< Exodus 17 >

1 And all the congregation of the sons of Israel journey from the wilderness of Sin, on their journeys, by the command of YHWH, and encamp in Rephidim, and there is no water for the people to drink;
Ary nifindra ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, ka niala tao an-efitra Sina, araka izay natoron’ i Jehovah hitobiany, dia nitoby tao Refidima; ary tsy nisy rano hosotroin’ ny olona.
2 and the people strive with Moses, and say, “Give us water, and we drink.” And Moses says to them, “Why do you strive with me? Why do you try YHWH?”
Dia nila ady tamin’ i Mosesy ny olona ka nanao hoe: Omeo rano izahay mba hosotroinay. Fa hoy Mosesy taminy: Nahoana no mila ady amiko ianareo? Nahoana no maka fanahy an’ i Jehovah ianareo?
3 And the people thirst for water there, and the people murmur against Moses, and say, “Why [is] this [that] you have brought us up out of Egypt to put us to death, also our sons and our livestock, with thirst?”
Ary nangetaheta teo ny olona, dia nimonomonona tamin’ i Mosesy izy ka nanao hoe: Nahoana ianao no nitondra anay niakatra niala tany Egypta hahafatin-ketaheta anay sy ny zanakay ary ny bibinay?
4 And Moses cries to YHWH, saying, “What do I do to this people? Yet a little, and they have stoned me.”
Ary Mosesy nitaraina tamin’ i Jehovah ka nanao hoe: Ahoana no hataoko amin’ ireto olona ireto? fa mila hitora-bato ahy izy.
5 And YHWH says to Moses, “Pass over before the people, and take with you from [the] elderly of Israel, and take your rod in your hand, with which you have struck the River, and you have gone.
Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Mandrosoa eo alohan’ ny olona, ary itondray hiaraka aminao ny loholon’ ny Isiraely; ary ny tehinao, ilay nikapohanao an’ i Neily, dia ento eny an-tananao, ka mandehana.
6 Behold, I am standing before you there on the rock in Horeb, and you have struck on the rock, and waters have come out from it, and the people have drunk.” And Moses does so before the eyes of [the] elderly of Israel,
Ary, indro, hijanona eo anatrehanao eo ambonin’ ny harambato any Horeba Aho, dia hikapoka ny harambato ianao, ka hisy rano hivoaka avy aminy hosotroin’ ny olona. Dia nanao izany Mosesy teo imason’ ny loholon’ ny Isiraely.
7 and he calls the name of the place Massah, and Meribah, because of the strife of the sons of Israel, and because of their trying YHWH, saying, “Is YHWH in our midst or not?”
Ary ny anaran’ izany tany izany dia nataony hoe Masa sy Meriba, noho ny ady nataon’ ny Zanak’ Isiraely, sy noho ny nakany fanahy an’ i Jehovah hoe: Eto aminay va Jehovah, sa tsia?
8 And Amalek comes, and fights with Israel in Rephidim,
Ary tonga ny Amalekita ka niady tamin’ ny Isiraely tao Refidima.
9 and Moses says to Joshua, “Choose men for us, and go out, fight with Amalek: tomorrow I am standing on the top of the hill, and the rod of God in my hand.”
Dia hoy Mosesy tamin’ i Josoa: Mifidiana lehilahy ho antsika, dia mandehana ka miadia amin’ ny Amalekita; rahampitso dia hijoro eo an-tampon’ ny havoana aho ka hitana ny tehin’ Andriamanitra etỳ an-tanako.
10 And Joshua does as Moses has said to him, to fight with Amalek, and Moses, Aaron, and Hur have gone up [to] the top of the height;
Ary Josoa dia nanao araka izay efa nolazain’ i Mosesy taminy, ka niady tamin’ ny Amalekita izy; ary Mosesy sy Arona sy Hora kosa niakatra ho ao an-tampon’ ny havoana.
11 and it has come to pass, when Moses lifts up his hand, that Israel has been mighty, and when he lets his hands rest, that Amalek has been mighty.
Ary raha nasandratr’ i Mosesy ny tànany, dia nahery ny Isiraely; fa raha nampidininy ny tànany, dia nahery kosa ny Amalekita.
12 And the hands of Moses [are] heavy, and they take a stone and set [it] under him, and he sits on it, and Aaron and Hur have taken hold on his hands, one on this [side] and one on that [side]; and his hands are steadfast until the going in of the sun;
Fa efa vizana ny tanan’ i Mosesy; ka dia naka vato izy roa lahy, ka nataony teo ambanin’ i Mosesy hipetrahany; ary Arona sy Hora dia nanohana ny tànany, ka ny iray tamin’ ny anila, ary ny iray kosa tamin’ ny anila; dia naharitra tsy nidina intsony ny tànany mandra-pahafatin’ ny masoandro.
13 and Joshua weakens Amalek and his people by the mouth of the sword.
Ary Josoa dia nandresy ny Amalekita sy ny olony tamin’ ny lelan-tsabatra.
14 And YHWH says to Moses, “Write this, a memorial in a Scroll, and set [it] in the ears of Joshua, that I utterly wipe away the remembrance of Amalek from under the heavens”;
Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Soraty eo amin’ ny boky izany ho fahatsiarovana, ka ambarao amin’ i Josoa; fa hofoanako tokoa ny fahatsiarovana ny Amalekita tsy ho eny ambanin’ ny lanitra.
15 and Moses builds an altar, and calls its name YHWH-Nissi,
Dia nanorina alitara Mosesy ka nanao ny anarany hoe: Jehovah Nisi.
16 and says, “Because a hand [is] on the throne of YAH, war [is] to YHWH with Amalek from generation [to] generation.”
Fa hoy izy: Jehovah nianiana hoe: Ny adin’ i Jehovah amin’ ny Amalekita dia tsy hitsahatra hatramin’ izay taranany fara mandimby.

< Exodus 17 >