< Psalms 19 >
1 For the Chief Musician. A Psalm of David. The heavens declare the glory of God; and the firmament sheweth his handywork.
Ho an’ ny mpiventy hira. Salamo nataon’ i Davida. Ny lanitra mitory ny voninahitr’ Andriamanitra; ary ny habakabaka manambara ny asan’ ny tànany.
2 Day unto day uttereth speech, and night unto night sheweth knowledge.
Ny andro samy miteny amin’ ny andro mandimby azy, ary ny alina samy manolo-pahalalana amin’ ny alina mandimby azy.
3 There is no speech nor language; their voice cannot be heard.
Tsy misy teny na fiteny anefa; tsy re izay feony.
4 Their line is gone out through all the earth, and their words to the end of the world. In them hath he set a tabernacle for the sun,
Efa nivoaka ho any amin’ ny tany rehetra ny famolainany, ary ny teniny dia mihatra amin’ ny faran’ izao rehetra izao. Trano-lay ho an’ ny masoandro no nataony teo aminy;
5 Which is as a bridegroom coming out of his chamber, and rejoiceth as a strong man to run his course.
Ary ny masoandro dia tahaka ny mpampaka-bady mivoaka avy ao an-trano fandriany; sady mifaly tahaka ny lehilahy matanjaka mihazakazaka amin’ ny alehany izy.
6 His going forth is from the end of the heaven, and his circuit unto the ends of it: and there is nothing hid from the heat thereof.
Any amin’ ny faravodilanitra ny fiposahany, ary ny alehany dia hatramin’ ny farany koa, ka tsy misy takona amin’ ny hafanany.
7 The law of the LORD is perfect, restoring the soul: the testimony of the LORD is sure, making wise the simple.
Tsy misy tsiny ny lalàn’ i Jehovah, mamelombelona ny fanahy; mahatoky ny teni-vavolombelon’ i Jehovah, mahahendry ny kely saina.
8 The precepts of the LORD are right, rejoicing the heart: the commandment of the LORD is pure, enlightening the eyes.
Mahitsy ny fandidian’ i Jehovah, mahafaly ny fo; madio ny didin’ i Jehovah, mampahazava ny maso.
9 The fear of the LORD is clean, enduring for ever: the judgments of the LORD are true, [and] righteous altogether.
Madio ny fahatahorana an’ i Jehovah, maharitra mandrakizay; marina ny fitsipik’ i Jehovah, eny, mahitsy avokoa.
10 More to be desired are they than gold, yea, than much fine gold: sweeter also than honey and the honeycomb.
Irina noho ny volamena ireny, eny, noho ny tena volamena betsaka aza; ary mamy noho ny tantely, eny, noho ny tantely mitete avy amin’ ny tohotra.
11 Moreover by them is thy servant warned: in keeping of them there is great reward.
Ary ny mpanomponao dia hazavain’ ireny; amin’ ny fitandremana azy misy valiny lehibe.
12 Who can discern [his] errors? clear thou me from hidden [faults].
Raha ny fahatsontsana, dia iza re no mahalala izany? ataovy tsy manan-tsiny aho ny amin’ izay ota tsy fantatra.
13 Keep back thy servant also from presumptuous [sins]; let them not have dominion over me: then shall I be perfect, and I shall be clear from great transgression.
Arovy ny mpanomponao tsy ho azon’ ny ota sahisahy; aoka tsy hanapaka ahy izany; dia ho marina tokoa aho ka tsy hanan-tsiny ny amin’ izay fahadisoana lehibe.
14 Let the words of my mouth and the meditation of my heart be acceptable in thy sight, O LORD, my rock, and my redeemer.
Aoka ny tenin’ ny vavako sy ny fisainan’ ny foko samy hankasitrahana eo imasonao, Jehovah ô, Vatolampiko sy Mpanavotra ahy.