< 1 Samuel 28 >

1 And it came to pass in those days, that the Philistines gathered their armies together for warfare, to fight with Israel. And Achish said unto David, Know you assuredly, that you shall go out with me to battle, you and your men.
Ary tamin’ izany andro izany ny Filistina dia namory ny miaramilany hanafika ny Isiraely. Ary hoy Akisy tamin’ i Davida: Aoka ho fantatrao tsara fa hiara-mivoaka amiko hanafika ianao sy ny olonao.
2 And David said to Achish, Surely you shall know what your servant can do. And Achish said to David, Therefore will I make you keeper of mine head for ever.
Ary hoy Davida tamin’ i Akisy: Amin’ izao dia ho fantatrao tokoa izay hain’ ny mpanomponao hatao. Ary hoy Akisy tamin’ i Davida: Noho izany dia hataoko mpiaro ny lohako mandrakizay ianao.
3 Now Samuel was dead, and all Israel had lamented him, and buried him in Ramah, even in his own city. And Saul had put away those that had familiar spirits, and the wizards, out of the land.
(Ary efa maty Samoela, ka ny Isiraely rehetra efa nisaona azy sy nandevina azy tao Rama, dia tao an-tanànany. Ary efa noroahin’ i Saoly hiala amin’ ny tany izay nanao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao hatsarana.)
4 And the Philistines gathered themselves together, and came and pitched in Shunem: and Saul gathered all Israel together, and they pitched in Gilboa.
Ary ny Filistina nivory, dia tonga ka nitoby tao Sonema; fa Saoly namory ny Isiraely rehetra, ka nitoby tao Gilboa kosa ireo.
5 And when Saul saw the host of the Philistines, he was afraid, and his heart greatly trembled.
Ary Saoly, raha nahita ny miaramilan’ ny Filistina, dia raiki-tahotra sady niemponempona ny fony.
6 And when Saul enquired of the LORD, the LORD answered him not, neither by dreams, nor by Urim, nor by prophets.
Ary Saoly dia nanontany tamin’ i Jehovah, fa Jehovah tsy namaly azy, na tamin’ ny nofy, na tamin’ ny Orima, na tamin’ ny mpaminany.
7 Then said Saul unto his servants, Seek me a woman that has a familiar spirit, that I may go to her, and enquire of her. And his servants said to him, Behold, there is a woman that has a familiar spirit at Endor.
Ary hoy Saoly tamin’ ny mpanompony: Itadiavo vehivavy manao azy ho tsindrian-javatra aho hankanesako any hanontaniako aminy. Ary hoy ny mpanompony taminy: Indro, misy vehivavy manao azy ho tsindrian-javatra eo Andora.
8 And Saul disguised himself, and put on other raiment, and he went, and two men with him, and they came to the woman by night: and he said, I pray you, divine unto me by the familiar spirit, and bring me him up, whom I shall name unto you.
Dia nanova tarehy Saoly ka nitafy fitafiana hafa, dia nandeha izy sy ny olona roa lahy nanaraka azy ka tonga tao amin-dravehivavy nony alina; ary hoy izy: Masìna ianao, manaova fankatovana ho ahy amin’ ny zavatra manindry anao, ka ampiakaro ho etỳ amiko izay hotononiko aminao.
9 And the woman said unto him, Behold, you know what Saul has done, how he has cut off those that have familiar spirits, and the wizards, out of the land: wherefore then lay you a snare for my life, to cause me to die?
Ary hoy ravehivavy taminy: Indro, fantatrao izay nataon’ i Saoly, dia ny nandroahany ny manao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao hatsarana hiala amin’ ny tany, ka nahoana ianao no mamandrika ny aiko hahafaty ahy?
10 And Saul swore to her by the LORD, saying, As the LORD lives, there shall no punishment happen to you for this thing.
Ary Saoly nianiana tamin’ i Jehovah ka nanao taminy hoe: Raha velona koa Jehovah, dia tsy hisy heloka hahazo anao amin’ izao zavatra izao.
11 Then said the woman, Whom shall I bring up unto you? And he said, Bring me up Samuel.
Dia hoy ravehivavy: Iza ary no hampiakariko ho eto aminao? Ary hoy izy: Samoela no ampiakaro ho etỳ amiko.
12 And when the woman saw Samuel, she cried with a loud voice: and the woman spoke to Saul, saying, Why have you deceived me? for you are Saul.
Ary hitan-dravehivavy Samoela, dia nidradradradra tamin’ ny feo mafy izy ka nanao tamin’ i Saoly hoe: Nahoana no namitaka ahy ianao? fa ianao no Saoly.
13 And the king said unto her, Be not afraid: for what saw you? And the woman said unto Saul, I saw gods ascending out of the earth.
Ary hoy ny mpanjaka taminy: Aza matahotra; fa inona no hitanao? Ary hoy ravehivavy tamin’ i Saoly: Andriamanitra miakatra avy amin’ ny tany no hitako.
14 And he said unto her, What form is he of? And she said, An old man comes up; and he is covered with a mantle. And Saul perceived that it was Samuel, and he stooped with his face to the ground, and bowed himself.
Ary hoy izy taminy: Manao ahoana no endriny? Dia hoy izy: Lehilahy antitra no miakatra sady mikapôty izy. Ary fantatr’ i Saoly fa Samoela izay, dia niondrika tamin’ ny tany izy ka niankohoka.
15 And Samuel said to Saul, Why have you disquieted me, to bring me up? And Saul answered, I am sore distressed; for the Philistines make war against me, and God is departed from me, and answers me no more, neither by prophets, nor by dreams: therefore I have called you, that you may make known unto me what I shall do.
Ary hoy Samoela tamin’ i Saoly: Nahoana no korontaninao aho ka ampiakarinao? Dia hoy Saoly: Tery loatra aho, fa miady amiko ny Filistina, ary Andriamanitra efa nahafoy ahy ka tsy mamaly teny ahy intsony, na amin’ ny mpaminany, na amin’ ny nofy; koa izany no nampanalako anao mba hampahalalanao ahy izay hataoko.
16 Then said Samuel, Wherefore then do you ask of me, seeing the LORD is departed from you, and is become your enemy?
Ary hoy Samoela: Nahoana no manontany amiko ianao, nefa Jehovah efa mahafoy anao ka tonga fahavalonao.
17 And the LORD has done to him, as he spoke by me: for the LORD has rent the kingdom out of your hand, and given it to your neighbour, even to David:
Fa Jehovah efa nanao ho Azy araka ny nampilazainy ahy; fa efa nendahany hiala amin’ ny tananao ny fanjakana ka nomeny an’ i Davida namanao.
18 Because you obeyed not the voice of the LORD, nor executed his fierce wrath upon Amalek, therefore has the LORD done this thing unto you this day.
Satria tsy nihaino ny feon’ i Jehovah ianao ka tsy nahatanteraka ny fahatezerany mirehitra tamin’ ny Amalekita, dia izany no nanaovan’ i Jehovah izao zavatra izao taminao androany.
19 Moreover the LORD will also deliver Israel with you into the hand of the Philistines: and tomorrow shall you and your sons be with me: the LORD also shall deliver the host of Israel into the hand of the Philistines.
Ary hiaraka hatolotr’ i Jehovah ho eo an-tànan’ ny Filistina ny tenanao sy ny Isiraely; ary rahampitso dia ho etỳ amiko ianao sy ny zanakao; ary ny miaramilan’ ny Isiraely koa dia hatolotr’ i Jehovah eo an-tànan’ ny Filistina.
20 Then Saul fell immediately all along on the earth, and was sore afraid, because of the words of Samuel: and there was no strength in him; for he had eaten no bread all the day, nor all the night.
Dia lavo niampatra tamin’ ny tany niaraka tamin’ izay Saoly ka raiki-tahotra indrindra noho ny tenin’ i Samoela; sady efa tsy nisy hery intsony izy, satria tsy nihinan-kanina indray andro sy indray alina maninjitra.
21 And the woman came unto Saul, and saw that he was sore troubled, and said unto him, Behold, your handmaid has obeyed your voice, and I have put my life in my hand, and have hearkened unto your words which you spoke unto me.
Ary nankao amin’ i Saoly ravehivavy ka nahita azy ory indrindra, dia nanao taminy hoe: Indro, ny ankizivavinao nihaino ny feonao, dia nanao ny aiko tsy ho zavatra aho ka nihaino ny teninao izay nolazainao tamiko.
22 Now therefore, I pray you, hearken you also unto the voice of your handmaid, and let me set a morsel of bread before you; and eat, that you may have strength, when you go on your way.
Koa ankehitriny, masìna ianao, mba henoy kosa ny tenin’ ny ankizivavinao, ary aoka aho handroso sombin-kanina kely eo anoloanao; dia hano izany mba hahatanjaka anao, raha handeha amin’ ny alehanao ianao.
23 But he refused, and said, I will not eat. But his servants, together with the woman, compelled him; and he hearkened unto their voice. So he arose from the earth, and sat upon the bed.
Fa tsy nety izy, fa hoy izy: Tsy hihinana aho. Fa ny mpanompony sy ravehivavy mbola nanery azy ihany, ka dia nihaino ny feony izy. Dia nitsangana izy ka nipetraka teo am-parafara.
24 And the woman had a fat calf in the house; and she hasted, and killed it, and took flour, and kneaded it, and did bake unleavened bread thereof:
Ary ravehivavy nanana zanak’ omby mifahy tao an-trano; dia nandeha haingana izy ka namono izany, ary naka koba izy, dia nofetafetainy ka nendasiny ho mofo tsy misy masirasira.
25 And she brought it before Saul, and before his servants; and they did eat. Then they rose up, and went away that night.
Ary narosony teo anoloan’ i Saoly sy teo anoloan’ ny mpanompony izany; dia nihinana izy ireo, ary dia niainga ka lasa nandeha tamin’ iny alina iny ihany.

< 1 Samuel 28 >