< Numbers 22 >

1 And the children of Israel set forward, and pitched in the plains of Moab on this side Jordan by Jericho.
Ary ny Zanak’ Isiraely nifindra nitoby tao Arbota-moaba, tany an-dafin’ i Jordana tandrifin’ i Jeriko.
2 And Balak the son of Zippor saw all that Israel had done to the Amorites.
Ary Balaka, zanak’ i Zipora, nahita izay rehetra efa nataon’ ny Isiraely tamin’ ny Amorita.
3 And Moab was sore afraid of the people, because they were many: and Moab was distressed because of the children of Israel.
Dia raiki-tahotra indrindra ny Moabita noho ny hamaroan’ ny olona; ary nangorohoro ny Moabita noho ny Zanak’ Isiraely.
4 And Moab said to the elders of Midian, Now shall this company lick up all that are round about us, as the ox licks up the grass of the field. And Balak the son of Zippor was king of the Moabites at that time.
Dia hoy izy tamin’ ny loholon’ ny Midianita: Ankehitriny dia hiraoka izay rehetra manodidina antsika ireto vahoaka be ireto tahaka ny firaokan’ ny omby ny zava-maitso any an-tsaha. Ary Balaka, zanak’ i Zipora, no mpanjakan’ i Moaba tamin’ izany andro izany.
5 He sent messengers therefore to Balaam the son of Beor to Pethor, which is by the river of the land of the children of his people, to call him, saying, Behold, there is a people come out from Egypt: behold, they cover the face of the earth, and they abide over against me:
Dia naniraka olona izy ho any amin’ i Balama, zanak’ i Beora, any Petora, izay eo amoron’ ny Ony, dia eo amin’ ny tanin’ ny fireneny, mba hampaka azy, ka nanao hoe: Indro, misy firenena nivoaka avy tany Egypta; ary indro, mandrakotra ny tany rehetra izy ka mitoby tandrifiko;
6 Come now therefore, I pray you, curse me this people; for they are too mighty for me: peradventure I shall prevail, that we may smite them, and that I may drive them out of the land: for I know that he whom you bless is blessed, and he whom you curse is cursed.
koa ankehitriny mba mankanesa atỳ, ka ozòny ho ahy ity firenena ity, fa mahery noho izaho izy; angamba hahazo mamely azy isika, ka handroaka azy hiala amin’ ny tany aho; satria fantatro fa izay tsofinao rano dia voatahy, ary izay ozoninao dia voaozona.
7 And the elders of Moab and the elders of Midian departed with the rewards of divination in their hand; and they came to Balaam, and spoke to him the words of Balak.
Dia nandeha ny loholon’ ny Moabita sy ny loholon’ ny Midianita nitondra ny saran’ ny fankatovana teny an-tànany; dia nankany amin’ i Balama izy ka nilaza taminy izay tenin’ i Balaka.
8 And he said to them, Lodge here this night, and I will bring you word again, as the LORD shall speak to me: and the princes of Moab stayed with Balaam.
Ary hoy Balama taminy: Mandria atỳ anio alina, dia hamaly ny teninareo aho, araka izay holazain’ i Jehovah amiko. Dia nitoetra tao amin’ i Balama ireo andriandahin’ i Moaba.
9 And God came to Balaam, and said, What men are these with you?
Ary Andriamanitra nankao amin’ i Balama ka nanao hoe: Iza moa ireo lehilahy ato aminao ireo?
10 And Balaam said to God, Balak the son of Zippor, king of Moab, has sent to me, saying,
Dia hoy Balama tamin’ Andriamanitra: Balaka, zanak’ i Zipora, mpanjakan’ i Moaba, no efa naniraka tamiko hoe:
11 Behold, there is a people come out of Egypt, which covers the face of the earth: come now, curse me them; peradventure I shall be able to overcome them, and drive them out.
Indro ny firenena izay nivoaka avy tany Egypta mandrakotra ny tany rehetra; koa mankanesa atỳ ankehitriny, ka ozòny ho ahy izy; angamba haharesy azy aho ka haharoaka azy.
12 And God said to Balaam, You shall not go with them; you shall not curse the people: for they are blessed.
Ary hoy Andriamanitra tamin’ i Balama: Aza mandeha miaraka aminy, na manozona izany firenena izany, fa voatahy izy.
13 And Balaam rose up in the morning, and said to the princes of Balak, Get you into your land: for the LORD refuses to give me leave to go with you.
Dia nifoha maraina koa Balama, ka nanao tamin’ ireo andriandahin’ i Balaka hoe: Andeha mody any amin’ ny taninareo; fa tsy avelan’ i Jehovah handeha hiaraka aminareo aho.
14 And the princes of Moab rose up, and they went to Balak, and said, Balaam refuses to come with us.
Ary niainga ireo andriandahin’ i Moaba, dia tonga tany amin i Balaka ka nanao hoe: Tsy nety nandeha niaraka taminay Balama.
15 And Balak sent yet again princes, more, and more honorable than they.
Ary Balaka naniraka andriandahy maro sady malaza noho ny teo indray.
16 And they came to Balaam, and said to him, Thus says Balak the son of Zippor, Let nothing, I pray you, hinder you from coming to me:
Dia tonga tao amin’ i Balama ireny ka nanao taminy hoe: Izao no lazain’ i Balaka, zanak’ i Zipora: Aoka mba tsy ho azon-tsampona ny hankanesanao atỳ amiko;
17 For I will promote you to very great honor, and I will do whatever you say to me: come therefore, I pray you, curse me this people.
fa hanome anao voninahitra lehibe indrindra aho, ary izay rehetra holazainao amiko dia hataoko avokoa; koa masìna ianao, mankanesa atỳ, ozòny ho ahy ity firenena ity.
18 And Balaam answered and said to the servants of Balak, If Balak would give me his house full of silver and gold, I cannot go beyond the word of the LORD my God, to do less or more.
Fa namaly Balama ka nanao tamin’ ny mpanompon’ i Balaka hoe: Na dia homen’ i Balaka volafotsy sy volemana eran’ ny tranony aza aho, dia tsy mahazo manoatra ny tenin’ i Jehovah Andriamanitro aho, na handatsaka, na hampihoatra.
19 Now therefore, I pray you, tarry you also here this night, that I may know what the LORD will say to me more.
Nefa, na dia izany aza, mitoera atỳ ihany koa ianareo anio alina, mba ho fantatro izay mbola holazain’ i Jehovah amiko koa.
20 And God came to Balaam at night, and said to him, If the men come to call you, rise up, and go with them; but yet the word which I shall say to you, that shall you do.
Ary nony alina dia nankao amin’ i Balama Andriamanitra ka nanao taminy hoe: Raha haka anao no nahatongavan’ ireo olona ireo, dia miaingà ka mandehana ihany miaraka aminy; kanefa ny teny izay holazaiko aminao ihany no hataonao.
21 And Balaam rose up in the morning, and saddled his ass, and went with the princes of Moab.
Dia nifoha maraina koa Balama ka nanisy lasely ny borikiny, dia nandeha niaraka tamin’ ireo andriandahin’ i Moaba.
22 And God’s anger was kindled because he went: and the angel of the LORD stood in the way for an adversary against him. Now he was riding on his ass, and his two servants were with him.
Ary nirehitra taminy ny fahatezeran’ Andriamanitra, satria nandeha izy; ka dia nijanona teo an-dalana Ilay Anjelin’ i Jehovah ho mpisakana azy. Ary Balama nitaingina ny borikiny, ary ny zatovony roa lahy nanaraka azy.
23 And the ass saw the angel of the LORD standing in the way, and his sword drawn in his hand: and the ass turned aside out of the way, and went into the field: and Balaam smote the ass, to turn her into the way.
Dia hitan’ ny boriky nijanona teo an-dalana Ilay Anjelin’ i Jehovah sady nitana ny sabany voatsoaka teny an-tànany; dia nivily lalana ny boriky ka nankany amin’ ny saha; dia nikapoka ny boriky Balama mba hampiverina azy ho amin’ ny lalana.
24 But the angel of the LORD stood in a path of the vineyards, a wall being on this side, and a wall on that side.
Ary Ilay Anjelin’ i Jehovah nijanona teo an-kandemponana tanelanelan’ ny tanim-boaloboka, izay nisy fefy teo an-daniny roa.
25 And when the ass saw the angel of the LORD, she thrust herself to the wall, and crushed Balaam’s foot against the wall: and he smote her again.
Ary ny boriky nahita Ilay Anjelin’ i Jehovah, dia niampify teo amin’ ny fefy ka nanery ny tongotr’ i Balama tamin’ ny fefy; dia nikapoka azy indray izy.
26 And the angel of the LORD went further, and stood in a narrow place, where was no way to turn either to the right hand or to the left.
Ary mbola nandroso Ilay Anjelin’ i Jehovah ka nijanona teo amin’ ny fitoerana èty, izay tsy nisy lalana hiviliana, na ho amin’ ny ankavanana, na ho amin’ ny ankavia.
27 And when the ass saw the angel of the LORD, she fell down under Balaam: and Balaam’s anger was kindled, and he smote the ass with a staff.
Ary ny boriky nahita ilay Anjelin’ i Jehovah, dia nandry teo ambanin’ i Balama; ary nirehitra ny fahatezeran’ i Balama ka nikapoka ny boriky tamin’ ny tehina izy.
28 And the LORD opened the mouth of the ass, and she said to Balaam, What have I done to you, that you have smitten me these three times?
Dia nosokafan’ i Jehovah ny vavan’ ny boriky, ka hoy ny boriky tamin’ i Balama: Inona no nataoko taminao no dia nokapohinao intelo aho izao?
29 And Balaam said to the ass, Because you have mocked me: I would there were a sword in my hand, for now would I kill you.
Dia hoy Balama tamin’ ny boriky: Satria namazivazy ahy ianao; enga anie ka misy sabatra etỳ an-tanako, dia matiko mihitsy ianao ankehitriny.
30 And the ass said to Balaam, Am not I your ass, on which you have ridden ever since I was your to this day? was I ever wont to do so to you? And he said, No.
Ary hoy ny boriky tamin’ i Balama: Tsy borikinao va aho, izay nitaingenanao hatrizay nanananao ahy ka mandraka androany? Moa efa fanaoko va ny manao toy izao aminao? Dia hoy izy: Tsia.
31 Then the LORD opened the eyes of Balaam, and he saw the angel of the LORD standing in the way, and his sword drawn in his hand: and he bowed down his head, and fell flat on his face.
Dia nampahiratin’ i Jehovah ny mason’ i Balama hahita Ilay Anjelin’ i Jehovah mijanona eo an-dalana sady mitana ny sabany voatsoaka eny an-tànany; dia niondrika izy ka niankohoka.
32 And the angel of the LORD said to him, Why have you smitten your ass these three times? behold, I went out to withstand you, because your way is perverse before me:
Ary hoy Ilay Anjelin’ i Jehovah taminy: Nahoana no nikapoka ny borikinao intelo ianao izao? indro, Izaho no nivoaka ho mpisakana anao, satria mivarina amin-doza eto anatrehako ny lalanao.
33 And the ass saw me, and turned from me these three times: unless she had turned from me, surely now also I had slain you, and saved her alive.
Koa nahita Ahy ny boriky ka nivily Ahy intelo izao; raha tsy nivily Ahy izy, dia ianao no nataoko maty mihitsy toy izay, fa izy kosa no novelomiko.
34 And Balaam said to the angel of the LORD, I have sinned; for I knew not that you stood in the way against me: now therefore, if it displease you, I will get me back again.
Dia hoy Balama tamin’ Ilay Anjelin’ i Jehovah: Efa nanota aho; fa tsy fantatro fa Hianao no nijanona nisakana ahy teo an-dalana; koa ankehitriny, raha tsy sitrakao izany, dia hiverina aho.
35 And the angel of the LORD said to Balaam, Go with the men: but only the word that I shall speak to you, that you shall speak. So Balaam went with the princes of Balak.
Fa hoy Ilay Anjelin’ i Jehovah tamin’ i Balama: Mandehana ihany miaraka amin’ ireo lehilahy ireo, kanefa ny teny izay holazaiko aminao ihany no holazainao. Dia nandeha Balama niaraka tamin’ ireo andriandahin’ i Balaka.
36 And when Balak heard that Balaam was come, he went out to meet him to a city of Moab, which is in the border of Arnon, which is in the utmost coast.
Ary nony ren’ i Balaka fa tonga Balama, dia nivoaka izy mba hitsena azy teo amin’ ny Tanànan’ i Moaba, teo amin’ ny fari-tanin’ i Arnona, izay eo amin’ ny sisin’ ny fari-tany.
37 And Balak said to Balaam, Did I not earnestly send to you to call you? why came you not to me? am I not able indeed to promote you to honor?
Ary hoy Balaka tamin’ i Balama: Tsy naniraka dia naniraka tany aminao va aho nampaka anao; ? Ka nahoana no tsy nankaty amiko ianao? tsy haiko tokoa va ny hanome voninahitra anao?
38 And Balaam said to Balak, See, I am come to you: have I now any power at all to say any thing? the word that God puts in my mouth, that shall I speak.
Dia hoy Balama tamin’ i Balaka: Inty aho tonga eto aminao ankehitriny; kanefa mahazo milaza teny akory va aho? ny teny izay hataon’ Andriamanitra ao am-bavako, dia izany no holazaiko.
39 And Balaam went with Balak, and they came to Kirjathhuzoth.
Dia nandeha Balama niaraka tamin’ i Balaka, ka nankany Kinata-hozota izy roa lahy.
40 And Balak offered oxen and sheep, and sent to Balaam, and to the princes that were with him.
Ary Balaka namono omby sy ondry aman’ osy hatao fanatitra ka nampanatitra ho an’ i Balama sy ny andriandahy izay teo aminy.
41 And it came to pass on the morrow, that Balak took Balaam, and brought him up into the high places of Baal, that there he might see the utmost part of the people.
Ary nony maraina Balama dia nalain’ i Balaka ka nentiny niakatra ho ao Bamota-bala, ka dia tazany tao ny olona hatramin’ ny sisin’ ny tobiny.

< Numbers 22 >