< Numbers 23 >
1 And Balaam said unto Balak: 'Build me here seven altars, and prepare me here seven bullocks and seven rams.'
Ary hoy Balama tamin’ i Balaka: Manorena alitara fito eto ho ahy, ka manamboara vantotr’ ombilahy fito sy ondrilahy fito.
2 And Balak did as Balaam had spoken; and Balak and Balaam offered on every altar a bullock and a ram.
Dia narahin’ i Balaka izay efa nolazain’ i Balama; ary Balaka sy Balama nanatitra vantotr’ ombilahy sy ondrilahy iray avy teo ambonin’ ny isan’ alitara.
3 And Balaam said unto Balak: 'Stand by thy burnt-offering, and I will go; peradventure the LORD will come to meet me; and whatsoever He showeth me I will tell thee.' And he went to a bare height.
Dia hoy Balama tamin’ i Balaka: Mitoera eto anilan’ ny fanatitra doranao, fa izaho kosa handeha; angamba ho avy hihaona amiko Jehovah; ary izay hasehony amiko dia hambarako aminao. Ary lasa nankany amin’ ny tendrombohitra anankiray mangadihady izy.
4 And God met Balaam; and he said unto Him: 'I have prepared the seven altars, and I have offered up a bullock and a ram on every altar.'
Ary Andriamanitra dia nihaona tamin’ i Balama; ary hoy Balama taminy: Ny alitara fito dia efa namboariko, ary efa nanatitra vantotr’ ombilahy sy ondrilahy iray avy teo ambonin’ ny isan’ alitara aho.
5 And the LORD put a word in Balaam's mouth, and said: 'Return unto Balak, and thus thou shalt speak.'
Ary Jehovah nanisy teny teo am-bavan’ i Balama ka nanao hoe: Miverena any amin’ i Balaka, ary izany no holazainao.
6 And he returned unto him, and, lo, he stood by his burnt-offering, he, and all the princes of Moab.
Dia niverina tany amin’ i Balaka izy, ary, indreo, teo anilan’ ny fanatitra dorany izy sy ireo andriandahin’ i Moaba rehetra.
7 And he took up his parable, and said: From Aram Balak bringeth me, the king of Moab from the mountains of the East: 'Come, curse me Jacob, and come, execrate Israel.'
Dia nanao oha-teny Balama ka nilaza hoe: Balaka nampaka ahy avy tany Arama, Ny mpanjakan’ i Moaba nampaka ahy avy tany amin’ ny tendrombohitra atsinanana: Avia, ka ozòny ho ahy Jakoba; ary mankanesa atỳ, ka sahatoy ny Isiraely.
8 How shall I curse, whom God hath not cursed? And how shall I execrate, whom the LORD hath not execrated?
Hataoko ahoana no fanozona izay tsy nozonin’ Andriamanitra? Ary hataoko ahoana no fisahato izay tsy nosahatoin’ i Jehovah?
9 For from the top of the rocks I see him, and from the hills I behold him: lo, it is a people that shall dwell alone, and shall not be reckoned among the nations.
Fa eto an-tampon’ ny vatolampy no ahitako azy, ary eto amin’ ny havoana no itazanako azy; indro, firenena mitoka-monina izy, ary tsy hatao ho isan’ ny jentilisa.
10 Who hath counted the dust of Jacob, or numbered the stock of Israel? Let me die the death of the righteous, and let mine end be like his!
Iza no mahisa ny vovok’ i Jakoba, na ny isan’ ny ampahefatry ny Isiraely? Aoka ho tahaka ny fahafatesan’ ny olo-marina ny fahafatesako, ary aoka ny hiafarako ho tahaka ny azy!
11 And Balak said unto Balaam: 'What hast thou done unto me? I took thee to curse mine enemies, and, behold, thou hast blessed them altogether.'
Dia hoy Balaka tamin’ i Balama: Ahoana izao nataonao tamiko izao? Hanozona ny fahavaloko no nangalako anao, kanjo nitso-drano dia nitso-drano azy kosa ianao.
12 And he answered and said: 'Must I not take heed to speak that which the LORD putteth in my mouth?'
Dia namaly izy ka nanao hoe: Tsy hotandremako va ny hilaza izay ataon’ i Jehovah eto am-bavako?
13 And Balak said unto him: 'Come, I pray thee, with me unto another place, from whence thou mayest see them; thou shalt see but the utmost part of them, and shalt not see them all; and curse me them from thence.'
Dia hoy Balaka taminy: Andeha mba hiaraka amiko ho any amin’ ny tany hafa izay hahitanao azy; kanefa ny sisiny ihany no ho hitanao eo, fa tsy ho hitanao avokoa izy rehetra; ka ozòny ho ahy ao izy.
14 And he took him into the field of Zophim, to the top of Pisgah, and built seven altars, and offered up a bullock and a ram on every altar.
Dia nitondra azy tao an-tsaha Zofima izy, tao an-tampon’ i Pisga; ary nanorina alitara fito izy ka nanatitra vantotr’ ombilahy sy ondrilahy iray avy teo ambonin’ ny isan’ alitara.
15 And he said unto Balak: 'Stand here by thy burnt-offering, while I go toward a meeting yonder.'
Dia hoy izy tamin’ i Balaka: Mitoera eto anilan’ ny fanatitra doranao, fa izaho hankerỳ hihaona amin’ i Jehovah.
16 And the LORD met Balaam, and put a word in his mouth, and said: 'Return unto Balak, and thus shalt thou speak.'
Ary Jehovah nihaona tamin’ i Balama, dia nanisy teny teo am-bavany ka nanao hoe: Miverena mankeo amin’ i Balaka ary izany no holazainao.
17 And he came to him, and, lo, he stood by his burnt-offering, and the princes of Moab with him. And Balak said unto him: 'What hath the LORD spoken?'
Ary nony tonga tany aminy izy, dia, indreo, teo anilan’ ny fanatitra dorany izy sy ireo andriandahin’ i Moaba izay teo aminy. Dia hoy Balaka taminy: Ahoana no nolazain’ i Jehovah?
18 And he took up his parable, and said: Arise, Balak, and hear; give ear unto me, thou son of Zippor:
Dia nanao oha-teny Balama ka nilaza hoe: Mitsangàna, ry Balaka, ka mandrenesa; Atongilano amiko ny sofinao, ry zanak’ i Zipora;
19 God is not a man, that He should lie; neither the son of man, that He should repent: when He hath said, will He not do it? or when He hath spoken, will He not make it good?
Andriamanitra tsy mba olona ka handainga, na zanak’ olombelona ka hanenina; moa efa nilaza va Izy, ka tsy hefainy? na efa niteny va Izy, ka tsy hotoviny?
20 Behold, I am bidden to bless; and when He hath blessed, I cannot call it back.
Indro, ny hitahy no efa azoko; ary efa nitahy Izy, ka tsy mahova izany aho.
21 None hath beheld iniquity in Jacob, neither hath one seen perverseness in Israel; the LORD his God is with him, and the shouting for the King is among them.
Tsy mijery faharatsiana eo amin’ i Jakoba Izy. Ary tsy mahita fahoriana eo amin’ ny Isiraely; Jehovah Andriamaniny no nomba azy, Ary hoby fanao amin’ andriana no re eo aminy.
22 God who brought them forth out of Egypt is for them like the lofty horns of the wild-ox.
Nentin’ Andriamanitra nivoaka avy tany Egypta izy, ary manan-kery toy ny ombimanga,
23 For there is no enchantment with Jacob, neither is there any divination with Israel; now is it said of Jacob and of Israel: 'What hath God wrought!'
Fa tsy misy fisikidianana eo amin’ i Jakoba, ary tsy misy fankatovana eo amin’ Isiraely. Fa amin’ ny fotoana no hilazana amin’ i Jakoba sy Isiraely izay efa nataon’ i Jehovah.
24 Behold a people that riseth up as a lioness, and as a lion doth he lift himself up; he shall not lie down until he eat of the prey, and drink the blood of the slain.
Indro, firenena mitsangana toy ny liom-bavy sy miarina toy ny liona; tsy handry izy mandra-pihinany toha sy mandra-pisotrony ny ran’ ny voavono.
25 And Balak said unto Balaam: 'Neither curse them at all, nor bless them at all.'
Dia hoy Balaka tamin’ i Balama: Aza manozona na mitso-drano azy akory
26 But Balaam answered and said unto Balak: 'Told not I thee, saying: All that the LORD speaketh, that I must do?'
Fa namaly kosa Balama ka nanao tamin’ i Balaka hoe; Tsy efa nilaza taminao va aho ka nanao hoe: Izay rehetra holazain’ i Jehovah, izany no hataoko?
27 And Balak said unto Balaam: 'Come now, I will take thee unto another place; peradventure it will please God that thou mayest curse me them from thence.'
Dia hoy Balaka tamin’ i Balama: Andeha ho entiko any amin’ izay tany hafa ianao; angamba ho sitrak’ Andriamanitra ny hanozonanao azy any ho ahy.
28 And Balak took Balaam unto the top of Peor, that looketh down upon the desert.
Ary Balama dia nentin’ i Balaka ho ao an-tampon’ i Peora, izay manatrika ny efitra.
29 And Balaam said unto Balak: 'Build me here seven altars, and prepare me here seven bullocks and seven rams.'
Dia hoy Balama tamin’ i Balaka: Manorena alitara fito eto ho ahy, ka manamboara vantotr’ ombilahy fito sy ondrilahy fito.
30 And Balak did as Balaam had said, and offered up a bullock and a ram on every altar.
Ary Balaka dia nanao araka izay efa nolazain’ i Balama ka nanatitra vantotr’ ombilahy, sy ondrilahy iray avy teo ambonin’ ny isan’ alitara.