< 2 John 1 >
1 The elder to the elect Cyria, and to her children, whom I love in truth, and not I only, but also all that know the truth, —
Izaho loholona mamangy an’ itompokovavy voafidy sy ny zanany, izay tiako amin’ ny fahamarinana (ary tsy izaho ihany, fa izay rehetra mahalala ny marina koa)
2 for the sake of the truth which abideth in us, and will be with us for ever. (aiōn )
noho ny fahamarinana izay mitoetra ato anatintsika sady ho ato amintsika mandrakizay: (aiōn )
3 Grace, mercy, peace shall be with you from God the Father, and from Jesus Christ, the Son of the Father, in truth and love.
ho amintsika ny fahasoavana sy ny famindram-po ary ny fiadanana avy amin’ Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy, Zanaky ny Ray, amin’ ny fahamarinana sy ny fitiavana.
4 I rejoiced greatly, that I found some of thy children walking in truth, as we received commandment from the Father.
Faly indrindra aho, satria misy hitako ny zanakao sasany mandeha amin’ ny fahamarinana araka ny nandraisantsika didy tamin’ ny Ray.
5 And now I beseech thee, Cyria, not as writing to thee a new commandment, but that which we have had from the beginning, that we love one another.
Ary mangataka aminao aho ankehitriny, tompokovavy, tsy toy ny manoratra didy vaovao aminao, fa ilay nananantsika hatramin’ ny voalohany ihany, dia aoka hifankatia isika.
6 And this is love, that we walk according to his commandments. This is the commandment, as ye have heard from the beginning, that ye should walk in it.
Ary izao no fitiavana, dia ny handehanantsika araka ny didiny. Izany no didy, tahaka ny efa renareo hatramin’ ny taloha ihany, dia ny handehananareo aminy.
7 For many deceivers went out into the world, who do not acknowledge Jesus Christ coming in the flesh; this is the deceiver and the antichrist.
Fa maro ny mpamitaka efa lasa any amin’ izao tontolo izao, dia ireny tsy manaiky fa efa tonga tamin’ ny nofo Jesosy Kristy. Izy no mpamitaka sy antikristy.
8 Look to yourselves, that ye lose not the things which ye wrought, but receive a full reward.
Mitandrema ianareo, fandrao mahavery izay namonoanay tena, fa mba handraisanareo valim-pitia tanteraka.
9 Whoever goeth beyond, and abideth not in the teaching of Christ, hath not God. He that abideth in the teaching, he hath both the Son and the Father.
Izay rehetra mitarika nefa tsy mitoetra ao amin’ ny fampianaran’ i Kristy, dia tsy manana an Andriamanitra. Izay mitoetra ao amin’ ny fampianarana, dia izy no manana ny Ray sy ny Zanaka.
10 If any one cometh to you, and bringeth not this teaching, receive him not into your house, and do not bid him good speed.
Raha misy olona mankeo aminareo ka tsy mitondra izao fampianarana izao, aza mampiantrano azy na miarahaba azy akory;
11 For he that biddeth him good speed taketh part in his evil deeds.
fa izay miarahaba azy dia miombona amin’ ny ratsy ataony.
12 Having many things to write to you, I would not write with paper and ink; but I hope to come to you, and to speak face to face, that our joy may be full.
Manana zavatra maro hosoratana aminareo aho, nefa tsy tiako hatao amin’ ny taratasy sy ny ranomainty izany; fa manantena ho tonga atỳ aminareo aho ka hiteny mifanatrika, mba ho tanteraka ny fifalianareo.
13 The children of thy elect sister salute thee.
Ny zanaky ny rahavavinao voafidy manao veloma anao.