< Mark 1 >
1 The beginning of the gospel of Jesus Christ;
Ny niandohan’ ny filazantsaran’ i Jesosy Kristy, Zanak’ Andriamanitra.
2 as it is written in Isaiah the prophet: “Lo! I send my messenger before thy face, who shall prepare thy way;”
Araka izay voasoratra ao amin’ Isaia mpaminany hoe: Indro, Izaho maniraka ny irako hialoha Anao, Izay hamboatra ny lalanao;
3 “The voice of one crying in the wilderness, Prepare the way of the Lord, make straight his paths!”
Injany! misy feon’ ny miantso mafy any an-efitra hoe: Amboary ny lalan’ i Jehovah. Ataovy mahitsy ny lalan-kalehany,
4 John the Baptizer appeared in the wilderness, preaching a baptism of repentance for the remission of sins.
dia niseho Jaona, izay nanao batisa tany an-efitra ka nitory ny batisan’ ny fibebahana ho famelan-keloka.
5 And there went out to him all the country of Judaea, and all they of Jerusalem and were baptized by him in the river Jordan, confessing their sins.
Dia nandeha nanatona azy ny tany Jodia rehetra sy ny mponina rehetra tany Jerosalema, ka nataony batisa tao amin’ ny ony Jordana ireny, rehefa niaiky ny fahotany.
6 And John was clothed with camel's hair, and with a leathern girdle about his loins, and he ate locusts and wild honey.
Ary Jaona nitafy lamba volon-drameva; ary fehin-kibo hoditra no tamin’ ny valahany, ary ny fihinany dia valala sy tantely remby.
7 And he preached, saying, There cometh after me one mightier than I, the latchet of whose sandals I am not worthy to stoop down and loose.
Ary nitory izy ka nanao hoe: Avy ao aoriako Ilay mahery noho izaho, ka tsy miendrika hiondrika hamaha ny fehin-kapany aza aho.
8 I have baptized you with water; but he will baptize you in the Holy Spirit.
Izaho efa nanao batisa anareo tamin’ ny rano, fa Izy kosa hanao batisa anareo amin’ ny Fanahy Masìna.
9 And it came to pass that in those days Jesus came from Nazareth of Galilee, and was baptized by John in the Jordan.
Ary tamin’ izany andro izany dia tonga avy tany Nazareta any Galilia Jesosy ka nataon’ i Jaona batisa tao Jordana.
10 And immediately on coming up out of the water, he saw the heavens parted, and the Spirit descending as a dove upon him.
Ary raha vao niakatra avy teo amin’ ny rano Izy, dia hitany ny lanitra nisokatra, ary ny Fanahy nidina tahaka ny voromailala ka nankeo amboniny.
11 And there was a voice from the heavens, “Thou art my beloved Son; with thee I am well pleased.”
Ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Hianao no Zanako malalako, Hianao no sitrako.
12 And immediately the Spirit driveth him forth into the wilderness.
Ary niaraka tamin’ izay dia nampandehanin’ ny Fanahy ho any an-efitra Izy.
13 And he was in the wilderness forty days, tempted by Satan, and was with the wild beasts; and the angels ministered to him.
Ary tany an-efitra efa-polo andro Izy ka nalain’ i Satana fanahy; ary teo amin’ ny bibi-dia Izy, ary ny anjely nanompo Azy.
14 But after John was put in prison, Jesus came into Galilee, preaching the glad tidings of God,
Ary rehefa voasambotra Jaona, dia nankany Galilia Jesosy nitory ny filazantsaran’ Andriamanitra
15 [[saying, ]] The time is fulfilled, and the kingdom of God is at hand; repent, and believe the glad tidings.
ka nanao hoe: Efa tonga ny fotoana, ka efa akaiky ny fanjakan’ Andriamanitra; mibebaha ianareo ka minoa ny filazantsara.
16 And as he was passing along by the lake of Galilee, he saw Simon and Andrew the brother of Simon dragging a net in the lake; for they were fishers.
Ary nony nandalo teny amoron’ ny Ranomasin’ i Galilia Izy, dia nahita an’ i Simona sy Andrea, rahalahin’ i Simona, nanarato teo amin’ ny ranomasina; fa mpanarato izy.
17 And Jesus said to them, Come after me, and I will cause you to become fishers of men.
Ary hoy Jesosy taminy: Andeha hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo.
18 And immediately they left their nets, and followed him.
Dia nandao ny harato niaraka tamin’ izay izy ka nanaraka Azy.
19 And going on a little farther, he saw James the son of Zebedee, and John his brother, who also were in the boat mending the nets;
Ary rehefa nandroso kelikely Izy, nahita an’ i Jakoba, zanak’ i Zebedio, Jaona rahalahiny, izay teo an-tsambokely koa namboatra ny haratony.
20 and immediately he called them. And leaving their father Zebedee in the boat with the hired men, they went after him.
Dia niantso azy niaraka tamin’ izay Izy; ary izy mirahalahy nandao an’ i Zebedio rainy teo an-tsambokely mbamin’ ny olona nokaramainy, ka dia nanaraka an’ i Jesosy.
21 And they enter Capernaum; and immediately on the sabbath he was teaching in the synagogue.
Ary nankany Kapernaomy izy ireo; nony tamin’ ny Sabata, dia niditra tao amin’ ny synagoga niaraka tamin’ izay Jesosy ka nampianatra.
22 And they were astonished at his teaching; for he taught them as having authority, and not as the scribes.
Dia talanjona ny olona tamin’ ny fampianarany, satria nampianatra azy tahaka izay manana fahefana Izy, fa tsy mba tahaka ny mpanora-dalàna.
23 And immediately there was in their synagogue a man with an unclean spirit, and he cried out,
Ary niaraka tamin’ izay dia nisy olona teo amin’ ny synagogany, izay azon’ ny fanahy maloto; ary niantso mafy ralehilahy
24 saying, What have we to do with thee, Jesus of Nazareth? Thou hast come to destroy us; we know who thou art, the Holy One of God.
ka nanao hoe: Moa mifaninona akory izahay sy Hianao, ry Jesosy avy any Nazareta? Avy handringana anay va Hianao? Fantatro fa Ilay Masin’ Andriamanitra Hianao.
25 And Jesus rebuked him, [[saying, ]] Be silent, and come out of him.
Ary Jesosy niteny mafy azy ka nanao hoe: Mangìna ianao ka mivoaha aminy.
26 And the unclean spirit convulsing him, and crying out with a loud voice, came out of him.
Ary ny fanahy maloto nampifanintontsintona ny tenan’ ilay marary, dia niantso tamin’ ny feo mahery ka niala taminy.
27 And they were all amazed, so that they questioned each other, saying, What is this? New teaching with authority; even the unclean spirits doth he command, and they obey him!
Dia gaga ny olona rehetra ka nifanontany hoe: Manao ahoana re izao zavatra izao? Fampianarana vaovao misy fahefana izao! fa ny fanahy maloto aza no didiany, ka dia manaiky Azy.
28 And immediately his fame spread abroad everywhere through the whole surrounding country of Galilee.
Ary ny lazany dia niely niaraka tamin’ izay teny tontolo eny tamin’ ny tany rehetra eran’ i Galilia.
29 And having come out of the synagogue, they immediately entered the house of Simon and Andrew, with James and John.
Ary niaraka tamin’ izay, raha nivoaka avy tao amin’ ny synagoga izy, dia niditra tao an-tranon’ i Simona sy Andrea Jesosy ary Jakoba sy Jaona.
30 And Simon's wife's mother lay sick of a fever; and they immediately speak to him about her.
Ary ny rafozam-bavin’ i Simona nandry teo nanavin’ ny tazo; ary niaraka tamin’ izay dia nilaza azy taminy izy ireo.
31 And he went to her, and took her by the hand, and raised her up; and the fever left her, and she waited on them.
Dia nanatona Jesosy ka nandray ny tànany ary nanarina azy; dia afaka ny tazony, ka dia nanompo azy izy.
32 And in the evening, when the sun had set, they brought to him all that were sick, and those who were possessed by demons;
Ary nony hariva ny andro, ka nilentika ny masoandro, dia nentina tany aminy ny marary rehetra sy ny demoniaka.
33 and the whole city was assembled at the door.
Ary ny tao an-tanàna rehetra dia tafangona teo anoloan’ ny varavarana avokoa.
34 And he healed many that were sick with various diseases, and cast out many demons; and he suffered not the demons to speak, because they knew him.
Ary nahasitrana olona maro izay nararin’ ny aretina samy hafa Izy sady namoaka demonia maro; ary tsy navelany hiteny ny demonia, satria nahafantatra Azy ireny.
35 And rising early, long before day, he went out, and withdrew into a desert place, and there prayed.
Ary nifoha maraina alina koa Izy, dia nivoaka nankany an-tany foana ka nivavaka tany.
36 And Simon and those with him went in search of him,
Ary dia nandeha nitady Azy Simona sy ny namany.
37 and found him. And they say to him, All people are in search of thee.
Ary nahita Azy izy, dia nanao taminy hoe: Ny olona rehetra mitady Anao.
38 And he saith to them, Let us go elsewhere into the neighboring towns, that I may preach there also; for, for this I came forth.
Fa hoy kosa Izy taminy: Andeha isika hiala hankany amin’ ny tanàna akaiky, mba hitoriako teny any koa; fa izay no nahatongavako.
39 And he went, preaching in their synagogues throughout all Galilee, and casting out the demons.
Dia nandeha Izy ka nitori-teny tao amin’ ny synagogan’ ny olona eran’ i Galilia sady namoaka ny demonia.
40 And there cometh a leper to him beseeching him, and kneeling down, saying to him, If thou wilt, thou canst cleanse me.
Ary nisy boka nanatona Azy ka nitaraina taminy sady nandohalika teo anatrehany ka nanao taminy hoe: Raha mety Hianao, dia mahay manadio ahy.
41 And Jesus, moved with compassion, put forth his hand, and touched him, and saith, I will; be thou cleansed.
Ary Jesosy dia onena azy ka naninjitra ny tànany, dia nanendry azy ka nanao taminy hoe: Mety Aho; madiova ianao.
42 And immediately the leprosy left him, and he was cleansed.
Ary niaraka tamin’ izay dia niala taminy ny habokany, ka dia nadio izy.
43 And sternly charging him, he immediately sent him away,
Ary namepetra azy mafy Jesosy, dia nampandeha azy niaraka tamin’ izay
44 saying to him, See that thou say nothing to any one; but go, show thyself to the priest, and offer for thy cleansing what Moses commanded, for a testimony to them.
ka nanao taminy hoe: Tandremo tsara mba tsy hisy holazainao na amin’ iza na amin’ iza; fa mandehana, misehoa amin’ ny mpisorona, ka manatera ny fanadiovana anao, izay nandidian’ i Mosesy, ho vavolombelona amin’ ireo.
45 But he went away, and began to publish it constantly, and to spread the matter abroad, so that Jesus could no more enter a city openly, but was without in desert places; and they came to him from every quarter.
Nefa lasa ralehilahy ka nilazalaza sy nampiely izany zavatra izany, ka dia tsy nahazo niditra miharihary tao an-tanàna intsony Jesosy; fa nitoetra tany ivelany tamin’ ny tany foana Izy, dia nanatona Azy ny olona avy eny tontolo eny.