< Jeremiah 32 >

1 The word that came to Jeremiah from the Lord in the tenth year of Zedekiah the king of Judah, which is the eighteenth year of Nebuchadrezzar.
Izao no teny tonga tamin’ i Jeremia avy tamin’ i Jehovah tamin’ ny taona fahafolo nanjakan’ i Zedekia, mpanjakan’ ny Joda, dia ny taona fahavalo ambin’ ny folo nanjakan’ i Nebokadnezara.
2 And at that time the king of Babylon's army was besieging Jerusalem; and Jeremiah the prophet was shut up in the court of the prison, which was in the house of the king of Judah;
Fa tamin’ izany no nanaovan’ ny miaramilan’ ny mpanjakan’ i Babylona fahirano an’ i Jerosalema; ary Jeremia mpaminany nambenana teo an-kianjan’ ny trano fiambenana, izay teo amin’ ny tranon’ ny mpanjakan’ ny Joda.
3 Because Zedekiah the king of Judah had shut him up, saying, Wherefore art thou prophesying, saying, Thus hath said the Lord, Behold, I will give up this city into the hand of the king of Babylon, and he shall capture it.
Fa Zedekia, mpanjakan’ ny Joda, nampiambina azy ka nanao hoe: Nahoana ianao no maminany hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Indro, hatolotro eo an-tànan’ ny mpanjakan’ i Babylona ity tanàna ity, ka ho afany;
4 And Zedekiah the king of Judah shall not escape out of the hand of the Chaldeans, because he shall surely be given up into the hand of the king of Babylon, and his mouth shall speak to his mouth, and his eyes shall behold his eyes;
ary Zedekia, mpanjakan’ ny Joda, dia tsy ho afa-mandositra ny tanan’ ny Kaldeana, fa hatolotra eo an-tànan’ ny mpanjakan’ i Babylona tokoa izy, ary hiteny aminy mifanatrika izy sady hifankahita maso aminy;
5 And to Babylon shall he lead Zedekiah, and there shall he remain until I think of him, saith the Lord: though ye fight with the Chaldeans, ye shall not prosper.
ary ho any Babylona no hitondrana an’ i Zedekia, ka ho any izy ambara-pamangiko azy, hoy Jehovah; na dia miady amin’ ny Kaldeana aza ianareo, dia tsy hambinina.
6 And Jeremiah said, The word of the Lord came unto me, saying,
Ary hoy Jeremia: Tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah hoe:
7 Behold, Chanamel the son of Shallum thy uncle is coming unto thee, saying, Buy for thyself my field that is in 'Anathoth; for unto thee belongeth the right of redemption to buy it.
Indro Hanamela, zanak’ i Saloma, rahalahin-drainao, ho avy eto aminao hanao hoe: Vidionao ny sahako izay ao Anatota, fa ianao no havana akaiky tokony hanavotra azy.
8 And there came to me Chanamel my uncle's son according to the word of the Lord into the court of the prison, and he said unto me, Buy, I pray thee, my field, that is in 'Anathoth, which is in the land of Benjamin; for to thee belongeth the right of inheritance, and to thee belongeth the redemption, buy it for thyself: then did I know that it was the word of the Lord.
Ary Hanamela, zana-drahalahin’ ikaky, dia tonga tamiko teo an-kianjan’ ny trano fiambenana araka ny tenin’ i Jehovah, ka hoy izy tamiko: Masìna ianao, vidio ny sahako izay ao Anatota, dia ilay ao amin’ ny tanin’ ny Benjamina, fa ianao no havana akaiky tokony handova sy hanavotra azy, vidio re ho anao. Ka dia fantatro fa tenin’ i Jehovah izany.
9 And I bought the field from Chanamel my uncle's son, that is in 'Anathoth; and I weighed out unto him the money, seven shekels, and ten pieces of silver.
Ary novidiko tamin’ i Hanamela, zana-drahalahin’ ikaky, ny saha izay tao Anatota, ary nolanjaiko ny vola, dia sekely volafotsy fito ambin’ ny folo.
10 And I wrote it in a deed, and sealed it, and had it certified by witnesses, and weighed the money in balances.
Ary nosoratako tamin’ ny taratasy izany ka nasiako tombo-kase sady nasiako vavolombelona, ary nolanjaiko tamin’ ny mizana ny vola.
11 And I took the deed of the purchase, both that which was sealed, according to the law and custom, and that which was open;
Ka dia noraisiko ny taratasy nisy ny fanekena tamin’ ny vidin-tany, dia ilay voaisy tombo-kase araka ny lalàna sy ny fanao, mbamin’ ny taratasy mivelatra koa;
12 And I gave the deed of the purchase unto Baruch the son of Neriyah, the son of Machseyah, before the eyes of Chanamel my kinsman, and before the eyes of the witnesses that had signed the deed of the purchase, before the eyes of all the Jews that were sitting in the court of the prison.
dia natolotro an’ i Baroka, zanak’ i Neria, zanak’ i Mahaseia, ilay taratasy nisy ny fanekena tamin’ ny vidin-tany, teo imason’ i Hanamela, zana-drahalahin’ ikaky, sy teo anatrehan’ ny vavolombelona izay nanao sonia tamin’ ny taratasy nisy ny fanekena tamin’ ny vidin-tany, dia teo anatrehan’ ny Jiosy rehetra izay nipetraka teo an-kianjan’ ny trano fiambenana.
13 And I charged Baruch before their eyes, saying,
Ary nandidy an’ i Baroka teo anatrehan’ ireo aho nanao hoe:
14 Thus hath said the Lord of hosts, the God of Israel, Take these deeds, this deed of the purchase, both the sealed, and this open deed, and place them in an earthen vessel, in order that they may last many days.
Izao no lazain’ i Jenovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Ento ireto taratasy ireto, dia ireto taratasy misy ny fanekena amin’ ny vidin-tany, dia ilay misy tombo-kase, mbamin’ ny taratasy mivelatra, ary ataovy ao anaty vilany tany izy mba haharitra ela.
15 For thus hath said the Lord of hosts, the God of Israel, Yet again shall there be bought houses and fields and vineyards in this land.
Fa izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Mbola hisy trano sy saha ary tanim-boaloboka hovidina indray eto amin’ ity tany ity.
16 And I prayed to the Lord after I had delivered the deed of the purchase unto Baruch the son of Neriyah, saying,
Ary rehefa voatolotra an’ i Baroka, zanak’ i Neria, ilay taratasy nisy ny fanekena tamin’ ny vidin-tany, dia nivavaka tamin’ i Jehovah aho hoe:
17 Ah Lord Eternal! behold, it is thou that hast made the heavens and the earth by thy great power and by thy outstretched arm; nothing is too wonderful for thee;
Indrisy, Jehovah Tompo ô! Indro, Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany tamin’ ny herinao lehibe sy ny sandrinao ahinjitra, ary tsy misy zava-mahagaga izay tsy hainao.
18 Thou exercisest kindness unto the thousandth [generation], and recompensest the iniquity of the fathers unto the bosom of their children after them; [thou art] the Great, the Mighty God, the Lord of hosts is his name;
Mamindra fo amin’ ny arivo arivo Hianao ary mamaly ny heloky ny ray ho ao an-tratran’ ny zanany mandimby azy dia Andriamanitra lehibe sy mahery, Jehovah, Tompon’ ny maro, no anarany,
19 Great in counsel, and mighty in execution: [thou] whose eyes are open over all the ways of the sons of man, to give unto every one according to his ways, and according to the fruit of his doings;
lehibe amin’ ny fisainana sy mahery amin’ ny atao; fa ny masonao mibanjina ny alehan’ ny zanak’ olombelona rehetra mba hanome azy rehetra araka ny lalany avy sy araka ny vokatry ny asany,
20 Who hast displayed signs and wonders in the land of Egypt, up to this day, and in Israel, and among other men; and thou hast made thyself a name, as it is at this day;
dia Ilay nanisy famantarana sy fahagagana tany amin’ ny tany Egypta ka mandraka androany koa, na ao amin’ ny Isiraely, na ao amin’ ny olona hafa koa, ka dia nanao anarana ho Anao tahaka ny amin’ izao anio izao.
21 And thou didst bring forth thy people Israel out of the land of Egypt with signs, and with wonders, and with a strong hand, and with an outstretched arm, and with great terror;
Ary nitondra ny Isiraely olonao nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta Hianao tamin’ ny famantarana sy ny fahagagana ary ny tanana mahery sy ny sandry nahinjitra ary ny fampahatahorana lehibe,
22 And thou gavest them this land, which thou hadst sworn to their fathers to give unto them, a land flowing with milk and honey;
ka dia nanome azy ity tany ity, izay efa nianiananao nolazainao tamin’ ny razany homena azy, dia tany tondra-dronono sy tantely.
23 And they came in, and took possession of it; but they hearkened not to thy voice, and in thy law they did not walk; all that thou hadst commanded them to do they did not do: and thou hast therefore caused all this evil to befall them.
Ary tonga teto izy, dia nandova azy, nefa tsy nihaino ny feonao izy sady tsy nandeha araka ny lalànao; ary tsy nanao na inona na inona tamin’ izay rehetra nasainao nataony izy, ka dia nataonao mihatra aminy izao loza rehetra izao.
24 Behold the mounds reach unto the city to capture it; and the city is given up into the hand of the Chaldeans, who fight against it, because of the sword, and of the famine, and of the pestilence: and what thou hast spoken is come to pass; and, behold, thou seest it.
Indro, ny tovon-tany efa miorina akaikin’ ny tanàna hanafahana azy, ary ny tanàna dia atolotra eo an-tànan’ ny Kaldeana izay mamely azy noho ny sabatra sy ny mosary sy ny areti-mandringana; ary izay nolazainao dia tonga, ka indro, hitan’ ny masonao izany.
25 And yet thou hast said unto me, O Lord Eternal, Buy for thyself the field for money, and have it certified by witnesses: while the city is given up into the hand of the Chaldeans.
Ary Hianao, Jehovah Tompo ô, dia niteny tamiko ka nanao hoe: Vidionao vola ny saha, ary makà vavolombelona, na dia efa voatolotra eo an-tànan’ ny Kaldeana aza ny tanàna.
26 Then came the word of the Lord unto Jeremiah, saying,
Dia tonga tamin’ i Jeremia ny tenin’ i Jehovah hoe:
27 Behold, I am the Lord, the God of all flesh: shall any thing be too wonderful for me?
Indro, Izaho no Jehovah, Andriamanitry ny nofo rehetra; moa misy zava-mahagaga izay tsy haiko va?
28 Therefore thus hath said the Lord, Behold, I will give up this city into the hand of the Chaldeans, and into the hand of Nebuchadrezzar the king of Babylon, and he shall capture it:
Koa izao no lazain’ i Jehovah: Indro, efa hatolotro eo an-tànan’ ny Kaldeana ity tanàna ity sy eo an-tànan’ i Nebokadnezara mpanjakan’ i Babylona, ka ho afany.
29 And the Chaldeans, that fight against this city, shall come and set this city on fire, and burn it, with the houses upon the roofs of which they have offered incense unto Ba'al, and have poured out drink-offerings unto other gods, in order to provoke me to anger;
Ary ny Kaldeana, izay efa mamely ity tanàna ity dia hiditra ary handrehitra afo eto ka handoro azy mbamin’ ny trano izay efa nandoroana ditin-kazo manitra teo an-tampony ho an’ i Bala, sady nanidinana fanatitra aidina ho an’ andriamani-kafa mba hampahatezitra Ahy.
30 For the children of Israel and the children of Judah have been doing only what is evil in my eyes from their youth; for the children of Israel have been only provoking me to anger with the work of their hands, saith the Lord.
Fa izay ratsy eo imasoko ihany no nataon’ ny Zanak’ Isiraely sy ny taranak’ i Joda hatry ny fony ireo mbola kely; fa ny Zanak’ Isiraely efa nampahatezitra Ahy tamin’ ny asan’ ny tànany, hoy Jehovah.
31 For to excite my anger and my fury hath been unto me this city from the day that they built it, even until this day; so that I will remove it from before my presence:
Fa ity tanàna ity dia efa nampahatezitra sy nampahavinitra Ahy hatramin’ ny andro nanorenana azy ka mandraka androany, mba hanesorako azy tsy ho eo anatrehako,
32 Because of all the wickedness of the children of Israel and of the children of Judah, which they have done to provoke me to anger, they, their kings, their princes, their priests, and their prophets, and the men of Judah, and the inhabitants of Jerusalem;
noho ny ratsy rehetra nataon’ ny Zanak’ Isiraely sy ny taranak’ i Joda, dia izy sy ny mpanjakany sy ny mpanapaka azy sy ny mpisorony sy ny mpaminaniny sy ny lehilahy amin’ ny Joda ary ny mponina any Jerosalema, mba hampahatezitra Ahy.
33 And they turned unto me the back, and not the face: though [my prophets] taught them, rising up early and teaching; yet they hearkened not to receive instruction.
Fa efa niamboho Ahy izy, fa tsy nanatrika Ahy, ary na dia nampianariko aza izy ― eny, nifoha maraina koa Aho ka nampianatra azy, dia tsy nihaino mba hahazoany anatra izy.
34 But they placed their abominations in the house, which is called by my name, to defile it.
Fa nametraka ny fahavetavetany tato amin’ ny trano izay efa niantsoana ny anarako izy handotoany azy;
35 And they built the high-places of Ba'al, which are in the valley of the son of Hinnom, to cause their sons and their daughters to pass through [the fire] unto Molech; which I had not commanded them, and which had not come into my mind, to practise this abomination, in order to mislead Judah to sin.
ary nanorina ny fitoerana avon’ i Bala, izay ao amin’ ny Lohasahan’ ny taranak’ i Hinoma, izy mba hampandeha ny zananilahy sy ny zananivavy hamaky ny afo ho an’ i Moloka, izay tsy nandidiako azy, na tao an-tsaiko akory aza, ka dia nanao izany fahavetavetana izany izy mba hampanota ny Joda.
36 But now, therefore, thus hath said the Lord, the God of Israel, concerning this city, whereof ye say, it is given up into the hand of the king of Babylon through the sword, and through the famine, and through the pestilence:
Koa noho izany dia izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ny amin’ ity tanàna ity, izay ataonareo hoe: Hatolotra eo an-tànan’ ny mpanjakan’ i Babylona amin’ ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izy:
37 Behold, I will gather them out of all the countries, whither I have driven them in my anger, and in my fury, and in great wrath; and I will bring them back again unto this place, and I will cause them to dwell in safety;
Indro izy hangoniko avy any amin’ ny tany rehetra izay nandroahako azy tamin’ ny fahatezerako sy ny fisafoahako ary ny fahavinirana be; ary ho entiko amin’ ity tany ity indray izy ka hataoko mandry fahizay;
38 And they shall be unto me for a people, and I will be unto them for a God:
ary izy ho oloko, ary Izaho ho Andriamaniny.
39 And I will give them one heart, and one manner, to fear me at all times, that it may be well with them, and with their children after them;
Dia homeko fo iray sy lalana iray izy, mba hatahorany Ahy lalandava hahasoa azy sy ny zanany mandimby azy;
40 And I will make with them an everlasting covenant, that I will not turn away from them, to do them good on my part; and my fear will I place in their heart, so that they may not depart from me.
dia hanao fanekena mandrakizay aminy Aho, dia ny tsy hitsaharako amin’ ny fanasoavako azy; ary ny fahatahorana Ahy dia hataoko ao am-pony kosa, mba tsy hialany amiko.
41 And I will be glad over them to do them good; and I will plant them in this land in truth, with all my heart and with all my soul.
Eny, ho faly aminy Aho ka hahasoa azy, dia hamboly azy amin’ ity tany ity tokoa amin’ ny foko rehetra sy ny fanahiko rehetra.
42 For thus hath said the Lord, Just as I have brought upon this people all this great evil, so will I bring upon them all the good that I speak concerning them.
Fa izao no lazain’ i Jehovah: Araka ny nampahatongavako izao loza lehibe rehetra izao tamin’ ity firenena ity, dia araka izany asa no hampahatongavako ny soa rehetra izay nokasaiko ho azy.
43 And the field shall yet be bought in this land, whereof ye say, It is desolate without man or beast, it is given up into the hand of the Chaldeans.
Ary mbola hisy fividianana saha eto amin’ ity tany ity, izay ataonareo hoe Tany lao tsy misy olona na biby fiompy sady efa voatolotra eo an-tànan’ ny Kaldeana.
44 Men shall buy fields for money, and write it in deeds, and seal it, and certify it by witnesses, in the land of Benjamin, and in the environs of Jerusalem, and in the cities of Judah, and in the cities of the mountain, and in the cities of the lowlands, and in the cities of the south; for I will cause their captivity to return, saith the Lord.
Eny, saha no hovidin’ ny olona vola, ka hosoratany amin’ ny taratasy sy hasiany tombo-kase ary hasiany vavolombelona ao amin’ ny tanin’ ny Benjamina sy amin’ ny manodidina an’ i Jerosalema sy amin’ ny tanànan’ ny Joda sy amin’ ny tanàna any amin’ ny tany havoana sy amin’ ny tanàna ny amin’ ny tany lemaka amoron-tsiraka ary amin’ ny tanàna any amin’ ny tany atsimo; fa hampodiko avy amin’ ny fahababoany izy, hoy Jehovah.

< Jeremiah 32 >