< 1 Chronicles 25 >
1 David and some of the temple officials (OR, army commanders) chose some of the descendants of Asaph, Heman, and Jeduthun to be in charge of proclaiming God’s messages, and to play harps and lyres and cymbals. This is a list of the men whom they chose for that work:
Ary ny taranak’ i Asafa sy Hemana ary Jedotona dia natokan’ i Davida sy ireo komandin’ ny miaramila ho amin’ ny fanompoana mba haminany amin’ ny lokanga sy ny valiha ary ny kipantsona; ary izao no isan’ ny mpanao araka ny fanompoany avy:
2 From the sons of Asaph they chose Zaccur, Joseph, Nethaniah, and Aserelah. Asaph supervised them. And the king appointed Asaph to proclaim God’s messages.
Tamin’ ny zanakalahin’ i Asafa dia Zakora sy Josefa sy Netania ary Asarela, zanak’ i Asafa, nofehezin’ i Asafa, izay naminany araka izay nifehezan’ ny mpanjaka azy.
3 From the sons of Jeduthun they chose six men: Gedaliah, Zeri, Jeshaiah, Shimei, Hashabiah, and Mattithiah. Jeduthun supervised them and also proclaimed God’s messages, playing his harp while he thanked and praised Yahweh.
Tamin’ i Jedotona, ny zanany dia Gedalia sy Zery sy Jesaia sy Hasabia ary Matitia, enin-dahy ireo ka nofehezin’ i Jedotona rainy, izay naminany tamin’ ny lokanga hidera sy hisaotra an’ i Jehovah.
4 From the sons of Heman, who was one of the king’s prophets, they chose Bukkiah, Mattaniah, Uzziel, Shubael, Jerimoth, Hananiah, Hanani, Eliathah, Giddalti, Romamti-Ezer, Joshbekashah, Mallothi, Hothir, and Mahazioth.
Tamin’ i Hemana, ny zanany dia Bokia, Matania, Oziela, Seboela sy Jerimota, Hanania, Hanany, Eliata, Gidalty sy Romamti-ezera sy Josbekasa sy Maloty sy Hotira ary Mahaziota.
5 God promised to cause Heman to be strong, so altogether, God have him 14 sons and three daughters.
Ireo rehetra ireo no zanak’ i Hemana, mpahitan’ ny mpanjaka ny amin’ ny tenin’ Andriamanitra, hanandratra ny tandroka. Ary Hemana dia efa nomen’ Andriamanitra zazalahy efatra ambin’ ny folo sy zazavavy telo.
6 All those men were supervised by their fathers while they played music in the temple of Yahweh. They played cymbals, lyres, and harps. And their fathers—Asaph, Jeduthun and Heman—were supervised by the king.
Ireo rehetra ireo no fehin’ ny rainy tamin’ ny hira natao tao an-tranon’ i Jehovah tamin’ ny kipantsona sy ny valiha sy ny lokanga hanaovana ny fanompoana ao an-tranon’ Andriamanitra; Asafa sy Jedotona ary Hemana dia nofezehin’ ny mpanjaka.
7 Those men and their relatives were all trained and skilled for playing musical instruments in the temple. That was their work for Yahweh. Including their relatives, there were 288 of them.
Ary ny isany mbamin’ ny rahalahiny, izay efa nianatra ny hira ho an’ i Jehovah izay rehetra nahay dia valo amby valo-polo amby roan-jato.
8 All of them, including ones who were young and those who were old, cast lots to determine what work they would do.
Ary nanao filokana ny amin’ ny anjara-raharahany avy izy, na ny kely na ny lehibe, na ny mpampianatra na ny mpianatra.
9 From the family of Asaph, the first ones selected were Joseph and 12 of his sons and relatives.
Ary ny loka voalohany dia azon’ i Josefa avy amin’ ny taranak’ i Asafa; ny faharoa an’ i Gedalia, izy mbamin’ ny rahalahiny sy ny zanany, dia roa ambin’ ny folo;
10 Next, Gedaliah and 12 of his sons and relatives were selected.
ny fahatelo an’ i Zakora, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;
11 Next, Zaccur and 12 of his sons and relatives were selected.
ny fahefatra an’ i Jizry, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;
12 Next, Nethaniah and 12 of his sons and relatives were selected.
ny fahadimy an’ i Netania, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;
13 Next, Bukkiah and 12 of his sons and relatives were selected.
ny fahenina an’ i Bokia, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;
14 Next, Jesarelah and 12 of his sons and relatives were selected.
ny fahafito an’ i Jesarela, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;
15 Next, Jeshaiah and 12 of his sons and relatives were selected.
ny fahavalo an’ i Jesaia, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;
16 Next, Mattaniah and 12 of his sons and relatives were selected.
ny fahasivy an’ i Matania, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;
17 Next, Shimei and 12 of his sons and relatives were selected.
ny fahafolo an’ i Simey, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;
18 Next, Azarel and 12 of his sons and relatives were selected.
ny fahiraika ambin’ ny folo an’ i Azarela, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;
19 Next, Hashabiah and 12 of his sons and relatives were selected.
ny faharoa ambin’ ny folo an’ i Hasabia, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;
20 Next, Shubael and 12 of his sons and relatives were selected.
ny fahatelo ambin’ ny folo an’ i Sobaela, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;
21 Next, Mattithiah and 12 of his sons and relatives were selected.
ny fahefatra ambin’ ny folo an’ i Matitia, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny dia roa ambin’ ny folo;
22 Next, Jerimoth and 12 of his sons and relatives were selected.
ny fahadimy ambin’ ny folo an’ i Jeremota, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny dia roa ambin’ ny folo;
23 Next, Hananiah and 12 of his sons and relatives were selected.
ny fahenina ambin’ ny folo an’ i Hanania, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;
24 Next, Joshbekashah and 12 of his sons and relatives were selected.
ny fahafito ambin’ ny folo an’ i Josbekasa, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;
25 Next, Hanani and 12 of his sons and relatives were selected.
ny fahavalo ambin’ ny folo an’ i Hanany, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;
26 Next, Mallothi and 12 of his sons and relatives were selected.
ny fahasivy ambin’ ny folo an’ i Maloty, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;
27 Next, Eliathah and 12 of his sons and relatives were selected.
ny faharoa-polo an’ i Eliata, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;
28 Next, Hothir and 12 of his sons and relatives were selected.
ny fahiraika amby roa-polo an’ i Hotira, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;
29 Next, Giddalti and 12 of his sons and relatives were selected.
ny faharoa amby roa-polo an’ i Gidalty, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;
30 Next, Mahazioth and 12 of his sons and relatives were selected.
ny fahatelo amby roa-polo an’ i Mahaziota, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;
31 Next, Romamti-Ezer and 12 of his sons and relatives were selected.
ny fahefatra amby roa-polo an’ i Romamti-ezera, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo.