< Deuteronomy 19 >

1 “When your God YHWH cuts off the nations whose land your God YHWH is giving to you, and you have dispossessed them, and dwelt in their cities and in their houses,
Rehefa aringan’ i Jehovah Andriamanitrao ny firenen-tsamy hafa, izay tompon’ ny tany omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao, ary mandresy azy ianao ka monina ao an-tanànany sy ao an-tranony,
2 you separate three cities for yourself in the midst of your land which your God YHWH is giving to you to possess it.
dia manokàna tanàna telo ho anao eo afovoan’ ny taninao, izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao holovana.
3 You prepare the way for yourself, and have divided into three parts the border of your land which your God YHWH causes you to inherit, and it has been for the fleeing there of every manslayer.
Amboary ny lalana, ka zarao ho telo toko ny taninao, izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao holovanao, mba handosiran’ ny mahafaty olona rehetra ao.
4 And this [is] the matter of the manslayer who flees there, and has lived: he who strikes his neighbor unknowingly, and is not hating him before—
Ary ny mahafaty olona izay hovelomina, raha mandositra ao, dia ny mahafaty ny namany tsy nahy ka tsy nankahala azy teo aloha
5 even he who comes into a forest with his neighbor to hew wood, and his hand has driven with an axe to cut the tree, and the iron has slipped from the wood, and has met his neighbor, and he has died—he flees to one of these cities, and has lived,
toy ny olona izay miaraka amin’ ny namany ho any an’ ala hikapa hazo, koa manainga ny famaky hikapa ny hazo ny tànany, dia mitsoaka amin’ ny zarany ny lela-famaky, ary mahavoa ny namany ka mahafaty azy, dia aoka handositra ao amin’ ny anankiray amin’ ireo tanàna ireo izy ka hovelomina;
6 lest the redeemer of blood pursue after the manslayer when his heart is hot and has overtaken him, because the way is great, and has struck his life, and he has no sentence of death, for he is not hating him before;
fandrao hanenjika ny nahafaty olona ny mpamaly rà, raha mbola mirehitra ny fony, ka hahatratra azy, noho ny halavitry ny alehany, dia hahafaty azy izy; nefa tsy tokony ho faty izy, satria tsy nankahala ny namany teo aloha.
7 therefore I am commanding you, saying, You separate three cities for yourself.
Koa izany no andidiako anao hoe: Manokàna tanàna telo ho anao.
8 And if your God YHWH enlarges your border, as He has sworn to your fathers, and has given to you all the land which He has spoken to give to your fathers—
Ary raha hitarin’ i Jehovah Andriamanitrao ny fari-taninao, araka izay nianianany tamin’ ny razanao, ka homeny anao ny tany rehetra izay nolazainy homena ny razanao
9 when you keep all this command to do it, which I am commanding you today, to love your God YHWH and to walk in His ways [for] all the days—then you have added three more cities for yourself to these three;
(raha hitandrina ianao ka hanaraka izao lalàna rehetra izao, izay andidiako anao anio, ka ho tia an’ i Jehovah Andriamanitrao, ary handeha mandrakariva amin’ ny lalany), dia hampianao tanàna telo koa ireny telo ireny;
10 and [do this] lest innocent blood is shed in the midst of your land which your God YHWH is giving to you [for] an inheritance, and there has been blood on you.
mba tsy hisy rà marina alatsaka eo amin’ ny taninao, izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao ho lovanao, ka tsy ho meloka amin’ ny rà ianao.
11 And when a man is hating his neighbor, and has lain in wait for him, and risen against him, and struck his life, and he has died, then he has fled to one of these cities,
Fa raha misy olona mankahala ny namany ka manotrika azy, ary mitsangana ka mamely mahafaty azy, ary mandositra ho ao amin’ ny anankiray amin’ ireo tanàna ireo,
12 and [the] elderly of his city have sent and taken him from there, and given him into the hand of the redeemer of blood, and he has died;
ny loholona amin’ ny tanànany dia haniraka haka azy ao, dia hanolotra azy eo an-tànan’ ny mpamaly rà, mba hovonoiny ho faty izy.
13 your eye has no pity on him, and you have put away the innocent blood from Israel, and it is well with you.
Tsy hiantra azy ny masonao; fa hesorinao tsy ho eo amin’ ny Isiraely ny heloka ny amin’ ny rà marina, mba hahita soa ianao.
14 You do not remove a border of your neighbor, which they of former times have made, in your inheritance, which you inherit in the land which your God YHWH is giving to you to possess it.
Aza mamindra ny fari-tanin’ ny namanao, izay efa vitan’ ny razana teo amin’ ny zara-taninao, izay azonao eo amin’ ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao holovanao.
15 One witness does not rise against a man for any iniquity and for any sin, in any sin which he sins; by the mouth of two witnesses or by the mouth of three witnesses is a thing established.
Raha vavolombelona iray monja, dia aoka tsy hitsangana hiampanga olona ny amin’ izay heloka na ota nataony na inona na inona; fa amin’ ny tenin’ ny vavolombelona roa na telo no hanorenana mafy ny teny.
16 When a violent witness rises against a man to testify against him apostasy,
Raha misy vavolombelona mampidi-doza mitsangana hiampanga olona ho nanao ratsy,
17 then both of the men who have the strife have stood before YHWH, before the priests and the judges who are in those days,
dia hitsangana eo anatrehan’ i Jehovah izy roa lahy izay miady, dia eo anatrehan’ ny mpisorona sy ny mpitsara amin’ izany andro izany;
18 and the judges have searched diligently, and behold, the witness [is] a false witness who has testified a falsehood against his brother,
ary raha hadinin’ ny mpitsara mafy izy ka hitany fa vavolombelona mandainga, fa miampanga lainga ny namany,
19 then you have done to him as he devised to do to his brother, and you have put away evil out of your midst,
dia araka izay nokasainy hatao amin’ ny namany no hataonareo aminy; ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.
20 and those who are left hear and fear, and do not add to do according to this evil thing in your midst anymore.
Ary ny olona sisa dia handre izany ka hatahotra ary tsy hanao araka izany ratsy izany eo aminao intsony.
21 And your eye does not pity—life for life, eye for eye, tooth for tooth, hand for hand, foot for foot.”
Dia tsy hiantra azy ny masonao; fa aina no hataonao solon’ ny aina, maso solon’ ny maso, nify solon’ ny nify, tanana solon’ ny tanana, tongotra solon’ ny tongotra.

< Deuteronomy 19 >