< 2 Samuel 22 >

1 And David spake unto the LORD the words of this song in the day that the LORD delivered him out of the hand of all his enemies, and out of the hand of Saul:
Ary Davida nanao izao fihirana izao ho an’ i Jehovah tamin’ ny andro namonjen’ i Jehovah azy tamin’ ny tanan’ ny fahavalony rehetra, indrindra fa tamin’ ny tànan’ i Saoly,
2 and he said, The LORD is my rock, and my fortress, and my deliverer, even mine;
ka hoy izy: Jehovah no harambatoko sy batery fiarovana ho ahy ary Mpamonjy ahy,
3 The God of my rock, in him will I trust; my shield and the horn of my salvation, my high tower, and my refuge; my saviour, thou savest me from violence.
Andriamanitra vatolampiko, Izy no ialofako, Ampingako sy tandroko famonjena Izy ary fiarovana avo ho ahy sy fandosirako; Ry Mpamonjy ahy, mahafaka ahy amin’ ny fampahoriana Hianao.
4 I will call upon the LORD, who is worthy to be praised: so shall I be saved from mine enemies.
Miantso an’ i Jehovah Izay mendrika hoderaina aho, Ka dia vonjena ho afaka amin’ ny fahavaloko.
5 For the waves of death compassed me, the floods of ungodliness made me afraid.
Fa nihodidina tamiko ny onjan’ ny fahafatesana. Ary ny riaky ny faharatsiana nampahatahotra ahy.
6 The cords of Sheol were round about me: the snares of death came upon me. (Sheol h7585)
Ny famatoran’ ny fiainan-tsi-hita nihodidina tamiko, nisakana ahy ny fandriky ny fahafatesana. (Sheol h7585)
7 In my distress I called upon the LORD, yea, I called unto my God: and he heard my voice out of his temple, and my cry [came] into his ears.
Fony azom-pahoriana aho, dia niantso an’ i Jehovah, eny, Andriamanitro no nitarainako; nihaino ny feoko tao an-tempoliny Izy, ary ny fitarainako dia efa tonga eo an-tsofiny.
8 Then the earth shook and trembled, the foundations of heaven moved and were shaken, because he was wroth.
Dia nihozongozona sy nihorohoro ny tany, ary ny fiorenan’ ny lanitra nihorohoro, eny, nihozongozona ireo, satria tezitra Jehovah.
9 There went up a smoke out of his nostrils, and fire out of his mouth devoured: coals were kindled by it.
Nisy setroka nisavoana teo am-bavorony, ary afo avy teo am-bavany no nandevona ka nisy vainafo nidedadeda teo aminy.
10 He bowed the heavens also, and came down; and thick darkness was under his feet.
Dia naondriny ny lanitra, ka nidina Izy; Ary aizim-pito no teo ambanin’ ny tongony.
11 And he rode upon a cherub, and did fly: yea, he was seen upon the wings of the wind.
Dia nitaingina kerobima Izy ka nanidina, eny, niseho teo amin’ ny ela-drivotra Izy.
12 And he made darkness pavilions round about him, gathering of waters, thick clouds of the skies.
Efa nanao ny maizina ho tranony manodidina Azy Izy, dia fivorian-drano sy rahona matevina
13 At the brightness before him coals of fire were kindled.
Ary avy teo amin’ ny famirapiratana teo anatrehany nisy vainafo nidedadeda.
14 The LORD thundered from heaven, and the Most High uttered his voice.
Dia nampikotroka tany an-danitra Jehovah, ny Avo Indrindra niloa-peo.
15 And he sent out arrows, and scattered them; lightning, and discomfited them.
Dia nandefa zana-tsipìka Izy ka nampiely ny fahavaloko, ary nampandeha helatra ka nampifanaritaka azy.
16 Then the channels of the sea appeared, the foundations of the world were laid bare, by the rebuke of the LORD, at the blast of the breath of his nostrils.
Dia hita ny fitoeran-dranomasina, ary niseho ny fanambanin’ ny tany, noho ny teny mafy nataon’ i Jehovah, noho ny fifofofofon’ ny fofonain’ ny vavorony.
17 He sent from on high, he took me; he drew me out of many waters;
Naninjitra ny tànany avy tany ambony Izy ka nandray ahy; nanintona ahy niala tamin’ ny rano be Izy.
18 He delivered me from my strong enemy, from them that hated me; for they were too mighty for me.
Namonjy ahy tamin’ ny fahavaloko mahery Izy sy tamin’ izay nankahala ahy, satria tsy leoko ireny.
19 They came upon me in the day of my calamity: but the LORD was my stay.
Nisakana ahy tamin’ ny andro nahitako loza ireny, nefa Jehovah no niseho ho Mpanohana ahy.
20 He brought me forth also into a large place: he delivered me, because he delighted in me.
Dia nitondra ahy ho any amin’ ny malalaka Izy; namonjy ahy Izy, satria tiany aho.
21 The LORD rewarded me according to my righteousness: according to the cleanness of my hands hath he recompensed me.
Nanisy soa ahy araka ny fahamarinako Jehovah; Araka ny fahadiovan’ ny tanako no namaliany ahy.
22 For I have kept the ways of the LORD, and have not wickedly departed from my God.
Fa nitandrina ny lalan’ i Jehovah aho ka tsy mba nanao ratsy hialana tamin’ Andriamanitro;
23 For all his judgments were before me: and as for his statutes, I did not depart from them.
Ny fitsipiny rehetra dia teo anatrehako, ary ny lalàny tsy mba nialako;
24 I was also perfect toward him, and I kept myself from mine iniquity.
Tsy nanan-tsiny taminy aho sady niaro tena tsy ho azon’ ny fahotako;
25 Therefore hath the LORD recompensed me according to my righteousness; according to my cleanness in his eyesight.
Koa namaly ahy araka ny fahamarinako Jehovah, dia araka ny fahadiovako teo imasony.
26 With the merciful thou wilt shew thyself merciful, with the perfect man thou wilt shew thyself perfect;
Ny olona tsara no isehoanao fa tsara; Ny tena olo-marina no isehoanao fa marina;
27 With the pure thou wilt shew thyself pure; and with the perverse thou wilt shew thyself froward.
Ny madio no isehoanao fa madio; Ary ny mpiolakolaka kosa no isehoanao fa lalin-tsaina.
28 And the afflicted people thou wilt save: but thine eyes are upon the haughty, that thou mayest bring them down.
Fa ny olona ory dia vonjenao; Fa ny masonao manandrina ny mpiavonavona, ka aetrinao ireny.
29 For thou art my lamp, O LORD: and the LORD will lighten my darkness.
Fa Hianao no jiroko, Jehovah ô; Jehovah mampahazava ny fahamaizinako.
30 For by thee I run upon a troop: by my God do I leap over a wall.
Fa Hianao no ahazoako mitsarapaka hamely ny miaramila iray toko; Ary Andriamanitro no ahazoako mitsambikina mihoatra ny manda.
31 As for God, his way is perfect: the word of the LORD is tried; he is a shield unto all them that trust in him.
Raha ny amin’ Andriamanitra, dia marina ny lalany; Ny tenin’ i Jehovah dia voazaha toetra amin’ ny memy; Jehovah no ampingan’ izay rehetra mialoka aminy.
32 For who is God, save the LORD? and who is a rock, save our God?
Fa iza no Andriamanitra afa-tsy Jehovah? Ary iza no vatolampy afa-tsy Andriamanitsika?
33 God is my strong fortress: and he guideth the perfect in his way.
Izany Andriamanitra izany no fiarovana mafy ho ahy; Mitondra ny marina amin’ ny lalany Izy.
34 He maketh his feet like hinds’ [feet]: and setteth me upon my high places.
Ary manao ny tongony ho tahaka ny an’ ny dieravavy Izy; Mampitoetra ahy eo amin’ ny fitoerako avo Izy.
35 He teacheth my hands to war; so that mine arms do bend a bow of brass.
Mampianatra ny tanako hiady Izy, ka mahahenjana tsipìka varahina ny sandriko.
36 Thou hast also given me the shield of thy salvation: and thy gentleness hath made me great.
Omenao ahy ny ampingan’ ny famonjenao; Ary ny fahamoram-panahinao no mahalehibe ahy.
37 Thou hast enlarged my steps under me, and my feet have not slipped.
Halalahinao ny lalana hodiaviko, ka tsy mangovitra ny hato-tongotro.
38 I have pursued mine enemies, and destroyed them; neither did I turn again till they were consumed.
Manenjika ny fahavaloko aho ka mandripaka azy; Ary tsy mba miverina aho mandra-pahalany ritrany.
39 And I have consumed them, and smitten them through, that they cannot arise; yea, they are fallen under my feet.
Mandringana sy mandripaka azy aho, ka tsy maharina izy; Lavo eo ambanin’ ny tongotro izy.
40 For thou hast girded me with strength unto the battle: thou hast subdued under me those that rose up against me.
Hianao mampisikina ahy hery hiady; Aripakao ho ambaniko izay mitsangana hamely ahy.
41 Thou hast also made mine enemies turn their backs unto me, that I might cut off them that hate me.
Ary ataonao miamboho ahy ny fahavaloko; Ka aringako izay mankahala ahy.
42 They looked, but there was none to save; even unto the LORD, but he answered them not.
Miherikerika izy, fa tsy misy mpamonjy, eny, maniry an’ i Jehovah izy, fa tsy mamaly azy Izy.
43 Then did I beat them small as the dust of the earth, I did stamp them as the mire of the streets, and did spread them abroad.
Torotoroiko madinika tahaka ny vovo-tany izy; Hoseko tahaka ny fotaka eny an-dalana izy ka apariako.
44 Thou also hast delivered me from the strivings of my people; thou hast kept me to be the head of the nations: a people whom I have not known shall serve me.
Mamonjy ahy amin’ ny fifanoheran’ ny oloko Hianao sy miaro ahy ho lohan’ ny firenen-tsamy hafa; ny firenena tsy fantatro aza dia manompo ahy.
45 The strangers shall submit themselves unto me: as soon as they hear of me, they shall obey me.
Ny hafa firenena mikoy ahy; Raha vao mahare ny lazako fotsiny ihany aza izy, dia manoa ahy.
46 The strangers shall fade away, and shall come trembling out of their close places.
Ny hafa firenena dia mihaketraka ka miala amin-kovitra avy ao amin’ ny fiarovany mafy.
47 The LORD liveth; and blessed be my rock; and exalted be the God of the rock of my salvation:
Velona Jehovah; isaorana anie ny Vatolampiko; Asandratra anie Andriamanitry ny vatolampy famonjena ahy,
48 Even the God that executeth vengeance for me, and bringeth down peoples under me,
Dia Andriamanitra, Izay manao famaliana ho ahy ka mampanaiky ny firenena ahy,
49 And that bringeth me forth from mine enemies: yea, thou liftest me up above them that rise up against me: thou deliverest me from the violent man.
Dia Ilay mitondra ahy ho afaka amin’ ny fahavaloko; eny, manandratra ahy ho ambonin’ izay mitsangana hanohitra ahy Hianao ary mamonjy ahy amin’ ny olon-dozabe;
50 Therefore I will give thanks unto thee, O LORD, among the nations, and will sing praises unto thy name.
Koa Izany no hiderako Anao eny amin’ ny firenen-tsamy hafa, Jehovah ô, sy hankalazako ny anaranao.
51 Great deliverance giveth he to his king: and sheweth lovingkindness to his anointed, to David and to his seed, for evermore.
Manao famonjen-dehibe ho an’ ny mpanjaka voatendriny Izy ary mamindra fo amin’ ny voahosony, dia amin’ i Davida sy ny taranany mandrakizay.

< 2 Samuel 22 >