< Job 5 >

1 Call now, see if any will answer thee! And to which of the holy ones wilt thou look?
Miantsoa ange! moa misy hamaly anao va? Ary iza amin’ ireo masìna no hotodihinao?
2 Verily grief destroyeth the fool, And wrath consumeth the weak man.
Fa ny adala dia vonoin’ ny fahasosorana, ary ny kely saina dia matin’ ny fialonana.
3 I have seen an impious man taking root, But soon I cursed his habitation.
Izaho nahita olona adala mamaka, nefa vetivety Indray dia tsy maintsy nanozona ny fonenany aho;
4 His children are far from safety; They are oppressed at the gate, and there is none to deliver them.
Lavitra ny famonjena ny zanany Ka torotoro eo am-bavahady, nefa tsy manan-kamonjy;
5 His harvest the hungry devour, Carrying it even through the thorns; And a snare gapeth after his substance.
Ny vokatry ny taniny dia lanin’ ny noana, eny, alainy na dia voafefy tsilo aza; ary ny fandrika mitanatana vava hahazo ny fananany
6 For affliction cometh not from the dust, Nor doth trouble spring up from the ground;
Fa tsy mivoaka avy amin’ ny vovoka ny alahelo, ary tsy mitrebona avy amin’ ny tany ny fahoriana,
7 Behold, man is born to trouble, As the sparks fly upward.
Nefa teraka ho amin’ ny fahoriana ny olombelona, dia tahaka ny fanidin’ ny kilalaon’ afo miakatra
8 I would look to God, And to God would I commit my cause,
Fa raha toa ahy kosa dia hitady an’ Andriamanitra aho, ary Andriamanitra ihany no hotolorako ny teniko,
9 Who doeth great things and unsearchable; Yea, marvellous things without number;
Dia Izay manao zava-dehibe tsy takatry ny saina sy zava-mahagaga tsy hita isa,
10 Who giveth rain upon the earth, And sendeth water upon the fields;
Dia Izay mampilatsaka ranonorana etỳ ambonin’ ny tany ary mampandeha rano eny amin’ ny saha,
11 Who placeth the lowly in high places, And restoreth the afflicted to prosperity;
Ka apetrany amin’ ny avo Izay ambany, ary asandrany ho amin’ ny fahafinaretana ny miory,
12 Who disappointeth the devices of the crafty, So that their hands cannot perform their enterprises;
Dia Izay mahafoana ny hevitry ny fetsy, ka tsy hahefan’ ny tànany na inona na inona hahasoa ny tenany;
13 Who taketh the wise in their own craftiness, And bringeth to nought the counsel of the artful.
Ny fahafetsen’ ny hendry ihany no entiny misambotra azy, ary ny saina ataon’ ny mpiolakolaka dia rava;
14 They meet with darkness in the daytime; They grope at noon as if it were night.
Na dia amin’ ny antoandro aza dia tafatsarapaka ao amin’ ny maizina ireny ka miraparapa amin’ ny mitataovovonana tahaka ny amin’ ny alina;
15 So he saveth the persecuted from their mouth; The oppressed from the hand of the mighty.
Fa vonjeny kosa ny malahelo tsy ho voan’ ny sabatry ny vavany; Eny, vonjeny tsy ho azon’ ny tanan’ ny mahery izy.
16 So the poor hath hope, And iniquity stoppeth her mouth.
Dia misy fanantenana ho an’ ny reraka; fa ny faharatsiana kosa mihombom-bava
17 Behold, happy is the man whom God correcteth; Therefore despise not thou the chastening of the Almighty.
Indro, sambatra ny zanak’ olombelona izay anarin’ Andriamanitra, koa aza atao ho zavatra kely ny famaizan’ ny Tsitoha;
18 For he bruiseth, and bindeth up; He woundeth, and his hands make whole.
Fa sady mandratra Izy no mamehy; Manorotoro Izy, ary ny tànany ihany no manasitrana.
19 In six troubles will he deliver thee; Yea, in seven shall no evil touch thee.
Amin’ ny fahoriana enina dia hamonjy anao Izy; Eny, amin’ ny fito aza dia tsy hisy loza hihatra aminao.
20 In famine he will redeem thee from death, And in war from the power of the sword.
Raha avy ny mosary, dia hiaro anao amin’ ny fahafatesana Izy; Ary raha avy ny ady, dia hiaro anao tsy ho voan’ ny sabatra Izy;
21 Thou shalt be safe from the scourge of the tongue, And shalt not be afraid of destruction, when it cometh.
Hampiereny tsy ho voan’ ny kapo-bava ianao, ary tsy hatahotra, raha avy ny fandringanana;
22 At destruction and famine thou shalt laugh, And of the wild beasts of the land shalt thou not be afraid.
Ny fandringanana sy ny mosary dia hihomehezanao; ary tsy hatahoranao ny bibi-dia;
23 For thou shalt be in league with the stones of the field; Yea, the beasts of the forest shall be at peace with thee.
Fa vita fanekena amin’ ny vato any an-tsaha aza ianao; Ary ny bibi-dia hihavana aminao;
24 Thou shalt find that thy tent is in peace; Thou shalt visit thy dwelling, and not be disappointed.
Ary ho hitanao fa ny fiadanana no lainao; Ary raha mizaha ny kijanao ianao, dia ho hitanao fa tsy misy very ny ao;
25 Thou shalt see thy descendants numerous, And thine offspring as the grass of the earth.
Ary ho hitanao koa fa maro ny zanakao, ary ny terakao ho tahaka ny ahitra amin’ ny tany;
26 Thou shalt come to thy grave in full age, As a shock of corn gathered in its season.
Haharitra ianao ambara-piditrao any am-pasana, raha mbola henjana, dia tahaka ny amboaram-bary akarina amin’ ny fotoana.
27 Lo! this we have searched out; so it is: Hear it, and lay it up in thy mind!
Izany ary no izy, fa efa nandinika azy izahay; Hevero ary izany, ka fantaro tsara.

< Job 5 >