< Job 20 >
1 Then answered Zophar the Naamathite, and said:
Dia namaly Zofara Namatita ka nanao hoe:
2 For this do my thoughts lead me to reply, And for this is my ardor within me.
Noho izany dia mamaly ahy ny eritreritro, eny, noho ny fihetsiketsiky ny saiko.
3 I have heard my shameful rebuke; And the spirit, from my understanding, answereth for me.
Reko lalandava ny anatra mampahamenatra ahy; Ary ny fanahiko mamaly ahy avy amin’ ny fahalalako.
4 Knowest thou not, that from the days of old, From the time when man was placed upon the earth,
Tsy fantatrao va fa hatramin’ ny ela, eny, hatrizay nampitoerana ny olona tetỳ ambonin’ ny tany,
5 The triumphing of the wicked hath been short, And the joy of the impious but for a moment?
Dia vetivety foana ny firavoravoan’ ny ratsy fanahy, ary indray mipi-maso monja ny fifalian’ ny mpihatsaravelatsihy?
6 Though his greatness mount up to the heavens, And his head reach to the clouds,
Fa na dia mipaka amin’ ny lanitra aza ny hahavony, ka mitehika amin’ ny rahona ny lohany,
7 Yet shall he perish for ever, and be mingled with dust; They who saw him shall say, Where is he?
Dia ho very mandrakizay toy ny dikiny ihany izy; Izay nahita azy dia hanao hoe: Aiza izy?
8 He shall flee away like a dream, and shall not be found; Yea, he shall disappear like a vision of the nigh.
Manidina tahaka ny nofy izy ka tsy ho hita; Eny, ampandosirina tahaka ny tsindrimandry amin’ ny alina izy.
9 The eye also which saw him shall see him no more, And his dwelling-place shall never more behold him.
Ny maso izay mijery, dia indray mitopy ihany no ahitany azy; Ary dia tsy hahita azy intsony ny fitoerany.
10 His sons shall seek the favor of the poor, And their hands shall give back his wealth.
Ny zanany hitambitamby amin’ ny malahelo, ary ny tànany ihany no hampody ny hareny.
11 His bones are full of his youth, But they shall lie down with him in the dust.
Ny taolany dia feno ny herin’ ny fahatanorana, Nefa hiara-mandry aminy eo amin’ ny vovoka izany.
12 Though wickedness be sweet in his mouth, Though he hide it under his tongue,
Na dia mamy ao am-bavany aza ny ratsy, ka afeniny ao ambanin’ ny lelany,
13 Though he cherish it, and will not part with it, And keep it fast in his mouth,
Ary tsitsiny ka tsy foiny, fa tehiriziny ao amin’ ny lanilaniny ihany,
14 Yet his meat shall be changed within him, And become to him the poison of asps.
Dia miova ny haniny ao an-kibony, ka aferon’ ny vipera no ao anatiny.
15 He hath glutted himself with riches, And he shall throw them up again; Yea, God shall cast them out of his body.
Harena no nateliny, nefa aloany indray; Loaran’ Andriamanitra hiala ao an-kibony izany.
16 He shall suck the poison of asps; The tongue of the viper shall destroy him.
Ny poizin’ ny vipera no hotsentsefiny; Hahafaty azy ny lelan’ ny menarana.
17 He shall never see the flowing streams, And the rivers of honey and milk.
Tsy ho faly mahita renirano izy, dia ony sy riaky ny tantely sy ronono.
18 The fruits of his toil he shall give back, and shall not enjoy them: It is substance to be restored, and he shall not rejoice therein.
Tsy azony atelina izay nikelezany aina, fa tsy maintsy hampodiny; Na dia be aza ny hareny, dia tsy ho araka izany ny hafaliany.
19 Because he hath oppressed and abandoned the poor, And seized upon the house which he did not build;
Fa nampahory sy nahafoy ny reraka izy ka naka trano an-keriny, fa tsy hahatontosa azy.
20 Because he knew no rest in his bosom, He shall not save that in which he delighteth.
Satria tsy mahalala mionona ny kibony, dia tsy hahavonjy ny tenany mbamin’ ny tiany indrindra izy.
21 Because nothing escaped his greediness, His prosperity shall not endure.
Tsy misy tsy tratry ny fieremany; Ka dia tsy haharitra ny fiadanany.
22 In the fulness of his abundance he shall be brought low; Every hand of the wretched shall come upon him.
Ho poriporitra izy, na dia mihoa-pampana aza ny fananany; Ny tanan’ ny ory no hamely azy.
23 He shall, indeed, have wherewith to fill himself: God shall send upon him the fury of his anger, And rain it down upon him for his food.
Halefan’ Andriamanitra ny fahatezerany mirehitra hameno ny kibony; Eny, halatsany aminy toy ny ranonorana izany ho hanina ho azy.
24 If he fleeth from the iron weapon, The bow of brass shall pierce him through.
Raha mandositra ny vy fiadiana izy, dia hahavoa azy miboroaka ny tsipìka varahina;
25 He draweth the arrow, and it cometh forth from his body; Yea, the glittering steel cometh out of his gall. Terrors are upon him;
Tsoahany izany, ka mivoaka avy amin’ ny tenany; Eny, ny manelatselatra dia mivoaka avy amin’ ny aferony; Lasa izy azon’ ny fahatahorana mafy.
26 Calamity of every kind is treasured up for him. A fire not blown shall consume him; It shall consume whatever is left in his tent.
Ny aizim-pito no voarakitra ho amin’ ny raki-malalany; Afo tsy tsofina no handoro azy sady handevona izay sisa ao amin’ ny lainy.
27 The heavens shall reveal his iniquity, And the earth shall rise up against him.
Hambaran’ ny lanitra ny helony, Ary ny tany hitsangana hiampanga azy,
28 The substance of his house shall disappear; It shall flow away in the day of His wrath.
Ho lasa ny harena tafiditra ao an-tranony; Eny, ho levona izany amin’ ny andro fahatezerany.
29 Such is the portion of the wicked man from God, And the inheritance appointed for him by the Almighty.
Izany no anjaran’ ny ratsy fanahy avy amin’ Andriamanitra, sy lova voatendrin’ Andriamanitra ho azy.