< Isaiah 44 >

1 Yet now hear, O Jacob my servant; and Israel, whom I have chosen:
Fa ankehitriny dia mihainoa, ry Jakoba, mpanompoko, sy ry Isiraely, izay nofidiko;
2 Thus hath said the Lord thy Maker, and he that formed thee from the womb, who will help thee, Fear not, O my servant Jacob; and thou Jeshurun, whom I have chosen.
Izao no lazain’ i Jehovah Izay nahary anao sy namorona anao hatrany am-bohoka sady mamonjy anao: Aza matahotra, ry Jakoba mpanompoko, Ary ianao, ry Jesorona, izay nofidiko;
3 For [as] I pour water upon the thirsty [land], and rain-droppings upon the dry ground: [so] will I pour my spirit over thy seed, and my blessing over thy offspring.
Fa handatsaka rano amin’ izay mangetaheta Aho, ary riaka ho amin’ izay tany karankaina; Eny, handatsaka ny Fanahiko amin’ ny taranakao Aho, ary ny fitahiako ho amin’ ny terakao;
4 After they shall spring up [as] among grass, like willows by the water-courses.
Dia haniry eny amin’ ny ahitra tahaka ny hazomalahelo eny anilan’ ny rano mandeha ireny.
5 This one will say, I belong to the Lord; and the other will call himself by the name of Jacob; and the other will inscribe himself with his hand unto the Lord, and surname himself by the name of Israel.
Ny anankiray hilaza hoe: An’ i Jehovah aho: Ary ny anankiray koa hankalaza ny anarana hoe Jakoba; Ary ny anankiray koa indray hanoratra amin’ ny tànany hoe: An’ i Jehovah, Ary ny anarana hoe Isiraely dia hotononiny amim-panajana.
6 Thus hath said the Lord, the king of Israel, and his Redeemer, the Lord of hosts, I am the first, and I am the last; and beside me there is no god.
Izao no lazain’ i Jehovah, Mpanjakan’ ny Isiraely, dia Jehovah, Tompon’ ny maro, Mpanavotra azy: Izaho no voalohany, ary Izaho no farany: Ka tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho.
7 And who, like me, will announce, and will tell it, and set it in order for me, since I appointed the people of ancient times? and the future things, and those which are to happen, —let them foretell unto them.
Ary iza moa no mba mahantso tahaka Ahy (Aoka hanambara sy handahatra izany amiko izy) hatrizay nampitoerako ny firenena fony fahagola? Ary ny zavatra ho avy sy ny mbola ho tonga, dia aoka hambarany koa izany.
8 Have no dread, and do not despond; have I not long since informed thee, and have told it? and ye are my witnesses: Is there a god beside me? yea, there is no rock, whom I know not.
Aza matahotra na mangovitra ianareo; Tsy efa nampandre anareo hatramin’ ny fahiny va Aho ka nanambara taminareo? Eny, ianareo no vavolombeloko; Misy Andriamanitra afa-tsy Izaho va? Tsia, tsy misy Vatolampy, tsy hitako izany.
9 The makers of graven images are all vanity; and their costly idols cannot profit; and they are their own witnesses, that they see not and know not, in order that they may be ashamed.
Izay mamorona sarin-javatra voasokitra dia zava-poana avokoa; Ary ny zavatra tiany indrindra dia tsy mahasoa; Ny vavolombelon’ ireny dia tsy mahita na mahalala, mba hahamenatra azy.
10 Who hath formed a god, or cast an image that profiteth nothing?
Iza no namorona andriamanitra, na nanao sarin-javatra an-idina izay tsy mahasoa akory?
11 Behold, all his associates shall be ashamed, for the workmen themselves are but men: let them all be gathered, let them stand up, they shall be terrified, they shall be ashamed together.
Indro, ho menatra ny namany rehetra; Fa ny mpiasa dia olona ihany; Aoka hivory izy rehetra ka handroso; Aoka ho raiki-tahotra sy ho menatra avokoa izy.
12 The iron-smith [maketh] an axe and worketh it in the coals, and with hammers he fashioneth it, and worketh it with his powerful arm; he also, when he is hungry, loseth his strength: when he drinketh no water, he becometh faint.
Ny mpanefy manamboatra fiasana; Miasa amin’ ny arina izy ary manamboatra azy amin’ ny tantanana sy miasa azy amin’ ny sandriny matanjaka; Eny, noana izy, ka ketraka ny heriny; Tsy misotro rano izy ka reraka.
13 The worker in wood stretcheth out the rule; he marketh it out with chalk; he fitteth it with planes, and he marketh it out with the compass, and maketh it after the figure of a man, after the beauty of a child of earth, that it may dwell in a house.
Ny mpandrafitra manenjana ny kofehy sy manamarika azy amin’ ny fitsipihana; Manamboatra azy amin’ ny vankona izy, dia manamarika azy amin’ ny kompà ary mahavita azy ho tahaka ny endrik’ olona, dia tahaka ny hatsaran-tarehin’ ny olona, Mba hampitoerina ao an-trano.
14 He felleth for himself cedars, and taketh cypress and oak, and he chooseth for himself the strongest among the trees of the forest; he planteth an ash, and the rain causeth it to grow.
Tsy maintsy mijinja ny sedera izy ary maka ny hazo ileksa sy ôka Ary mifidy hazo any an’ ala; Mamboly ny hazo orno izy, ka ampanirin’ ny ranonorana izany;
15 Then doth it serve a man for burning; and he taketh thereof, and warmeth himself; he also heateth therewith, and baketh bread; he also worketh out a god, and boweth himself; he maketh of it an image, and kneeleth down thereto.
Ary dia anaovan’ ny olona kitay izany ka analany hamindroany; Eny, ampirehetiny izany mba hanendasany mofo; Anaovany andriamanitra izany, ka dia ivavahany; Eny, anaovany sarin-javatra voasokitra koa izany, ka dia iankohofany.
16 The half thereof hath he burnt in fire; with the half thereof will he eat flesh; he will roast food, and be satisfied; he will also warm himself, and say, Aha, I am warm, I have felt the fire:
Ny sasany dorany amin’ ny afo, eny, ny sasany ahandroany hena; Manatsatsika hena izy, ka dia voky; Eny, mamindro izy ka manao hoe: Aha! mafana aho izany! nahita afo aho lahy!
17 And the residue thereof hath he made into a god, his graven image; he kneeleth down unto it, and boweth himself, and prayeth unto it, and saith, Deliver me; for my god art thou.
Ary ny sisan’ izany dia amboariny ho andriamanitra, ho sarin-javatra voasokitra, Ary miondrika sy miankohoka eo anatrehany izy ka mivavaka aminy hoe: Vonjeo aho, fa andriamanitro ianao.
18 They know not, they understand not; for their eyes are daubed over, that they cannot see; their hearts, that they cannot understand.
Tsy mahalala na mahafantatra ireny; Fa voatampina ny masony ka tsy mahita, Ary ny fony, ka tsy mahalala.
19 And he layeth it not to heart, and hath no knowledge, no understanding, to say, The half thereof have I burnt in fire; and I have also baked upon its coals bread; I [now] will roast flesh, and eat it: and shall I make of its residue an abomination, before a block of wood shall I kneel?
Tsy misy mieritreritra ao am-pony, na mba manana fahalalana na saina akory hanao hoe: Ny sasany mantsy nodorako tamin’ ny afo; Eny, efa nanendy mofo tamin’ ny vainafony aho: Efa nanatsatsika hena aho ka nihinana; Koa ny sisa va hataoko fahavetavetana, Hiankohofako eo anatrehan’ izay vatan-kazo?
20 He pursueth ashes; a deceived heart hath turned him aside; and he cannot deliver his soul, and will not say, Is there not a lie in my right hand?
Homan-davenona izy; Voafitaka ny fony ka nampivily azy, ka dia tsy mahavonjy ny fanahiny izy na mahalaza hoe: Moa tsy lainga va no eto an-tanako ankavanana?
21 Remember these things, O Jacob; and Israel, for thou art my servant: I have formed thee to be my servant, thou [art this]; O Israel, thou shalt not be forgotten by me.
Tsarovy izany, ry Jakoba, dia ianao, ry Isiraely, fa mpanompoko ianao; Noforoniko ianao ka mpanompoko; Tsy hohadinoiko ianao, ry Isiraely ô,
22 I have blotted out, as a vapor, thy transgressions, and, as a cloud, thy sins: return unto me; for I have redeemed thee.
Izaho efa nandevona ny fahadisoanao tahaka ny fandevona ny zavona, ary ny fahotanao tahaka ny rahona; Koa miverena amiko, fa efa nanavotra anao Aho.
23 Sing, O ye heavens; for the Lord hath done it; shout, ye lowest depths of the earth; break forth into singing, ye mountains, O forest, and every tree therein; for the Lord hath redeemed Jacob, and on Israel will he glorify himself.
Mihobia, ry lanitra; Fa Jehovah no nanao izany; Manaova feo fifaliana ianareo, ry fitoerana lalina any ambanin’ ny tany; Velomy ny hoby, ry tendrombohitra, ary ianao, ry ala mbamin’ izay hazo rehetra ao; Fa Jehovah efa nanavotra an’ i Jakoba sy mampiseho ny voninahiny eo amin’ Isiraely.
24 Thus hath said the Lord, thy Redeemer, and he that formed thee from the womb, I am the Lord that hath made all things; that hath stretched forth the heavens by myself alone; that hath spread abroad the earth from my own self;
Izao no lazain’ i Jehovah, izay nanavotra anao sady namorona anao hatrany am-bohoka: Izaho no Jehovah Izay manao ny zavatra rehetra, Izaho irery no manenjana ny lanitra; Ny tenako ihany no mamelatra ny tany;
25 That frustrate the tokens of the liars, and confuseth diviners; that turneth the wise backward, and maketh their knowledge foolish;
Izaho mahafoana ny famantarana lazain’ ny mpibedibedy sy mampahavery saina ny mpanao fankatovana ary mampihemotra ny olon-kendry ka mampody ny fahalalany ho fahadalana,
26 That fulfilleth the word of his servant, and performeth the counsel of his messengers; that saith of Jerusalem, It shall be inhabited; and of the cities of Judah, They shall be built, and their ruins will I raise up.
Ary mahatò ny tenin’ ny mpanompoko sy mahatanteraka ny saina atolotry ny irako, ary manao amin’ i Jerosalema hoe: Honenana ianao, sy amin’ ny tanànan’ ny Joda hoe: Hatsangana ianareo, ka hamboariko izay rava eo,
27 That saith to the deep, Be dry, and thy rivers will I dry up;
Ary milaza amin’ ny rano lalina hoe: Tankina, Fa hataoko tankina ny oninao,
28 That saith of Cyrus, [He is] my shepherd, and all my pleasure shall he perform: even saying of Jerusalem, It shall be built; and the temple's foundation shall be laid.
Ary milaza an’ i Kyrosy hoe: Izy no mpiandry ondriko, ka izay sitrako rehetra dia hotanterahiny; Ary izy hanao amin’ i Jerosalema hoe: Hatsangana ianao, ary amin’ ny tempoly hoe: Haorina indray ny fanorenanao.

< Isaiah 44 >