< Numbers 10 >

1 AND the Lord spake unto Moses, saying,
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
2 Make thee two trumpets of silver; of a whole piece shalt thou make them: that thou mayest use them for the calling of the assembly, and for the journeying of the camps.
Manaova trompetra volafotsy roa ho anao; voasana no hanaovanao azy; dia ho fiantsoanao ny fiangonana sy ho fampiainganao ny toby ireo.
3 And when they shall blow with them, all the assembly shall assemble themselves to thee at the door of the tabernacle of the congregation.
Ary raha tsofina avokoa ireo, dia hivory eo aminao, eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana, ny fiangonana rehetra.
4 And if they blow but with one trumpet, then the princes, which are heads of the thousands of Israel, shall gather themselves unto thee.
Fa raha ny iray ihany no tsofina, dia ny lohan’ ny firenena, izay mpifehy arivo amin’ ny Isiraely, ihany no hivory eo aminao.
5 When ye blow an alarm, then the camps that lie on the east parts shall go forward.
Fa raha mitsoka ho fampitairana ianareo, dia hiainga ny toby izay mitoetra eo atsinanana.
6 When ye blow an alarm the second time, then the camps that lie on the south side shall take their journey: they shall blow an alarm for their journeys.
Ary raha mitsoka ho fampitairana fanindroany ianareo, dia hiainga ny toby izay mitoetra eo atsimo; fampitairana no hatao fiaingany.
7 But when the congregation is to be gathered together, ye shall blow, but ye shall not sound an alarm.
Fa raha hampivory ny fiangonana kosa ianareo, dia hitsoka fotsiny, fa tsy hanao fampitairana.
8 And the sons of Aaron, the priests, shall blow with the trumpets; and they shall be to you for an ordinance for ever throughout your generations.
Ary ireo mpisorona, zanak’ i Arona, no hitsoka ny trompetra; dia ho lalàna mandrakizay ho anareo hatramin’ ny taranakareo fara mandimby izany.
9 And if ye go to war in your land against the enemy that oppresseth you, then ye shall blow an alarm with the trumpets; and ye shall be remembered before the Lord your God, and ye shall be saved from your enemies.
Ary raha misy ady eo amin’ ny taninareo, ka mandeha hiady amin’ ny fahavalo izay mampahory anareo ianareo, dia hitsoka ireo trompetra ireo ho fampitairana, dia hotsarovana eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrareo ianareo ka hovonjena amin’ ny fahavalonareo.
10 Also in the day of your gladness, and in your solemn days, and in the beginnings of your months, ye shall blow with the trumpets over your burnt offerings, and over the sacrifices of your peace offerings; that they may be to you for a memorial before your God: I am the Lord your God.
Ary amin’ ny andro fifalianareo, sy amin’ ny fotoam-pivavahanareo, ary amin’ ny voaloham-bolanareo no hitsofanareo ny trompetra, raha manao ny fanatitra doranareo sy ny fanati-pihavananareo; dia ho fahatsiarovana ho anareo izany eo anatrehan’ Andriamanitrareo: Izaho Jehovah no Andriamanitrareo.
11 And it came to pass on the twentieth day of the second month, in the second year, that the cloud was taken up from off the tabernacle of the testimony.
Ary tamin’ ny andro faharoa-polo tamin’ ny volana faharoa, tamin’ ny taona faharoa, no niakaran’ ny rahona niala teo ambonin’ ny tabernakelin’ ny Vavolombelona.
12 And the children of Israel took their journeys out of the wilderness of Sinai; and the cloud rested in the wilderness of Paran.
Dia niainga tany an-efitr’ i Sinay ny Zanak’ Isiraely ka nandroso, ary ny rahona nijanona tany an-efitra Parana.
13 And they first took their journey according to the commandment of the Lord by the hand of Moses.
Dia izany no niaingany voalohany araka ny didin’ i Jehovah izay nampitondrainy an’ i Mosesy.
14 In the first place went the standard of the camp of the children of Judah according to their armies: and over his host was Nahshon the son of Amminadab.
Ary ny fanevan’ ny tobin’ ny taranak’ i Joda no niainga voalohany araka ny antokony, ary Nasona, zanak’ i Aminadaba, no mpifehy ny antokony.
15 And over the host of the tribe of the children of Issachar was Nethaneel the son of Zuar.
Ary Netanela, zanak’ i Zoara, no mpifehy ny antokon’ ny firenena taranak’ Isakara.
16 And over the host of the tribe of the children of Zebulun was Eliab the son of Helon.
Ary Eliaba, zanak’ i Helona, no mpifehy ny antokon’ ny firenena taranak’ i Zebolona.
17 And the tabernacle was taken down; and the sons of Gershon and the sons of Merari set forward, bearing the tabernacle.
Dia nahorona ny tabernakely, ka niainga ny taranak’ i Gersona sy ny taranak’ i Merary, nitondra ny tabernakely.
18 And the standard of the camp of Reuben set forward according to their armies: and over his host was Elizur the son of Shedeur.
Dia niainga ny fanevan’ ny tobin’ i Robena araka ny antokony; ary Elizora, zanak’ i Sedeora, no mpifehy ny antokony.
19 And over the host of the tribe of the children of Simeon was Shelumiel the son of Zurishaddai.
Ary Selomiela, zanak’ i Zorisaday, no mpifehy ny antokon’ ny firenena taranak’ i Simeona.
20 And over the host of the tribe of the children of Gad was Eliasaph the son of Deuel.
Ary Eliasafa, zanak’ i Doela, no mpifehy ny antokon’ ny firenena taranak’ i Gada.
21 And the Kohathites set forward, bearing the sanctuary: and the other did set up the tabernacle against they came.
Dia niainga ny Kehatita, mitondra ny zava-masìna; ary nisy nanangana ny tabernakely mandra-pihaviny.
22 And the standard of the camp of the children of Ephraim set forward according to their armies: and over his host was Elishama the son of Ammihud.
Dia niainga ny fanevan’ ny tobin’ ny taranak’ i Efraima, araka ny antokony; ary Elisama, zanak’ i Amihoda, no mpifehy ny antokony.
23 And over the host of the tribe of the children of Manasseh was Gamaliel the son of Pedahzur.
Ary Gamaliela, zanak’ i Pedazora, no mpifehy ny antokon’ ny firenena taranak’ i Manase.
24 And over the host of the tribe of the children of Benjamin was Abidan the son of Gideoni.
Ary Abidana, zanak’ i Gideony, no mpifehy ny firenena taranak’ i Benjamina.
25 And the standard of the camp of the children of Dan set forward, which was the rereward of all the camps throughout their hosts: and over his host was Ahiezer the son of Ammishaddai.
Dia niainga ny fanevan’ ny tobin’ ny taranak’ i Dana, izay vodi-lalan’ ny toby rehetra, araka ny antokony; ary Ahiezera, zanak’ i Amisaday, no mpifehy ny antokony.
26 And over the host of the tribe of the children of Asher was Pagiel the son of Ocran.
Ary Pagiela, zanak’ i Okrana, no mpifehy ny antokon’ ny firenena taranak’ i Asera.
27 And over the host of the tribe of the children of Naphtali was Ahira the son of Enan.
Ary Ahira, zanak’ i Enana, no mpifehy ny antokon’ ny firenena taranak’ i Naftaly.
28 Thus were the journeyings of the children of Israel according to their armies, when they set forward.
Izany no fandehan’ ny Zanak’ Isiraely, araka ny antokony avy, raha niainga izy.
29 And Moses said unto Hobab, the son of Raguel the Midianite, Moses’ father in law, We are journeying unto the place of which the Lord said, I will give it you: come thou with us, and we will do thee good: for the Lord hath spoken good concerning Israel.
Dia hoy Mosesy tamin’ i Hobaba, zanak’ i Regoela Midianita, rafozan’ i Mosesy: Izahay izao dia mandeha hankany amin’ ny tany izay nolazain’ i Jehovah hoe: Homeko anareo izy; andeha hiaraka aminay ianao, dia hasianay soa; fa Jehovah efa nilaza soa ny amin’ ny Isiraely.
30 And he said unto him, I will not go; but I will depart to mine own land, and to my kindred.
Fa hoy kosa izy taminy: Tsy handeha aho; fa hody any amin’ ny taniko sy ny havako.
31 And he said, Leave us not, I pray thee; forasmuch as thou knowest how we are to encamp in the wilderness, and thou mayest be to us instead of eyes.
Dia hoy Mosesy: Aza dia ilaozanao izahay; fa fantatrao izay tokony hitobianay atỳ an-efitra, ka dia ho masonay ianao.
32 And it shall be, if thou go with us, yea, it shall be, that what goodness the Lord shall do unto us, the same will we do unto thee.
Ary raha hiaraka aminay ianao, dia izay soa hataon’ i Jehovah aminay no mba hataonay aminao kosa.
33 And they departed from the mount of the Lord three days’ journey: and the ark of the covenant of the Lord went before them in the three days’ journey, to search out a resting place for them.
Dia niainga niala tany an-tendrombohitr’ i Jehovah lalan-kateloana izy; ary ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah nandroso nialoha azy lalan-kateloana hitady fialan-tsasatra ho an’ ny olona.
34 And the cloud of the Lord was upon them by day, when they went out of the camp.
Ary ny rahon’ i Jehovah dia teo amboniny nony andro tamin’ ny niaingany niala tamin’ ny nitobiany.
35 And it came to pass, when the ark set forward, that Moses said, Rise up, Lord, and let thine enemies be scattered; and let them that hate thee flee before thee.
Ary raha niainga ny fiara, dia hoy Mosesy: Mitsangàna, Jehovah ô, ka aoka hiely ny fahavalonao; ary aoka handositra ny tavanao izay mankahala Anao.
36 And when it rested, he said, Return, O Lord, unto the many thousands of Israel.
Ary raha nijanona kosa ny fiara, dia hoy izy: Miverena, Jehovah ô, ho amin’ ny Isiraely tsy omby alinalina.

< Numbers 10 >