< 2 Kings 2 >
1 And it came to pass, when the LORD would take up Elijah into heaven by a whirlwind, that Elijah went with Elisha from Gilgal.
Ary nony efa hampakarin’ i Jehovah ho any an-danitra amin’ ny tafio-drivotra Elia, dia niara-nandeha avy tany Gilgala izy sy Elisa.
2 And Elijah said to Elisha, Tarry here, I pray you; for the LORD has sent me to Bethel. And Elisha said to him, As the LORD lives, and as your soul lives, I will not leave you. So they went down to Bethel.
Ary hoy Elia tamin’ i Elisa: Masìna ianao, mijanòna eto; fa Jehovah efa naniraka ahy hatrany Betela. Fa hoy Elisa: Raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny ainao, tsy handao anao mihitsy aho. Ka dia nidina nankany Betela izy roa lahy.
3 And the sons of the prophets that were at Bethel came forth to Elisha, and said to him, Know you that the LORD will take away your master from your head to day? And he said, Yes, I know it; hold you your peace.
Ary nivoaka nankany amin’ i Elisa ireo zanaky ny mpaminany izay tao Betela ka nanao taminy hoe: Fantatrao va fa anio no hangalan’ i Jehovah ny tomponao hiala ho any ambonin’ ny lohanao? Dia hoy izy: Eny, fantatro ihany koa izany, fa mangìna ianareo.
4 And Elijah said to him, Elisha, tarry here, I pray you; for the LORD has sent me to Jericho. And he said, As the LORD lives, and as your soul lives, I will not leave you. So they came to Jericho.
Ary hoy Elia taminy: Masìna ianao, ry Elisa, mijanòna eto; fa Jehovah efa naniraka ahy ho any Jeriko. Fa hoy Elisa: Raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny ainao, tsy handao anao mihitsy aho. Ka dia tonga tany Jeriko izy roa lahy.
5 And the sons of the prophets that were at Jericho came to Elisha, and said to him, Know you that the LORD will take away your master from your head to day? And he answered, Yes, I know it; hold you your peace.
Ary ireo zanaky ny mpaminany izay tao Jeriko nanatona an’ i Elisa ka nanao taminy hoe: Fantatrao va fa anio no hangalan’ i Jehovah ny tomponao hiala ho any ambonin’ ny lohanao? Ary izy namaly hoe: Eny, fantatro ihany koa izany, fa mangìna ianareo.
6 And Elijah said to him, Tarry, I pray you, here; for the LORD has sent me to Jordan. And he said, As the LORD lives, and as your soul lives, I will not leave you. And they two went on.
Ary hoy Elia taminy: Masìna ianao, mijanòna eto; fa Jehovah efa naniraka ahy ho any Jordana. Fa hoy Elisa: Raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny ainao, tsy handao anao mihitsy aho. Ary dia lasa nandeha izy roa lahy.
7 And fifty men of the sons of the prophets went, and stood to view afar off: and they two stood by Jordan.
Ary nisy dimam-polo lahy, zanaky ny mpaminany, nandeha, dia nijanona tandrifiny teny lavitra eny; fa izy roa lahy kosa nitsangana teo amoron’ i Jordana.
8 And Elijah took his mantle, and wrapped it together, and smote the waters, and they were divided here and thither, so that they two went over on dry ground.
Ary Elia nandray ny kapôtiny ka namalona azy, dia nikapoka ny rano, ary nisaraka roa ny rano, ka dia nita tamin’ ny tany maina izy roa lahy.
9 And it came to pass, when they were gone over, that Elijah said to Elisha, Ask what I shall do for you, before I be taken away from you. And Elisha said, I pray you, let a double portion of your spirit be on me.
Ary nony efa tafita izy roa lahy, dia hoy Elia tamin’ i Elisa: Angataho izay hataoko ho anao, dieny tsy mbola misaraka aminao aho. Ary hoy Elisa: Masìna ianao, aoka ny anjaran-droa amin’ ny fanahinao mba ho ahy.
10 And he said, You have asked a hard thing: nevertheless, if you see me when I am taken from you, it shall be so to you; but if not, it shall not be so.
Fa hoy izy: Sarotra ny nangatahinao; kanefa raha mahita ahy misaraka aminao ianao, dia ho anao ihany izany; fa raha tsy izany kosa, dia tsy ho anao izany.
11 And it came to pass, as they still went on, and talked, that, behold, there appeared a chariot of fire, and horses of fire, and parted them both asunder; and Elijah went up by a whirlwind into heaven.
Ary raha mbola nandeha sy niresaka izy roa lahy, dia, indro, nisy kalesy afo sy soavaly afo nampisaraka azy roa lahy; ary Elia niakatra tamin’ ny tafio-drivotra ho any an-danitra.
12 And Elisha saw it, and he cried, My father, my father, the chariot of Israel, and the horsemen thereof. And he saw him no more: and he took hold of his own clothes, and rent them in two pieces.
Ary raha nahita izany Elisa, dia niantso hoe: Ry ikaky ô, ry ikaky ô, eny kalesin’ ny Isiraely sy ny mpitaingin-tsoavaliny! Dia tsy nahita azy intsony izy. Ary noraisiny ny fitafiany ka notriariny roa.
13 He took up also the mantle of Elijah that fell from him, and went back, and stood by the bank of Jordan;
Ary nalainy ny kapôtin’ i Elia izay latsaka avy teny aminy, dia niverina izy ka nitsangana teo amoron’ i Jordana.
14 And he took the mantle of Elijah that fell from him, and smote the waters, and said, Where is the LORD God of Elijah? and when he also had smitten the waters, they parted here and thither: and Elisha went over.
Dia noraisin’ i Elisa ny kapôtin’ i Elia, ilay latsaka avy teny aminy, ka nakapony ny rano, dia hoy izy: Aiza Jehovah, Andriamanitr’ i Elia? Eny, Elisa koa nikapoka ny rano, dia nisaraka roa izany, ka dia nita izy.
15 And when the sons of the prophets which were to view at Jericho saw him, they said, The spirit of Elijah does rest on Elisha. And they came to meet him, and bowed themselves to the ground before him.
Ary raha nahita azy ireo ny zanaky ny mpaminany izay nanandrify azy teo Jeriko, dia nanao hoe: Ny fanahin’ i Elia efa mipetraka amin’ i Elisa. Ary nandeha nitsena azy ireo ka niankohoka tamin’ ny tany teo anatrehany.
16 And they said to him, Behold now, there be with your servants fifty strong men; let them go, we pray you, and seek your master: lest peradventure the Spirit of the LORD has taken him up, and cast him on some mountain, or into some valley. And he said, You shall not send.
Dia hoy ireo taminy: Indro, misy dimam-polo lahy matanjaka ato amin’ ny mpanomponao; masìna ianao, aoka handeha hitady ny tomponao ireo, fandrao naingain’ ny Fanahin’ i Jehovah izy ka nazerany any an-tendrombohitra anankiray, na any an-dohasaha anankiray. Fa hoy izy: Aza maniraka ianareo.
17 And when they urged him till he was ashamed, he said, Send. They sent therefore fifty men; and they sought three days, but found him not.
Ary raha nanery azy ireo mandra-pikaodikaodiny, dia hoy izy: Maniraha ary. Dia naniraka dimam-polo lahy izy; ary nitady azy hateloana ireny, fa tsy nahita.
18 And when they came again to him, (for he tarried at Jericho, ) he said to them, Did I not say to you, Go not?
Ary tonga tao aminy indray ireny, raha mbola tao Jeriko ihany izy, dia hoy izy taminy: Tsy nilaza taminareo va aho nanao hoe: Aza mandeha?
19 And the men of the city said to Elisha, Behold, I pray you, the situation of this city is pleasant, as my lord sees: but the water is naught, and the ground barren.
Ary hoy ny mponina tao amin’ izany tanàna izany tamin’ i Elisa: Masìna ianao, indro, tsara toerana ity tanàna ity, tompoko, araka izao hitanao izao, saingy ratsy rano, ary ny tany tsy mampahavanon’ anaka.
20 And he said, Bring me a new cruse, and put salt therein. And they brought it to him.
Dia hoy izy: Itondray lovia vaovao aho, ka asio sira ao anatiny. Dia nentiny tany aminy izany.
21 And he went forth to the spring of the waters, and cast the salt in there, and said, Thus says the LORD, I have healed these waters; there shall not be from there any more death or barren land.
Ary nivoaka nankany amin’ ilay niandohan’ ny rano izy, dia nanipy sira tao ka nanao hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Efa nahatsara ity rano ity Aho; tsy hisy fahafatesana na tsi-fahavanonan’ anaka intsony hiseho eto.
22 So the waters were healed to this day, according to the saying of Elisha which he spoke.
Ka dia tsara ny rano mandraka androany araka ny teny nataon’ i Elisa.
23 And he went up from there to Bethel: and as he was going up by the way, there came forth little children out of the city, and mocked him, and said to him, Go up, you bald head; go up, you bald head.
Ary dia niakatra avy tao izy ka nankany Betela; ary nony niakatra teny an-dalana izy, dia, indreo, nisy ankizilahy madinika nivoaka avy tao an-tanàna ka nanakora azy hoe: Miakara, ry ilay sola; miakara, ry ilay sola!
24 And he turned back, and looked on them, and cursed them in the name of the LORD. And there came forth two she bears out of the wood, and tare forty and two children of them.
Ary nitodika izy ka nahita azy, dia nanozona azy tamin’ ny anaran’ i Jehovah. Ary dia nisy beravavy roa avy tany an’ ala namiravira roa amby efa-polo tamin’ ireo ankizilahy madinika ireo.
25 And he went from there to mount Carmel, and from there he returned to Samaria.
Dia niala teo Elisa ka nankany an-tendrombohitra Karmela, ary avy tao no niverenany any Samaria.