< Hebrews 7 >

1 For, this Melchizedek, king of Salem, priest of God Most High, who met Abraham returning from the slaughter of the kings, and blessed him, —
Fa io Melkizedeka io, izay mpanjakan’ i Salema sy mpisoron’ Andriamanitra Avo Indrindra, ilay nitsena an’ i Abrahama, rehefa niverina avy nandresy ny mpanjaka maro izy ka nitso-drano azy,
2 To whom even a tenth of all Abraham apportioned, first, indeed, when translated, King of Righteousness, but, after that, King of Salem also, which is King of Peace, —
sady nomen’ i Abrahama ny ampahafolon’ ny zavatra rehetra aza (voalohany, raha adika ny anarany, dia Mpanjakan’ ny fahamarinana, dia vao Mpanjakan’ i Salema koa, izany hoe: Mpanjakan’ ny fiadanana;
3 Without father, without mother, without pedigree, having, neither beginning of days, nor of life an end, but made like unto the Son of God, abideth a priest evermore.
tsy manan-dray, tsy manan-dreny, tsy manana tantaram-pirazanana, tsy manana voalohan’ andro na faran’ ny fiainana, fa natao tahaka ny Zanak’ Andriamanitra), ― izy dia mitoetra ho mpisorona mandrakariva.
4 Now consider, how great, this man was, to whom, a tenth, Abraham gave out of the choicest spoils, [Yea Abraham] the Patriarch.
Ary hevero ny halehiben’ io lehilahy io ―, izay nomen’ i Abrahama patriarka ny ampahafolon’ izay tsara tamin’ ny zavatra nobaboina.
5 And, they, indeed, from among the sons of Levi who the priesthood receive, have commandment to take tithes of the people, according to the law, that is, of their brethren, although sprung from the loins of Abraham;
Ary izay avy tamin’ ny taranak’ i Levy ka mandray ny fisoronana no mahazo teny haka ny fahafolon-karena amin’ ny olona araka ny lalàna, dia amin’ ny rahalahiny izany, na dia teraky ny kibon’ i Abrahama aza ireny;
6 But, he who deriveth not his pedigree from among them, hath taken tithes of Abraham. And, the holder of the promises, hath he blessed.
nefa izay tsy isan’ ny firazanan’ ireo akory no nandray ny fahafolon-karena tamin’ i Abrahama sy nitso-drano ilay nanana ny teny fikasana.
7 But, apart from all gainsaying, the less, by the greater, is blessed.
Ary tsy azo lavina akory anefa fa ny kely no mahazo tso-drano amin’ ny lehibe noho ny tenany.
8 And, here, indeed, dying men take tithes, but, there, one of whom it is witnessed that he liveth.
Ary etỳ dia izay olona mety maty no mandray ny fahafolon-karena, fa any kosa dia izay nambara fa velona.
9 And—so to say a word—through Abraham, even Levi who taketh tithes hath paid tithes;
Ary toa azo lazaina fa Levy aza, izay mandray ny fahafolon-karena, dia mba nandoa ny fahafolon-karena koa tao anatin’ i Abrahama,
10 For, even then, was he, in the loins of his father, when, Melchizedek, met him.
satria mbola tao an-kibon-drainy ihany izy tamin’ ny nitsenan’ i Melkizedeka an’ i Abrahama.
11 If indeed, therefore, there had been, a perfecting through means of the Levitical priesthood, —for, the people, thereon, have had based a code of laws, what further need, according to the rank of Melchizedek, for a different priest to be raised up, and, not according to the rank of Aaron, to be designated?
Koa raha nisy fanatanterahana tamin’ ny fisoronan’ i Levy (fa tamin’ izany no nahazoan’ ny olona ny lalàna), ahoana no mbola ilana mpisorona hafa hiseho araka ny fanaon’ i Melkizedeka ihany, izay tsy hotononina ho araka ny fanaon’ i Arona?
12 For, seeing there is to be a change of the priesthood, of necessity, of law too, a change cometh.
Fa raha ovana ny fisoronana, dia tsy maintsy ovana koa ny lalàna.
13 For, he as to whom these things are said, with a different tribe, hath taken partnership, from which, no one, hath given attendance at the altar;
Fa Izay nolazaina amin’ izany teny izany dia avy tamin’ ny firenena hafa, izay tsy nisy olona manompo eo amin’ ny alitara.
14 For it is, very evident, that out of Judah hath sprung our Lord, —respecting which tribe, concerning priests, nothing did Moses speak,
Fa hita marimarina fa avy tamin’ ny Joda no nisehoan’ ny Tompontsika, ary izany firenena izany dia tsy nisy nolazain’ i Mosesy akory ny amin’ izay ho mpisorona.
15 And, yet more abundantly evident it is—that, according to the likeness of Melchizedek, there is to be raised up, a different priest.
Ary hita marimarina kokoa indray izany, raha misy Mpisorona hafa miseho ka tahaka an’ i Melkizedeka,
16 Who, not according to a law of commandment dealing with the flesh, hath arisen, but according to the power of an indissoluble life;
izay natao tsy araka ny lalàn’ izay didy momba ny nofo, fa araka ny herin’ ny fiainana tsy manam-pahataperana.
17 For it is witnessed—Thou, art a priest, age-abidingly, according to the rank of Melchizedek. (aiōn g165)
Fa Izy dia nambara hoe: “Hianao no Mpisorona mandrakizay Araka ny fanaon’ i Melkizedeka”. (aiōn g165)
18 For, a setting aside, doth, indeed, take place, of a foregoing commandment, by reason of its own weakness and unprofitableness, —
Fa misy fahafoanana ny didy nialoha noho ny halemeny sy ny tsi-fanasoavany
19 For, the law, perfected, nothing; but there is the superinducing of a better hope, —through which we draw near unto God.
(fa ny lalàna dia tsy nahatanteraka na inona na inona), ary misy kosa fampidirana ny fanantenana tsaratsara kokoa, izay anatonantsika an’ Andriamanitra.
20 And, inasmuch as not apart from oath-taking—
Ary tahaka an’ i Melkizedeka tsy natao mpisorona raha tsy tamin’ ny fianianana
21 For, they, indeed, apart from oath-taking, have been made priests, but, he, with an oath-taking, through him that was saying unto him—The Lord sware, and will not regret, —Thou, art a priest, age-abidingly (aiōn g165)
― fa ireny kosa dia natao mpisorona tsy tamin’ ny fianianana, fa Ity tamin’ ny fianianana nataon’ ilay nilaza taminy hoe: “Efa nianiana Jehovah ka tsy hanenina: Hianao no Mpisorona mandrakizay” (aiōn g165)
22 By as much as this, hath, Jesus, become surety of a better covenant also.
― dia tahaka izany koa no nanaovana an’ i Jesosy ho Mpiantoka ny fanekena tsara lavitra.
23 And, they, indeed, in greater numbers, have been made priests, because, by reason of death, are they hindered from remaining at hand;
Fa natao maro ireny mpisorona ireny, satria tsy navelan’ ny fahafatesana haharitra izy;
24 But, he, by reason of his remaining age-abidingly, untransmissible, holdeth, the priesthood. (aiōn g165)
fa Izy kosa dia manana fisoronana tsy dimbiasana, satria maharitra mandrakizay Izy; (aiōn g165)
25 Whence he is able, even to be saving unto the very end, them who approach, through him, unto God; Since he evermore liveth to be interceding in their behalf.
koa amin’ izany dia mahavonjy tokoa izay manatona an’ Andriamanitra amin’ ny alalany Izy, satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy.
26 For, such a high-priest as this, for us, was [even] suited: Loving, noble, undefiled, set apart from sinners, and become, higher than the heavens;
Fa Mpisoronabe tahaka izao no miendrika ho antsika: dia Izay masìna, tsy misy tsiny, tsy misy loto, voasaraka amin’ ny mpanota ka natao avo noho ny lanitra,
27 Who hath no daily necessity, like the high-priests, beforehand, over his own sins, to be offering sacrifices, after that, over those, of the people, —for, this, he did once for all when, himself, he offered up.
Izay tsy mila hanatitra fanatitra isan’ andro tahaka ny ataon’ ireny mpisoronabe ireny, voalohany noho ny otan’ ny tenany, dia vao noho ny an’ ny olona kosa; fa izany dia nataony indray mandeha ihany, raha nanatitra ny tenany Izy.
28 For, the law, constituteth, men, high-priests, having, weakness; but, the word of the oath-taking, which cometh after the law, A Son, age-abidingly, made perfect. (aiōn g165)
Fa ny lalàna dia manendry olona izay manana fahalemena ho mpisoronabe; fa ny tenin’ ny fianianana kosa, izay tato aorian’ ny lalàna, dia manendry ny Zanaka, Izay notanterahina ho mandrakizay. (aiōn g165)

< Hebrews 7 >