< Psalms 110 >
1 A Psalm of David. The LORD saith unto my lord: 'Sit thou at My right hand, until I make thine enemies thy footstool.'
Salamo nataon’ i Davida.
2 The rod of Thy strength the LORD will send out of Zion: 'Rule thou in the midst of thine enemies.'
Ny tehin’ ny herinao Havoak’ i Jehovah avy ao Ziona; Manapaha eo amin’ ny fahavalonao Hianao.
3 Thy people offer themselves willingly in the day of thy warfare; in adornments of holiness, from the womb of the dawn, thine is the dew of thy youth.
Ny olonao dia mazoto manolo-tena amin’ ny andro anafihanao; Amin’ ny fihaingoana masìna, tahaka ny ando ateraky ny maraina ho Anao ny zatovonao.
4 The LORD hath sworn, and will not repent: 'Thou art a priest for ever after the manner of Melchizedek.'
Efa nianiana Jehovah ka tsy hanenina: Hianao no Mpisorona mandrakizay Araka ny fanaon’ i Melkizedeka.
5 The Lord at thy right hand doth crush kings in the day of His wrath.
Ny Tompo eo an-kavananao Dia handripaka ny mpanjaka maro amin’ ny andron’ ny fahatezerany
6 He will judge among the nations; He filleth it with dead bodies, He crusheth the head over a wide land.
Hitsara any amin’ ny jentilisa Izy ka hampiampatrampatra faty any; Handripaka loholona any amin’ ny tany malalaka Izy.
7 He will drink of the brook in the way; therefore will he lift up the head.
Hisotro amin’ ny ony any an-dalana Izy, Ka izany no hitrakan’ ny lohany.