< Hebrews 4 >

1 Let us fear therefore, lest perhaps anyone of you should seem to have come short of a promise of entering into his rest.
Koa na dia mbola misy teny fikasana fa hiditra any amin’ ny fitsaharany aza isika, dia aoka isika hatahotra, fandrao mba misy eo aminareo toa tsy mahatratra izany.
2 For indeed we have had good news preached to us, even as they also did, but the word they heard did not profit them, because they were not united by faith with those who heard.
Fa isika koa dia nitoriana filazantsara tahaka ireny ihany; kanefa ny teny izay efa reny dia tsy nahasoa azy, satria tsy niharo finoana tao amin’ izay nandre.
3 For we who have believed do enter into that rest, even as he has said, "As I swore in my wrath, they will not enter into my rest;" although the works were finished from the foundation of the world.
Fa isika izay nino no miditra amin’ izany fitsaharana izany, araka ny voalazany hoe: “Toy ny nianiako tamin’ ny fahatezerako hoe: Tsy hiditra amin’ ny fitsaharako mihitsy izy”, na dia vita hatramin’ ny nanorenana izao tontolo izao aza ny asa.
4 For he has said this somewhere about the seventh day, "And God rested on the seventh day from all his works;"
Fa nilaza ny andro fahafito Izy eo amin’ ny teny anankiray araka izao: “Ary Andriamanitra nitsahatra tamin’ ny asany rehetra tamin’ ny andro fahafito”.
5 and in this place again, "They will not enter into my rest."
Ary amin’ izao koa: “Tsy hiditra amin’ ny fitsaharako mihitsy izy”.
6 Since therefore it remains for some to enter it, and they to whom the good news was before preached failed to enter in because of disobedience,
Koa satria mbola hiditra eo ihany ny sasany, ary izay nitoriana filazantsara tamin’ ny voalohany dia tsy niditra noho ny tsi-finoana,
7 he again appoints a certain day, "Today," saying through David so long a time afterward (just as has been said), "Today if you will hear his voice, do not harden your hearts."
dia mametra andro anankiray indray Izy, na dia efa ela toy izany aza, milaza ao amin’ i Davida hoe: “Anio”, araka ny voalaza teo hoe: “Anio, raha hihaino ny feony ianareo Aza manamafy ny fonareo”
8 For if Joshua had given them rest, he would not have spoken afterward of another day.
Fa raha Josoa no nanome azy fitsaharana, dia tsy mba ho nilaza andro hafa Izy tao aorian’ izany.
9 There remains therefore a Sabbath rest for the people of God.
Koa dia mbola misy sabata fitsaharana ho an’ ny olon’ Andriamanitra.
10 For he who has entered into his rest has himself also rested from his works, as God did from his.
Fa izay niditra tao amin’ ny fitsaharany, dia Izy koa no nitsahatra tamin’ ny asany, tahaka an’ Andriamanitra tamin’ ny Azy.
11 Let us therefore give diligence to enter into that rest, lest anyone fall after the same example of disobedience.
Koa aoka isika hazoto hiditra amin’ izany fitsaharana izany, fandrao hisy olona latsaka amin’ ny tsi-finoana tahaka izany koa.
12 For the word of God is living, and active, and sharper than any two-edged sword, and piercing even to the dividing of soul and spirit, of both joints and marrow, and is able to discern the thoughts and intentions of the heart.
Fa velona sy mahery ny tenin’ Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatramin’ ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan’ ny fo.
13 There is no creature that is hidden from his sight, but all things are naked and laid open before the eyes of him with whom we have to do.
Ary tsy misy zavatra ary na inona na inona izay tsy miseho eo anatrehany; fa ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy aharihary eo imason’ izay iafaran’ ny ataontsika.
14 Having then a great high priest, who has passed through the heavens, Jesus, the Son of God, let us hold tightly to our confession.
Koa satria Isika manana Mpisoronabe lehibe, Izay lasa namaky ny lanitra, dia Jesosy, Zanak’ Andriamanitra, aoka isika hihazona ilay efa nekentsika.
15 For we do not have a high priest who cannot be touched with the feeling of our infirmities, but one who has been in all points tempted like we are, yet without sin.
Fa isika tsy manana mpisoronabe izay tsy mahay miara-mitondra ny fahalementsika, fa Izay efa nalaim-panahy tamin’ ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota.
16 Let us therefore draw near with boldness to the throne of grace, that we may receive mercy, and may find grace for help in time of need.
Koa aoka isika hanatona ny seza fiandrianan’ ny fahasoavana amin’ ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindram-po sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin’ izay andro mahory.

< Hebrews 4 >