< Deuteronomy 7 >
1 When Yahweh thy God shall bring thee into the land which thou art going in to possess, and shall clear away many nations from before thee—the Hittites and the Girgashites and the Amorites, and the Canaanites and the Perizzites, and the Hivites and the Jebusites—seven nations greater in number and stronger than thou;
Rehefa entin’ i Jehovah Andriamanitrao ianao ka tafiditra any amin’ ny tany izay efa hidiranao holovana, ary firenena maro no voaroakany hiala eo anoloanao, dia ny Hetita sy ny Girgasita sy ny Amorita sy ny Kananita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita, dia firenena fito izay lehibe sy mahery noho ianao.
2 and Yahweh thy God shall deliver them up before thee, and thou shalt smite them, thou shalt devote them to destruction, thou shalt not solemnise with them a covenant neither shalt thou shew them favour;
ary rehefa voatolotr’ i Jehovah Andriamanitrao eo anoloanao ireny ka resinao: dia aringano mihitsy izy; aza manao fanekena aminy, na mamindra fo aminy;
3 neither shalt thou intermarry with them, —thy daughter, shalt thou not give unto his son, nor his daughter, shalt thou take for thy son;
ary aza mifanambady anaka aminy: ny zanakao-vavy tsy homenao ho vadin’ ny zananilahy, ary ny zananivavy tsy halainao ho vadin’ ny zanakao-lahy.
4 for he will turn aside thy son from following me, and they will serve other gods, —so shall the anger of Yahweh kindle upon you, and he will destroy thee, speedily.
Fa hampiala ny zanakao-lahy amin’ ny fanarahana Ahy izy mba hanompoany andriamani-kafa, dia hirehitra aminareo ny fahatezeran’ i Jehovah, ka handrifigana anao vetivety Izy.
5 Verily, thus, shall ye do unto them: Their altars, shall ye tear down, And their pillars, shall ye break in pieces, —And their sacred stems, shall ye hew down, And their carved images, shall ye burn up in the fire.
Fa izao kosa no ataovinareo aminy: ny alitarany horavanao, ary ny tsangam-baton-tsampiny hovakivakinao; ny Aserahany hokapainao, ary ny sarin-javatra voasokitra hodoranao amin’ ny afo.
6 For a holy people, art thou unto Yahweh thy God: of thee, hath Yahweh thy God, made choice, that thou shouldest become his people as a treasure, above all the peoples that are on the face of the ground:
Fa firenena masìna ho an’ i Jehovah Andriamanitrao ianao; fa ianao efa nofidin’ i Jehovah Andriamanitrao ho firenena rakitra soa ho Azy mihoatra noho ny firenena rehetra ambonin’ ny tany.
7 not because ye were more in number than any of the peoples, did Yahweh become attached to you and make choice of you, —for, ye, were fewer than any of the peoples;
Tsy ny hamaroanareo noho ny firenena rehetra anefa no niraiketan’ ny fitiavan’ i Jehovah taminareo sy nifidianany anareo, fa ianareo dia vitsy noho ny firenena rehetra aza;
8 but because Yahweh loved you and because he would keep the oath which he sware unto your fathers, did Yahweh bring you forth with a firm hand, —and redeem thee out of the house of servants, out of the hand of Pharaoh king of Egypt.
fa ny nitiavan’ i Jehovah anareo sy ny nitandremany ny fianianana izay efa nianianany tamin’ ny razanareo no nitondran’ i Jehovah anareo tamin’ ny tanana mahery sy nanavotany anao tamin’ ny trano nahandevozana dia tamin’ ny tànan’ i Farao, mpanjakan’ i Egypta.
9 So then, thou must know that, Yahweh thy God, he, is God, —the faithful GOD, keeping his covenant and his lovingkindness with them that love him and keep his commandments, to a thousand generations
Koa aoka ho fantatrao fa Jehovah Andriamanitrao ihany no Andriamanitra, dia Andriamanitra mahatoky, Izay mitandrina fanekena sy famindram-po amin’ izay tia Azy sy mitandrina ny didiny, hatramin’ ny taranaka arivo mandimby,
10 but requiting them who hate him unto his face to destroy them, —he will not be slack towards him that hateth him, unto his face, will he requite him.
ary mamaly miharihary izay mandrafy Azy amin’ ny fandringanana azy; tsy hitaredretra Izy ny amin’ izay mandrafy Azy, fa hamaly azy miharihary.
11 So shalt thou keep the commandment and the statutes and the regulations, which I am commanding thee to-day, to do them.
Koa tandremo ny lalàna sy ny didy ary ny fitsipika, izay andidiako anao anio, ka araho izy.
12 Then shall it come to pass if ye will hearken unto these regulations, and keep and do them, then will Yahweh thy God keep with thee the covenant and the lovingkindness which he sware unto thy fathers;
Ary raha mihaino ireo fitsipika ireo ianareo ka mitandrina sy manaraka azy, dia hotanterahin’ i Jehovah Andriamanitrao aminao ny fanekena sy ny famindram-po, izay nianianany tamin’ ny razanao;
13 and will love thee, and bless thee and multiply thee, —and bless the fruit of thy body and the fruit of thy ground thy corn and thy new wine and thine oil the young of thy kine and the ewes of thy flock, upon the soil which he swart unto thy fathers to give unto thee.
dia ho tia anao sy hitahy anao ary hahamaro anao Izy; ary Izy hitahy ny ateraky ny kibonao sy ny vokatry ny taninao, dia ny varinao sy ny ranom-boalobokao sy ny diloilonao, ary ny ateraky ny ombinao sy ny ateraky ny ondry aman’ osinao any amin’ ny tany izay nianianany tamin’ ny razanao homena anao.
14 Blessed shalt thou be beyond all the peoples, —there shall not be in thee a barren male or female, nor among thy cattle;
Hotahina ianao mihoatra noho ny firenena rehetra; tsy hisy lahy na vavy tsy hiteraka, na ianareo na ny biby fiompinareo.
15 and Yahweh, will turn away, from thee, all disease, —and as for all the sore sicknesses of Egypt which thou knowest, he will not lay them upon thee, but will put them upon all who hate thee;
Ary harovan’ i Jehovah tsy ho azon’ aretina ianao, ka tsy hisy hameliny anao ny aretin-dratsin’ i Egypta, izay fantatrao; fa hataony amin’ izay rehetra mankahala anao kosa ireny.
16 and thou shalt devour all the peoples whom, Yahweh thy God, is delivering up unto thee, thine eye shall not look with pity upon them, neither shalt thou serve their gods, for a snare, would it be unto thee.
Ary aoka holaninao ny firenena rehetra, izay hatolotr’ i Jehovah Andriamanitrao anao, ka aoka tsy hiantra azy ny masonao; ary aza manompo ny andriamaniny, fa ho fandrika aminao ireny.
17 Although thou mightest say in thy heart: More in number, are these nations than I, —how can, I dispossess them?
Raha ianao hanao anakampo hoe: Maro noho izaho ireo firenena ireo, ka hataoko ahoana no fahay mandroaka azy?
18 thou must not be afraid of them, —thou must, remember, what Yahweh thy God did, unto Pharaoh and unto all Egypt:
dia aza matahotra azy ianao; fa tsarovy tsara izay nataon’ i Jehovah Andriamanitrao tamin’ i Farao sy ny Egyptiana rehetra,
19 the great provings which thine own eyes saw, and the signs and the wonders and the firm hand and the stretched-out arm, wherewith Yahweh thy God brought thee forth, —so, will Yahweh thy God do unto all the peoples, before whom thou art afraid.
dia ny fizahan-toetra lehibe, izay efa hitan’ ny masonao, sy ny famantarana sy ny fahagagana sy ny tanana mahery ary ny sandry nahinjitra, izay nitondran’ i Jehovah Andriamanitrao anao nivoaka; fa toy izany no hataon’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny firenena rehetra izay atahoranao.
20 Moreover also, the hornet, will Yahweh thy God send among them, —until they are destroyed who are left remaining, and who are hiding themselves from thy face.
Ary ny fanenitra koa dia hampandehanin’ i Jehovah Andriamanitrao ho eo aminy mandra-paharingan’ izay sisa sy izay efa niery ka tsy hitanao.
21 Thou shalt not be affrighted at their presence, —for Yahweh thy God in thy midst is a Go great and to be revered.
Aza matahotra azy ianao; fa Jehovah Andriamanitrao no eo aminao, dia Andriamanitra lehibe sy mahatahotra.
22 So will Yahweh thy God, clear away these nations from before thee little by little, —thou mayest not consume them at once, lest the wild beast of the field should multiply ever thee.
Ary horoahin’ i Jehovah Andriamanitrao eo alohanao tsikelikely ireny firenena ireny; tsy haharoaka azy faingana ianao, fandrao hihamaro ny bibi-dia ka hamely anao.
23 But Yahweh thy God will deliver them up before thee, —and discomfit them with a great discomfiture, until they are destroyed;
Fa hatolotr’ i Jehovah Andriamanitrao eo anoloanao izy ka hataony mifanaritaka be ihany mandra-pahalany ritrany.
24 and will deliver their kings into thy hand and thou shalt destroy their name, from under the heavens, —not a man shall stand before thee, until thou hast destroyed them.
Dia hatolony eo an-tananao koa ny mpanjakany, ka ho foananao tsy ho re intsony atỳ ambanin’ ny lanitra ny anarany; tsy hisy olona hahajanona eo anoloanao, fa haringanao avokoa izy mandra-pahalaniny.
25 The carved images of their gods, shalt thou consume with fire, —thou shalt not covet the silver and gold upon them to take unto thee, lest thou be ensnared thereby; for the abomination of Yahweh thy God, it is;
Ny sarin-javatra voasokitra, izay andriamaniny, dia hodoranareo amin’ ny afo; aza mitsiriritra ny volafotsy na ny volamena izay eo aminy, na maka izany ho anao, fandrao ho voafandriny ianao, fa fahavetavetana eo imason’ i Jehovah Andriamanitrao izany.
26 and thou shalt not bring an abomination into thy house, and so become devoted to destruction, like it, thou shalt, abhor, it, and thou shalt, loathe it, because a thing devoted to destruction, it is.
Ary aza mitondra fahavetavetana ho ao an-tranonao, fandrao ho voaozona tahaka izany koa ianao; ho halanao sy ho fahavetavetana eo imasonao indrindra izany, fa zavatra voaozona.