
Raha mandroso Izy ka misambotra ary manao fitsarana, dia iza moa no mahasakana Azy?
11 For he knows false people; when he sees iniquity, does he not notice it?
Fa Izy mahafantatra ny olon-dratsy; Ary hitany ny heloka, na dia tsy mandinika akory aza Izy.
12 But foolish people have no understanding; they will get it when a wild donkey gives birth to a man.
Koa na dia ny olom-poana aza dia hahazo fahendrena, ary na dia ny zanaky ny boriki-dia aza dia hateraka ho olombelona.
13 But suppose that you had set your heart right and had reached out with your hands toward God;
Raha ampanatrehinao Azy ny fonao, ary atantinao aminy ny tananao,
14 suppose that iniquity were in your hand, but that then you put it far away from you, and did not let unrighteousness live in your tents.
Ka misy heloka eo an-tananao, dia ario lavitra izany, ary aza avela hisy ratsy hitoetra ao an-dainao;
15 Then you would certainly lift up your face without a sign of shame; indeed, you would be steadfast and would not fear.
Dia hahazo hanandratra ny tavanao tsy misy tsiny ianao, koa hijoro tsara ary tsy hatahotra;
16 You would forget your misery; you would remember it only like waters that have flowed away.
Fa ho hadinonao ny fahorianao: Toy ny rano efa nandalo no hahatsiarovanao azy.
17 Your life would be brighter than the noonday; though there were darkness, it would become like the morning.
Ary hamirapiratra lavitra noho ny mitataovovonana ny andronao; na dia sendra manjombona aza, dia ho tonga tahaka ny maraina.
18 You would be secure because there is hope; indeed, you would find safety about you and would take your rest in safety.
Hatoky ianao, satria misy fanantenana; eny, hijery manodidina ianao ka handry tsy amin’ ahiahy.
19 Also you would lie down in rest, and none would make you afraid; indeed, many would seek your favor.
Dia ho tafandry ianao, fa tsy hisy hanaitaitra; Ary maro no hila sitraka aminao.
20 But the eyes of wicked people will fail; they will have no way to flee; their only hope will be a last gasp of life.”
Fa ny mason’ ny ratsy fanahy kosa ho pahina, ka ho very avokoa ny fiarovana azy, ary ny fialàna aina ihany no hany sisa azony antenaina.

< Job 11 >