< Ezra 8 >
1 These are the leaders of their ancestors' families who left Babylon with me during the reign of King Artaxerxes.
Ary izao no lohan’ ny fianakaviana sy filazana ny firazanan’ ny olona izay niara-niakatra tamiko avy tany Babylona tamin’ ny nanjakan’ i Artaksersesy mpanjaka:
2 Of the descendants of Phinehas, Gershom. Of the descendants of Ithamar, Daniel. Of the descendants of David, Hattush,
Gersoma, avy tamin’ ny taranak’ i Finehasa; Daniela, avy tamin’ ny taranak’ Itamara; Hatosy, avy tamin’ ny taranak’ i Davida;
3 who was of the descendants of Shecaniah, who was from the descendants of Parosh; and Zechariah, and with him there were 150 males listed in the record of his genealogy.
Zakaria, avy tamin’ ny taranak’ i Sekania (avy tamin’ ny zanak’ i Parosy), mbamin’ ny namany dimam-polo amby zato lahy voasoratra araka ny firazanany;
4 Of the descendants of Pahath-Moab, Eliehoenai son of Zerahiah and with him were two hundred males.
Elihoenay, zanak’ i Zerahia, avy tamin’ ny taranak’ i Pahata-moaba, mbamin’ ny namany roan-jato lahy;
5 Of the descendants of Zattu, Ben Jahaziel and with him were three hundred males.
ny zanak’ i Jahaziela, avy tamin’ ny taranak’ i Sekania, mbamin’ ny namany telon-jato lahy;
6 Of the descendants of Adin, Ebed son of Jonathan and with him were listed fifty males.
Ebeda, zanak’ i Jonatana, avy tamin’ ny taranak’ i Adina, mbamin’ ny namany dimam-polo lahy;
7 Of the descendants of Elam, Jeshaiah son of Athaliah and with him were listed seventy males.
Jesaia, zanak’ i Atalia, avy tamin’ ny taranak’ i Elama, mbamin’ ny namany fito-polo lahy;
8 Of the descendants of Shephatiah, Zebadiah son of Michael and with him were listed eighty males.
Zebadia, zanak’ i Mikaela, avy tamin’ ny taranak’ i Sefatia, mbamin’ ny namany valo-polo lahy;
9 Of the descendants of Joab, Obadiah son of Jehiel and with him were listed 218 males.
Obadia, zanak’ i Jehiela, avy tamin’ ny taranak’ i Joaba, mbamin’ ny namany valo ambin’ ny folo amby roan-jato lahy;
10 Of the descendants of Bani, Shelomith son of Josiphiah and with him were listed 160 males.
ny zanak’ i Josifia, avy tamin’ ny taranak’ i Selomita, mbamin’ ny namany enim-polo amby zato lahy;
11 Of the descendants of Bebai, Zechariah son of Bebai and with him were listed twenty-eight males.
Zakaria, zanak’ i Bebay, avy tamin’ ny taranak’ i Bebay, mbamin’ ny namany valo amby roa-polo lahy,
12 Of the descendants of Azgad, Johanan son of Hakkatan and with him were listed 110 males.
Johanana, zanak’ i Hakatana, avy tamin’ ny taranak’ i Azgada, mbamin’ ny namany folo amby zato lahy;
13 Those of the descendants of Adonikam came later. These were their names: Eliphelet, Jeuel, and Shemaiah and with them came sixty males.
ary ny avy tamin’ ny taranak’ i Adonikama, zandriny taoriana ireo, ary izao no anarany: Elifeleta sy Jeiela sy Semaia mbamin’ ny namany enim-polo lahy,
14 Of the descendants of Bigvai, Uthai and Zaccur and with him were listed seventy males.
Otahy sy Zaboda, avy tamin’ ny taranak’ i Bigvay, mbamin’ ny namany fito-polo lahy.
15 I gathered the travelers at the canal that goes to Ahava, and we camped there three days. I examined the people and priests, but could not find any descendants of Levi there.
Ary novoriko teo amoron’ ny ony mankany Ahava izy, ka nilasy teo hateloana izahay; ary nony nandinika ny olona sy ny mpisorona aho, dia nahita fa tsy nisy taranak’ i Levy teo na dia iray akory aza.
16 So I sent for Eliezer, Ariel, Shemaiah, Elnathan, Jarib, and Elnathan and Nathan, Zechariah, and Meshullam—who were leaders—and for Joiarib and Elnathan—who were teachers.
Ka dia nirahiko Eliezera sy Ariela sy Semaia sy Elnatana sy Jariba sy Elnatana sy Natana sy Zakaria sy Mesolama (samy loholona ireo) ary Joariba sy Elnatana (samy mpampianatra ireo).
17 Next I sent them to Iddo, the leader in Kasiphia. I told them what to say to Iddo and his relatives, the temple servants living in Kasiphia, that is, to send to us servants for the house of God.
Ary nampitondraiko teny ho any amin’ Ido, loholona any Kasifia, ireo, ka nambarako azy izay teny holazainy amin’ Ido sy ny Netinima rahalahiny any Kasifia, mba ho entiny any aminay izay ho mpanao fanompoam-pivavahana ao an-tranon’ Andriamanitray.
18 So they sent us by our God's good hand a man named Sherebiah, a prudent man. He was a descendant of Mahli son of Levi son of Israel. He came with eighteen sons and brothers.
Ary araka ny soa nataon’ ny tànan’ Andriamanitray taminay no nitondrany olon-kendry anankiray ho any aminay avy tamin’ ny taranak’ i Maly, zanak’ i Levy, zanak’ Isiraely, ary Serebia, sy ny zanany mbamin’ ny rahalahiny, valo ambin’ ny folo lahy,
19 With him came Hashabiah. There also were Jeshaiah, one of the sons of Merari, with his brothers and their sons, twenty men in all.
ary Hasabia sy Jesaia, avy tamin’ ny taranak’ i Merary, mbamin’ ny rahalahiny ary ny zanany roa-polo lahy;
20 Of those assigned to serve in the temple, whom David and his officials gave to serve the Levites: 220, each of them assigned by name.
ary avy tamin’ ny Netinima, izay notendren’ i Davida sy ny mpanapaka hanompo ny Levita, dia roa-polo amby roan-jato lahy; notononina anarana avokoa ireo.
21 Then I proclaimed a fast at the Ahava Canal to humble ourselves before God, to seek a straight path from him for us, our little ones, and all our possessions.
Dia niantso andro fifadian-kanina aho teo amoron’ ny ony Ahava hampahorianay tena eo anatrehan’ Andriamanitray, mba hangataka Azy hahalavorary ny dianay sy ny an’ ny vady aman-janakay ary ny biby fiompinay rehetra.
22 I was ashamed to ask the king for an army or horsemen to protect us against enemies along the way, since we had said to the king, 'The hand of our God is on all who seek him for good, but his might and wrath are on all who forget him.'
Fa nahamenatra ahy ny hangataka miaramila sy mpitaingin-tsoavaly amin’ ny mpanjaka hiaro anay amin’ ny fahavalonay eny an-dalana, satria efa niteny tamin’ ny mpanjaka izahay ka nanao hoe: Sy tànan’ Andriamanitray mahasoa izay rehetra mitady Azy; fa ny heriny sy ny fahatezerany kosa mamely izay rehetra mahafoy Azy.
23 So we fasted and sought God about this, and we pled to him.
Ary nifady hanina izahay ka nangataka izany tamin’ Andriamanitray, dia nihaino anay Izy.
24 Next I selected twelve men from the priestly officials: Sherebiah, Hashabiah, and ten of their brothers.
Ary nanokana roa ambin’ ny folo lahy tamin’ ny lohan’ ny mpisorona aho, dia Serebia sy Hasabia ary rahalahiny folo lahy ho namany,
25 I weighed out for them silver, gold, and the objects and offerings for the house of God that the king, his counselors and officials, and all Israel had freely offered.
ka nolanjaiko ny volafotsy sy ny volamena horaisiny mbamin’ ny fanaka, dia ny fanatitra ho ao an-tranon’ Andriamanitray, izay efa naterin’ ny mpanjaka sy ireo mpanolotsainy sy ireo mpanapaka ary ny Isiraely rehetra izay vory teo;
26 So I weighed into their hand 650 talents of silver, one hundred talents of silver objects, one hundred talents of gold,
eny, nolanjaiko hatolotra azy ny talenta volafotsy dimam-polo amby enin-jato sy fanaka volafotsy, lanjan’ ny talenta zato, ary talenta volamena zato
27 twenty gold bowls that were together valued at one thousand darics, and two well-polished bronze vessels as precious as gold.
sy kapoaka volamena misarona roa-polo, lanjan’ ny darika arivo, ary fanaka varahina roa manganohano, tsara toy ny volamena.
28 Then I said to them, “You are consecrated to Yahweh, and these objects also, and the silver and gold are a freewill offering to Yahweh, the God of your ancestors.
Ary hoy izaho taminy: Hianareo dia masìna ho an’ i Jehovah, sady masìna koa ny fanaka; ary ny volafotsy sy ny volamena dia fanati-tsitrapo ho an’ i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo.
29 Watch over them and keep them until you weigh them out before the priestly officials, Levites, and leaders of the ancestors' clans of Israel in Jerusalem in the rooms of God's house.”
Koa miambena ianareo, ka tandremo ireny mandra-pandanianareo azy indray eo anatrehan’ ny lohan’ ny mpisorona sy ny Levita ary ny lohan’ ny fianakaviana amin’ ny Isiraely any Jerosalema, dia amin’ ny efi-trano ao an-tranon’ i Jehovah.
30 The priests and the Levites accepted the weighed silver, gold, and the objects in order to take them to Jerusalem, to our God's house.
Dia noraisin’ ny mpisorona sy ny Levita izany volafotsy sy volamena ary fanaka voalanja izany mba ho entiny ho any Jerosalema ho ao an-tranon’ Andriamanitray.
31 We went out from the Ahava Canal on the twelfth day of the first month to go to Jerusalem. The hand of our God was on us; he protected us from the hand of the enemy and the ones who wished to ambush us along the road.
Dia niala teo amin’ ny ony Ahava izahay tamin’ ny andro faharoa ambin’ ny folo tamin’ ny volana voalohany mba hankany Jerosalema; ary ny tànan’ Andriamanitray nomba anay, ka Izy no namonjy anay tamin’ ny tanan’ ny fahavalo sy ny mpanotrika teny an-dalana.
32 So we entered Jerusalem and stayed there for three days.
Ary nony tonga tany Jerosalema izahay, dia nijanona hateloana aloha.
33 Then on the fourth day the silver, gold, and objects were weighed out in our God's house into the hand of Meremoth son of Uriah the priest, and with him were Eleazar son of Phinehas, Jozabad son of Jeshua, and Noadiah son of Binnui the Levite.
Ary tamin’ ny andro fahefatra no nandanjana ny volafotsy sy ny volamena ary ny fanaka ho eo an-tànan’ i Meremota, zanak’ i Oria mpisorona, tao an-tranon’ Andriamanitray; ary teo aminy koa Eleazara, zanak’ i Finehasa; ary teo amin’ izy roa lahy koa Jozabada, zanak’ i Jesoa, sy Noadia, zanak’ i Binoy; Levita izy roa lahy ireo;
34 The number and weight of everything was determined. All the weight was written down at that time.
an-isany sy an-danjany izany rehetra izany; ary voasoratra tamin’ izany andro izany ny lanjany rehetra.
35 The ones who came back from the captivity, the people of exile, offered burnt offerings to the God of Israel: twelve bulls for all of Israel, ninety-six rams, seventy-seven lambs, and twelve male goats as a sin offering. All were a burnt offering for Yahweh.
Ary ny olona izay niverina avy tamin’ ny fahababoana dia nanatitra fanatitra dorana ho an’ Andriamanitry ny Isiraely, dia vantotr’ ombilahy roa ambin’ ny folo ho an’ ny Isiraely rehetra sy ondrilahy enina amby sivifolo sy zanak’ ondry fito amby fito-polo ary osilahy roa ambin’ ny folo ho fanatitra noho ny ota: fanatitra dorana ho an’ i Jehovah ireo rehetra ireo.
36 Then they gave the king's decrees to the king's high officials and the governors in the Province Beyond the River, and they helped the people and the house of God.
Ary ny didin’ ny mpanjaka dia natolony tamin’ ny solo-mpanjaka sy ny mpanapaka tamin’ ny etỳ an-dafin’ ny ony etỳ; ary izy ireo nampandroso ny olona sy ny tranon’ Andriamanitra.