< Genesis 43 >

1 The famine was severe in the land.
Ary mafy ny mosary teo amin’ ny tany.
2 It came about when they had eaten the grain that they had brought out of Egypt, their father said to them, “Go again; buy us some food.”
Ary rehefa laniny ny vary izay efa nalainy tany Egypta, dia hoy ny rainy taminy: Mandehana indray, mividia hanina kely ho antsika.
3 Judah told him, “The man solemnly warned us, 'You will not see my face unless your brother is with you.'
Ary Joda niteny taminy ka nanao hoe: Efa nilaza mafy taminay ralehilahy ka nanao hoe: Tsy hahita ny tavako ianareo, raha tsy hiaraka aminareo ilay rahalahinareo.
4 If you send our brother with us, we will go down and buy you food.
Raha hampandehaninao hiaraka aminay ny rahalahinay, dia hidina izahay ka hividy hanina ho anao;
5 But if you do not send him, we will not go down. For the man said to us, 'You will not see my face unless your brother is with you.'”
fa raha tsy hampandehaninao izy, dia tsy hidina izahay; fa hoy ralehilahy taminay: Tsy hahita ny tavako ianareo, raha tsy hiaraka aminareo ilay rahalahinareo.
6 Israel said, “Why did you treat me so badly by telling the man that you had another brother?”
Ary hoy Isiraely: Nahoana no dia nampidi-doza tamiko ianareo ka nanambara tamin-dralehilahy fa mbola nanan-drahalahy koa ianareo?
7 They said, “The man asked details about us and our family. He said, 'Is your father still alive? Do you have another brother?' We answered him according to these questions. How could we have known that he would say, 'Bring your brother down?'”
Ary hoy izy ireo: Nanadina dia nanadina ny amin’ ny tenanay sy ny mpianakavinay ralehilahy ka nanao hoe: Mbola velona ihany va izay rainareo? ary manan-drahalahy hafa koa va ianareo? Dia nambaranay taminy araka izany teny izany; moa nampoizinay akory va izay hanaovany hoe: Ento midìna ny rahalahinareo?
8 Judah said to Israel his father, “Send the boy with me. We will rise and go that we may live and not die, both we, you, and also our children.
Ary hoy Joda tamin’ Isiraely rainy: Ampandehano hiaraka amiko ny zaza, dia hiainga izahay ka handeha, mba ho velona isika ka tsy ho faty, dia izahay sy ianao ary ny zanatsika madinika koa.
9 I will be a guarantee for him. You will hold me responsible. If I do not bring him back to you and set him before you, then let me bear the blame forever.
Izaho no hiantoka azy; amin’ ny tanako no handraisanao azy; raha tsy ho entiko atỳ aminao ka hatolotro eto anatrehanao izy, dia ho meloka aminao amin’ ny andro rehetra hiainako aho;
10 For if we had not delayed, surely by now we would have come back here a second time.”
fa raha tsy nijanonjanona izahay, dia efa tafaverina fanindroany toy izay.
11 Their father Israel said to them, “If it be so, now do this. Take some of the best products of the land in your bags. Carry down to the man a gift—some balm and honey, spices and myrrh, pistachio nuts and almonds.
Ary hoy Isiraely rainy taminy: Raha izany ary no izy, dia izao no ataovy: analao ny vokatra malaza amin’ ny tany ka ataovy ao anatin’ ny fitondran-entanareo, dia ento midìna haterina ho an-dralehilahy, dia balsama kely sy tantely kely, ditin-kazo nekota sy lota sy pistakia ary amygdala;
12 Take double money in your hand. The money that was returned in the opening of your sacks, carry again in your hand. Perhaps it was a mistake.
ary mitondra vola toraka ny teo eny an-tananareo; ary ilay vola izay naverina teo am-bavan’ ny lasakanareo dia ento miverina indray; angamba fahadisoana izany.
13 Take also your brother. Rise and go again to the man.
Ary ny rahalahinareo ento ihany; dia miainga ka miverena indray ho any amin-dralehilahy;
14 May God Almighty give you mercy before the man, so that he may release to you your other brother and Benjamin. If I am bereaved of my children, I am bereaved.”
ary Andriamanitra Tsitoha anie hampahita famindram-po anareo eo anatrehan-dralehilahy, mba hampodiny ny rahalahinareo anankiray sy Benjamina. Ary izaho, raha foanana anaka aho, dia foana anaka ihany.
15 The men took this gift, and in their hand they took double the amount of money, along with Benjamin. They got up and went down to Egypt and stood before Joseph.
Dia nentin’ ireo lehilahy ireo ny zavatra hateriny, ary vola indroa toraka ny teo koa no nentiny teny an-tànany mbamin’ i Benjamina; ary niainga izy, dia nidina tany Egypta ka tonga teo anatrehan’ i Josefa.
16 When Joseph saw Benjamin with them, he said to the steward of his house, “Bring the men into the house, slaughter an animal and prepare it, for the men will eat with me at noon.”
Ary Josefa, raha nahita an’ i Benjamina niaraka taminy, dia nanao tamin’ ny mpikarakara ny tao an-tranony hoe: Ampidiro atsy an-trano ireo lehilahy ireo, dia amonoy zavatra izy ka anaovy nahandro; fa hiara-mihinana amiko izy raha mitataovovonana ny andro.
17 The steward did as Joseph said. He brought the men to Joseph's house.
Dia nataon-dralehilahy araka izay nandidian’ i Josefa; ka nampidirin-dralehilahy tao an-tranon’ i Josefa ireo.
18 The men were afraid because they were brought to Joseph's house. They said, “It is because of the money that was returned in our sacks the first time we were brought in, that he may seek an opportunity against us. He might arrest us and take us as slaves, and take our donkeys.”
Dia raiki-tahotra ireo lehilahy ireo, satria nampidirina tao an-tranon’ i Josefa, ka hoy izy: Maintsy ilay vola naverina tao anatin’ ny lasakantsika fahiny va no nampidirana antsika, hivarinany amintsika sy hianjerany amintsika! dia halainy ho andevo isika, ary halainy koa ny borikintsika.
19 They approached the steward of Joseph's house, and they spoke to him at the door of the house,
Dia nanatona an-dralehilahy, mpikarakara ny tao an-tranon’ i Josefa, izy ka niteny taminy teo am-baravaran’ ny trano nanao hoe:
20 saying, “My master, we came down the first time to buy food.
Mba henoy kely izahay, tompokolahy: nidina hividy hanina tokoa izahay fahiny:
21 It came about, when we reached the lodging place, that we opened our sacks, and, behold, every man's money was in the opening of his sack, our money in full weight. We have brought it back in our hands.
ary rehefa tonga teo amin’ izay nandrianay izahay, dia nosokafanay ny lasakanay, ka indreo ny volanay isan-dahy teo am-bavan’ ny lasakanay avy, tonga lanja avokoa ny volanay; ary efa nentinay niverina eto an-tananay izany.
22 Other money we have also brought down in our hand to buy food. We do not know who put our money in our sacks.”
Ary nitondra vola hafa koa eto an-tananay izahay hamidy hanina: tsy fantatray izay nanao ny volanay tao anatin’ ny lasakanay.
23 The steward said, “Peace be to you, do not fear. Your God and the God of your father must have put your money in your sacks. I received your money.” The steward then brought Simeon out to them.
Ary hoy izy: Matokia ianareo, fa aza matahotra; Andriamanitrareo, dia Andriamanitry ny rainareo, no nanome anareo harena tao anatin’ ny lasakanareo; ny volanareo dia efa tonga tatỳ amiko ihany. Dia namoaka an’ i Simeona ho eo aminy izy.
24 The steward took the men into Joseph's house. He gave them water, and they washed their feet. He gave feed to their donkeys.
Ary nampidirin-dralehilahy tao an-tranon’ i Josefa ireo olona ireo ka nomeny rano, dia nanasa tongotra izy, ary ny borikiny nomeny hanina koa.
25 They prepared the gifts for Joseph's coming at noon, for they had heard that they would eat there.
Dia nandamina ny zavatra hateriny izy mandra-pihavin’ i Josefa rehefa mitataovovonana ny andro; fa efa reny fa eo no hihinanany hanina.
26 When Joseph came home, they brought the gifts which were in their hand into the house, and bowed down before him to the ground.
Ary rehefa tonga tao an-trano Josefa, dia nampidirin’ izy mirahalahy avy ho ao an-trano mba hatolotra azy ireo zavatra efa nentiny, dia niankohoka tamin’ ny tany teo anatrehany izy.
27 He asked them about their welfare and said, “Is your father well, the old man of whom you spoke? Is he still alive?”
Ary Josefa nanontany ny toeny ka nanao hoe: Tsara ihany va ny rainareo, ilay lahy antitra nolazainareo? mbola velona ihany va izy?
28 They said, “Your servant our father is well. He is still alive.” They prostrated themselves and bowed down.
Dia hoy izy: Tsara ihany ny mpanomponao rainay; mbola velona ihany izy. Dia niondrika izy ireo ka niankohoka.
29 When he lifted up his eyes he saw Benjamin his brother, his mother's son, and he said, “Is this your youngest brother of whom you spoke to me?” Then he said, “May God be gracious to you, my son.”
Ary Josefa nanopy ny masony ka nahita an’ i Benjamina rahalahiny, zanakalahin’ ny reniny, dia hoy izy: Io va no zandrinareo faralahy, izay nolazainareo tamiko? Sady hoy koa izy: Andriamanitra anie hanisy soa anao, anaka
30 Joseph hurried to go out of the room, for he was deeply moved about his brother. He sought somewhere to weep. He went to his room and wept there.
Dia niala faingana Josefa, fa nangorakoraka ny fony noho ny rahalahiny, ka nitady izay hitomaniany izy; dia niditra tao an-efi-trano izy ka nitomany tao.
31 He washed his face and came out. He controlled himself, saying, “Serve the food.”
Ary rehefa nanasa ny tavany izy, dia nivoaka; ary nanindry ny fangorakoraky ny fony izy ka nanao hoe: Ento ny nahandro.
32 The servants served Joseph by himself and the brothers by themselves. The Egyptians there ate with him by themselves because the Egyptians could not eat bread with the Hebrews, for that is detestable to the Egyptians.
Dia narosony mitokana ny ho an’ i Josefa, ary mitokana ny ho an’ ny rahalahiny, ary mitokana koa ny ho an’ ny Egyptiana izay nihinana teo aminy, satria ny Egyptiana tsy mahazo miara-komana amin’ ny Hebreo, fa fahavetavetana amin’ ny Egyptiana izany.
33 The brothers sat before him, the firstborn according to his birthright, and the youngest according to his youth. The men were astonished together.
Dia nipetraka teo anatrehany izy, ny lahimatoa araka ny fizokiany, ary ny faralahy araka ny fizandriany; dia samy talanjona ka nifampijerijery izy.
34 Joseph sent portions to them from the food in front of him. But Benjamin's portion was five times as much as any of his brothers. They drank and were merry with him.
Ary samy nitondrana anjara-hanina avy teo anoloan’ i Josefa izy mirahalahy avy; kanefa ny anjara-hanin’ i Benjamina dia indimy toraka ny anjaran-drery tamin’ izy rehetra. Dia niara-nisotro sy nivoky divay teo aminy izy.

< Genesis 43 >