< Job 16 >

1 Then Job answered,
Dia namaly Joba ka nanao hoe:
2 "I have heard many such things. You are all miserable comforters.
Efa nandre zavatra maro toy izany aho; Mpampionona mahasorisorena foana ianareo rehetra.
3 Shall vain words have an end? Or what provokes you that you answer?
Efa tapitra va izay ny bedibedy foana? Sa mbola misy manesika anao hamaly ahy ihany?
4 I also could speak as you do. If your soul were in my soul's place, I could join words together against you, and shake my head at you,
Izaho kosa mba mahazo miteny tahaka anareo, raha mba tonga tahaka ahy ianareo; eny, mahazo manamboatra teny ho enti-mamely anareo aho ary mahazo mihifikifi-doha aminareo;
5 but I would strengthen you with my mouth. The solace of my lips would relieve you.
Mahazo mampahery anareo amin’ ny Vavako aho, ary mahazo mampitony ny alahelonareo ny fampiononana ataon’ ny molotro.
6 "Though I speak, my grief is not subsided. Though I forbear, what am I eased?
Na dia miteny aza aho, dia tsy mitsahatra ny alaheloko; Ary na dia mangìna aza aho, dia tsy misy mihena izany.
7 But now he has worn me out. You have laid waste all my company.
Fa ankehitriny efa nandreraka ahy Izy; Naringanao ny ankohonako rehetra.
8 You have shriveled me up. This is a witness against me. My leanness rises up against me. It testifies to my face.
Ary efa nampifezaka ny tenako Hianao, ka dia vavolombelona amiko izany. Ary mitsangana hiampanga ahy ny fahahiazako, ka dia tondromaso akaiky izany.
9 He has torn me in his wrath, and persecuted me. He has gnashed on me with his teeth. My adversary sharpens his eyes on me.
Amin’ ny fahatezerany no amiravirany sy andrafiany ahy, mihidy vazana amiko Izy; Eny, miseho ho fahavaloko Izy ka mampivandravandra ny masony amiko;
10 They have gaped on me with their mouth. They have struck me on the cheek reproachfully. They gather themselves together against me.
Nisanasana vava tamiko ny olona; Latsa no nentiny namely ny takolako; Mitambatra hamely ahy izy.
11 God delivers me to the ungodly, and casts me into the hands of the wicked.
Efa voatolotr’ Andriamanitra ho amin’ ny ratsy fanahy aho, ary natsipiny ho eo an-tànan’ ny mpanota.
12 I was at ease, and he broke me apart. Yes, he has taken me by the neck, and dashed me to pieces. He has also set me up for his target.
Tamin’ ilay izaho tsy nanana ahiahy iny, dia nanorotoro ahy Izy; Nosamboriny tamin’ ny hatoko aho ka nomontsaniny, sady natsangany ho marika hokendreny.
13 His archers surround me. He splits my kidneys apart, and does not spare. He pours out my gall on the ground.
Manodidina ahy ny mpandefa zana-tsipìkany; Mamaky ny voako Izy ka tsy miantra ary manidina ny aferoko ho amin’ ny tany.
14 He breaks me with breach on breach. He runs on me like a giant.
Bangabangainy lalandava aho, ka miroatra hamely ahy tahaka ny lehilahy mahery Izy.
15 I have sewed sackcloth on my skin, and have thrust my horn in the dust.
Lamba fisaonana no voazaitrako hanarona ny hoditro, ary nalàko baraka tamin’ ny vovoka ny tandroko.
16 My face is red with weeping. Deep darkness is on my eyelids.
Ny tavako tera-menan’ ny fitomaniana, ary eo amin’ ny hodi-masoko ny aloky ny fahafatesana;
17 Although there is no violence in my hands, and my prayer is pure.
Kanefa tsy misy eto an-tanako izay mba nalaina an-keriny; Ary madio ny fivavako.
18 "Earth, do not cover my blood. Let my cry have no place to rest.
Ry tany ô, aza manarona ny rako, ary aoka tsy ho voahazona ny fitarainako!
19 Even now, look, my witness is in heaven. He who vouches for me is on high.
Fa na dia ankehitriny aza, indro, any an-danitra ny Vavolombeloko, eny, ny Vavolombeloko dia any amin’ ny avo.
20 My friends scoff at me. My eyes pour out tears to God,
Na dia mihomehy ahy aza ny sakaizako, dia mamarin-dranomaso eo anatrehan’ Andriamanitra kosa aho,
21 that he would maintain the right of a man with God, of a son of man with his neighbor.
Mba hanamarina ahy olombelona eo anatrehany Izy sy hanafa-tsiny ahy zanak’ olombelona amin’ ny sakaizako.
22 For when a few years have come, I shall go the way from where I shall not return.
Fa rehefa lasa ny taona vitsy, dia handeha any amin’ ny lalana izay tsy hiverenako intsony aho.

< Job 16 >